FANAINGANA (I.)
Salamo ifidianana na 100(99), na 67(66) na 95(94), fa tsy 24(23).
Angady nananana sy vy nahitantsika ny tontolo ny Ray.
Ka iza no tsy hahavaly fitia Azy?
Fiv: Andeha isika hitsaoka ny Tompo, nanao antsika Izy!
1 Hiantran’Andriamanitra anie isika hotsimbininy (Sal 67 (66))
Ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany.
2 Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,
Ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!
Fiv: Andeha isika hitsaoka ny Tompo, nanao antsika Izy!
3 Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao!
4 Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony
Fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fiv: Andeha isika hitsaoka ny Tompo, nanao antsika Izy!
5 Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny
Sy manjaka am’ireo firenen-drehetra isan-tokony.
6 Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao!
Fiv: Andeha isika hitsaoka ny Tompo, nanao antsika Izy!
7 Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra,
Andriamanitra manko Andriamanitsika: mitsimbina.
8 Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
Ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany!
Fiv: Andeha isika hitsaoka ny Tompo, nanao antsika Izy!
9 Voninahitra anie ho an’ny Ray nandefa ny Zanany
‘Zay nomeny hanasoavany antsika noho ny Fitiavany!
Fiv: Andeha isika hitsaoka ny Tompo, nanao antsika Izy!
ANTSAM-PIDERANA (II.)
Fiv: Andriamanitra dia Fitiavana,
Fitiavana mandrakizay.
1 Nohariany isika olombelona
Notsoahiny tamin’ny tsinontsinona e
Mba ho sambatra mandrakizay miaraka Aminy.
Fiv: Andriamanitra dia Fitiavana,
Fitiavana mandrakizay.
2 Isan’andro, isan’ora Andriamanitra
No mitandrina sy mitahiry antsika re
Ka hobio sy derao izany tombom-pitiavany.
Fiv: Andriamanitra dia Fitiavana,
Fitiavana mandrakizay.
3 Sesehena ireo fahasoavana
Omeny antsika isan’andro vaky re
Ka hobio sy derao ny Anarany masina.
Fiv: Andriamanitra dia Fitiavana,
Fitiavana mandrakizay.
SALAMO (III.) 24 (23)
Rahatrizay any am-parany any, dia ho avy ny Lahimatoantsika, iraky ny Ray, haka ireo
zandriny rehetra hody any an-tanindrazana. Tsy tiany manko raha misara-mianakavy isika.
Sas: O nivoha ny varavaran’ny lanitra
teo anatrehan’ny Tompo
ombam-pahefana sy laza,
i Kristy no Tompo nandresy!
Andininy:
1 Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa
Dia izao rehetra izao ary izay monina ao.
2 Naoriny ambonin’ny rano izy ireny,
Napetrany tsara eo ambonin’ny ony.
3 Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo;
Hanorim-ponenana an-toerany masina?
4 Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,
S’izay tsy mianiana tsy to amin’ny hafa;
5 Dia Izy no hany hotsofina rano,
Ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy.
6 Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha
Ny endrik’ilay Andriamanitra Tompo.
7 ‘Nareo vavahady, atrakao ny tatao,
‘Nareo varavarana re, misondrota!
8 Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!
Fa iza ary moa no Mpanjaka malaza?
9 Ny Tompo mahery ny Tompo tsitoha,
Ny Tompon’ny tafika mahery an’ady.
10 ‘Nareo vavahady: atrakao ny tatao,
‘Nareo varavarana re, misondrota:
11 Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!
Fa iza tokoa no Mpanjaka malaza?
12 Ny Tompon’ny tafika mahery an’ady,
Ny Tompo no hany Mpanjaka malaza!
13 Andeha ary hiara-midera ny Tompo!
Ny Ray: hanome voninahitra antsika;
14 Ny Zanaka: santatra, niantsoana antsika;
Fanahiny: nanamarinana antsika!
Sas: O nivoha ny varavaran’ny lanitra
teo anatrehan’ny Tompo
ombam-pahefana sy laza,
i Kristy no Tompo nandresy!
TONONKIRA (IV.) Tobia 13,1-10
Ny Ray aman-dReny hono, tsy mahafoy zanaka ... Mainka fa
ny Raintsika any andanitra, amin’ireo zanany mania!
Sas: Hitsangana aho ka handeha hody e,
handeha aho ka mba hody any amin’ny Ray. (Lk 15,18)
Andininy:
1 Isaorana ilay Andriamanitra velona mandrakizay
Ilay mandrakizay ny fanjakany!
