FANAINGANA (I.) Sal 95(94)
Miantso antsika ny Tompo; izay mahay mihaino no mandre ny feony.
Fiv: Enga anie ianareo anio hihaino ny Tompo.
1 Avia mifalia ka hobio ny Tompo
Ilay vatolampy sy vonjintsika,
2 Andeha mankeo anoloany hisaotra
Hihira sy hiantsa ary hankalaza Azy,
3 Fa Izy Andriamanitra sady Tompo
Mpanjakan’ireo andriamani-kafa.
Fiv: Enga anie ianareo anio hihaino ny Tompo.
4 Ny atin’ny tany eo am-pelatanany
Ny tampon’ny vohitra Azy koa.
5 Nataony ka Azy ny ranomasina,
N’tanety Azy koa fa asan-tanany.
6 Avia miondreha ary miankohofa
Hitsaoka Ilay Tompo nanao antsika,
Fiv: Enga anie ianareo anio hihaino ny Tompo.
7 Fa Izy no tena Andriamanitsika,
Isika vahoaka sy ondry fiandriny.
8 Hihaino azy ve ianareo anio?
Fa izao no ambarany sy lazainy:
9 Aza dia mafy fo toy ny tany an’efitra,
Toy ny tany Masa sy tany Meriba.
Fiv: Enga anie ianareo anio hihaino ny Tompo.
10 Ny razanareo dia nitsapa ahy!
Kanefa nahita ny asa vitako.
11 ‘Ty taranaka ity efapolo taona
Dia nahatofoka ahy nahatezitra ahy.
12 Vahoaka mpaniasia tokoa ity
Tsy mety hahalala ny tena lalako.
Fiv: Enga anie ianareo anio hihaino ny Tompo.
13 Koa tezitra aho ka nianiana,
F’ireto ts’hiadana miaraka amiko.
14 ‘Ndeha isika hisaotra ny Tompontsika,
Ny Ray be fitia ‘zay nifidy antsika.
15 Ny Zanany nentiny niantso antsika,
Fanahiny kosa nomeny antsika!
Fiv: Enga anie ianareo anio hihaino ny Tompo.
ANTSA (II.)
Tsy fomban’ny Raintsika ny manosi-bohon-tanana.
Fiv: Tompo ô, miantso Anao ity aho anaty haizim-be,
Tompo, henoy izany feoko!
Mba raiso re ity zanakao ho anisan’ny mpanomponao.
1 Tsaroako hatrany ilay hafaliana
An-tranonao Ray be fitiavana:
Jesoa Kristy e no Fahazavana
An-tranonao nilaozako.
Fiv: Tompo ô, miantso Anao ity aho anaty haizim-be,
Tompo, henoy izany feoko!
Mba raiso re ity zanakao ho anisan’ny mpanomponao.
2 Fianakaviana e no avorinao
An-tranonao.Ray be fitiavana:
Jesoa Kristy e no Fiainanay
An-tranonao nilaozako.
Fiv: Tompo ô, miantso Anao ity aho anaty haizim-be,
Tompo, henoy izany feoko!
Mba raiso re ity zanakao ho anisan’ny mpanomponao.
3 Mamerovero e ilay fihavanana
An-tranonao, Ray be fitiavana:
Jesoa Kristy e no Zoky ho anay
An-tranonao nilaozako.
Fiv: Tompo ô, miantso Anao ity aho anaty haizim-be,
Tompo, henoy izany feoko!
Mba raiso re ity zanakao ho anisan’ny mpanomponao.
4 Vahoakanao e no midera Anao
An-tranonao, Ray be fitiavana:
Jesoa Kristy e no Mpanjakanay
An-tranonao nilaozako.
Fiv: Tompo ô, miantso Anao ity aho anaty haizim-be,
Tompo, henoy izany feoko!
Mba raiso re ity zanakao ho anisan’ny mpanomponao.
5 Sambatra loatra e ireo zanakao
An-tranonao, Ray be fitiavana:
Jesoa Kristy e no Fiadananay
An-tranonao nilaozako.
Fiv: Tompo ô, miantso Anao ity aho anaty haizim-be,
Tompo, henoy izany feoko!
Mba raiso re ity zanakao ho anisan’ny mpanomponao.
SALAMO (III.) 51(50)
Tandra vadin-koditry ny zanak’olombelona ny fahotana. I Krisry no hany manafaka azy.
Sas: Ry Jesoa Zanak’ Andriamanitra Mpanavotra ô,
mamindra fo amiko e. (Mk 10,47)
Andininy:
1 Iantrao aho ry Andriamanitra, (Dikanteniny mirindra Zoma 2 maraina)
araka ny hatsaram-ponao.
2 Koseho ny heloko
araka ny haben’ny indrafonao!
3 Sasao aho, ry Tompo, ho afaka heloka tanteraka,
ary diovy ho afaka amin’ny fahotako.
4 Eny, miaiky heloka aho,
eo anoloako lalandava ny otako.
