ANTSA (I.)
Volamena tahaka am-bovoka Ianao, ry Kristy, tsy avalan’ny endrikao tsy hamiratra,
satria ny marina tsy mba maty.
Fiv: Dera sy laza anie ho Anao, Ry Tompo Mpandresy.
1 Andriamanitra Ianao, ry Jesoa,
Fa nietry ho tonga olombelona
Ka hoy izahay manao hoe:
Fiv: Dera sy laza anie ho Anao, Ry Tompo Mpandresy.
2 Nohelohina Ianao novonoina,
Fa nitsangana tamin’ny maty,
Ka hoy izahay manao hoe:
Fiv: Dera sy laza anie ho Anao, Ry Tompo Mpandresy.
3 Any an-danitra Ianao ry Jesoa
No mandefa ny Fanahy Masina,
Ka hoy izahay manao hoe:
Fiv: Dera sy laza anie ho Anao, Ry Tompo Mpandresy.
SALAMO (II.) 20 (19)
Raha mbola miteny ny vola ampiteneno, hoy ny sasany. Fa Andriamanitra
tsy andrin’ny sasany, ho andrintsika ve?
Sas: Afa-tsy ny Anaran’i Jesoa Tompo, dia tsy misy
Anaran-kafa ambanin’ny lanitra hahazoantsika famonjena! (Asa 4,12)
Andininy:
1 Hohenoin’ny Tompo anie ianao amin’ny andro fahoriana
Harovan’ny Anaran’ny Andriamanitr’i Jakôba!
2 Handefasany vonjy avy any an-toerana masina
sy hotohanany avy any Siôna!
3 Ny fanatitrao rehetra, hotsaroany,
ny sorona dorana ho teliny
4 izay irin’ny fo, hotanterahiny.
Izay rehetra kasaina, homeny!
5 Izahay hihoby ny fandresenao;
ny Anaran’ny Andriamanitsika no ho fanevany.
6 Eny, ny Tompo anie hahatontosa
ny vavakao rehetra!
7 Fantatro dieny izao fa ny Tompo
hanome fandresena ny Voahosony
8 hamaly azy avy any an-danitra toerany masina
amin’ny fandresen’ny Tanany mahery!
9 Kalesy ny an’ny sasany; soavaly ny an’ny hafa;
ny Anaran’ny Tompo Andriamanitray ny anay no herinay!
10 Ka ireny mirepirepy sy lavo;
izahay kosa marim-pijoro!
11 Tompo ô! Omeo fandresena ny mpanjaka!
Valio izahay amin’ny andro iantsoanay Anao!
Sas: Afa-tsy ny Anaran’i Jesoa Tompo, dia tsy misy
Anaran-kafa ambanin’ny lanitra hahazoantsika famonjena!
SALAMO (III.) 21 (20)
Nahoana no tsy ho azo antoka ny fandresen’i Kristy? Andriamanitra anie no Rainy ê!
Sas: Ray ô, misaotra Anao aho satria Ianao nihaino ahy. (Jn 11,41)
Andininy:
1 Tompo ô, ny mpanjaka mifaly amin’ny herinao
Sy miravo aoka izany amin’ny fandresenao.
2 Izay irin’ny fony omenao;
ny vavaky ny molony tsy lavinao.
3 Tsenainao tsodrano mahasambatra izy;
ny lohany asianao fehiloha volamena.
4 Ny fiainana angatahiny omenao:
dia andro mitandavana mandrakizay.
5 Lehibe ny voninahiny noho ny fandresenao:
fiandrianana sy laza no arakotrao azy.
6 Ataonao fitsodrano mandrakizay izy,
fenoinao hafaliana eo anoloanao.
7 Matoky ny Tompo ny mpanjaka,
sy tsy mandao ny hatsaram-pon’ilay Avo.
8 Ny tananao mahatratra ny fahavalony rehetra
ny havananao mahatratra ny mpankahala azy:
9 hataonao anaty memy mirehitra ireny
amin’ny andro hisehoanao.
10 Ny terak’ireny halànao amin’ny tany,
ny taranany ... amin’ny zanak’olombelona.
11 Nikasa hanisy ratsy Anao ireny.
nifofo nanao tetika: fa tsy nahomby.
12 Ka ataonao miamboho,
sy anenjananao tsipîka.
13 Misandrata, ry Tompo amin’ity herinao.
Izahay mihira sy miantsa ny fahefanao.
Sas: Ray ô, misaotra Anao aho satria Ianao nihaino ahy.
TONONKIRA (IV.) (Apok 4,11; 5,9.10.12)
Ombalahy mbamin’ny akoholahy no nataon’ny razantsika sorona, ary ondry no natolotry
ny razamben’i Krisry. Fa ny an’i Kristy kosa, tsy hafa fa ny tenany ihany.
Sas: An’ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra anie
ny hery sy ny laza ary ny voninahitra.
