Alakamisy I Vavaka Maraina

Miaraka sy mihavana amintsika mandrakariva i Kristy.

FANAINGANA (I.) Sal na 100(99) na 67(66) na 95(94) na 24(23) [voafidy]

Hoy i Kristy: "na firy na firy, mivory amin’ny Anarako, dia eo afovoan’izy ireo aho”.

Fiv: Tongava, tongava anoloan’ny Tompo amin-karavoana

1 Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa

Dia izao rehetra izao ary izay monina ao.

2 Naoriny ambonin’ny rano izy ireny,

Napetrany tsara eo ambonin’ny ony;

Fiv: Tongava, tongava anoloan’ny Tompo amin-karavoana

3 Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo;

Hanorim-ponenana an-toerany masina?

4 Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,

‘izay tsy mianiana tsy to amin’ny hafa;

Fiv: Tongava, tongava anoloan’ny Tompo amin-karavoana

5 Dia Izy no hany hotsofina rano,

Ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy.

6 Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha

Ny endrik’ilay Andriamanitra Tompo.

Fiv: Tongava, tongava anoloan’ny Tompo amin-karavoana

7 ‘Nareo vavahady, atrakao ny tatao,

‘Nareo varavarana re, misondrota!

8 Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!

Fa iza ary moa no Mpanjaka malaza?

Fiv: Tongava, tongava anoloan’ny Tompo amin-karavoana

9 Ny Tompo mahery ny Tompo tsitoha,

Ny Tompon’ny tafika mahery an’ady!

10 ‘Nareo vavahady: atrakao ny tatao,

‘Nareo varavarana re, misondrota:

Fiv: Tongava, tongava anoloan’ny Tompo amin-karavoana

11 Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!

Fa iza tokoa no Mpanjaka malaza?

12 Ny Tompon’ny tafika mahery an’ady,

Ny Tompo no hany Mpanjaka malaza?

Fiv: Tongava, tongava anoloan’ny Tompo amin-karavoana

13 Andeha ary hiara-midera ny Tompo!

Ny Ray: hanome voninahitra antsika;

14 Ny Zanaka: santatra, niantsoana antsika;

Fanahiny: nanamarinana antsika!

Fiv: Tongava, tongava anoloan’ny Tompo amin-karavoana

ANTSA (II.)

Isika foana no te-hamoy fo sy ho be siasia, fa ny Tompo rsy mivadika

na oviana na oviana amin’ny fanekeny.

1 Ianao ilay nanokana vahoaka

Sy nanolotra ny Tananao taminy

Moa tsy najoronao izy va

Ho hazavan’ny firenena eto an-tany?

Fiv: Mba tsarovy hatrany, Tompo ô, ny Rà, fanekena vaovao!

2 Notsahivinao sy nianiananao

Io fanekena io hatrany hatrany

Ireo biby notsitsihin’i Abrahama

Nodoran’ny afonao mba ho fanamby.

Fiv: Mba tsarovy hatrany, Tompo ô, ny Rà, fanekena vaovao!

3 Manadino ny naterany va re

‘Zany reny tsy hangoraka ny zanany?

Eny, na dia manadino aza izy

Ianao, Tompo ô, tsy manadino!

Fiv: Mba tsarovy hatrany, Tompo ô, ny Rà, fanekena vaovao!

4 Hotsaroanao ny Ràn’ny Zanakao

‘Zay natolotra hanafaka ny ota

F’izahay vahoakanao navotan-dafo

Miantsoantso sy maniry Anao, ry Ray.

Fiv: Mba tsarovy hatrany, Tompo ô, ny Rà, fanekena vaovao!

5 Ary sarin’io fanekena io

Mampiray Anao amin’ny vahoakanao:

Ny fitiavana mamehy ny mpivady

Eo ambany masonay lalandava.

Fiv: Mba tsarovy hatrany, Tompo ô, ny Rà, fanekena vaovao!

SALAMO (III.) 57(56)

Lazao ny Ray ny fiainanao, fa raha mpifankatia tsy miresaka,

very ny androatokom-pihavanana.

Sas: Fantatry ny Ray izay ilainareo

fa tia anareo ny Ray. (Mt 6,32; Jn 16,27)

Andininy:

1 Iantrao aho, ry Andriamanitra, iantrao!

Ianao no ifefen’ny fanahiko!

2 ny aloky ny elatrao no ifefeko

mandra-pifidin’ny loza!

3 Izaho miantso an’Andriamanitra Avo Indrindra

Ilay Mpamaly ny ratsy atao ahy.

4 Izy maniraka avy any an-danitra,

ka mamonjy ahy amin’ny tanan’ny mpanosy!

5 Izaho mandry afovoan-diona,

mpandripaka ny zanak’olombelona:

6 ny nifiny, lefona aman-jana-tsipîka

ny lelany, sabatra voaranitra!