2 Fa mikapoka Izy ka mamindra fo,
mampidina an-tseoly ka mampiakatra!
3 Ary tsy misy olona
izay afaka amin’ny Tanany.
4 Ankalazao Izy, ry taranak’i Israely
anatrehan’ny vahoaka nanelezany anareo!
5 Aharihario ny halehibiazany!
Asandrato anoloan’ny miaina rehetra Izy.
6 Fa Izy no Tompo sy Andriamanitsika
Raintsika amin’ny taona rehetra,
7 mikapoka antsika noho ny helotsika
kanefa mamindra fo indray,
8 ka hanangona avy amin’ny firenen-drehetra
izay nampielezany antsika.
9 Raha miverina Aminy amin’ny fanahy tontolo ianareo
sy manao ny marina eo imasony amin’ny fo tontolo,
10 dia hiverina aminareo koa Izy,
sy tsy hanafin-Tava aminareo intsony!
11 Jereo ny nataony anareo:
ka mankalaza Azy amin’ny feo avo!
12 Isaory ny Tompon’ny fahamarinana!
Hirao ny Mpanjaka mandrakizay!
13 Izaho mankalaza Azy aty an-tany namaboana ahy
maneho ny hery sy halehibiazany amin’ity firenem-panota.
14 Miverena, ry mpanota, manaova ny marina eo anoloany
sao mba ho sitrany ianareo ka hamindrany fo!
15 Mihira an’Andriamanitra Mpanjakan’ny lanitra aho.
Miravo amin’ny halehibiazany ny fanahiko!
Sas: Hitsangana aho ka handeha hody e,
handeha aho ka mba hody any amin’ny Ray.
SALAMO (V.) 33 (32)
Fa ho an’iza moa no namoronan’Andriamanitra
ny voary manontolo hatrany am-piandohany?
Sas: Tamin’ny Teniny no nahariana ny zava-drehetra
sy nananganany antsika ho zanany. (Jn 1,3; Efez 1,5)
Andininy:
1 Hobio ny Tompo ry olo-marina
Dia ilay mendrika hoderaina, ry olo-mahitsy!
2 Derao amin-dokanga ny Tompo
antsao amim-baliha tory folo!
3 Ihirao hira vao Izy;
androdony horaka aman-java-maneno!
4 Fa mahitsy ny Tenin’ny Tompo;
ara-drariny ny asany rehetra;
5 ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany
ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany!
6 Ny lanitra no vita: ny Tenin’ny Tompo;
ny tafiny rehetra: ny Fofon’Ain’ny Vavany.
7 Ny ranon’ny ranomasina nangoniny anaty siny,
ny hantsambe nataony anaty fahi-drano.
8 Matahora ny Tompo, ry tany tontolo,
mangovita ry mponina amin’izao rehetra izao:
9 fa Teniny, dia vita;
Didiny, dia tafajoro!
10 Ny Tompo mandrava ny fanampoizan’ny firenena,
sy manafoana ny fikasan’ny vahoaka.
11 Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay,
ny fikasan’ny Fony, amin’ny taranaka mifandimby.
12 Sambatra ny firenena tahin’ny Tompo Andriamaniny,
sy ny vahoaka nofidiny ho lovany!
13 Any an-danitra ny Tompo mitazana:
hitany avokoa ny zanak’olombelona;
14 any amin’ny toerana onenany Izy mitsinjo
ny mponina rehetra amin’ny tany.
15 Izy ilay namolavola ny fony tsy an-kanavaka,
Ilay mahafantatra ny asany rehetra!
16 Ny mpanjaka tsy voavonjin’ny tafiny maro;
ny mpiady tsy voaavotry ny heriny be.
17 Fitaka ny soavaly raha hoe handresena;
ny heriny be tsy mahavonjy velively!
18 Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy,
sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony,
19 hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana,
sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena!
20 Ny fanahinay manantena ny Tompo:
Mpitahy anay Izy sy ampinganay!
21 Izy no ifalian’ny fonay;
ny Anarany masina no ifefenay.
22 Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo,
araka ny itokianay Anao!
Sas: Tamin’ny Teniny no nahariana ny zava-drehetra
sy nananganany antsika ho zanany.
TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.) Rom 13,11-13a
Ankehitriny izao dia fotoana tokony hifohazantsika amin’ny fatoriana.
Fa ankehitriny dia akaiky noho ny tamin’ny andro vao ninoantsika ny
famonjena antsika. Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro,
ka ario ny asan’ny maizina, fa tafio ny fiadian’ny mazava.