Andininy:
1 Ry Tompo Andriamanitra mandrakizay e,
Ianao re no mendrika ny haja sy ny hery
F’Ianao no nahary ny zava-drehetra
Ka nisy izy ireny satria sitrakao.
2 Ianao re no mendrika haka ny Boky
Hamaha sy hanala ny tombo-kaseny
Fa noho ny Rà, fony Ianao novonoina
Nanjary voavonjy ho an’ny Tompo ‘zahay.
3 ‘Zahay samy hafa fiteny sy foko
Ny olon-drehetra eran-tany tontolo
Nantsoinao izahay hanjakan’Izy Tompo
Ho tonga mpisorona hanjaka amy tany.
4 Ilay Zanak’Ondry voavono ho faty
No tokana mendrika handray fahefana,
Handray ny harena ombam-pahendrena,
Ny haja, ny laza arahina saotra.
Sas: An’ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra anie
ny hery sy ny laza ary ny voninahitra.
TENIN’ANDRIAMANITRA (V.) 1 Jn 3,1a-2
Endrey, ity ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra Ray antsika amin’ny iantsoana
antsika hoe zanany, sady tena zanany tokoa isika! Ry malala, zanak’Andriamanitra
isika ankehitriny nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin’ny andro
hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka azy isika, satria hahita azy araka
ny tena toetrany.
VALINKIRA (VI.) Salamo 135(134),6
Fiv: Ao aminao ny loharanon’aina,
ny hazavanao no hahitanay hazavana.
1 Ry Tompo, mba mahasoa ny fitiavanao.
Fiv: Ao aminao ny loharanon’aina,
ny hazavanao no hahitanay hazavana.
2 Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka,
Voninahitra anie ho an’ny Fanahy Masina.
Fiv: Ao aminao ny loharanon’aina,
ny hazavanao no hahitanay hazavana.
TONONKIRAN’I MARIA (VII.)
Sas: Lehibe ny Tompo ka derao, ry fanahiko, derao!
Lehibe sy avo indrindra ny Tompo!
Andininy:
1 Ny foko midera ny Tompontsika
Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy
‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
2 Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra" aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa
Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany".
3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony
Am’ny olon-drehetra matahotra Azy,
‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry
Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,
Kanefa manadratra ireo ambany;
Manototra soa an’ireo noana
Fa mampody maina an’ireo mpanana.
5 Mpanarina an’Israely olony
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny Razantsika
Ho an’i Abrahama sy izay taranany.
6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,
Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika
Ho mandrakizay alaovalo!
Sas: Lehibe ny Tompo ka derao, ry fanahiko, derao!
Lehibe sy avo indrindra ny Tompo!
RANOMBAVAKA (VIII.)
Mirepirepy toy ny jamba isika taha tsy eo ny Fanahy Masina, ka tsy mahita
lalan-kombana. Koa hiangavy ny Ray sy ny Zanaka Lahitokana isika mba
handefesany io Fanahy io ho antsika:
Fiv: Ampidino ao aminay ny Fanahinao, ry Tompo ô!
1 Ry Mpanjaka mifehy ny firenena rehetra ampio ny vahoaka sy ny mpitondra
hitandrina ny didinao sy hiray hina hikatsaka ny soa.
Fiv: Ampidino ao aminay ny Fanahinao, ry Tompo ô!
2 Ataovy azon’ny tanora ny soa tadiaviny ary ho hainy fantarina anie ny antsonao
andritry ny fiainanay.
Fiv: Ampidino ao aminay ny Fanahinao, ry Tompo ô!
3 Ataovy tonga taiza ny ankizy madinika ary hahita fitadiavana sy faharetana
amin’ireo mpanabe azy.
Fiv: Ampidino ao aminay ny Fanahinao, ry Tompo ô!
4 Tompo ô, ampianaro izahay ho tia an’izay tsy tia anay ary hanao soa azy
amin’ny fonay tokoa.
Fiv: Ampidino ao aminay ny Fanahinao, ry Tompo ô!
5 Mba raiso any amin’ny fanjakanao ireo nodimandry any amin’ilay irinay
hiarahana Aminao koa indray andro any.
Fiv: Ampidino ao aminay ny Fanahinao, ry Tompo ô!
6 Fangatahana hafa
Fiv: Ampidino ao aminay ny Fanahinao, ry Tompo ô!
Rainay any an-danitra...
Andriamanitra ô, manazava ny alina Ianao,
ary mamerina ny fibaliakan’ny andro, rahefa misinda ny haizina;
koa arovy tsy ho voan’ny famelezan’ny mpisompatra izahay amin’ity alina ity,
ho afaka hanolotra saotra eo anatrehanao
rahefa maraina indray ny andro.
Amin’ny alàlan’i J. K. Z. T.
TSODRANO (IX.)
Mpitsodrano:
Andriamanitra Vatolampintsika anie hanamafy orina antsika
amin’ny finoana an’i Kristy Zanany
mba hahazoantsika ny famonjena mandrakizay.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!