Alakamisy I Vavaka Hariva

ANTSA (I.)

Na Tompo aza i Kristy, dia nanasa ny tongotry ny mpianany satria izay tia mahefa.

Fiv: Izay anjakan’ny fitiavana, anjakan’Andriamanitra.

1 Ny fitiavana an’i Kristy no manambatra antsika ho iray:

Aoka ary hientan-karavoana hifaly ao aminy.

2 Hajao sy tiavo ‘lay Andriamanitra velona

Ny fifankatiavana enga anie hanjaka tokoa

3 Satria ‘fa mitambatra sy mivondrona ho ‘ray isika

Tandremo sao very indray ‘zao firaisampontsika ‘zao

4 Ny ady, ny fifandirana, aoka re atsaharo

Kristy Andriamanitra enga anie hanjaka amintsika.

5 Enga anie izahay rehetra mba hiaraka hahita Anao

Toy ny olompinidinao re, ry Tompo Andriamanitra.

6 Dia hiara-ko sambatra ao amin’ny Fanahy Masina

Atambatr’ilay fatoram’piadanana antenainay.

7 Haravoana tsy hita lany tsy hisy hanala aminay

No lova miandry anay h’o an’ny taona mandrakizay.

SALAMO (II.) 30(29)

Ny ranomaso mody tsiky raha i Kristy no miaraka amintsika;

ny fijaliana aza famonjena, zary rano mody aina.

Sas: Mientan-kafaliana aho eo anivon’ny fahorian-drehetra,

noho i Kristy. (2 Kor 7.4)

Andininy:

1 Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy:

Tsy navelanao hifalian’ny fahavaloko aho.

2 Ry Tompo Andriamanitra ô,

niantso Anao aho, ka nositraninao!

3 Ny fanahiko, ry Tompo ô,

nankarinao avy any an-tSeoly

4 novelominao aho

izay efa nitsitra tany an-davaka.

5 Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka!

Isaory ny anarany masina.

6 Mihelina foana ny havinirany,

maharitra kosa ny fanambinany.

7 Izaho: hariva, mialin-tomany;

maraina, velon-kalo!

8 Hoy ny teniko raha mbola niadana:

Tsy hihontsona mandrakizay aho!

9 Satria mantsy nambinin’ny Tompo

sy nataony toy ny vohitra mafy.

10 Kanjo, nanafenanao Tava:

ka indro nirepirepy!

11 Dia mbola Ianao, ry Tompo, no nantsoiko,

ny Tompo no nihantako.

12 Soa inona no avy amin’ny ràko

sy ny idinako any an-davaka?

13 Ny vovoka moa midera Anao

na manambara ny fahamarinanao!

14 Mandrenesa, ry Tompo, iantrao aho!

Tompo ô, tahio aho!

15 Dia navadikao ho dihy ny toreoko,

natosakao ny lasakako:

16 hafaliana no nasikinao ahy,

mba tsy hangina ny foko fa hiantsa Anao!

17 Ry Tompo Andriamanitra ô,

mandrakizay no isaorako Anao!

Sas: Mientan-kafaliana aho eo anivon’ny

fahorian-drehetra, noho i Kristy.

SALAMO (III.) 32(31)

Tsy misy mahira kilema momba ny tena. fa ny heloka ibabohana mody rariny.

Sas: Izaho koa tsy manameloka anao, mandehana,

aza manota intsony amin’ny ho avy. (Jn 8,11)

Andininy:

1 Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota,

Eny, sambatra ny olona

tsy itanan’ny Tompo hadisoana

sy tsy misy fitaka eo ambava.

2 Raha mangina aho, tankina ny heriko

noho ny sondrotr’aina sesitany.

fa notsindrian’ny Tananao andro aman’alina,

ka toy ny main’ny hainandro fahavaratra.

3 Koa nitsorako taminao ny otako

tsy nafeniko Anao ny hadisoako.

Miaiky heloka aho, Tompo! hoy aho,

dia nesorinao ny hadisoana sy ny ota.

4 Koa am in’ny andro fahoriana,

ny mpivavaka rehetra hidera Anao;

raha ho tondraka ny ranobe,

izy tsy mba ho trany.

5 Ianao no fiereko miaro amin’ny loza

izaho hodidininao hiram-pahafahana.

Ao ianao hanariko, hotoroako ny lalan-kaleha,

hotolorako saina, harahiko maso,

6 Aza manahaka ny soavaly sy mole tsy aman-tsaina

rohizam-bava sy vozona vao manatona.

Fahoriana maro ny an’ny ratsy fanahy,

fa izay matoky ny Tompo tototra hatsaram-po.

7 Mifalia ao amin’ny Tompo!

Miravoa, ry olomarina!

Mihobia avokoa,

ry mahitsy fo!

Sas: Izaho koa tsy manameloka anao, mandehana,

aza manota intsony amin’ny ho avy. (Jn 8,11)

TONONKIRA (IV.) Apok 11,17-18; 12,10-12

Sas: Nandray ny fanjakany Andriamanitra Tompo,

fa Izy no nanao izao tontolo izao.

Nandray ny fanjakany Andriamanitra Tompo,

fa Azy izao rehetra izao.

Andininy:

1 Ry Andriamanitray, misaotra Anao izahay

Ry Mahefa, ry Taloha sy ankehitriny,

Fa naneho ny herinao tokoa Ianao,

Ka nandray ny fanjakana hoentinao!

2 Nihotakotaka avokoa ny firenena

Fa nipoaka kosa ny hatezeranao

Eny tonga ny fotoana fitsarana

Hanomezam-balisoa ny nodimandry.

3 Ts’iza izany fa ny Mpaminaninao

‘Reo mpanomponao sy ny olomasinao

‘Reo matahotra ao am-po ny Anaranao

Ny madinika rehetra sy ny ambony.

4 Indro tonga ankehitriny ny fotoana

Ka miseho ny Famonjena sy ny Hery

‘Zao tokoa no Fanjakan’Ilay Tsitoha

‘Lay Voahosony efa ombana Fahefana.

5 Indro lavo ilay mpiampanga ny havanay

‘Lay nifofo tsy an-kijanona azy ireo

Noreseny tamy ran’ny Zanak’ondry

Tamy teny notazoniny ho fambara.

6 Izy manko tsy nandala loatra ny ainy

Na nikemo sy natahotra ho faty

O ry lanitra tontolo, mifalia

Mihobia, ry olomasina rehetra!

Sas: Nandray ny fanjakany Andriamanitra Tompo,

fa Izy no nanao izao tontolo izao.

Nandray ny fanjakany Andriamanitra Tompo,

fa Azy izao rehetra izao.

TENIN’ANDRIAMANITRA (V.) 2 Kor 10,17

Izay mirehareha, aoka hirehareha ao amin’ny Tompo. Satria tsy izay

midera tena no tena olona voazaha toetra, fa izay derain’ny Tompo.

 

VALINKIRA (VI.) Apok 5,9

Fiv: Navotanao izahay, ry Tompo, tamin’ny Rànao.

1 Avy amin’ny foko sy ny fiteny amam-pirenen-drehetra.

Fiv: Navotanao izahay, ry Tompo, tamin’ny Rànao.

2 Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy Fanahy Masina.

Fiv: Navotanao izahay, ry Tompo, tamin’ny Rànao.

TONONKIRAN’I MARIA (VII.)

Iza tamintsika moa no nanampo, ny halalin’ny Fitiavan’Andriamanitra antsika?

Sas: Deraontsika tsy tapaka Andriamanitra

izay nanao zava-mahagaga ho antsika ao amin’i Kristy. (1 Kor 1,4-5; Asa 2,11)

Andininy:

1 Ny foko midera ny Tompontsika

Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra

Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy

‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.

2 Fa indro manomboka ankehitriny

Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra" aho.

Nahavita be tamiko ilay Mahefa

Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany".

3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony

Am’ny olon-drehetra matahotra Azy,

‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry

Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.

4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,

Kanefa manadratra ireo ambany;

Manototra soa an’ireo noana

Fa mampody maina an’ireo mpanana.

5 Mpanarina an’Israely olony

Satria mahatsiaro ny indrafony

Nampanantenainy ny Razantsika

Ho an’i Abrahama sy izay taranany.

6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao,

Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,

Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika

Ho mandrakizay alaovalo!

Sas: Deraontsika tsy tapaka Andriamanitra

izay nanao zava-mahagaga ho antsika ao amin’i Kristy.

RANOMBAVAKA (VIII.)

Tsy mba fiainana ny fiainana lavitra ny Ray; koa ‘ndeha hiverina Aminy isika,

ary hitalaho ho an’ireo mbola manalavitra Azy:

Fiv: Tariho izahay, ry Tompo, hanatona Anao!

1 Andriamanitra Fitiavana ô, mandrakizay ny fanekem-pihavanana nataonao

tamin’ny vahoakanao, koa ataovy tsaroanay hatrany ny zava-mahagaga nataonao.

Fiv: Tariho izahay, ry Tompo, hanatona Anao!

2 Ampitomboy ao amin’ny fitiavanao ny Eglizy ary arovy ireo mino Anao hihavana

sy hiray hina ao amin’ny Fanahy Masina.

Fiv: Tariho izahay, ry Tompo, hanatona Anao!

3 Ho araka ny irinao anie no hiorenan’ny tanànanay eto an-tany mba tsy hiasa maina

ireo manorina azy.

Fiv: Tariho izahay, ry Tompo, hanatona Anao!

4 Aniraho mpijinja ny vokatrao, ry Tompo, hankalazana ny Anaranao amin’ny

firenena rehetra.

Fiv: Tariho izahay, ry Tompo, hanatona Anao!

5 Hiray lova amin’ny olomasina anie ny havanay sy ny mpanao soa anay nodimandry

ary ho tafahaona aminay any amin’ny fanjakanao indray andro any.

Fiv: Tariho izahay, ry Tompo, hanatona Anao!

6 Fangatahana hafa

Fiv: Tariho izahay, ry Tompo, hanatona Anao!

Rainay any andanitra ...

Andriamanitra ô, ny lanitra no nataonao valisoa

ho an’ireo maharitra amin’ny fiderana Anao;

koa mihanta Aminao izahay, haizina vokatry ny fahotana

mba esory amin’ny fonay ny hahamendrika anay ho faly sy

ho finaritra hibanjina ny hazavanao mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay ...

TSODRANO (IX.) [ohatra]

Mpitsodrano:

Andriamanitra Ray izay tsy manolo-bato mafana,

ny Zanaka izay nampitombo mofo ho an’olona an’arivony,

ary ny Fanahy izay mizarazara fanomezan-tsamihafa

ny voaary manontolo anie

hanome antsika izay fahasoavana ilaintsika izao

sy mandritra ny andro rehetra hiainantsika.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084