ANTSA (I.)
Izay heverintsika olombalona ho farafahoriana indrindra no
sambatra amin’i Kristy, satria Andriamanitra no mpiahy azy.
1 Sambatra, hoy ny Tompo, izay mahantra,
Ireo ataon’izao tontolo izao hoe zinona:
Ho azy ireo ny Vaovao Mahafaly!
Sambatra! Sambatra ê! Sambatra!
2 Ary ireo malemy paika be fitiavana,
Ka mandefitra ny zavatra rehetra:
Azy ireo ny Fanjakan’Andriamanitra!
Sambatra! Sambatra ê! Sambatra!
3 Sambatra ny mitomany sy ny noana
‘Zay mitady fahamarinan’Andriamanitra
Fa hiravoravo izy ary ho voky
Sambatra! Sambatra ê! Sambatra!
4 ‘Reo mamindra fo ny rahalahy mahantra
‘Reo mitsetra ny enjehina sy ny ory:
Hamindrana fo tokoa izy ireo!
Sambatra! Sambatra ê! Sambatra!
5 Sambatra ny mahitsy fo tanteraka
Tsy miroa saina hitandrina ny didy
Izy ireo hahita tava an’Andriamanitra.
Sambatra! Sambatra ê! Sambatra!
6 N’iza n’iza ka mandala fihavanana
Mampiray irony fo ‘zay mifandrafy
Dia ho zanak’Andriamanitra izy ireo
Sambatra! Sambatra ê! Sambatra!
7 Sambatra ny enjehina, ampangaina
Noho ny firaiketany Amiko hatrany:
Tsy ho menatra azy Aho any aoriana!
Sambatra! Sambatra ê! Sambatra!
SALAMO (II.) 119(118),105-112
Mitopo teny fantatra, mitsambiki-mikimpy isika matetika. Fa rehefa sendra
ny mafy vao mahatsiaro fa tsy ho lasa lavitra raha tsy mifefy amin’ny Tompo.
Sas: Tsy eran’ny aina ny fahoriana nihatra taminay,
mba tsy hitokianay ny tenanay, fa hitokianay an’Andriamanitra
izay manangana amin’ny maty. (2 Kor 1,8-9)
na hoe: Sambatra izay mihaino ny tenin’Andriamanitra
ka mitandrina azy. (Lk 11,28)
Andininy:
1 Fanilo ho an’ny tongotro ny Teninao
Sy fanazavana ny lalako!
2 Velirano izay nataoko ka hotoaviko:
hotandremako ny satanao izay ara-drariny.
3 Mijaly tsy eran’aina, ry Tompo,
ka mba velomy araka ny Teninao.
4 Mba ankasitraho, ry Tompo, ny fanatitry ny vavako;
ampianaro ahy ny satanao.
5 Hatenda lalandava izao ny aiko,
nefa tsy hadinoko ny lalànao.
6 Mamela-pandrika hahavoazana ahy ny ratsy fanahy.
izaho kosa tsy mihataka amin’ny lahatrao.
7 Ny fanambaranao no lovako, ry Ilay Mandrakizay,
izy no fifalifalian’ny foko.
8 Araikako ny foko hanao ny fitsipikao
hatramin’ny antsipiriany sady mandrakizay.
Sas: Tsy eran’ny aina ny fahoriana nihatra taminay,
mba tsy hitokianay ny tenanay, fa hitokianay
an’Andriamanitra izay manangana amin’ny maty.
na hoe: Sambatra izay mihaino ny
tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.
SALAMO (IIIa.) 16(15)
Vary sy rano amin ‘i Kristy isika: an-tsaha tsy mifanary, an-trano rsy mifandao.
Sas: Mpandova an’Andriamanitra isika:
mpiray lova amin’i Kristy Zanany. (Rom 8,7)
na hoe:
Ho hita eny amin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’Olona. (Mt 24, 30)
Andininy:
1 Andriamanitra ô, ambeno aho mifefy aminao
Tompo ô, hoy aho, Ianao no Andriamanitro.
2 Ianao no hasambarako:
eny, Ianao dia Ianao!
3 Tsia, tsy misy sitrako
ireny hoe "masina” sy "tompo”;
4 irony sampy an-kamamiana
sy andriamani-kafa marobe.
5 Ny tanako tsy manolo-tsorona aminy;
ny vavako tsy mankafý izay anarany.
6 Ny Tompo ny ahy no zara lovako,
Ianao no hareko maharitra.
7 Ambinina aho, ka sendra ny soa:
eny, mamiko izay voatendry ho ahy.
8 Isaorako ny Tompo manolo-tsaina ahy.
alina avy ny foko no toroany.
