ANTSA (I.)
I Krisry mampisinda ny tebiteby, mampijoro ny herintsain’ireo mitoky Aminy.
Fiv: Matoa aho anie toy izao, eny!
Matoa aho mbola mijoro
Dia noho Ianao.Tompo ô,
Fitiavanao Tompo ô.
Matoa aho anie toy izao, eny!
Matoa aho mbola mijoro
I Kristy no nanangana ahy
I Kristy no velona ho ahy!
1 He ‘zany rivo-mahery mitsoka
Ny rano manonja tsy haiko tonena
He ‘reto fakampanahy manodoka
Manjemby ny maso amy fanangolena. Kanefa...
Fiv: Matoa aho anie toy izao, eny!
Matoa aho mbola mijoro
Dia noho Ianao.Tompo ô,
Fitiavanao Tompo ô.
Matoa aho anie toy izao, eny!
Matoa aho mbola mijoro
I Kristy no nanangana ahy
I Kristy no velona ho ahy!
2 Diso aho fa nony nadio sy voasasa
Dia nihevitra fa afa-niarina irery,
Nony voavonjy ka afaka miasa
Dia nihoby ny tenako hoe manan-kery. Kanefa...
Fiv: Matoa aho anie toy izao, eny!
Matoa aho mbola mijoro
Dia noho Ianao.Tompo ô,
Fitiavanao Tompo ô.
Matoa aho anie toy izao, eny!
Matoa aho mbola mijoro
I Kristy no nanangana ahy
I Kristy no velona ho ahy!
3 Fantatro, Tompo, fa ny fahoriana
Tsy eran’ny aina raha mbola eto an-tany,
Ka tsy ny tenako no azo itokiana
F’Ianao ‘zay hanangan-ko velona ihany. Satria...
Fiv: Matoa aho anie toy izao, eny!
Matoa aho mbola mijoro
Dia noho Ianao.Tompo ô,
Fitiavanao Tompo ô.
Matoa aho anie toy izao, eny!
Matoa aho mbola mijoro
I Kristy no nanangana ahy
I Kristy no velona ho ahy!
4 ‘Ndeha isika hiara-kidera ny Ray e,
Hisaotra ny Zanaka sy ny Fanahy;
‘Ndeh’ hampahafantatra mandrakizay e
Fa sambatra izay manana Azy ho mpiahy, Satria...
Fiv: Matoa aho anie toy izao, eny!
Matoa aho mbola mijoro
Dia noho Ianao.Tompo ô,
Fitiavanao Tompo ô.
Matoa aho anie toy izao, eny!
Matoa aho mbola mijoro
I Kristy no nanangana ahy
I Kristy no velona ho ahy!
SALAMO (II.) 41(40)
Ny antsika olombelona: "raha maty aho, matesa rahavana”;
ny an ‘i Kristy kosa: "Tiavo ny fahavalonao”.
Sas: Raiko ô, avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony. (Lk 23, 24)
Andininy:
1 Sambatra ny miahy ny malahelo sy ny mahantra
Ny Tompo manafaka azy amin’ny andro fahoriana!
2 ny Tompo miambina sy mahavelon-tsambatra azy,
tsy mahafoy ho amin’ny hady sy ny fota-mandrevo;
3 ny Tompo manohana azy eo am-parafara ijaliany,
mankahery azy alamaky ny aretina!
4 Tompo ô! hoy aho, iantrao aho!
sitrano fa nanota taminao!
5 Ny fahayaloko miteny ratsy ahy.
Rahoviana io no ho faty ka ho very anarana?
6 Izay tonga mitsidika, malefaka am-bava;
kanjo mitady hifosana any ivelany.
7 Ny mpankahala rehetra mitakoritsiko,
nanombatombana ity mahazo:
8 Voan’ny areti-mandoza ny anao!
Milamaka, tsy ho tafarina!
9 Mbamin’ny sakaiza nitokiako, nihinana ny haniko,
no manainga ombalahin-tongotra hamely.
10 Fa Ianao kosa, ry Tompo, miantrà!
Areno aho hamaliako an’ireo!
11 Izao no hahalalako fa tia ahy Ianao:
tsy hakorain’ny fahayaloko aho!
12 Eny, noho izaho madio, dia hambenanao
sy hapetrakao anoloana, ry ilay Mandrakizay!
13 Isaorana ny Tompo Andriamanitr’i Israely,
hatrizay ka ho mandrakizay! Amen! Amen!
Sas: Raiko ô, avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony.
SALAMO (III.) 46(45)
Ho sahy maty hifono lambamena hisedra ny zava-tsarotra
eo amin’ny fiainanay izahay; ry Tompo, satria Ianao tsy mandao.
Sas: Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Raha Andriamanitra no manamarina, zovy no hanameloka? (Rom8,31.33-34)
Andininy:
1 Andriamanitra ny anay no Aro sy Hery
Hita hatry ny ela fa mamonjy amin’ny sarotra.
2 Koa tsy atahoranay izay tany hihozona,
izay vohitra hihovotra afovoan-dranomasina
3 izay riaka hirohona sy handroatra
sy hibontsina hampikoa ny tendrombohitra!
4 Ny Tompon’ny tafika momba anay;
ny Andriamanitr’i Jakôba no fiarovana avonay!
5 Andriamanitra mampifaly ny tanànany amin’ny ony misampana
ilay Avo manamasina ny fonenany.
6 Andriamanitra eo anivony: tsy hihontsona izy.
Andriamanitra mamonjy azy raha madiva haraina.
7 Misafoto ireo vahoaka; mikotrana ireo fanjakana:
mamoaka feo Izy: mihonaka ny tany!
8 Ny Tompon’ny tafika momba anay;
ny Andriamanitr’i Jakôba no fiarovana avonay.
9 Tongava hizaha ny asan’ny Tompo,
ny zava-mahagaga vitany eran-tany.
10 ny ady mitsahatra tanteraka
hatrany am-paran’ny tany:
11 ny tsipîka, tapaka; ny lefona, bory;
ny kalesy, kilan’ny afo.
12 Aoka! fantaro fa Izaho no Andriamanitra,
Mpizaka ny firenena, Mpizaka ny tany.
13 Ny Tompon’ny tafika momba anay;
ny Andriamanitr’i Jakôba no fiarovana avonay.
Sas: Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra
antsika? Raha Andriamanitra no manamarina, zovy no hanameloka?
TONONKIRA (IV.) Apok 15,3-4
Sas: Mba lehibe re, ry Tompo, ny asanao e!
Andininy:
1 Lehibe sady mahatalanjona ny asanao,
Ry Tompo Andriamanitray heni-pahefana;
Fa marina sy mahitsy ny lalanao,
Ry Tompo Mpanjaka tokan’ny firenena.
2 Ka iza no tsy hatahotra Anao, ry Tompo?
Mba zovy hoe no tsy hanaja ny Anaranao?
Ianao manko no hany Masina, Andriamanitra ô:
Ka ho avy ny firenena sy ny isam-poko,
3 Hiankohoka sy hitsaoka anoloanao
Fa efa miseho tokoa fa mpitsara Ianao!
Sas: Mba lehibe re, ry Tompo, ny asanao e!
TENIN’ANDRIAMANITRA (V.) Rom 15,1-3
Isika izay matanjaka dia tokony handefitra ny fahalemen’izay osa, fa tsy hanao izay
mahafaly ny tenantsika fotsiny. Samia mitady izay hahafaly ny namana, amin’izay
hahasoa azy, sy hahatarika azy amin’ny tsara. Fa tsy nitady ny hahafaly ny tenany i
Kristy fa araka ny voasoratra hoe : Ny latsan’izay nandatsa anao dia nihatra tamiko.
VALINKIRA (VI.) Sal 31(30),6
Fiv: Eo an-tananao, ry Tompo, no ametrahako ny aiko,
1 Ianao no nanavotra anay,
Ry Tompo Andriamanitry ny Fahamarinana.
Fiv: Eo an-tananao, ry Tompo, no ametrahako ny aiko,
2 Voninahitra anie ho an’ny Ray,
Sy ny Zanaka sy ny Fanahy!
Fiv: Eo an-tananao, ry Tompo, no ametrahako ny aiko,
TONONKIRAN’I MARIA (VII.)
Tsy misy fetra ny fitiavan’i Kristy.
Sas: Maty ho antsika i Kristy fony isika mhola mpanota
marika izany fa tia antsika Andriamanitra. (Rom 5,8)
Andininy:
1 Ny foko midera ny Tompontsika
Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy
‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
2 Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra" aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa
Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany".
3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony
Am’ny olon-drehetra matahotra Azy,
‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry
Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,
Kanefa manadratra ireo ambany;
Manototra soa an’ireo noana
Fa mampody maina an’ireo mpanana.
5 Mpanarina an’Israely olony
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny Razantsika
Ho an’i Abrahama sy izay taranany.
6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,
Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika
Ho mandrakizay alaovalo!
Sas: Maty ho antsika i Kristy fony isika mhola mpanota
marika izany fa tia antsika Andriamanitra.
RANOMBAVAKA (VIII.)
Iaraha-mahalala fa mbola betsa ka ny zavatra tsy aradrariny sy tsy ara-dalàna ary
ny olona mijaly sy ory eto an-tany; koa ‘ndeha isika hiantso ny Tompo manao hoe:
Fiv: Tsarovy izahay fa be indrafo Ianao!
1 Ry Tompo sady Ray feno indrafo ô, iantrao ireo kristianina mijaly, fa i Kristy
Fifohany nofantsihana dia nanofotra sorona hariva toy izao.
Fiv: Tsarovy izahay fa be indrafo Ianao!
2 Votsory ireo mpigadra, ampahirato ny jamba, vangio ny kamboty sy ny mananontena, ary ampianaro izahay hitsinjo ny ory.
Fiv: Tsarovy izahay fa be indrafo Ianao!
3 Omeo hery izahay zanakao, handresenay ny fandriky ny demony.
Fiv: Tsarovy izahay fa be indrafo Ianao!
4 Vonjeo izahay amin’ny andro hahafatesanay tsy hivadika aminao ary hiala
etý an-tany tsy arahi-nenina.
Fiv: Tsarovy izahay fa be indrafo Ianao!
5 Ento ao amin’nyfahazavana onenanao ireo nodimandry hahafahany mibanjina
Anao mandrakizay.
Fiv: Tsarovy izahay fa be indrafo Ianao!
6 Fangatahana hafa
Fiv: Tsarovy izahay fa be indrafo Ianao!
Rainay any an-danitra....
Tsy taka-polopolorina, ry Tompo, ny halafin’ny fahendrenao ny amin’ny
Hazofijaliana manafintohina ny sainay olombelona; koa mba ataovy mahay
mibanjina ny voninahitry ny Zanakao nijaly izahay hanankinanay ny
fanantenanay sy ny hasambaranay amin’ny Hazofijaliany.
Amin’ny alàlan’i J. K. Z. T.
TSODRANO (IX.) [ohatra]
Mpitsodrano:
Enga anie Andriamanitra Ray
izay tsy mitsitsy na inona na inona,
ny Zanaka izay nampiboiboika onin-drano velona,
ary ny Fanahy izay mampamokatra ny tany karankaina
hampitobaka ny fahasoavany amin’ny Fiangonana.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!