Alahady Herinandro II

ANTSA

1. Andriamanitra Velona Tomponay ô!

Sitrakao ny hifamatotra taminay,

Ka jereo, Teny velona no napetrakao

Tao an-Trano feno Hasina fonenanao,

Nibanjinan'ny vahoaka ny Voninahitrao maniopiaka.

2. Andriamaitra Velona Rainay ô!

Telinao ny hifamatotra taminay,

I Jesoa, Vato Velona efa natolotrao

Mba ho Tempolinao Masina irafetanay,

Ibanjinan'ny vahoaka ny Voninahitrao mahaliana.

3. Andriamanitra Velona Rainay ô!

Maminao ny ifamatotra aminay,

Izahay Vato velona afoinao

Mba ho Trano itoeran'ny Fanahinao,

Hibanjinan'ny tontolo ny Voninahitrao mahasondriana.

 

SALAMO 103 A (102 A)

Sas: Mbola lavitra ilay zanaka mpandany, dia nahatazana azy rainy, ka onena nido­do­dodo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy. (Lk 15,20)

1. Misaora ny Tompo, ô ry fanahiko,

Misaora ny Anarany Masina,

O ry tenako ton­tolo! (Misaora ny Tompo, misaora)

2. Misaora ny Tompo, ô ry fanahiko,

Ny soa sesehena nataony

Aza misy hadinoina!

Avelany ireo otanao rehetra,

Ianao dia sitraniny koa

Amin'ny aretina rehetra. (Misaora nyTompo, misaora)

4. Ny ainao vonjeny tsy ho any an-davaka,

Ka hatsaram-po sy fitiavana

No asarony anao.

5. Ny fahanteranao, rako-java-tsoa

Ianao toy ny voro-mahery,

Mihavao, mihatanora. (Misaora ny Tompo, misaora)

6. Ny Tompo manao asa fahamarinana,

Ny ampahoriana rehetra

Hamarininy avokoa.

7. Ny lalany ambarany an'i Moizy,

Ny asa lehibe izay nataony,

Amin'ny zanak'Israely. (Misaora ny Tompo, misaora)

8. Mpiantra sy Mpamindra fo ny Tompo,

Tsy malaky tezitra Izy

Ary be hatsaram-po.

9. Tsy mandrakizay ny fiampangany,

Tsy hoe lalandava ihany koa

Ny firehitry ny fony. (Misaora ny Tompo, misaora)

10. Tsy araka izay hadisoantsika

No hasetriny havaliny antsika,

Na izay otantsika.

11. Toy ny lanitra avo any ambonin'ny tany,

No haben'ny hatsaram-pony

Amin'izay matahotra Azy. (Misaora ny Tompo, misaora)

12. Fa toy ny atsinanana sy ny andrefana

No analavirany koa

Ny hadisoana amintsika.

13. Fa toy ny fangorahan'ny ray ny zanany

No mba angorahan'ny Tompo

An'izay matahotra Azy! (Misaora ny Tompo, misaora)

14. Misaora ny Ray Mpamindra fo,

Sy ny Zanaka vonjy ho antsika

Ary Ilay Fanahy Fitiavana.

Sas: Mbola lavitra ilay zanaka mpandany, dia nahatazana azy rainy, ka onena nido­do­dodo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy.

 

na:

SALAMO 91 (90)

Misomidika ambony toa menaka ve ny fiarahan'i Krisy amintsika? Tsia! latsa-paka anaty toa tsoaka: afovoanrsika mandrakariva lzy.

Sas: Eo aminareo mandrakariva Aho, ka tsy hisy

hahasarika anareo eo an-tanan'ny Ray. (Mt 28,20 sy Rom 8,39)

Andininy:

'Zany izaho raha mialokaloka ao an-tranon'Ilay Avo,

Velon-toky tsy manahy fa alofanao ry Tompo!

"O ry Tompo fialofako sy mandako, hoy aho"

Andriamanitra itokiako marimarina tokoa.

Fa ny Tompo no mpanafaka amy fandrika mandavo

Sy manakana, manohana fiadiana mety hamono.

Eo ambanin'ireo elany no anaronany anao.

'Zay matoky tsy manahy fa efa tsara fambombana!

Fa ny sandriny dia zary fiadiana toy ny ampinga

Ary 'zany fahamarinany moa ts'ilay fiarovan-tratra:

Na rah'alina ka tojo 'rony amboa manao andia,

Na atoandro mifanehatra amim-borona mahery!

Na misoko te handringana am'ny haizina ny loza,

Tsy hangovitra, tsy hatahotra, tsy hihontsona ianao.

Tazanao mianjerazera eo an-kavia ny arivoarivo

An-kavanana alinalina midaraboka sy lavo!

Eo anivon'izy ireny ianao mijoro tsy mirona,

Tsy voakasika tsy taitra, tsy miraika fa voaaro

Etsy kely ange ianao k'ahirato 'zany maso

Dia indreny tazanao, fa voasazy ny olon-dratsy!