9 Ataoko anoloana hatrany ny Tompo;
izaho tsy hiala eo an-kavanany.
10 Koa faly ny foko, ravo ny fanahiko;
ny nofoko avy no mandry amin-toky,
11 fa ny fanahiko tsy hafoinao ho any an-tSeoly;
ity sakaizanao tsy havelanao hahita ny hady:
12 fa ny lalan’ny fiainana
no hatoronao ahy:
13 hafenoam-pifaliana anoloanao,
hafinaretan-dava an-kavananao.
Sas: Mpandova an’Andriamanitra isika:
mpiray lova amin’i Kristy Zanany.
na hoe:
Ho hita eny amin’ny rahon’ny lanitra
ny Zanak’Olona.
na SALAMO (IIIb.) Sal 16(15) dikatenny mirindra:
Sas: Mpandova an’Andriamanitra isika:
mpiray lova amin’i Kristy Zanany. (Rom 8,7)
na hoe:
Ho hita eny amin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’Olona. (Mt 24, 30)
Andininy:
1 Andriamanitra Tompo ô, ambeno
F’Ianao re no hany ifefeko,
Hasambarako tokana an-tany.
2 Tsy mba sitrako intsony tokoa
Ireo masina, tompo eto an-tany,
Manandevo ‘zay matoky azy.
3 Ary koa ‘reny sampy hamaroina
Tsy hanaovako sorona intsony;
Ts’ ho tononiko anarana akory.
4 Ianao re ry Tompo no lova,
Hany zarako mandrakizay,
Toeran-tsoa no natokana ho ahy.
5 Ka isaorako Tompo Ianao
Fa nanolotra saina, fanahy
Sy nanoro ny foko hatrany.
6 Eo alohako foana ny Tompo;
Tsy hiala an-kavanako Izy;
Ka hisaorako mandrakizay.
7 Ts’ omby tratra tokoa ny hafaliana
‘Zay mameno ny foko tontolo
Sy manenika ‘zato fanahy.
8 Ka ny nofoko mandry amin-toky;
Fa tsy foinao ho levona ny aiko,
Ny olon-tianao tsy foinao ho faty.
9 E ny lalan’ny fiainana izao
Dia hatoronao ahy hatrany,
Ka nameno hafaliana ny foko.
10 Ho finaritra mandrakizay
‘Zay mitoetra eo an-kavananao,
Hasambarana tsy mety ritra.
11 Zanakao no hankany aminao
mba hanome lapa ho anay
Hideranao ny fitiavanao.
Sas: Mpandova an’Andriamanitra isika:
mpiray lova amin’i Kristy Zanany.
na hoe:
Ho hita eny amin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’Olona.
TONONKIRA (IV.) Fil 2,6-11
Maty toy ny Jiolahy i Kristy mba hiray petsapetsa amin’ny olombelona,
satria tiany koa ny hiombonan’izy ireo amin’ny voninahiny.
Sas: Ny voninahitrao, ry Tompo Andriamanitra Ray
dia i Jesoa Kristy Mpamonjy sy Tomponay e!
Andininy:
1 Fa nanana ny toetran’Andriamanitra i Jesoa;
Kanefa tsy noheveriny hifikirana mihitsy
‘Lay toetra nitovizany amin-dRainy hatramizay.
2 Ka indro ny toetran’Andriamanitra nialany
Dia naka ny toetra maha-mpanompo kosa Izy,
Ka tonga olombelona nitovy tamintsika.
3 Ny tenany naetriny, nanaiky fatratra Izy,
Nanaiky dia nanaiky, eny ambara-pahafaty,
Ka maty ho antsika tamin’ny Hazo Fijaliana!
4 Ny Rainy kosa anefa indro fa nanandratra Azy,
Nanolotra Azy Anarana mitory fahefana:
Anarana mihoatra ‘zay anarana rehetra.
5 Fa tiany mba hilefitra amin’io Anarana io,
Hilefitra amin’i Jesoa ny lohalika rehetra:
Dia ny any an-danitra any, ny eto an-tany sy any ambany.
6 Fa tiany mba hiaiky sy hanambara koa isika,
F’i Jesoa no natsangan’Andriamanitra ho Tompo,
Hijoro ho voninahitr’Izy Ray mandrakizay!
Sas: Ny voninahitrao, ry Tompo Andriamanitra Ray
dia i Jesoa Kristy Mpamonjy sy Tomponay e!
