FANAINGANA (I.) [Sal 95(94)]
Tsy azonuika an-tsaina akory fa iainantsika ny fitsimbinan’ny Tompo!
Fambara azo tsapain-tanana anefa ny zava-mitranga isan’andro!
Fiv: Efa nandramanay e, fa tsara fo ny Tompo.
Ndeha ho any amin’ny Tompo, fa tsara fo ny Tompo.
1 Avia mifalia ka hobio ny Tompo
Ilay vatolampy sy vonjintsika,
2 Andeha mankeo anoloany hisaotra
Hihira sy hiantsa ary hankalaza Azy,
Fiv: Efa nandramanay e, fa tsara fo ny Tompo.
Ndeha ho any amin’ny Tompo, fa tsara fo ny Tompo.
3 Fa Izy Andriamanitra sady Tompo
Mpanjakan’ireo andriamani-kafa.
4 Ny atin’ny tany eo am-pelatanany
Ny tampon’ny vohitra Azy koa.
Fiv: Efa nandramanay e, fa tsara fo ny Tompo.
Ndeha ho any amin’ny Tompo, fa tsara fo ny Tompo.
5 Nataony ka Azy ny ranomasina,
N’tanety Azy koa fa asan-tanany.
6 Avia miondreha ary miankohofa
Hitsaoka Ilay Tompo nanao antsika,
Fiv: Efa nandramanay e, fa tsara fo ny Tompo.
Ndeha ho any amin’ny Tompo, fa tsara fo ny Tompo.
7 Fa Izy no tena Andriamanitsika,
Isika vahoaka sy ondry fiandriny.
8 Hihaino azy ve ianareo anio?
Fa izao no ambarany sy lazainy:
Fiv: Efa nandramanay e, fa tsara fo ny Tompo.
Ndeha ho any amin’ny Tompo, fa tsara fo ny Tompo.
9 Aza dia mafy fo toy ny tany an’efitra,
Toy ny tany Masa sy tany Meriba.
10 Ny razanareo dia nitsapa ahy!
Kanefa nahita ny asa vitako.
Fiv: Efa nandramanay e, fa tsara fo ny Tompo.
Ndeha ho any amin’ny Tompo, fa tsara fo ny Tompo.
11 ‘Ty taranaka ity efapolo taona
Dia nahatofoka ahy nahatezitra ahy.
12 Vahoaka mpaniasia tokoa ity
Tsy mety hahalala ny tena lalako.
Fiv: Efa nandramanay e, fa tsara fo ny Tompo.
Ndeha ho any amin’ny Tompo, fa tsara fo ny Tompo.
13 Koa tezitra aho ka nianiana,
F’ireto ts’hiadana miaraka amiko.
Fiv: Efa nandramanay e, fa tsara fo ny Tompo.
Ndeha ho any amin’ny Tompo, fa tsara fo ny Tompo.
14 ‘Ndeha isika hisaotra ny Tompontsika,
Ny Ray be fitia ‘zay nifidy antsika.
15 Ny Zanany nentiny niantso antsika,
Fanahiny kosa nomeny antsika!
Fiv: Efa nandramanay e, fa tsara fo ny Tompo.
Ndeha ho any amin’ny Tompo, fa tsara fo ny Tompo.
ANTSA (II.)
"Andriamanitra tsy andrin’ny hafa, andrintsika ihany!”
Fiv: Mbola ho avy ny Tompo e
Mbola ho avy hitsara
Mbola ho avy Izy e!
Mbola ho avy!
1 Resinao ny fahafatesana, ry Tompo
Fa natsangan’Andriamanitra Ianao;
Fahefana tsisy fetra no azonao
Manan-jara lahy ‘zahay fa mino Anao!
Tsy ho levona fa mbola ho avy Ianao.
Fiv: Mbola ho avy ny Tompo e
Mbola ho avy hitsara
Mbola ho avy Izy e!
Mbola ho avy!
2 Niakatra any an-danitra any Ianao, ry Tompo
Mba hanomana ny toerana ho anay;
Mbola ho avy anefa Ianao ka haka anay
Saingy ny hafatrafatrao mandidy anay
Tsy hibanjina ny lanitra eo ‘zahay!
Fiv: Mbola ho avy ny Tompo e
Mbola ho avy hitsara
Mbola ho avy Izy e!
Mbola ho avy!
3 Rahefa tonga ny andro fidinao, ry Tompo
Hahatahotra ny fahamarinanao!
Aza atosika izahay fa fantatrao
Fa mitana an-kitsim-po ny Teninao.
Koa tsimbino ny jironay hahandry Anao!
Fiv: Mbola ho avy ny Tompo e
Mbola ho avy hitsara
Mbola ho avy Izy e!
