Alahady Herinandro I

ANTSA

Ny fankalazana an'i Kristy nitsangan-ko velona no nanerana ny fiainantsi­ka androany; amin‘ity takariva hamaranantsika ny andro ity, dia mbola hoventesintsika amim-pinoana miaraka izany fankalazana izany.

Fiv: I Kristy velona, I Kristy Zanaka, no arahintsika,

fa Mpamonjy antsika. Izy no Fiainana.

1 Raha te-ho velona, aoka hanatona Azy

I Kristy no Aina velona ao amin'ny Ray.

Fiv: I Kristy velona, I Kristy Zanaka, no arahintsika,

fa Mpamonjy antsika. Izy no Fiainana.

2 Raha te-hifankatia, aoka hanatona Azy

I Kristy no Zoky samy Zanaky ny Ray.

Fiv: I Kristy velona, I Kristy Zanaka, no arahintsika,

fa Mpamonjy antsika. Izy no Fiainana.

3 Raha te-ho sambatra, aoka hanatona Azy

I Kristy no Lalana miakatra ao an-danitra ao.

Fiv: I Kristy velona, I Kristy Zanaka, no arahintsika,

fa Mpamonjy antsika. Izy no Fiainana.

4 Raha te-ho masina, aoka hanatona Azy

I Kristy no Hery, Azy izao tontolo izao.

Fiv: I Kristy velona, I Kristy Zanaka, no arahintsika,

fa Mpamonjy antsika. Izy no Fiainana.

 

SALAMO 91 (90)

Misomidika ambony toa menaka ve ny fiarahan'i Krisy amintsika? Tsia! latsa-paka anaty toa tsoaka: afovoanrsika mandrakariva lzy.

Sas: Eo aminareo mandrakariva Aho, ka tsy hisy

hahasarika anareo eo an-tanan'ny Ray. (Mt 28,20 sy Rom 8,39)

Andininy:

'Zany izaho raha mialokaloka ao an-tranon'Ilay Avo,

Velon-toky tsy manahy fa alofanao ry Tompo!

"O ry Tompo fialofako sy mandako, hoy aho"

Andriamanitra itokiako marimarina tokoa.

Fa ny Tompo no mpanafaka amy fandrika mandavo

Sy manakana, manohana fiadiana mety hamono.

Eo ambanin'ireo elany no anaronany anao.

'Zay matoky tsy manahy fa efa tsara fambombana!

Fa ny sandriny dia zary fiadiana toy ny ampinga

Ary 'zany fahamarinany moa ts'ilay fiarovan-tratra:

Na rah'alina ka tojo 'rony amboa manao andia,

Na atoandro mifanehatra amim-borona mahery!

Na misoko te handringana am'ny haizina ny loza,

Tsy hangovitra, tsy hatahotra, tsy hihontsona ianao.

Tazanao mianjerazera eo an-kavia ny arivoarivo

An-kavanana alinalina midaraboka sy lavo!

Eo anivon'izy ireny ianao mijoro tsy mirona,

Tsy voakasika tsy taitra, tsy miraika fa voaaro

Etsy kely ange ianao k'ahirato 'zany maso

Dia indreny tazanao, fa voasazy ny olon-dratsy!

Ilay Avo no nataonao fialofa-mahatoky,

Fiarova-mahavonjy sady fefinao hatrany!

Ka ny tena tsy mba tran'irony loza mahafaty;

'Zay antambo koa tsy hiditra ny trano itoeranao!

Fa nomeny baiko manko ny anjeliny rehetra

Mba hanampy anao ho tody soa aman-tsara an-tranonao!

Voahitsakitsakao ny bibidia sy menarana!

Ny fananom-pitoloha indro torotoronao!

“Fa matoky ny fitiavako izy hany ka vonjeko;

Nahafantatra ny Anarako: tsenaiko famonjena.

Hovaliako raha miantso, hovonjeko raha mijaly;

Raha tojo fitsapana tsy havelako hanirery!

'Zaho ho tonga hanafaka azy eo anivom-pahavalo;

Sy ho avy hanandratra azy eo anivom-pahoriana,

Ka homeko tombon'andro sesehena koa izy;

Hanekeko 'zany vonjiko fa sitrako izany!”

E tongava ry vahoaka mba hidera sy hisaotra

Fa ny Ray no fiarova-mahatoky sy mitahy

Sy ny Zanaka nasandrany ho mpandresy 'rony ratsy

Ny Fanahiny nomeny tsy hisaraka amintsika.

Sas: Eo aminareo mandrakariva Aho,

Ka tsy hisy hahasarika anareo eo an-tanan'ny Ray.

 

TENIN'ANDRIAMANITRA

A: Apok 22,4-5

Hifanatri-tava amin'Andriamanitra ny mpanompony ary dia hisoratra eo am­­in'ny handrin'izy ireo ny anarany. Ny alina tsy hisy intsony: Ny haza­van'­­ny fanilo, ny hazavan'ny masoandro: tsy hilainy intsony, satria ny ha­zavan'ny Tompo Andriamanitra no hiparasaka amin'izy ireo, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay izy!

na B : lRom 15.5.7. - D :Apok21.22-27 - E : 1 Kor 15.20.221

 

VALINKIRA

Ny heloka ibabohana mody rariny; nohamarinina isika fa tafiditra ao amin'­ny fianakavian'Andriamanitra: Ray, Zanaka, Fanahy Masina.