7 Misandrata, ry Andriamanitra, any ambonin’ny lanitra!

Eran’ny tany tontolo ny voninahitrao!

8 Amelarany harato ny diako

ihadiany longoa eo anoloako!

9 Mitombina ny foko, ry Andriamanitra:

ka mihira sy miantso aho!

10 Foha, ry aiko, foha, ry jejy sy valiha!

Izaho mifoha maraina koa;

11 fa hidera Anao vory vahoaka, ry Tompo!

hiantsa Anao anivom-pirenena!

12 Fa lehibe hatrany an-danitra ny hatsaram-ponao.

Mahatakatra ny rahona ny fahamarinanao!

13 Misandrata, ry Andriamanitra, any ambonin’ny lanitra!

Eran’ny tany tontolo ny voninahitrao!

Sas: Fantatry ny Ray izay ilainareo

fa tia anareo ny Ray.

TONONKIRA (IV.) Jer 31,10-14

I Kristy no vovonana iadian’ny lohany, hiraisan’ireo rehetra mino Azy.

Nefa indrisy, he ireto fitsitokotokoantsika!

Sas: Hitondra azy ilay Zanak’ondry ka hitarika azy an- doharano velona.

Dia ho andian’ondry tokana ihany sy ho mpiandry tokana. (Jn 10,16; Apok 7,17)

Andininy:

1 Henoy, ry firenena, ny tenin’ny Tompo:

ampandreneso ny nosy any lavitra!

2 Ilay nampiely an’Israely dia hanangona,

ary ho toy ny mpiandry miambina ny ondriny.

3 Eny, ny Tompo hanafaka an’i Jakôba,

sy hanavotra azy amin’ny tanan’ny mahery noho izy:

4 ka ho avy amina hobin-kafaliana izy ireo:

eny amin’ny havoan’i Siôna,

5 hankafý ny zava-tsoan’ny Tompo: ny vary sy ny divay,

diloilo, zanak’omby aman’ondry!

6 Ny fanahiny ho toy ny saha vonton-drano;

izy ireo tsy harisarisa intsony.

7 Amin’izay ny tovovavy dia hifaly amin-dihy;

ny tovolahy, ny zokiolona koa dia hitavana.

8 Ny fisaonany hampodiko ho haravoana;

hafaliana no hatambiko ny fahoriany!

9 Ny fanahin’ny mpisorony hovokisako zavematavy;

ny oloko hetsahiko amin’ny zava-tsoako!

Sas: Hitondra azy ilay Zanak’ondry ka hitarika azy an- doharano velona.

Dia ho andian’ondry tokana ihany sy ho mpiandry tokana.

SALAMO (V.) 48(47)

Hazo avo ny Fiangonan’i Kristy. tsara firobona ka halan-javatra. Kanefa Vatolampy

ampy handihizam-baratra Izy, ka uy hihontsona na oviana na oviana.

Sas: Vatolampy no nanorenan’i Kristy ny Fiangonany

ka tsy hahery noho izy ny Fanjakan’ny Fahafatesana. (Mt 16.18)

1 Ny Tompo lehibe sy mendridera indrindra

Ao amin’ny tanànan’Andriamanitsika.

2 Ny vohiny masina, tsara fideza

fifalian’ny tany tontolo.

3 Ny vohitra Siôna, any am-parany avaratra,

tanànan’ny mpanjaka lehibe.

4 Andriamanitra amin’ireo tilikambony

mitomban-ko fiarovana avo.

5 Nefa indreny mpanjaka mivorivory

dia miara-mandroso.

6 Kanjo he: mahatazana ka talanjona,

mangorohoro dia riatra mandositra!

7 Nihovotrovotra foana teo,

nihararetra toa mpivelona;

8 toa azon-drivotra atsinanana

irony mahapotika sambon-dranomasina!

9 Araka ny henonay no mbola hitanay

ao an-tanànan’ny Tompon’ny Tafika,

10 ao an-tanànan’ny Andriamanitray!

Andriamanitra anie hampijoro azy mandrakizay!

11 Izahay, ry Andriamanitra, mametso ny hatsaram-ponao

ao anivon’ny Tempolinao.

12 Ny voninahitrao dia toy ny lanitrao

mitatao ny tany tontolo!

13 Ny tananao feno fahamarinana

ary noho ny fitsaranao,

14 mifaly ny vohitra Siôna,

mibitaka ny zanakavavin’i Jodà!

15 Hodidinonareo i Siôna; isangodino!

isao ny tilikambony;

16 banjino tsara ny mandany

diniho fatratra ny lapany:

17 mba hahazoanareo mitantara

amin’ny taranaka any aoriana

18 fa Andriamanitra Andriamanitsika

no mitantana antsika mandrakizay!

Sas: Vatolampy no nanorenan’i Kristy ny Fiangonany

ka tsy hahery noho izy ny Fanjakan’ny Fahafatesana.

