ANTSA (I.)
Izaho, ianao, isika: Vato namelan-kafatra hitory fa marina sy be fitiavana ny Tompo.
Fiv: Andeha hiseho anoloan’Andriamanitra,
andeha hiseho anoloany amin-tsaotra.
Hankalaza azy amin’antsa, hankalaza azy amin-kira.
Avia, derao, derao ny Tompo Andriamanitra!
1 Nantsoina isika zanany
Nataony ira-pifaliana
Fa hoy Izy:
Ianareo
No indro hirahiko
Toy ny nanirahan’ny Ray Ahy.
Fiv: Andeha hiseho anoloan’Andriamanitra,
andeha hiseho anoloany amin-tsaotra.
Hankalaza azy amin’antsa, hankalaza azy amin-kira.
Avia, derao, derao ny Tompo Andriamanitra!
2 Indro irahiko ianareo
Amin’izao tontolo izao
Ilaozy ary
Afoizo ho Ahy
Ireo tiana
Soa anie ny Fanjakan’ny lanitra.
Fiv: Andeha hiseho anoloan’Andriamanitra,
andeha hiseho anoloany amin-tsaotra.
Hankalaza azy amin’antsa, hankalaza azy amin-kira.
Avia, derao, derao ny Tompo Andriamanitra!
3 Tsy sanatria irery isika
Hitondra ny hazo fijaliana
Fa eo Izy
Zoky tsy foy
Tsy mba mandao
Hiaraka hamadi-bainga amintsika.
Fiv: Andeha hiseho anoloan’Andriamanitra,
andeha hiseho anoloany amin-tsaotra.
Hankalaza azy amin’antsa, hankalaza azy amin-kira.
Avia, derao, derao ny Tompo Andriamanitra!
SALAMO (II.) 11 (10)
Ny mahitsy fo tsy mivadibadika toa andro ririnina fa tokam-po tahaka ny siny.
Sambatra izy ireo fa hahita an’Andriamanitra!
Sas: Ho sahala amin’Andriamanitra isika,
fa hahita azy an-karihary. (1 Jn 3,2)
Andininy:
1 Ny Tompo no ifefeko, ka ahoana ny aiko
no jokoinareo sy atao fanenji-pody?
2 Indreo ny ratsy fanahy
fa mandray tsipîka
3 asiany zana-tsipîka ny tadiny
hitifirana an-takona ny mahitsy fo!
4 Tsy misy lalana intsony!
Ka inona no hanjo ny olomarina?
5 Ny Tompo ao an-tempoliny masina;
ny Tompo amin’ny fiketrahany any an-danitra:
6 ny masony mitazana;
ny fijeriny mandinika ny zanak’olombelona.
7 Ny Tompo mandinika ny ratsy fanahy sy ny olomarina;
halany mainty ny mpanao an-keriny!
8 Vain’afo, solifara sy rivomahamay
no alatsany ho anjaran’ny ratsy fanahy.
9 Eny, marina ny Tompo; ny fahamarinana no tiany.
ka izay mahitsy fo dia hibanjina ny tavany.
Sas: Ho sahala amin’Andriamanitra isika,
fa hahita azy an-karihary.
SALAMO (III.) 15 (14)
"Aza tsy tia olona fa ny olona no harena“.
Ny fitiavana no manentana antsika hanao ny fahamarinana.
Sas: Fa Andriamanitra anie dia fitiavana e.
Izay mitoetra ao amin’ny fitiavana,
dia mitoetra ao amin’Andriamanitra
ary Andriamanitra anie ao aminy! (1 Jn 4,6)
Andininy:
1 Tompo ô, iza no hiantrano ao an-dainao?
Zovy no honina ao am-bohitrao masina?
2 Dia izay mizotra tsy aman-tsiny
sy mitandro ny rariny.
3 Milaza izay tena ao ampo
tsy mamela ny lela haniasia,
4 tsy manisy ratsy ny namana
na manebaka ny miara-monina;
5 tsy manao ny olo-meloka ho zavatra
fa manaja izay matahotra ny Tompo,
6 tsy mivadika amin’ny teny nomena
na dia nahasingo-tena aza;
7 tsy mampanana vola
na mandray kolikoly hahavoa ny madio.
8 Izay manao izany
tsy hihontsona mandrakizay!
Sas: Fa Andriamanitra anie dia fitiavana e.
Izay mitoetra ao amin’ny fitiavana,
dia mitoetra ao amin’Andriamanitra
ary Andriamanitra anie ao aminy!
TONONKIRA (IV.) Efz 1,3-10
Ny adala zaza mpandova. ny anaran-dray no voatonotonona!
ho zary henatra ho an’ny Raiko any an-danitra va aho?
Sas: Natokan’ny Ray noho ny fitiavany isika,
hatao zanany ao amin’i Jesoa Kristy. (Efez 1,5)
1 Hisaorana anie ny Rain’i Jesoa Tompontsika
Noho Izy mitahy antsika avy any an-danitra any.
Fanahin’i Kristy Jesoa no nomeny antsika.
2 Isika efa nofidiny noho i Jesoa Tompo
Talohan’ny nahariana izao tontolo izao
Satria ‘sika tiany ho masina tsy manan-tsiny.