VALINKIRA (VII.) Salamo 58,17
Fiv: Te-hidera ny herinao aho,
Te-hihoby ny fitiavanao amin’ny maraina aho.
1 Eny, Andriamanitra no mandako
Tonga eto amiko Andriamanitro tiako.
Fiv: Te-hidera ny herinao aho,
Te-hihoby ny fitiavanao amin’ny maraina aho.
2 Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka,
Voninahitra anie ho an’ny Fanahy Masina.
Fiv: Te-hidera ny herinao aho,
Te-hihoby ny fitiavanao amin’ny maraina aho.
TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)
Tsy hitampi-maso eo anatrehan’ny Fahazavan’i Krisry anie isika!
Sas: Ry Kristy ô, masoandro miposaka
fahazavana avy any ambony!
Tariho any amin’ny fiadanana ny dianay. (Lk 1,78)
Andininy:
1 Deraina isaorana Izy Tompo
Ny Tompo Andriamanitr’Israely
Fa Izy efa tonga namangy antsika
Nanavotra antsika amy fahavalo.
2 Nanolotra antsika herim-pamonjena
Avy amin’ny fianakaviana iray
Dia ny an’i Davida mpanompo tiany
F’izany tokoa no efa nolazainy.
3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany
Dia ireo olomasiny fahagola:
Ny vonjiny hanala amy fahavalo
Hanafaka antsika amy mpankahala.
4 Noho izy nandala ny Razantsika,
Dia indro tsaroany ny Fanekeny
Fa teny nomeny an’i Abrahama
Ny hanafaka antsika amy fahavalo.
5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy
Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy
Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky
Ho eo anatrehany lalandava.
6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:
Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra",
Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao
Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.
7 Ianao hanambara ny famonjena
Dia ny famelana ny hadisoana
Satria Andriamanitra fo miantra
Mandefa masoandro hamangiany antsika.
8 Fanilo hanazava reo mitakiky
Anatin’ny haizina mahafaty.
Fanilo hanazava ny diantsika
Am’lalam-piadanana lavorary.
9 Isaory ny Ray nanome antsika
Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!
Hobio ny Fanahy niantsoana antsika
Ho sambatra hibanjina ny mazava.
Sas: Ry Kristy ô, masoandro miposaka
fahazavana avy any ambony!
Tariho any amin’ny fiadanana ny dianay.
RANOMBAVAKA (IX.)
Mangataha amin’Andriamanitra Raintsika fa tsara fo Izy, ka mihaino
lalandava ny fitalahoantsika zanany; koa derao Izy manao hoe:
Fiv: Ianao no Rainay sy Andriamanitray!
1 Vita Batemy izahay ka mpisorona Manjaka miaraka amin’i Kristy; koa
izao fiderana izao anie ho sorona atolotray miaraka Aminy.
Fiv: Ianao no Rainay sy Andriamanitray!
2 Ataovy tsaroanay fa Andriamanitra an-tampon’ny loha Ianao, mba
hahalavorary izay rehetra ataonay anio!
Fiv: Ianao no Rainay sy Andriamanitray!
3 Hankalaza anao tontolo andro anie izahay, hidera anao amin’ny asanay
sy ny teninay.
Fiv: Ianao no Rainay sy Andriamanitray!
4 Aza avela hampalahelo na iza na iza izahay anio fa ataovy mitondra
hafaliana amin’izay mifanerasera aminay.
Fiv: Ianao no Rainay sy Andriamanitray!
5 Fangatahana hafa:
Fiv: Ianao no Rainay sy Andriamanitray!
Rainay any an-danitra ... .
Ry Tompo Andriamanitra ô,
nomenao anay ny hazavana manilo ity fiainana ity
ary nampanantenainao koa ny any amin’ny fiainana mandrakizay;
koa mba ataovy izay hahasoa ity andronay anio ity;
ary satria Ianao no ekenay hitantana ny dianay,
dia ny fahasoavanao koa anie no hanampy anay
eo am-panatontosanay ny didinao. Amin’ny alalan’i J. K. Z. T. ....
TSODRANO (X.) [ohatra]
Mpitsodrano:
Ilay mbola tsy hitan’ny maso,
Ilay nanatanteraka ny famantarana,
ary Ilay mampahafantatra ny hevitry ny Tenin’i Jesoa anie
hanazava sy hitari-dalana antsika
anatin’ny haizin’izao fiainana izao.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!