Alarobia I Vavaka Hariva

ANTSA (I.)

Iray ihany Andriamanitra Raintsika iombonana, nefa mbola zarazarain’ny tokantrano

mahalana noho ny Fiangonana maro samy hafa. Koa iangavianfsika ny Fanahy Masina

mba hamerina amin’ny laoniny ny firaisan’ny mpino.

Fiv: Tompo iray, finoana iray, batemy iray,

Andriamanitra tokana Rain’izy rehetra. (Ef 4,5-6)

1 Andriamanitra Ray sy ny Zanany tokana iray ihany

Izany no manentana antsika miantsa ny hoe:

Fiv: Tompo iray, finoana iray, batemy iray,

Andriamanitra tokana Rain’izy rehetra.

2 Andriamanitra Ray sy ny Fanahy Masina tokana ihany

‘Zany no manentana antsika miantsa ny hoe: (Jn 14,17)

Fiv: Tompo iray, finoana iray, batemy iray,

Andriamanitra tokana Rain’izy rehetra.

3 E tsy misy mpanompo tsy misy tompoina fa tokana ihany,

Tena iray amin’i Jesoa Kristy Filoha. (Gal 3.28)

Fiv: Tompo iray, finoana iray, batemy iray,

Andriamanitra tokana Rain’izy rehetra.

4 Fihavanana ‘zay manakambana anay amin’ny Fanahinao

‘Zany no mba toe-tsaina mendrika hanananay. (Ef 4,37)

Fiv: Tompo iray, finoana iray, batemy iray,

Andriamanitra tokana Rain’izy rehetra.

5 Fa voaantso hiaina ny fitiavanao e ‘zahay zanakao

Ka ny antsa aman’hoby no ventesinay. (Jn 15,12)

Fiv: Tompo iray, finoana iray, batemy iray,

Andriamanitra tokana Rain’izy rehetra.

SALAMO (II.) 27(26),1-6

Tompo ô, ny eto an-tany vody fahitra iorenan’ny soa sy ny ratsy.

Koa ampio izahay tsy hitsanga-menatra hijoro ho vavolombelonao na aiza na aiza.

Sas: I Kristy no vato fehizoro; tsy hangaihay izay mino Azy. (1 Piera 2,6)

Andininy:

1 Ny Tompo no fanilo sy vonjiko:

iza no hatahorako?

Ny Tompo no mandan’ny aiko:

zovy no hangovitako?

Raha mirohotra avy any ny mpisompatra

mba handrapaka ny nofoko,

2 dia ireo rafilahy sy fahavaloko;

izy no hivena sy hiankarapoka!

Raha tafika no mitoby hiady amiko

tsy miraika ny foko;

raha andiany no miantoraka hamely,

matoky hatrany aho.

3 Fangatahana tsy mahasasatra ahy,

sy tozoiko indrindra, ry Tompo:

dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo

amin’ny andro rehetra iainako:

mba hankafý ny hatsaran’ny Tompo

sy hibanjina ny toerany masina!

4 Amin’ny andro fahoriana aho

afeniny ao amin’ny efitra fialofany;

takonany ao am-pierena ao an-dainy,

asandrany ambony vatolampy.

Indro ny lohako efa asandrany

ambonin’ny fahavalo manodidina ahy.

5 Koa manolotra sorom-pihobiana ato an-dainy aho,

mihira sy miantsa ny Tompo.

Sas: I Kristy no vato fehizoro; tsy hangaihay izay mino Azy.

SALAMO (III.) 27(26),7-14

Toa tsy mijery ny Tompo indraindray! Sanatria! Fitsapana ihany ny Azy.

Fa ny zaza tiana rsy hitsitsiana rotsa-kazo.

Sas: Mankanesa any amin’ny Tompo ianareo

izay mitondra fahoriana sy mavesatra entana. (Mtk 11,28)

na: Mangataha dia homena; mandondona, dia vohaina. (Mt 7,7)

Andininy:

1 Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso!

Iantrao aho ka valio!

2 Tadiavo ny Tavany! hoy ny foko mantsy Anao,

Eny, ry Tompo, tadiaviko ny Tavanao!

3 Aza afenina ahy ny Tavanao!

Aza roahina amin-katezerana ny mpanomponao!

4 Ry ilay Mpitahiry ô, aza manary,

Ry Andriamanitra Mpamonjy ô, aza mahafoy!

5 Idada sy Ineny no nahafoy;

ny Tompo kosa nandray!

6 Asehoy ahy, ry Tompo, ny lalanao

lala-marina itarihana ahy noho ireo mpialona!

7 Aza afoy hanaranan’ny rafiko aho:

fa indreo mitsangan-kamely

8 vavolombelona mpitomboka

mirehidrehitra raha hiampanga!

9 Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo

any amin’ny tanin’ny velona!

10 Mahandrasa ny Tompo, marisiha!

Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!

Sas: Mankanesa any amin’ny Tompo ianareo

izay mitondra fahoriana sy mavesatra entana.

na: Mangataha dia homena; mandondona, dia vohaina.

TONONKIRA (IV.) Kol 1,12-20

Mandeha an-jambany ve izao tontolo izao?

sa misy mandrindra sy mandamina ary mampivondrona azy?

Sas: Hoderaina mandrakizay e Ianao, ry Jesoa Mpamonjy,

fa Ianao e no Lahimatoa dia Lahimatoa amin’ny maty rehetra!

Andininy:

1 Andeha isika nisaotra ny Ray ‘zay nanangana antsika

Ho sambatra toy ny olomasina hahita ny mazava.