Mbola ho avy!
SALAMO (III.) 119(118),145-152
Manan-kantenaina hoatra an-drafotsibe nandevina eran’ambatry
izay manatanteraka ny didy amim-pitiavana.
Sas: Raha tia ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. (Jn 14,15)
Andininy:
1 Amin’ny foko tontolo no iantsoako,
Valio aho, ry Tompo hanarahako ny fitsipikao.
2 Ianao no antsoiko, ka vonjeo aho
mba hitandremako ny fanambaranao.
3 Mialoha ny mazava atsinanana aho dia miantso
ary dia miandry ny Teninao.
4 Mialoha ny fiambenana amin’ny alina ny masoko,
mba hisaintsainako ny didinao.
5 Henoy ny feoko araka ny hatsaram-ponao
Tompo ô, velomy aho araka ny fitsaranao.
6 Ireo mpanenjika ahy manatona ahy,
fa manalavitra ny lalànao kosa.
7 Akaiky Ianao. ry Tompo,
ary fahamarinana ny baikonao rehetra.
8 Fantatro hatry ny ela fa ny fanambaranao
dia naorinao ho mandrakizay.
Sas: Raha tia ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.
TONONKIRA (IV.) Eks 15
I Moizy nanafaka an’Israely tamin’ny fanandevozan’i Ejipta,
i Krisry kosa manala antsika amin’ny fanandevozan’ilay ratsy.
Sas: Izay handresy dia hihira ny tononkiran’i Moizy,
ilay mpanompon’Andriamanitra. (Apok 15,3)
Andininy:
1 Ihiraontsika ny Tompo Avo Indrindra!
Ny soavaly sy kalesy natsipiny an-driaka!
2 Hery sy tanjako ny Tompo,
Izy no famonjena ahy.
3 Izy no Andriamanitro ka deraiko;
Andriamanitry ny Razako, ka asandratro.
4 Mpiady mahery ny Tompo:
ny Tompo no Anarany.
5 Ny kalesin’ny Faraona sy ny tafiny
natsipiny an-driaka.
6 Ny mpitari-tafika voafantina
natelin’ny riakan-jozoro,
7 nosaronan’ny hantsam-be,
nidina am-parany ambany tahaka ny vato
8 Ny Tananao, ry Tompo igagana hery;
ny Tananao, ry Tompo, manorotoro fahavalo.
9 Ny hambom-ponao lehibe, mandripaka ny mpanohitra.
Ny hatezeranao, aridanao handoro azy toa mololo.
10 Ny fofon’ain’ny Vavoronao
mampiantsavovona ny rano:
11 ka ny rano maria mijoro toa rindrina;
ny hantsam-be mivaingana eo anivon-driaka.
12 Hoenjehiko ireo dia ho tratrako!
hoy ny fahavalo.
13 Hobaboiko, hialako fo.
Hangalako sabatra. Haringan’ny tanako.
14 Kanjo atsokanao ny rivotrao:
ka indreo safotry ny riaka:
15 milentika an-kibon’ny rano mahery
mova tsy ny firaka.
16 Iza no toa Anao, ry Tompo, amin’ireo andriamanitra?
Zovy no toa Anao izay ambony fahamasinana,
17 mahatahotra noho ny asanao mendri-dera,
mahefa ny zava-mahagaga?
18 Atsotranao ny tanana
dia atelin’ny tany ireny!
19 Ny hatsaram-ponao mitarika ny vahoaka navotanao;
ny herinao mitondra azy amin’ny fonenanao masina:
20 ka ampidirinao izy, ry Tompo, sy amponeninao
eo amin’ny vohitra lovanao:
21 Toerana voafidinao honenana,
toera-masina nomanin’ny Tananao.
22 Eny, manjaka ny Tompo
mandrakizay alaovalo!
23 Ny soavalin’i Faraona, ny kalesy sy mpitaingina
nidina an-driaka, nosaforan’ny Tompo!
24 Ny zanak’i Israely nandia tany maina
teo afovoan’ny ranobe!
Sas: Izay handresy dia hihira ny tononkiran’i Moizy,
ilay mpanompon’Andriamanitra.
SALAMO (V.) 117 (116)
Tsy ny Jody iray rà taminao ihany no nahatongavanao sy novonjenao, ry Kristy,
fa ny firenen-drehetra. Fantatray Izao fa nantsoinao ho vahoaka tsy mialonjafy Izahay.
Sas: Ianao tokoa, ry Jesoa Tompo,
no ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao. (Jn 4,42)
Andininy:
1 Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra!
Ankalazao Izy, ry foko rehetra!
2 Fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony
ary mandrakizay ny fahamarinany!
