Alatsinainy I Vavaka Maraina

FANAINGANA (I.) Salamo 100 (99)

Asa atao an-kira toa vita tsy natao; raha atao am-pihobiana

ny hatsaram-pon’ny Tompo mivelatra eo imasony.

Fiv: Avia, ndeha isika hihoby ny Tompo.

1 Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo

Ka fo falifaly anompoana ny Tompo.

2 Tongava eo Aminy mihira miravo;

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra!

Fiv: Avia, ndeha isika hihoby ny Tompo.

3 Fa Azy isika satria noariny

Sy tena vahoakany, ondry fiandriny,

4 Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,

Ny ao an-kianjany idiro amin-dera,

Fiv: Avia, ndeha isika hihoby ny Tompo.

5 Derao Izy Tompo, ny Anarany isaory.

Miaiky isika fa tsara ny Tompo,

6 Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,

Am’taona rehetra ny fahamarinany.

Fiv: Avia, ndeha isika hihoby ny Tompo.

7 Andeha isika hiara-mitsaoka ny Tompo,

Hihoby ‘Lay Zanany ombam-pahefana,

8 Derao ny Fanahy manamasina antsika,

Manentana antsika hihoby ny Tompo.

Fiv: Avia, ndeha isika hihoby ny Tompo.

ANTSA (II.)

Naka oy fombantsika olombelona i Kristy, niray dinidinika niray petsapetsa

mba hahatonga antsika ho Zanak’Andriamanitra toa Azy.

1 Tonga nizara ny mofo Ianao

O ry Tompo ô, ô ry Tompo ô,

Sy nanalefaka ny hanoananay

O ry Tompo ô!

Tonga tatý aminay Ianao,

O ry Tompo ô, ô ry Tompo ô,

Ka nanamasina ny asan-tananay

O ry Tompo ô!

Fiv: Ianao no Fiainana sy Fahamarinana, Ry Tompo ô,

Lalana tokan’ilay paradisan’ny Ray ô!

2 Tonga nizara hasambarana Ianao, ...

‘Lay hasambarana tena maharitra ...

Tonga hamela ny heloka Ianao ...

Ka nomenao ny mpanota ny tranonao ...

Fiv: Ianao no Fiainana sy Fahamarinana, Ry Tompo ô,

Lalana tokan’ilay paradisan’ny Ray ô!

3 Tonga nijaly ho anay Ianao, ...

Sy nanamaivana ny fahorianay ...

Tonga nanavotra anay Ianao ...

Mba ho mpandova ny fiainana mandrakizay ...

Fiv: Ianao no Fiainana sy Fahamarinana, Ry Tompo ô,

Lalana tokan’ilay paradisan’ny Ray ô!

4 Nonina teto aminay Ianao, ...

Ka nampahafantatra anay ny Rainay ...

Dia Voninahitra anie ho Anao ...

Fankasitrahana mandrakizay. Amen ...

Fiv: Ianao no Fiainana sy Fahamarinana, Ry Tompo ô,

Lalana tokan’ilay paradisan’ny Ray ô!

SALAMO (III.) 5

Ny teniko, ny eritreritro, ny asako anio hanompoako ny Tompo araka ny sitrapony.

Sas: Izay maharitra amy fanompoana Ahy, hoy ny Tompo,

homeko ny kintana fitarikandro Izy. (Apok 2,26-28)

1 Tompo ô, mba henoy ny teniko

Mba fantaro ny eritreritro!

2 Ry Mpanjaka sy Andriamanitra ô

mandrenesa ny feoko miantso.

3 Eny, Tompo, Ianao no ihantako,

Maraina Ianao mandre ny feoko;

4 maraina aho manosaka ny am-poko:

dia mamitsaka miandry.

5 Tsia, tsy mba Andriamanitra tia ratsy Ianao;

ny olon-dratsy tsy monina ao aminao;

6 ny adala tsy mijoro eo anoloan’ny Masonao;

ny mpanao ratsy rehetra tsy tohanao;

7 ny mpiteny lainga levoninao;

ny tia rà, ny mpamitaka, halan’ny Tompo!

8 Fa izaho, noho ny hatsaram-ponao lehibe,

dia hiditra ny tranonao,

9 hiankohoka ao an-tempolinao masina,

miaraka amin’ireo mpanoa Anao.