Ilay Avo no nataonao fialofa-mahatoky,

Fiarova-mahavonjy sady fefinao hatrany!

Ka ny tena tsy mba tran'irony loza mahafaty;

'Zay antambo koa tsy hiditra ny trano itoeranao!

Fa nomeny baiko manko ny anjeliny rehetra

Mba hanampy anao ho tody soa aman-tsara an-tranonao!

Voahitsakitsakao ny bibidia sy menarana!

Ny fananom-pitoloha indro torotoronao!

“Fa matoky ny fitiavako izy hany ka vonjeko;

Nahafantatra ny Anarako: tsenaiko famonjena.

Hovaliako raha miantso, hovonjeko raha mijaly;

Raha tojo fitsapana tsy havelako hanirery!

'Zaho ho tonga hanafaka azy eo anivom-pahavalo;

Sy ho avy hanandratra azy eo anivom-pahoriana,

Ka homeko tombon'andro sesehena koa izy;

Hanekeko 'zany vonjiko fa sitrako izany!”

E tongava ry vahoaka mba hidera sy hisaotra

Fa ny Ray no fiarova-mahatoky sy mitahy

Sy ny Zanaka nasandrany ho mpandresy 'rony ratsy

Ny Fanahiny nomeny tsy hisaraka amintsika.

Sas: Eo aminareo mandrakariva Aho,

Ka tsy hisy hahasarika anareo eo an-tanan'ny Ray.

 

TENIN'ANDRIAMANITRA (Rom 15,5-7)

Hampiray hevitra anareo araka an'i Kristy Jesoa anie IlayAndriamanitra mpanome ny faharetana sy ny hery, mba hiray fo amantsaina ianareo, hiara-manome voninahitra an'Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika. Koa mahaiza mifandray tsara ianareo, tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo mba ho voninahitr'Andriamanitra.

 

VALINKIRA

Ny heloka ibabohana mody rariny; nohamarinina isika fa tafiditra ao amin'­ny fianakavian'Andriamanitra: Ray, Zanaka, Fanahy Masina.

1 Rainay any an-danitra any, mba henoy e

Mba henoy ny vavakay ê, mba henoy e

Mitalaho anie izahay ê, mba henoy e

Miandrandra Anao, ry Ray ô, mba henoy e

2 Diso Taminao 'zahay, ka mifona

Nanadino Anao, ry R'ay ô, ka mifona

Tsy nanao ny sitrakao, ka mifona

Voasodokan-drendrarendra, ka mifona

3 Zandrinao 'zahay, ry Jesoa, ka vonjeo

Fa voafatotry ny ota, ka vonjeo

Fantatrao fa mbola osa, ka vonjeo

Mora resin'ilay Ratsy, ka vonjeo

4 Hamasino e izahay ê, hamasino

Ry Fanahy Zanahary, hamasino

Hamasino e ny fonay, hamasino

Hamasino ho lapanao ê, hamasino.

 

TONONKIRAN'I SIMEONA

Toy ny nataon'ireo mpianatra roalahy tany Emaosy: iangaviantsika i Jesoa mba hitoetra eto amintsika mandritry ity alina ity.

Sas: Izay manolatra an-kafaliana no sitrak'Andriamanitra, Aleloia! (2 Kor 9,7)

Andininy: (Lk 2,29-32)

Eny Tompo,

Am-piadanana tokoa ankehitriny

Andefasanao ity mpanomponao:

Dia ho to 'zay voalazanao!

Fa satria:

'Zany masoko mahita miharihary

'Zato famonjena 'zay nomaninao

Ho an'ireo firenen-drehetra.

Hazavana

'Zay hanilo ny vahoaka eran-tany

Fa kiady kosa sady reharehan'

I Israely vahoakanao!

Eny, Tompo,

Mendri-dera ny fitiavanao anay

Fa nirahinao ho anay ny Zanakao

Hampiadana anay rehetra.

Sas: Izay manolatra an-kafaliana no sitrak'Andriamanitra, Aleloia!

 

FANGATAHANA

Ry Tompo Andriamanitra Ray tsara fo indrindra ô, nanenika ny fiainanay manontolo androany ny fitiavanao tsy misy fetra. Hameno fiadanana ny torimasonay koa anie izany fitiavanao izany, ka hifoha an-kafaliana izahay rahampitso handray ny asa fanaonay andavanandro. Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.

 

HIRA FANKALAZANA AN'l MASINA MARIA

 

TSODRANO (1 Piera 1,3)

Mpitsodrano:

Hitsodrano antsika anie Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika izay niteraka antsika indray noho ny fitiavany antsika tamin'ny nitsanganan'i Jesoa Kristy ho velona.

Vahoaka:

ka hiara-belona aminy mandrakizay isika mianakavy e!

na hoe: ka hiara-belona aminy mandrakizay isika mianadahy avy e!

na hoe: ka hiara-belona aminy mandrakizay isika mirahalahy avy e!

na hoe: ka hiara-belona aminy mandrakizay isika mirahavavy avy e!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0079