Sas: Ianao tokoa, ry Jesoa Tompo,
no ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao.
TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.) 2 Kor 13,11
Ry rahalahy, mifalia, miezaha ho lavorary, mifamporisiha, miraisa hevitra, mihavàna tsara, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana.
VALINKIRA (VII.) (Sal 80,2 sy 116,1)
Fiv: Hirao hafaliana ny Tompo Andriamanitsika
Hobio hafaliana ny Tompo ilay herintsika!
1 Derao ny Tompontsika, ry firenen-drehetra!
Derao ny Tompontsika, ry fokom-pirenena!
Fiv: Hirao hafaliana ny Tompo Andriamanitsika
Hobio hafaliana ny Tompo ilay herintsika!
2 Voninahitra anie ho an’ny Ray, Voninahitra anie ho an’ny
Zanaka, toy izany koa ho an’ilay Fanahy Masina.
Fiv: Hirao hafaliana ny Tompo Andriamanitsika
Hobio hafaliana ny Tompo ilay herintsika!
TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)
Sas: Fahasambarana sy fahamarinana Andriamanitra;
Tsy mba misy haizim-pito ao Aminy. (1 Jn 1,5)
Andininy:
1 Deraina isaorana Izy Tompo
Ny Tompo Andriamanitr’Israely
Fa Izy efa tonga namangy antsika
Nanavotra antsika amy fahavalo.
2 Nanolotra antsika herim-pamonjena
Avy amin’ny fianakaviana iray
Dia ny an’i Davida mpanompo tiany
F’izany tokoa no efa nolazainy.
3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany
Dia ireo olomasiny fahagola:
Ny vonjiny hanala amy fahavalo
Hanafaka antsika amy mpankahala.
4 Noho izy nandala ny Razantsika,
Dia indro tsaroany ny Fanekeny
Fa teny nomeny an’i Abrahama
Ny hanafaka antsika amy fahavalo.
5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy
Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy
Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky
Ho eo anatrehany lalandava.
6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:
Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra",
Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao
Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.
7 Ianao hanambara ny famonjena
Dia ny famelana ny hadisoana
Satria Andriamanitra fo miantra
Mandefa masoandro hamangiany antsika.
8 Fanilo hanazava reo mitakiky
Anatin’ny haizina mahafaty.
Fanilo hanazava ny diantsika
Am’lalam-piadanana lavorary.
9 Isaory ny Ray nanome antsika
Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!
Hobio ny Fanahy niantsoana antsika
Ho sambatra hibanjina ny mazava.
Sas: Fahasambarana sy fahamarinana Andriamanitra;
Tsy mba misy haizim-pito ao Aminy.
RANOMBAVAKA (IX.)
Mihaino ny talahontsika mandrakariva ny Tompo, ary manome mihoatra noho
izay hangatahintsika aza; nefa toa tsy tsapantsika indraindray; koa hivavaka isika
mba hampitomboiny ny finoana sy ny fitokiana ao amintsika:
Fiv: Iantrao ny vahoakanao, ry Tompo!
1 Ry Andriamanitra Andriananahary fototry ny harena rehetra, mba raiso fa
atolotray anao ny tenanay sy ny fanananay.
Fiv: Iantrao ny vahoakanao, ry Tompo!
2 I Kristy masoandro vao maraina anie hanazava anay ary fongory tsy hisy
aminay ny toe-panahy ratsy rehetra.
Fiv: Iantrao ny vahoakanao, ry Tompo!
3 Tariho ny teninay sy ny hevitray ary ny asanay ho araka izay sitrakao anio
tontolo andro.
Fiv: Iantrao ny vahoakanao, ry Tompo!
4 Iantrao ireo rehetra hifaneraseranay anio ary tsofy rano izy sy ny fianakaviany.
Fiv: Iantrao ny vahoakanao, ry Tompo!
5 Fangatahana hafa
Fiv: Iantrao ny vahoakanao, ry Tompo!
Rainay any an-danitra ...
Aoka hanao antso avo ny fiderana Anao, ry Tompo, ny vavanay. ny fonay sy
ny ainay rehetra; ary satria avy amin’ny fanomezan’ny fitiavanao ny tenanay
manontolo, dia aoka hatokanay ho Anao ny andro iainanay rehetra. Amin’ny
alalan’i J. K. Z. T.
TSODRANO (X.) [ohatra]
Mpitsodrano:
Enga anie Andriamanitra Ray
izay tsy mitsitsy na inona na inona,
ny Zanaka izay nampiboiboika onin-drano velona,
ary ny Fanahy izay mampamokatra ny tany karankaina
hampitobaka ny fahasoavany amin’ny Fiangonana.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!