10 Tompo ô, tariho araka ny fahamarinanao aho;

noho ireo mitsikilo, hamarino ny lalana anoloako.

11 Fa ny eo am-bavany, tsy azo itokiana;

ny ao am-pony, heloka avokoa;

12 ny tendany, fasana mitanatana;

ny lelany, lala-malama!

13 Helohy izy, ry Andriamanitra;

ravao ny fikasany!

14 Roahy fa be ota loatra!

He ity izy mikomy aminao!

15 Izay rehetra mifefy aminao kosa, hifaly,

izay arovanao, hihoby mandrakizay.

16 Eny, hiravo aminao

izay tia ny Anaranao!

17 Fa Ianao, ry Tompo, mitahy ny olo-marina,

sy mamefy azy ampingabem-panambinana!

Sas: Izay maharitra amy fanompoana Ahy,

hoy ny Tompo, homeko ny kintana fitarikandro Izy.

TONONKIRAN’I DAVIDA (IV.) 1 Tantara 29.10-13

Andriananahary heni-kaja sy mahery. Izany no Raintsika!

Sas: Hisaorana anie ‘lay Andriamanitra

Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika. (Efez 1,3)

Andininy:

1 Isaorana Ianao, ry Tompo Andriamanitr’i Israely Razanay,

hatramin’ny mandrakizay ka ho mandrakizay!

2 Anao, ry Tompo, ny halehibiazana sy hery,

ny famirapiratana, fahamendrehana sy fiandrianana:

3 Anao ny zava-drehetra:

na ny any an-danitra na ny eto an-tany!

4 Anao, ry Tompo, ny fanjakana,

Ianao manerinerina ambonin’ny tontolo!

5 Ny harena, ny voninahitra dia avy Aminao!

Ianao no manapaka ny zava-drehetra!

6 An-tananao ny hery sy ny tanjaka

Ny tananao no mahalehibe sy mahamafy ny rehetra!

7 Koa misaotra Anao izahay, ry Andriamanitra ô,

ary midera ny Anaranao be voninahitra!

Sas: Hisaorana anie ‘lay Andriamanitra

Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika.

SALAMO (V.) 29 (28)

Inona no hahatohitra ny feo maherin’’Izy Tompo raha mifikitra amin’ny lalany isika?

Sas: Tonga sahady ankehitriny izao ny andro andrenesan’ny maty rehetra

ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ka ho velona izay handre an’izany. (Jn 5,25)

Andininy:

1 Rey zanak’Andriamanitra, mieke ny Tompo:

ny Tompo no iekeo

Voninahitra sy Hery!

2 Ny Anaran’ny Tompo iekeo voninahitra!

Ny Tompo iankohofy

ao an-kianjany masina!

3 Injao ny Feon’ny Tompo ambony ranomasina

Andriamanitra Tsitoha mampitalakotroka.

Ny Tompo ambony rano midadasika.

4 Injao ny Feon’ny Tompo ilay mahery!

Injao ny Tompo ilay be voninahitra!

Injao ny Tompo mamotika sedera.

5 Ny sederan’i Libana potehin’ny Tompo;

i Libana ampitroariny toa zanak’omby.

i Siriona, toa vantotr’ombimanga.

6 Injao ny Feon’ny Tompo mandefa ny tselatra.

Injao ny Tompo mampihovotra ny efitra:

ny efitr’i Kadesa indray mihorohoro!

7 Injao ny Feon’ny Tompo manodidina ny ala:

ny hazo rehetra tapatapaka sy lavo!

Ary hoy ny ao an-dapany: voninahitra!

8 Ny Tompo mipetraka ambonin’ny onja; manjaka hatrizay!

Ny Tompo anie hankahery ny olony!

Ny Tompo hitahy sy hanome fiadanana.

9 Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka;

Voninahitra anie ho an’ny Fanahy Masina,

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Sas: Tonga sahady ankehitriny izao ny andro andrenesan’ny maty rehetra

ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ka ho velona izay handre an’izany.

TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.) 2 Tesal 3,10-13

Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana koa. Renay fa ny sasany

aminareo dia tsy mahay miaina, sady tsy miasa fa manaonao foana. Mandidy

sy mananatra izany olona izany ao amin’i Jesoa Kristy Tompo izahay, mba hiasa

amim-piadanana, ka hihinana izay azony ihany. Ary aoka ianareo, ry rahalahy, tsy

ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa.