TENIN’ANDRIAMANITRA (VII.) Izaia 66,1-2

Izao no lazain’ny Tompo: Ny lanitra no seza fiandrianako ary ny tany no

fitoeran-tongotro. Ka trano inona no hataonareo ho ahy? ary fitoerana manao

ahoana no ho fitsaharako? Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa; ka izany

no nahatonga azy ho misy - teny marin’ny Tompo. - Izao no olona tsinjoviko,

dia izay manetry tena sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.

VALINKIRA (VII.) (Sal 25,11-12)

Fiv: Avoty aho, ry Tompo ô, iantrao. (indroa)

1 Mizotra amy lala-mahitsy,

Amy lala-mahitsy ny tongotro.

Fiv: Avoty aho, ry Tompo ô, iantrao. (indroa)

2 Voninahitra anie ho an’ny Ray,

Ho an’ny Zanaka sy ny Fanahy.

Fiv: Avoty aho, ry Tompo ô, iantrao. (indroa)

TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)

Mino an ‘i Kristy isika? - Tanisao kely ange ireo haren-tsarobidy natobany amintsika ê!

Sas: Ny masoko nahita ny famonjena avy aminao,

ry Andriamanitro! (Lk 2.30)

Andininy:

1 Deraina isaorana Izy Tompo

Ny Tompo Andriamanitr’Israely

Fa Izy efa tonga namangy antsika

Nanavotra antsika amy fahavalo.

2 Nanolotra antsika herim-pamonjena

Avy amin’ny fianakaviana iray

Dia ny an’i Davida mpanompo tiany

F’izany tokoa no efa nolazainy.

3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany

Dia ireo olomasiny fahagola:

Ny vonjiny hanala amy fahavalo

Hanafaka antsika amy mpankahala.

4 Noho izy nandala ny Razantsika,

Dia indro tsaroany ny Fanekeny

Fa teny nomeny an’i Abrahama

Ny hanafaka antsika amy fahavalo.

5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy

Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy

Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky

Ho eo anatrehany lalandava.

6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:

Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra",

Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao

Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.

7 Ianao hanambara ny famonjena

Dia ny famelana ny hadisoana

Satria Andriamanitra fo miantra

Mandefa masoandro hamangiany antsika.

8 Fanilo hanazava reo mitakiky

Anatin’ny haizina mahafaty.

Fanilo hanazava ny diantsika

Am’lalam-piadanana lavorary.

9 Isaory ny Ray nanome antsika

Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!

Hobio ny Fanahy niantsoana antsika

Ho sambatra hibanjina ny mazava.

Sas: Ny masoko nahita ny famonjena avy aminao, ry Andriamanitro!

RANOMBAVAKA (IX.)

Misakana antsika tsy hahita ny marina, ary tsy hanatanteraka azy matetika, ny

fitiavan-tenantsika; koa ‘ndeha isika hangataka amin’Andriamanitra Ray mba

hanafaka antsika amin’izany aretim-panahy izany, manao hoe:

Fiv: Arotsahy aminay ny fahazavanao sy ny fahamarinanao.

1 Be indrafo Ianao, ry Andriamanitra nahary anay sy nanavotra anay tao amin’ny

Zanakao; koa tantano ny fanirianay sy ny asanay anio.

Fiv: Arotsahy aminay ny fahazavanao sy ny fahamarinanao.

2 Ataovy mandefitra amin’ny olona rehetra izahay, fa efa nandeferanao sy

namindranao fo.

Fiv: Arotsahy aminay ny fahazavanao sy ny fahamarinanao.

3 Hamirapiratra aminay anie ny fahazavanao anio tontolo hanilo ny lalana

hitondranay ny fiainanay.

Fiv: Arotsahy aminay ny fahazavanao sy ny fahamarinanao.

4 Ny fiadananao anie hiaro ny fonay sy ny sainay hifantohany amin’ny marina

sy hikatsahany ny hitsiny.

Fiv: Arotsahy aminay ny fahazavanao sy ny fahamarinanao.

5 Fangatahana hafa

Fiv: Arotsahy aminay ny fahazavanao sy ny fahamarinanao.

Rainay any andanitra ...

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, fahazavana

fototry ny fahazavana rehetra Ianao ary andro tsy manam-pahataperana;

koa dieny izao maraina izao, mivavaka Aminao izahay enga anie hampamiratra

ny fonay ny hazavanao manodidina anay dia hisava ny haizina vokatry ny

fahotana. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay...

TSODRANO (X.) [ohatra]

Mpitsodrano:

Ilay nahary ny ranomasina noho ny sitrapony ihany,

Ilay nampitony ny rivo-doza tamin’ny Teniny tokana,

ary Ilay rivotra mitsoka malefaka anie

hampitody antsika any amin’ilay Seranana.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0335