FANAINGANA (I.)
Fitia mifamaly, mahatsara fihavanana. Andriamanitra efa nitia antsika,
koa inona no marim-pitiavana asetrintsika izany?
Fiv: Andeha isika hitsaoka an’Andriamanitra,
Satria nanao antsika ny Tompo Andriamanitra.
SALAMO azo ifidianana t. 5-8 [ohatra: ]
1 Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo
Ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
2 Tongava eo Aminy mihira miravo;
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra!
Fiv: Andeha isika hitsaoka an’Andriamanitra,
Satria nanao antsika ny Tompo Andriamanitra.
3 Fa Azy isika satria noariny
Sy tena vahoakany, ondry fiandriny,
4 Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
Ny ao an-kianjany idiro amin-dera,
Fiv: Andeha isika hitsaoka an’Andriamanitra,
Satria nanao antsika ny Tompo Andriamanitra.
5 Derao Izy Tompo, ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo,
6 Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
Am’taona rehetra ny fahamarinany.
Fiv: Andeha isika hitsaoka an’Andriamanitra,
Satria nanao antsika ny Tompo Andriamanitra.
7 Andeha isika hiara-mitsaoka ny Tompo,
Hihoby ‘Lay Zanany ombam-pahefana,
8 Derao ny Fanahy manamasina antsika,
Manentana antsika hihoby ny Tompo.
Fiv: Andeha isika hitsaoka an’Andriamanitra,
Satria nanao antsika ny Tompo Andriamanitra.
ANTSA (II.)
Mba hanako ao am-poko, ao am-ponao, ao am-pontsika tsirairay avy ve
ny Tenin’ny Ray?
Fiv: Injay nisy feo avy any an-danitra niantso nanao hoe:
"Ity no Zanako malala ankasitrahako indrindra". (Mt 3,17)
1 Hoy i Jesoa tamin’ny Rainy:
"Ray ô, indro ny ora
Hanehoanao ilay voninahitra
Teo amiko hatrizay!"
Fiv: Injay nisy feo avy any an-danitra niantso nanao hoe:
"Ity no Zanako malala ankasitrahako indrindra".
2 Hilaozako ianareo.
Tsy ho kamboty anefa:
Homeko Mpisolovava
D’ilay Fanahin’ny Ray.
Fiv: Injay nisy feo avy any an-danitra niantso nanao hoe:
"Ity no Zanako malala ankasitrahako indrindra".
3 ‘Lay Fanahy Fahazavana
Hitantana anareo
Amin’ny lalan-drehetra
Hahatafita anareo.
Fiv: Injay nisy feo avy any an-danitra niantso nanao hoe:
"Ity no Zanako malala ankasitrahako indrindra".
4 Hoy i Jesoa hoe: "Izay tia ahy
Hihaino izay nolazaiko
Dia ho malalan’ny Raiko
Ka honina ao izahay."
Fiv: Injay nisy feo avy any an-danitra niantso nanao hoe:
"Ity no Zanako malala ankasitrahako indrindra".
SALAMO (III.) 36 (35)
Soa lavo hahay hamindra, fa mandry ivohon’ny vato ny miankina amin’ny Tompo.
Sas: Izay manatona Ahy, tsy mba ho faty,
izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. (Jn 11,26 sy 6,35)
Andininy:
1 Heloka no baikon’ny olon-dratsy ao am-pony
Tsy misy tahotra eo imasony!
2 Mandoka tena anakampo izy;
ataony fady ny miaiky hadisoana.
3 Ny tenin’ny vavany: heloka sy fitaka;
izay fahalalana na fanaovan-tsoa: nofy azy!
4 Heloka no saintsaininy
hatreo am-pandriana!
5 Ny fanao tsy mety no ifikirany;
tsy mba dison’ny manao ratsy izy!
6 Tompo ô hatrany an-danitra ny hatsaram-ponao;
mahatakatra ny rahona ny fahamarinanao!
7 Toa vohitra mideza ny fitiavanao ny rariny;
hantsam-be ny fitsaranao.
8 Vonjenao, ry Tompo na olona na biby!
Saro-bidy toy inona ny hatsaram-ponao!
9 Ny zanak’olombelona, ry Andriamanitra ô!
mialoka ambany elatrao,
10 mivoky amin’ny menaky ny tranonao
hetsaky ny hafinaretana mandriaka!
11 Fa ao aminao no loharanon’ny fiainana;
ny hazavanao no hahitanay hazavana.
12 Mbola anehoy hatsaram-po izay mahalala Anao;
ny fahamarinana, izay mahitsy fo!
13 Tsy hanosy ahy anie ny tongotry ny mpiavonavona,
na hanosika ahy ny tanan’ny ratsy fanahy!
14 Indreo ny mpanao ratsy fa midaboka:
naronjina ka lavo an-kavia!
Sas: Izay manatona Ahy, tsy mba ho faty,
izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.
TONONKIRA (IV.) Jodita 16,13-17
Mino izahay. ry Tompo, nefa mba vonjenao ny tsy finoanay.
Sas: Efako ny zavatra rehetra miaraka amin’Ilay
mankahery ahy! (Fil 4,13)
Andininy:
1 Hihira hira vao ho an’ilay Andriamanitra aho!
Tompo ô, lehibe sy be voninahitra Ianao.
2 Manan-kery mahagaga:
ary tsy misy mihoatra Anao!
3 Ny voaarinao tontolo anie hanompo Anao
fa niteny Ianao, dia nisy ireny;
4 nalefanao ny Fanahinao, dia voaorina ireny.
ary tsy misy mahatohitra ny feonao!
5 Na hihovotra aza ny rano, ny vohitra amam-panorenany,
na hiempo toa savoka anoloanao aza ny vatolampy,
6 Ianao antra fo lalandava
amin’izay matahotra Anao!
7 Tsinontsinona aminao ny sorona sy ny fofony manitra,
tsy mahafa-po Anao ny tavin-kena izay dorana:
8 fa lehibe lalandava amin’ny Tompo kosa
ny olona izay matahotra Azy!
9 Lozan’ny firenena mampahory ny vahoakako;
ny Tompo mahery hanasazy azy amin’ny andro fitsarana
10 hanisy afo sy kankana ny nofony,
ka hijaly, hitomany izy mandrakizay!
Sas: Efako ny zavatra rehetra miaraka amin’Ilay
mankahery ahy!
SALAMO (V.) 47 (46)
Mifalia! Antsao! fa manjaka i Kristy, ary tsy aiza akory fa eo anivon’ny Fiangonany.
Sas: Nasandratra ho eo ankavanan’ny Ray ny Zanak’Andriamanitra;
mihoby ny voninahiny ny tany manontolo.
Andininy:
1 Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana
Miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana.
2 Fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.
3 Vahoaka maro, ataony ambaninay;
fokom-pirenena, ambany tongotray!
4 Izahay nofidiny ho lovany
i Jakôba olon-tiany, ho reharehany.
5 Andriamanitra miakatra, arahina hoby
ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara.
6 Antsao Andriamanitra! Antsao!
Antsao ny Mpanjakantsika! Antsao!
7 Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Andriamanitra:
koa antsao amim-pirindrana!
8 Andriamanitra manjaka amin’ireo firenena
Andriamanitra mitoetra am-piketrahany masina
9 Andriam-bahoaka maro no mikambana
amin’ny vahoakan’ny Andriamanitr’i Abrahama
10 fa Andriamanitra, Andriambaventin’ny tany,
indro voasandratra ambony dia ambony!
Sas: Nasandratra ho eo ankavanan’ny Ray ny Zanak’Andriamanitra;
mihoby ny voninahiny ny tany manontolo.
TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.) Tob4, 16-17.19-20
Mitandrema tsara mba tsy hanao amin’ny hafa izay tsy mahafaly anao raha atao
aminao. Iaraho homana amin’ny noana sy ny mahantra ny haninao, ary ampitafio
amin’izay fitafianao ny tsy mitafy. Mila hevitra mandrakariva amin’ny olon-kendry. Misaora an’Andriamanitra amin’ny andro rehetra: mangataha azy hitari-dalana anao,
hanambina anao amin’izay kasainao hatao rehetra.