VALINKIRA (VII.) Salamo 143(142),8

Fiv: Tompo ô, Ianao no iankinako;

Ampandreneso ny hatsaramponao aho dieny maraina.

1 Ampahalalao ahy ny lalana mety harahina

Fa any aminao no anandratako ny fanahiko.

Fiv: Tompo ô, Ianao no iankinako;

Ampandreneso ny hatsaramponao aho dieny maraina.

2 Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka

Voninahitra anie ho an’ny Fanahy Masina.

Fiv: Tompo ô, Ianao no iankinako;

Ampandreneso ny hatsaramponao aho dieny maraina.

TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)

I Kristy tsarotsarovantsika hatrany no mampamiratra

ny fiainantsika tontolo andro.

Sas: Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangana

ho velona, dia hanazava anao i Kristy. (Efez 5,14)

Andininy:

1 Deraina isaorana Izy Tompo

Ny Tompo Andriamanitr’Israely

Fa Izy efa tonga namangy antsika

Nanavotra antsika amy fahavalo.

2 Nanolotra antsika herim-pamonjena

Avy amin’ny fianakaviana iray

Dia ny an’i Davida mpanompo tiany

F’izany tokoa no efa nolazainy.

3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany

Dia ireo olomasiny fahagola:

Ny vonjiny hanala amy fahavalo

Hanafaka antsika amy mpankahala.

4 Noho izy nandala ny Razantsika,

Dia indro tsaroany ny Fanekeny

Fa teny nomeny an’i Abrahama

Ny hanafaka antsika amy fahavalo.

5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy

Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy

Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky

Ho eo anatrehany lalandava.

6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:

Ho ‘lay „Mpaminanin’ny Avo indrindra“,

Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao

Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.

7 Ianao hanambara ny famonjena

Dia ny famelana ny hadisoana

Satria Andriamanitra fo miantra

Mandefa masoandro hamangiany antsika.

8 Fanilo hanazava reo mitakiky

Anatin’ny haizina mahafaty.

Fanilo hanazava ny diantsika

Am’lalam-piadanana lavorary.

9 Isaory ny Ray nanome antsika

Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!

Hobio ny Fanahy niantsoana antsika

Ho sambatra hibanjina ny mazava.

Sas: Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangana

ho velona, dia hanazava anao i Kristy.

RANOMBAVAKA (IX.)

Andriamanitra Izy Ray ka mahafantatra izay ilaintsika;

tiany anefa ny hihantantsika Aminy.

Fiv: Ianao, ry Tompo, no Mpamelona anay sy Mpamonjy anay.

1 Ity andro ity anie, ry Tompo Andriamanitra, hibaliaka amin’ny fahazavana

vaovao nomenao anay tamin’ny Batemy.

Fiv: Ianao, ry Tompo, no Mpamelona anay sy Mpamonjy anay.

2 Ombao ny fahendrenao izahay, ry Tompo, ary izy anie hanampy anay sy

handavorary ny asanay.

Fiv: Ianao, ry Tompo, no Mpamelona anay sy Mpamonjy anay.

3 Arovy izahay anio tsy ho voakasi-pahotana ary fenoy ny fahasoavanao.

Fiv: Ianao, ry Tompo, no Mpamelona anay sy Mpamonjy anay.

4 Mba vonjeo sy arovy izahay hiray fo sy hifanaraka tsara.

Fiv: Ianao, ry Tompo, no Mpamelona anay sy Mpamonjy anay.

5 Fangatahana hafa

Fiv: Ianao, ry Tompo, no Mpamelona anay sy Mpamonjy anay.

Rainay any an-danitra...

Tompo ô, mihanta aminao izahay,

tariho amin’ny fahasoavanao izay rehetra ataonay

ka araho ny tsodranonao

dia sady ho loharano ipoiran’ny vavakay sy ny asanay Ianao

no ho fiafaran’izay natombokay tao aminao.

Amin’ny alalan’i J.K.Z.T...

TSODRANO (X.) [ohatra]

Mpitsodrano:

Hiaro antsika

mandia tany tsy ho solafaka

ary miloloha lanitra tsy ho lena anie

ny Fitiavan’Andriamanitra Ray

sy ny Fahazavan’i Kristy

ary ny herin’ny Fanahy Masina.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0077