1 Rainay any an-danitra any, mba henoy e

Mba henoy ny vavakay ê, mba henoy e

Mitalaho anie izahay ê, mba henoy e

Miandrandra Anao, ry Ray ô, mba henoy e

2 Diso Taminao 'zahay, ka mifona

Nanadino Anao, ry R'ay ô, ka mifona

Tsy nanao ny sitrakao, ka mifona

Voasodokan-drendrarendra, ka mifona

3 Zandrinao 'zahay, ry Jesoa, ka vonjeo

Fa voafatotry ny ota, ka vonjeo

Fantatrao fa mbola osa, ka vonjeo

Mora resin'ilay Ratsy, ka vonjeo

4 Hamasino e izahay ê, hamasino

Ry Fanahy Zanahary, hamasino

Hamasino e ny fonay, hamasino

Hamasino ho lapanao ê, hamasino.

 

TONONKIRAN'I SIMEONA

Toy ny nataon'ireo mpianatra roalahy tany Emaosy: iangaviantsika i Jesoa mba hitoetra eto amintsika mandritry ity alina ity.

Sas: Efa mandrorona ny andro

Madiva ho rakotra haizina ny tany

Mitoera re, Tompo ô, aty aminay. (Lk 24,29)

Andininy: (Lk 2,29-32)

Eny Tompo,

Am-piadanana tokoa ankehitriny

Andefasanao ity mpanomponao:

Dia ho to 'zay voalazanao!

Fa satria:

'Zany masoko mahita miharihary

'Zato famonjena 'zay nomaninao

Ho an'ireo firenen-drehetra.

Hazavana

'Zay hanilo ny vahoaka eran-tany

Fa kiady kosa sady reharehan'

I Israely vahoakanao!

Eny, Tompo,

Mendri-dera ny fitiavanao anay

Fa nirahinao ho anay ny Zanakao

Hampiadana anay rehetra.

Sas: Efa mandrorona ny andro

Madiva ho rakotra haizina ny tany

Mitoera re, Tompo ô, aty aminay. (Lk 24,29)

 

FANGATAHANA

Ry Jesoa Kristy Tompo ô, efa hariva ity ny andro ary mandroso ny alina; koa mijanòna miaraka aminay dia hiaraka hifoha aminao izahay rahampitso ary hiara-belona marina aminao mandritra ny andro rehetra iainanay; fa Ianao velona sy manjaka miaraka amin'ny Ray sy ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

na hoe: [= Alatsinainy, fomba III. = Sabotsy, fomba II.]

Ry Kristy Masoandro be lohataona ô, misaotra Anao nanazava ny fiainana sy nitantana ny dia androany, ka hovaliana raha mahatsiaro. Enga anie Ianao iha­ny koa no ho Volana fenomanana, fanala haizin'ny alina amin'ny andro fi­tsa­pana, ka hampisava ny tahotra, ny ahiahy aman-tebiteby. Mangata-pita­hiana Aminao manokana izahay ho an'izay rehetra mandry fotsy na tsy am­py firakotra, ary koa ho an'ny marary tsy mahazo tory. Enga anie Ianao no ho bodofotsin'ny kamboty, ho solon-jiron'ny malahelo, ho fialan-tsasatry ny miferin'aina, ary ho hidin-trano miantoka ny alina ho anay rehetra. Fa Ianao no ilay Velona sy manjaka amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

na hoe:

Ny feonay, ry Tompo, miangavy miantso Anao fa mankalaza ny Zanakao nitsangan-ko velona izahay, ka enga anie tsy ho simban'ny ratsy, ary hifoha avy eo, ho faly hidera Anao. Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.

 

ANDRO FETY

Tompo ô, mihanta Aminao izahay, tongava mamangy ny tranonay ary ampanalaviro anay ny fandrika rehetra velarin'ny fahavalo: ka ny Anjelinao masina anie honina eto hampandry anay fehizay ary ny tsodranonao kosa ho eto aminay lalandava. Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.

 

Dia hiraina ny Tonon-kira anankiray

FANKALAZANA AN'I MASINA MARIA

Sasinkira na hira hafa ao amin'ny ANKALAZAO NY TOMPO

na BOKY FIHIRANA HAFA.

 

TSODRANO 1 Piera 1,3

Mpitsodrano:

Hitsodrano antsika anie Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika izay niteraka antsika indray noho ny fitiavany antsika tamin'ny nitsanganan'i Jesoa Kristy ho velona.

Vahoaka:

ka hiara-belona aminy mandrakizay isika mianakavy e!

na hoe: ka hiara-belona aminy mandrakizay isika mianadahy avy e!

na hoe: ka hiara-belona aminy mandrakizay isika mirahalahy avy e!

na hoe: ka hiara-belona aminy mandrakizay isika mirahavavy avy e!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0094