5 Ianao irery no nanotako,
teo imasonao no nanaovako ny ratsy
6 ka ho marina Ianao raha miteny
tsy homen-tsiny raha mitsara!
7 Indro tanaty heloka aho no teraka,
tanaty ota no torontoronina!
8 Indro fahitsiana anaty no sitrakao:
fahendrena antakona no atoronao ahy.
9 Diovy hisopa aho, hadio;
sasao, ho fotsy noho ny oram-panala;
10 Ataovy mahaheno hafaliana sy haravoana aho;
ataovy mibitaka ny taolana voamontsanao!
11 Afeno ny Tavanao ny otako,
koseho avokoa ny heloka!
12 Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra,
manaova fanahy mitombina vaovao ato anatiko.
13 Aza esorina eo anolonao aho:
ary aza alàna amiko ny Fanahinao Masina.
14 Amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao,
ary herezo amim-panahy mazoto
15 Dia hatoroko ny meloka ny lalanao,
ka hiverina aminao ny mpanota.
16 Ry Andriamanitra ô, afaho amin’ny tomany aho
dia hihoby ny fahamarinanao ny lelako.
17 Tompo ô, sokafy ny molotro,
dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.
18 Fa ny fanatitra, tsy mba sitrakao,
ny sorona dorana hatolotro, tsy ho telinao.
19 Ny fanahy torotoro
no sorona lavorary.
20 Tsia, ny fo torotoro sy montsamontsana
tsy mba iavonanao, ry Andriamanitra!
21 Mba hasoavy i Siôna noho ny fitiavanao.
Atsangano indray ny mandan’i Jerosalema.
22 Amin’izay vao ho sitrakao ny fanati-pahamarinana,
ny sorona dorana izay atolotra tontolo.
23 Eny, amin’izay dia ombalahy
no hakarina amin’ny Alitaranao.
Sas: Ry Jesoa Zanak’ Andriamanitra Mpanavotra ô,
mamindra fo amiko e. (Mk 10,47)
TONON KIRA (IV.) Izaia 45,15-26
Ny sakaiza mety mandao, fa ny Tompo irery ihany no azo antoka.
Sas: Hankany amin’iza izahay, Tompo ô,
Hankany amin’iza izahay? (Jn 6.68)
Andininy:
1 Marina tokoa fa Andriamanitra miafina Ianao
Ry Andriamanitr’i Israely, ry Mpamonjy.
2 Azon-keloka sy mangaihay ny fahavalony rehetra!
Lasa amim-pahafaham-baraka ny mpamboatra sampy.
3 Famonjena mandrakizay kosa
no amonjen’ny Tompo an’i Israely.
4 Tsy ho menatra ianareo na hangaihay
mandrakizay mandrakizay!
5 Eny, izao no lazain’ny Tompo,
Ilay nanao ny lanitra,
6 Ilay Andriamanitra namboatra ny tany,
Ilay nahavita azy sy nandraikitra azy:
7 tsy nanao azy tsy misy endrika,
fa nanao azy ho azo onenana:
8 Izaho hoy izy, no Tompo;
ary tsy misy hafa.
9 Tsy niteny an-takona Aho
na tany amin’ny helo toera-maizina.
10 Tsy niteny tamin’i Jakôba hoe:
Mitadiava Ahy, nefa aza mahita!
11 Tompo milaza ny marina Aho,
sy manambara ny mahitsy.
12 Mivoria, tongava, manatòna,
Avia, ry tsy matin’ireo firenena!
13 Adala ny olona manaja hazo nosokirina
sy mivavaka amin’andriamani-tsy mamonjy.
14 Ambarao, asehoy, iaraho midinika:
Iza no mahalaza mialoha ny ho avy?
15 Moa tsy Izaho Tompo?
Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Izaho!
16 Izay Andriamanitra marina sy mahavonjy:
tsy misy ivelako!
17 Mitodiha aty amiko mba ho voavonjy,
ry mponina rehetra amin’ny tany:
18 fa Izaho no Andriamanitra,
ary tsy misy hafa!
19 Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho
marina miloaky ny vavako, teny tsy mimpody!
20 fa Izaho no hileferan’ny lohalika rehetra,
sy hianianan’ny lela rehetra hoe:
21 Ao amin’ny Tompo irery ny hery sy ny rariny.
Hanatona amin-kenatra izay manohitra Azy!
22 Ny Tompo no hampahazo rariny sy rehareha
ny taranak’i Israely tontolo!
Sas: Hankany amin’iza izahay, Tompo ô,
Hankany amin’iza izahay? (Jn 6.68)
SALAMO (V.) 100(99)
Sas: Mifalia ao amin’ny Tompo, eny, mifalia! (Fil 4,4)
Andininy:
1. Hobio ny Tompo, ry tany tontolo,
Tompoy Izy amim-piravoravoana,
Tongava eo Aminy mihira, mihoby,
2. Ekeo fa Andriamanitra anie Izy Tompo;
Fa Azy isika satria noharîny;
Isika vahoakany, ondry fiandriny.
3. Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra;
Ny kianjany koa idiro amin’antsa,
Isaory Izy ary derao ny Anarany.
4. Satria Izy Tompo, endrey tsara fo,
Fa mandrakizay doria ny fitiavany,
Amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.
5. Andeha isika hiara-misaotra ny Tompo,
Hihoby Ilay Zanany ombam-pahefana,
Derao ny Fanahy manamasina antsika.
Sas: Mifalia ao amin’ny Tompo, eny, mifalia!
TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.) 2 Kor 13,4
Na nofantsihana tamin’ny hazofijaliana aza i Kristy noho ny fahosany, dia
velona kosa izao noho ny herin’Andriamanitra. Toy izany koa izahay, na dia
osa ao aminy aza, dia hiara-belona aminy koa noho ny herin’Andriamanitra.
VALINKIRA (VII.) (Lk 17,13 sy Rom 8.34)
Fiv: Ry Kristy Zanak’Andriamanitra,
Ry Zanak’Andriamanitra velona:
Iantrao izahay! Vonjeo izahay!
1 Ianao izay mipetraka eo an-kavanan’ny Ray
Fiv: Ry Kristy Zanak’Andriamanitra,
Ry Zanak’Andriamanitra velona:
Iantrao izahay! Vonjeo izahay!
2 Voninahitra anie ho an’ny Ray sy Zanaka sy ny Fanahy.
Fiv: Ry Kristy Zanak’Andriamanitra,
Ry Zanak’Andriamanitra velona:
Iantrao izahay! Vonjeo izahay!
TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)
Sas: O sambatra e izay mamindra fo,
fa hamindrana fo izy. (Mt 5,7)
Andininy:
1 Deraina isaorana Izy Tompo
Ny Tompo Andriamanitr’Israely
Fa Izy efa tonga namangy antsika
Nanavotra antsika amy fahavalo.
2 Nanolotra antsika herim-pamonjena
Avy amin’ny fianakaviana iray
Dia ny an’i Davida mpanompo tiany
F’izany tokoa no efa nolazainy.
3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany
Dia ireo olomasiny fahagola:
Ny vonjiny hanala amy fahavalo
Hanafaka antsika amy mpankahala.
4 Noho izy nandala ny Razantsika,
Dia indro tsaroany ny Fanekeny
Fa teny nomeny an’i Abrahama
Ny hanafaka antsika amy fahavalo.
5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy
Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy
Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky
Ho eo anatrehany lalandava.
6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:
Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra",
Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao
Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.
7 Ianao hanambara ny famonjena
Dia ny famelana ny hadisoana
Satria Andriamanitra fo miantra
Mandefa masoandro hamangiany antsika.
8 Fanilo hanazava reo mitakiky
Anatin’ny haizina mahafaty.
Fanilo hanazava ny diantsika
Am’lalam-piadanana lavorary.
9 Isaory ny Ray nanome antsika
Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!
Hobio ny Fanahy niantsoana antsika
Ho sambatra hibanjina ny mazava.
Sas: O sambatra e izay mamindra fo,
fa hamindrana fo izy.
RANOMBAVAKA (IX.)
Sokafy ny fo amam-panahintsika ary italahoy ny Ray iombonana mba hanome
izay ilaintsika ary izay ilain’ny olombelona rehetra mihitsy:
Fiv: Derao ny Tompo, eny mandrakizay ny hatsaram-pony.
1 Ry Ray Mpahary tongotra aman-tanana anay ô, ampio izahay anio hanome
voninahitra Anao tahaka an’i Jesoa Kristy Zanakao.
Fiv: Derao ny Tompo, eny mandrakizay ny hatsaram-pony.
2 Ataovy renay izao maraina izao ny fitiavanao, mba hanohana ny herinay
mandra-paharivan’ny andro ny hafaliana omenao.
Fiv: Derao ny Tompo, eny mandrakizay ny hatsaram-pony.
3 Asehoy anay ny endrikao hahasambatra anay sy hampiadana anay ary arovy
amin’ny sandrinao mahery izahay.
Fiv: Derao ny Tompo, eny mandrakizay ny hatsaram-pony.
4 Jereo amim-pitiavana ireo nangata-pivavahana taminay ka fenoy soa
ny fanahy amam-batany.
Fiv: Derao ny Tompo, eny mandrakizay ny hatsaram-pony.
5 Fangatahana hafa
Fiv: Derao ny Tompo, eny mandrakizay ny hatsaram-pony.
Rainay any andanitra...
Ry Tompo Andriamanitra Ray Masina indrindra ô, foinao ho tambin’ny
fanavotana anay ny Zanakao koa ataovy miaina miaraka aminy izahay, sy
miombom-pijaliana aminy, mba hitsangan-ko velona miaraka aminy koa,
fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka ...
TSODRANO (X.) (1 Kor 1,8)
Mpitsodrano:
Andriamanitra Ray anie hankahery antsika hatramin’ny farany,
mba tsy hanan-tsiny isika amin’ny andro hiverenan’i Jesoa Kristy Tompo.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!