TENIN’ANDRIAMANITRA (V.) Kol 1,3-6a
Ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra
Raintsika! Tsy tapaka ny misaotra an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy
Tompontsika izahay, amin’ny fivavahana ataonay ho anareo, hatramin’ny
nandrenesanay ny finoanareo an’i Kristy Jesoa sy ny fitiavanareo ny olona
masina rehetra noho ny fanantenanareo ny valisoa miandry anareo any an-danitra,
araka ny renareo tamin’ny teny marin’ny Evanjely. Ny Evanjely efa tonga aty
aminareo, dia tonga amin’izao tontolo izao mihitsy, sady vokatra sy mitombo toy
ny aty aminareo koa.
VALINKIRA (VI.) Sal 31(30).2
Fiv: Ianao no ifefeko, ry Tompo tsara fo ô,
Tsy ho azon-kenatra aho na oviana na oviana.
1 Amin’ny fahamarinanao, arovy aho, Tompo, avoty aho!
Fiv: Ianao no ifefeko, ry Tompo tsara fo ô,
Tsy ho azon-kenatra aho na oviana na oviana.
2 Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy!
Fiv: Ianao no ifefeko, ry Tompo tsara fo ô,
Tsy ho azon-kenatra aho na oviana na oviana.
TONONKIRAN’I MARIA (VII.)
Ho toy ny kodiaran-tsarety ny fihodin’ny fiainantsika eo anatrehan’ny Tompo:
ny fihevitr’Andriamanitra manko tsy fihevitr’olombelona.
Sas: Izay manandra-tena dia haetry,
ary izay manetry tena, dia hasandratra.
Andininy:
1 Ny foko midera ny Tompontsika
Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy
‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
2 Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra" aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa
Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany".
3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony
Am’ny olon-drehetra matahotra Azy,
‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry
Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,
Kanefa manadratra ireo ambany;
Manototra soa an’ireo noana
Fa mampody maina an’ireo mpanana.
5 Mpanarina an’Israely olony
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny Razantsika
Ho an’i Abrahama sy izay taranany.
6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,
Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika
Ho mandrakizay alaovalo!
Sas: Izay manandra-tena dia haetry,
ary izay manetry tena, dia hasandratra.
RANOMBAVAKA (VIII.)
Ny teny fampanantenana fanaon’ny olona eto an-tany dia tsy mateza indraindray;
fa ny fanekem-pihavanana nataon’Andriamanitra Ray tamintsika, tamin’ny Ràn’i
Kristy kosa dia tena azo antoka; koa ‘ndeha isika hiantso manao hoe:
Fiv: Tsarovy e, ry Tompo, ny fanekem-pihavanana nataonao taminay.
1 Ry Ray mahefa ny zavatra rehetra ô! ampanjakao eto amin’ny taninay
ny fahamarinanao mba handry fehizay ny vahoakanao.
Fiv: Tsarovy e, ry Tompo, ny fanekem-pihavanana nataonao taminay.
2 Ataovy anisan’ny fanjakanao ny firenena rehetra, ary vonjeo koa i Israely.
Fiv: Tsarovy e, ry Tompo, ny fanekem-pihavanana nataonao taminay.
3 Ho fatra-pitia izay sitrakao anie ny mpivady sy hangetaheta ny fiadananao,
mba haharetany mifankatia.
Fiv: Tsarovy e, ry Tompo, ny fanekem-pihavanana nataonao taminay.
4 Valio soa ireo tia anay, tsofy rano ireo tsy tia ary ataovy tafahaona ao
an-danitrao, ry Tompo. ho sambatra any amin’ny fiainana mandrakizay.
Fiv: Tsarovy e, ry Tompo, ny fanekem-pihavanana nataonao taminay.
5 Topazo maso antra ireo voan’ny tsindry hazo lena, ka maty an’ady na maty
nankahalaina, na maty nanaovana an-keriny ary omeo fialan-tsasatra mandrakizay.
Fiv: Tsarovy e, ry Tompo, ny fanekem-pihavanana nataonao taminay.
6 Fangatahana hafa
Fiv: Tsarovy e, ry Tompo, ny fanekem-pihavanana nataonao taminay.
Rainay any an-danitra ... .
Ny fangatahana farany dia ilay hatao rahampitso Alahady na hoe:
Henoy vavaka ny mpanomponao, ry Tompo,
ary ampitomboy ao aminy ny fahasoavanao;
hoentanin’ny fanantenana sy ny finoana
ary ny fitiavana anie ny fony
haharetany lalandava mitandrina ny didinao
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay.
TSODRANO (IX.) [ohatra]
Mpitsodrano:
Enga anie ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina
izay Andriamanitra tokana,
hampiray fo sy saina antsika mandrakariva
araka ny mahairay Azy.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!