VALINKIRA (VII.) Sal 102(101),2
Fiv: Tompo ô, henoy vavaka aho!
1 Aoka ho tonga any aminao ny tarainako.
Fiv: Tompo ô, henoy vavaka aho!
2 Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka,
Voninahitra anie ho an’ny Fanahy Masina.
Fiv: Tompo ô, henoy vavaka aho!
TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)
Isan’andro vaky no anovozantsika ny hafaliana nomen’i Kristy tamin’ny Paka.
Sas: Ity ilay andro nataon’ny Tompo, andro natao
mba hifaliana sy hiravoana, andro nataon’ny Tompo. (Salamo 117,24)
Andininy:
1 Deraina isaorana Izy Tompo
Ny Tompo Andriamanitr’Israely
Fa Izy efa tonga namangy antsika
Nanavotra antsika amy fahavalo.
2 Nanolotra antsika herim-pamonjena
Avy amin’ny fianakaviana iray
Dia ny an’i Davida mpanompo tiany
F’izany tokoa no efa nolazainy.
3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany
Dia ireo olomasiny fahagola:
Ny vonjiny hanala amy fahavalo
Hanafaka antsika amy mpankahala.
4 Noho izy nandala ny Razantsika,
Dia indro tsaroany ny Fanekeny
Fa teny nomeny an’i Abrahama
Ny hanafaka antsika amy fahavalo.
5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy
Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy
Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky
Ho eo anatrehany lalandava.
6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:
Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra",
Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao
Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.
7 Ianao hanambara ny famonjena
Dia ny famelana ny hadisoana
Satria Andriamanitra fo miantra
Mandefa masoandro hamangiany antsika.
8 Fanilo hanazava reo mitakiky
Anatin’ny haizina mahafaty.
Fanilo hanazava ny diantsika
Am’lalam-piadanana lavorary.
9 Isaory ny Ray nanome antsika
Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!
Hobio ny Fanahy niantsoana antsika
Ho sambatra hibanjina ny mazava.
Sas: Ity ilay andro nataon’ny Tompo, andro natao
mba hifaliana sy hiravoana, andro nataon’ny Tompo.
RANOMBAVAKA (IX.)
Mazàna isika no matoky tena toy ny antsy kely be zarany. Saingy mahatsapa
ny vokatr’izany ankehitriny, ka mitodika amin’ny Tompo amin’ny fo feno fitokiana,
manao Aminy hoe :
Fiv: Arovy izahay fa zanakao, ry Tompo.
1 Atokanay hiderana an’i Kristy nitsangan-ko velona izao andro manomboka izao,
ka hahafaly Anao anie ny asanay anio.
Fiv: Arovy izahay fa zanakao, ry Tompo.
2 Ataovy fantatray fa endrika isehoanao aminay ny olombelona indrindra ny
madinika sy ny malahelo.
Fiv: Arovy izahay fa zanakao, ry Tompo.
3 Sakano ny vavanay tsy hanao teny tsy mendrika fa mba hazoto hidera Anao.
Fiv: Arovy izahay fa zanakao, ry Tompo.
4 Aza avela hamaly ratsy ny ratsy izahay fa ataovy tsara fihavanana amin’ny
olona rehetra.
Fiv: Arovy izahay fa zanakao, ry Tompo.
5 Fangatahana hafa:
Fiv: Arovy izahay fa zanakao, ry Tompo.
Rainay any an-danitra ...
Ray ô, sarotra aminay olombelona ny mamela ny asanay mba hitodihana
Aminao hibanjinana Anao irery hany Andriamanitra marina, satria tsy
hitan’ny masonay Ianao. Koa mba omeo anay ny Fanahinao hisantaranay
ny hamamian’ny Fitiavanao. Izany sy izany no angatahina amin’ny alalan’i
J. K. Z. T.
TSODRANO (X.) Apok 1,8
Mpitsodrano:
Enga anie Andriamanitra Andriananahary
Ilay efa nisy hatramin’izay,
Ilay misy ankehitriny, ary mbola ho avy rahatrizay,
hitsimbina antsika mba ho masina
ary hitondra antsika any amin’ny fiainana mandrakizay.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!