2 Nalany amy fanandevozan’ny maizina isika

Nafindrany kosa hanjakan’ilay Zanany tiany.

3 Ny Zanany izay nahamendrika antsika ho voavonjy

Ny Zanany izay naha-afaka antsika amin’ny ota,

4 Dia Zanaka endrik’Ilay Andriamanitra tsy hita

Kanefa dia Lahimatoa amy zava-boaary.

5 Fa taminy manko no hary ny zava-drehetra

Ny tany sy lanitra omban’izay hita sy ts’hita.

6 Fa Izy no Teny nampisy ny zava-drehetra

Ho Azy matoa nohariana ny zava-drehetra.

7 Fa Izy tokoa no talohan’ny zava-drehetra

Ka mbola mitahy aharetan’ny zava-drehetra

8 Ny loha amy vatana anefa dia mbola Izy koa

‘Lay Vatana masina iraisan’ny mpino rehetra

9 Nitsangan-ko velona ho santatr’ireo nodimandry

Fa Izy no tena filoha amy zava-drehetra

10 Satria sitrak’Izy Andriamanitra Rainy tokoa

Ho Aminy no ipetrahan’ny hasina feno

11 Dia sitrany koa ny nampody ny zava-drehetra

Hankaminy, nony tarihin’ny Zanany tiany

12 Ka indro ny Rà ‘zay nalatsany teo amy ny Hazo

Nomeny hampihavana tany sy lanitra vao.

Sas: Hoderaina mandrakizay e Ianao, ry Jesoa Mpamonjy,

fa Ianao e no Lahimatoa dia Lahimatoa amin’ny maty rehetra!

TENIN’ANDRIAMANITRA (II.) Jak 1,22-25

Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana, fa miezaha ho mpanatanteraka ny Teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny. Satria izay mihaino ny Teny nefa tsy manatanteraka azy, dia toy ny olona mijery ny tarehiny ao amin’ny fitaratra vantany vao hitany ny tenany dia lasa izy, ka hadinony miaraka amin’izay ny tarehiny. Fa izay mandinika ny lalana lavorary kosa, dia ny lalan’ny fahafahana, ka tsy mba mpihaino manadino fotsiny, fa mpanatanteraka sy maharitra tokoa, dia ho sambatra amin’ny fanaovany an’izany.

VALINKIRA (VI.) Sal 119(118),89-90

Fiv: Mandrakizay ny teninao, ry Tompo,

Eny mateza tahaka ny lanitra.

1 Amin’ny taona rehetra mifandimby ny fahamarinanao.

Fiv: Mandrakizay ny teninao, ry Tompo,

Eny mateza tahaka ny lanitra.

2 Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.

Fiv: Mandrakizay ny teninao, ry Tompo,

Eny mateza tahaka ny lanitra.

 

TONONKIRAN’I MARIA (VII.)

Sas: Manetry ny mpanapaka sy manandratra ny tsinontsinona

ny Tompo Andriamanitray.

Andininy:

1 Ny foko midera ny Tompontsika

Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra

Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy

‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.

2 Fa indro manomboka ankehitriny

Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra" aho.

Nahavita be tamiko ilay Mahefa

Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany".

3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony

Am’ny olon-drehetra matahotra Azy,

‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry

Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.

4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,

Kanefa manadratra ireo ambany;

Manototra soa an’ireo noana

Fa mampody maina an’ireo mpanana.

5 Mpanarina an’Israely olony

Satria mahatsiaro ny indrafony

Nampanantenainy ny Razantsika

Ho an’i Abrahama sy izay taranany.

6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao,

Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,

Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika

Ho mandrakizay alaovalo!

Sas: Manetry ny mpanapaka sy manandratra ny tsinontsinona

ny Tompo Andriamanitray.

 

RANOMBAVAKA (IX.)

Ny fitiavana no fanomezana faratampony, hoy i Paoly Apostoly, sady mahafeno

ny fanomezana hafa rehetra; koa dia izany fitiavana izany indrindra no ‘ndeha

hangatahintsika.

Fiv: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo!

1 Tompo ô, tsarovy ny Eglizinao, sakano tsy ho voan’ny ratsy ary ampitomboy

fitiavana Anao.

Fiv: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo!

2 Hoeken’ny firenena rehetra anie fa Ianao no tena Andriamanitra ary i Jesoa Kristy

no Mpamonjy nirahinao.

Fiv: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo!

3 Fenoy soa avy aminao ireo havanay; omeo ny tsodranonao, dia omeo ny

fiainana mandrakizay.

Fiv: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo!

4 Tsimbino ireo reraka miasa mafy, hamaivano ny fijaliany ary ataovy voahaja

ny zo aman-kasiny.

Fiv: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo!

5 Mpamindra fo Ianao, ka ampiantranoy any amin’ny fanjakanao ireo rehetra

maty androany.

Fiv: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo!

6 Fangatahana hafa

Fiv: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo!

Rainay any an-danitra ...

Mitoera eto aminay, ry Tompo, fa hariva ny andro ary efa mandrorona.

Afanao ety an-dalana ny fonay mba hahalalanay Anao ao amin’ny Soratra Masina

sy eo am-pizarana ny Mofo. Amin’ny alalan’i J. K. Z. T.

TSODRANO (IX.) [ohatra]

Mpitsodrano:

Ny Ray Tompon’ny Fanjakana,

ny Zanaka izay nirahiny hampanjaka ny fitiavana sy ny fahamarinana,

ary ny Fanahy mampivoatra ny fon’ny olona anie

hampivondrona antsika amin’ny Fanjakany.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0195