3 Natokany mialoha isika olon-tiany
Hatsangany mba ho zanany am’i Jesoa Tompo
Izany anefa no nataony dia ny sitrapony.
4 Andeha ary hankasitraka ity nataony
Nosoaviny tamin-Janany tokoa isika
Ny Zanany ‘zay namonjy antsika tamy ràny.
5 Navelany ny helotsika noho ny fahefany
‘Zay nentiny an-tanan-droa hanasoa antsika
Fa hendry izy mahalala tsara izay ataony.
6 Naborany tamintsika koa ny fikasany
Mikasika an’i Jesoa Zanany, fa tiany isika
Ka indro hotanterahiny amy ny fotoany.
7 Tsy inona fa mba handrindra izao rehetra izao
Ireo any an-danitra any s’ireo eto antany
Hanaiky filoha tokana dia Jesoa Tompo.
Sas: Natokan’ny Ray noho ny fitiavany isika,
Hatao zanany ao amin’i Jesoa Kristy.
TENIN’ANDRIAMANITRA (V.) Kol 1,9b-11
Enga anie ianareo mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra ara-panahy, ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po azy amin’ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo, sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra. Dia mba hampatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny fahefany be voninahitra ianareo, ka handefitra ny zavatra rehetra amim-paharetana sy an-kafaliana.
VALINKIRA (VI.) Sal 119 (118),49-55
Fiv: Te-hidera ny lalànao aho;
Mahatsiaro amin’ny alina ny Anaranao, Tompo!
1 Mahatsiarova ny teninao amin’ny mpanomponao
Izay nataonao ho fanantenako.
Fiv: Te-hidera ny lalànao aho;
Mahatsiaro amin’ny alina ny Anaranao, Tompo!
2 Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka,
Voninahitra anie ho an’ny Fanahy Masina.
Fiv: Te-hidera ny lalànao aho;
Mahatsiaro amin’ny alina ny Anaranao, Tompo!
TONONKIRAN’I MAR!A (VII.)
Avory amin’ny fiheveran-tena tafahoatra izahay ry Tompo,
fa maniry mba hahatakatra ny tsiambaratelo.
Sas: Misaotra Anao aho, ry Ray ô, noho Ianao nanafina
ny tsiambaratelonao tamin’ny olon-kendry
fa nampiseho azy tamin’ny madinika. (Mt 11.25)
Andininy:
1 Ny foko midera ny Tompontsika
Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy
‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
2 Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra“ aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa
Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany“.
3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony
Am’ny olon-drehetra matahotra Azy,
‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry
Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,
Kanefa manadratra ireo ambany;
Manototra soa an’ireo noana
Fa mampody maina an’ireo mpanana.
5 Mpanarina an’Israely olony
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny Razantsika
Ho an’i Abrahama sy izay taranany.
6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,
Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika
Ho mandrakizay alaovalo!
Sas: Misaotra Anao aho, ry Ray ô, noho Ianao nanafina
ny tsiambaratelonao tamin’ny olon-kendry
fa nampiseho azy tamin’ny madinika.
RANOMBAVAKA (VIII.)
Mifarana ity ny andro, koa ‘ndeha hisaotra ny Ray loharanon’ny
fanomezana rehetra isika, noho ny zavatsoa rehetra nomeny androany.
Fiv: Tsofy rano ny vahoakanao, ry Tompo!
1 Vonjeo ny vahoakanao, ry Tompo, ary tsofy rano fa lovanao.
Fiv: Tsofy rano ny vahoakanao, ry Tompo!
2 Ampiraiso fo amam-panahy izay mitonona hoe kristianina, mba hinoan’izao
tontolo izao Ilay nirahinao.
Fiv: Tsofy rano ny vahoakanao, ry Tompo!
3 Rotsahy ny fahasoavanao ny havana aman-tsakaizanay mba hanovozany
ny tena fahasambarana ao Aminao.
Fiv: Tsofy rano ny vahoakanao, ry Tompo!
4 Asehoy amin’ireo miady aina fa momba azy ny fitiavanao mba hahitany ny
famonjena avy Aminao.
Fiv: Tsofy rano ny vahoakanao, ry Tompo!
5 Abaribario amin’ireo nodimandry ny famindram-ponao ka raiso any amin’ny
fialan-tsasatra mandrakizay izy.
Fiv: Tsofy rano ny vahoakanao, ry Tompo!
6 Fangatahana hafa
Fiv: Tsofy rano ny vahoakanao, ry Tompo!
Rainay any an-danitra...
Ry Tompo Ray Masina,
Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay,
hisondrotra any Aminao anie izao vavakay takariva izao
ary hirotsaka aminay kosa anie ny tsodranonao,
ka ampio izahay ho voavonjy
dieny ankehitriny sy mandrakizay.
Amin’ny alalan’ i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay...
TSODRANO (IX.) (Rom 12, 1)
Mpitsodrano:
Homba antsika anie ny famindram-pon’Andriamanitra Ray
mba hahatonga ny fiainantsika
ho sorona velona sady masina ary ankahasitrahany.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika.