ANTSA
Famantarana ho antsika mpino ny fahagagana nataon'i Kristy.
Fiv: Ry Jesoa Tompo ô nantsoiko Ianao,
Ka nanasitrana ahy noho ny fitiavanao. (bis)
1 Ianao ry Jesoa Tompoko no nampahiratra ahy
Fa nikasika ny masoko hahita ny mazava;
Enga anie ka tsy hikimpy fa hidera Anao ny foko
Tsy ho jamba fa hahita ka hamonjy izay mijaly. (Mt 20,34)
Fiv: Ry Jesoa Tompo ô nantsoiko Ianao,
Ka nanasitrana ahy noho ny fitiavanao. (bis)
2 Nokasihinao ny lelako izay nifatotra hatrizay
Dia nivaha ny fatorany hamaliany ny antsonao;
Enga anie ka tsy hatahotra aho fa hitaza ny hafatrao
Hampitraka ny olon-dresy, hampijoro ny olon-kivy. (Mk 7,33)
Fiv: Ry Jesoa Tompo ô nantsoiko Ianao,
Ka nanasitrana ahy noho ny fitiavanao. (bis)
3 He malady koa ny sofina izay donto teo aloha
Feo maro indray miantefa, manodidina ahy izao;
Enga anie ny feonao mba ho reko lalandava
Ka ho reko amin'ny antson'ny madinika rehetra. (Mk 7,33)
Fiv: Ry Jesoa Tompo ô nantsoiko Ianao,
Ka nanasitrana ahy noho ny fitiavanao. (bis)
4 Ianao ry Jesoa Tompoko no nampahiratra ahy
Nampiteny nampalady mba ho ohatra ho ahy;
Enga anie ka hotozoiko ny asa 'zay natombokao
Dia hiaiky 'zahay rehetra fa ny vonjy avy Aminao. (Jn 11,12)
Fiv: Ry Jesoa Tompo ô nantsoiko Ianao,
Ka nanasitrana ahy noho ny fitiavanao. (bis)
SALAMO 16 (15)
Faly ny mpianakavy rehefa tafavory! Vao santatra ihany anefa izany, fa ilay omanin'i Kristy no tena hamory antsika ao an'tranon'ny Ray tsy hisara-mianakavy.
Sas: Handeha aho hanomana toerana ho anareo,
Ka izay misy ahy no hisy anareo. (Jn 14,2-3)
Andininy:
Andriamanitra Tompo ô, ambeno
F' Ianao re no hany ifefeko,
Hasambarako tokana an-tany.
Tsy mba sitrako intsony tokoa
Ireo masina, tompo eto an-tany,
Manandevo 'zay matoky azy.
Ary koa 'reny sampy hamaroina
Tsy hanaovako sorona intsony;
Ts' ho tononiko anarana akory.
Ianao re ry Tompo no lova,
Hany zarako mandrakizay
Toeran-tsoa no natokana ho ahy.
Ka isaorako Tompo Ianao
Fa nanolotra saina, fanahy
Sy nanoro ny foko hatrany.
Eo alohako foana ny Tompo.
Tsy hiala an-kavanako Izy.
Ka hisaorako mandrakizay.
Ts'omby tratra tokoa ny hafaliana
'Zay mameno ny foko tontolo
Sy manenika 'zato fanahy.
Ka ny nofoko mandry amin-toky.
Fa tsy foinao ho levona ny aiko,
Ny olon-tianao tsy foinao ho faty.
E ny lalan'ny fiainana izao
Dia hatoronao ahy hatrany,
Ka nameno hafaliana ny foko.
Ho finaritra mandrakizay
'Zay mitoetra eo an-kavananao,
Hasambarana tsy mety ritra.
Zanakao no hankany Aminao
Mba hanomana lapa ho anay
Hideranay ny Fitiavanao.
Sas: Handeha aho hanomana toerana ho anareo,
Ka izay misy ahy no hisy anareo.
TENIN'ANDRIAMANITRA
A : Mk 1,32-35:
Nony hariva efa maty masoandro dia nentina teo amin'i Jesoa ny marary sy ny azon'ny demony ka nitangorona teo am-baravarana ny tao an-tanàna rehetra; ary nanasitrana olona maro i Jesoa: dia ireo mararin'aretina samihafa sady nandroaka demony maro koa izy fa norarany tsy hiteny izy ireo satria nahafantatra azy ary nifoha mbola alina izy nony ampitso nandeha nankany amin'ny tany mangingina mba hivavaka.
VALINKIRA
Fiv: Andriamanitra no tokiko ka tsy misy atahorako
Andriamanitra no Raiko Jesoa Zanany no Zokiko.
1 Aleoko mialoka amy Tompo
Toy izay miantehitra amin'olona.
Fiv: Andriamanitra no tokiko ka tsy misy atahorako
Andriamanitra no Raiko Jesoa Zanany no Zokiko.
2 Izaho tsy ho faty intsony
F'Izy Ray no tompon'aina.
Fiv: Andriamanitra no tokiko ka tsy misy atahorako
Andriamanitra no Raiko Jesoa Zanany no Zokiko.
3 Avia ianao, hoy ny Teniny,
Ka matoria am-piadanana.
Fiv: Andriamanitra no tokiko ka tsy misy atahorako
Andriamanitra no Raiko Jesoa Zanany no Zokiko.
4 Izaho dia handry fehizay,
Hiadana fa tsara mpiandry.
Fiv: Andriamanitra no tokiko ka tsy misy atahorako
Andriamanitra no Raiko Jesoa Zanany no Zokiko.
5 Izaho hitandrina ny didiny
Dia hiara-monina amiko Izy. (Jn 14,23)
Fiv: Andriamanitra no tokiko ka tsy misy atahorako
Andriamanitra no Raiko Jesoa Zanany no Zokiko.
TONONKIRAN'I SIMEONA
Ny fivavahana nataon'i Jesoa tamin'ny Alakamisy Masina m a.arintsika indray miaraka Aminy izao.
Sas: Ray ô, tonga izao ny fotoana. Aleloia!
Omeo voninahitra ny Zanakao. Alelola. (Jn 17,1)
Andininy: (Lk 2,29-32)
Eny Tompo,
Am-piadanana tokoa ankehitriny
Andefasanao ity mpanomponao:
Dia ho to 'zay voalazanao!
Fa satria:
'Zany masoko mahita miharihary
'Zato famonjena 'zay nomaninao
Ho an'ireo firenen-drehetra.
Hazavana
'Zay hanilo ny vahoaka eran-tany
Fa kiady kosa sady reharehan'
I Israely vahoakanao!
Eny, Tompo,
Mendri-dera ny fitiavanao anay
Fa nirahinao ho anay ny Zanakao
Hampiadana anay rehetra.
Sas: Ray ô, tonga izao ny fotoana. Aleloia!
Omeo voninahitra ny Zanakao. Alelola.
FANGATAHANA:
Ry Jesoa Kristy Tompo ô, efa nomen'ny Ray Anao ny voninahitra nanananao teo aminy fony mbola tsy àry izao tontolo izao, ka enga anie ny fiainanay manontolo na miasa izahay na miala sasatra mba ho fanomezam-boninahitra ny Ray iombonana ka hahamendrika anay hiombon-dova sy voninahitra aminao, amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Na hoe:
Ry Tompo Andriamanitray ô, sasa-dahasa izahay, ka ataovy mahita tory tsara, mba hanampianao anay hahazo hery lalandava hitiavanay Anao amin'ny fo sy saina amam-panahy. Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
HIRA FANKALAZANA AN'I MASINA MARIA
TSODRANO (Rom 15,13)
Mpitsodrano:
Andriamanitra Ray, Fototry ny fanantenantsika anie hameno hafaliana amam-piadanana antsika rehetra, noho ny finoantsika an'i Jesoa Kristy sy noho ny herin'ny Fanahy Masina.
Vahoaka:
Samia ela velona ê, ary Izy anie hanavao
ny herintsika amin'ity alina ity.