Alahady I Vavaka Maraina

FANAINGANA (I.) Sal 100 (99)

Ndeha hankalazaintsika ilay Zanak’Ondry Mpanjakantsika, miaraka amin’ireo Razana rehetra sy ny Fiangonana.

Fiv: Ndeha isika hanao hira vao eo anatrehan’ny Fiketrahan’Andriamanitra, eo anoloan’ny Zanak’Ondry.

1 Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo ka fo falifaly anompoana ny Tompo.

2 Tongava eo Aminy mihira miravo; ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra!

Fiv: Ndeha isika hanao hira vao eo anatrehan’ny Fiketrahan’Andriamanitra, eo anoloan’ny Zanak’Ondry.

3 Fa Azy isika satria noariny sy tena vahoakany, ondry fiandriny,

4 Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra, ny ao an-kianjany idiro amin-dera,

Fiv: Ndeha isika hanao hira vao eo anatrehan’ny Fiketrahan’Andriamanitra, eo anoloan’ny Zanak’Ondry.

5 Derao Izy Tompo, ny Anarany isaory. Miaiky isika fa tsara ny Tompo,

6 Fa mandrakizay ny fitiavany antsika, am’taona rehetra ny fahamarinany.

Fiv: Ndeha isika hanao hira vao eo anatrehan’ny Fiketrahan’Andriamanitra, eo anoloan’ny Zanak’Ondry.

7 Andeha isika hiara-mitsaoka ny Tompo, hihoby ‘Lay Zanany ombam-pahefana,

8 Derao ny Fanahy manamasina antsika, Manentana antsika hihoby ny Tompo.

Fiv: Ndeha isika hanao hira vao eo anatrehan’ny Fiketrahan’Andriamanitra, eo anoloan’ny Zanak’Ondry.

ANTSA (II.)

Ny fifampizarantsika hafaliana sy fitiavana no santatry ny hasambarana hoentin’i Kristy, Ilay nandresy ny fahafatesana.

1 Mifohaza ary koa mifalia, Ry olo-matory eto an-tany.

Miravoravoa re satria i Jesoa nitsangana androany.

2 I Jesoa nitsangana androany, Mba ho araka ny efa nambara

Hijaly tokoa i Kristy Fa hatsangan’ny Tompon’ny aina.

3 Natsangan’ny Tompon’ny aina, Ilay nohelohin’ny mpanota.

Ka mino isika fa Izy No Jesoa Mpamonjy ny olona.

4 I Jesoa Mpamonjy ny olona, Dia tena Andriamanitra marina.

Isika koa vita Batemy Nahazo ny ain’Andriamanitra.

5 Nahazo ny ain’Andriamanitra, Isika nateraka indray

Tarihin’ny Fanahin’ny Tompo, Fitiavana sy Hafaliana.

6 Fitiavana sy hafaliana No aoka homentsika ny ory.

Ho santatry ny hasambarana. Hoentin’i Kristy hiverina.

7 Hoentin’i Kristy hiverina Amin’ny Voninahitry ny Ray;

Hanangana ny nofo rehetra, Hampiray ny voaary ao aminy.

SALAMO (III.) 83 (82)

Tsy i Kristy ve no loharano tovozin-tsy ritra ary rano fanala kenda?

Koa zovy, iza no mbola hangetaheta ambony lakana?

Sas: Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. (Jn 7,37)

Andininy:

1 Andriamanitra, Andriamanitra ô, maniry Anao aho.

Mangetaheta Anao ny fanahiko.

2 Matimaty Anao ny nofoko:

mova tsy tany maina sy mangentana, maniry rano!

3 Toy ny nahitako Anao tao amin’ny toerana masina,

sy nibanjinako ny hery sy ny voninahitrao

4 fa tsara noho ny aina ny hatsaram-ponao

ka ny molotro mankalaza Anao;

5 toy izany koa no hisaorako Anao raha mbola velona aho,

sy hanandratako tanana amin’ny Anaranao:

6 ka ny fanahiko ho toy ny voky sakafo soa;

ny molotro hihoby, ny vavako hidera!

7 Eo am-pandriana avy aho no mahatsiahy Anao;

tontolo alina, any Aminao ny eritreritro:

8 fa Ianao no mpitahy ahy!

mibitaka aho alofan’ny Elatrao;

9 ny fanahiko mifikitra Aminao

ny Tananao mihazona ahy!

10 Ireo mitady hanimba ny fanahiko

he! mizotra any amin’ny fanambanin’ny tany,

11 hatolotra eo am-pelatanan’ny sabatra,

ho anjara tantan’ny amboadia!

12 Ny mpanjaka kosa mifaly ao amin’Andriamanitra;

miravo izay rehetra mianiana aminy;

fa mikombona kosa ny vavan’ny mpandainga!

Sas: Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.

TONONKIRA (IV.) Daniely 3,57-88.56

Afaka olan-teny ny voaary tontolo manana antsika olombelona

mankalaza ny Ray miaraka amin ‘i Kristy.

Sas: Raha izao tontolo izao dia tsy an’iza fa anareo. Nefa ianareo

an’i Kristy Tompo e, ary i Kristy an’Andriamanitra. (1 Kor 3,22-23)

Andininy:

Isaory ny Tompo, ianareo rehetra asan’ny Tompo

Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay.

Isaory ny Tompo, ry tendrombohitra sy havoana!

Isaory ny Tompo, ry zava-maniry rehetra eran-tany

Isaory ny Tompo, ry loharano!

Isaory ny Tompo, ry ranomasina sy ony!

Isaory ny Tompo, ry trozona sy izay mihetsika anaty rano!

Isaory ny Tompo, ry voron’ny lanitra rehetra!

Isaory ny Tompo, ry biby fiompy sy bibidian’ny tany!

ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay;

Isaory ny Tompo, ry zanak’olombelona!

Isaory ny Tompo, ry Israely!

Isaory ny Tompo, ry mpisorona!

Isaory ny Tompo, ry mpanompo!

Isaory ny Tompo, ry saina amam-panahin’ny olomarina!

Isaory ny Tompo, ry olomarina sy mpanetry tena ao am-po!

Isaory ny Tompo, ry Anania sy Azaria, sy Misaely:

ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay!

isaorana Ianao, ry Tompo, eny amin’ny habakabaka:

mendrika ny laza sy ny voninahitra mandrakizay!

Sas: Raha izao tontolo izao dia tsy an’iza fa anareo. Nefa ianareo

an’i Kristy Tompo e, ary i Kristy an’Andriamanitra.

SALAMO (V.) 149

Misy firenena ankehitriny mandà an’i Kristy. Hitompo teny fantatra ve

izy ireo sa hiova fenitra, ka hitodika amin’ny Tompo?

Sas: Nataon’Andriamanitra ho mpandova ny zavatra rehetra i Kristy. (Hb 1,2)

Andininy:

1 Ihirao hira vao ny Tompo

Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy.

2 I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;

ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany,

3 hidera ny Anarany amin-dihy,

hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!

4 Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany;

ravahany fandresena ny ory!

5 Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny,

sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba:

6 am-bava, fankalazana an’Andriamanitra;

an-tanana, sabatra roa lela:

7 hamaliana an’ireo firenena,

sy hamaizana an’ireo vahoaka:

8 ka ny mpanjakany hogiazina amin-gadra,

ny loholony amim-parapaingo!

9 Ny mampihàtra amin’ireny ny fitsarana voasoratra

no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!

Sas: Nataon’Andriamanitra ho mpandova ny zavatra rehetra i Kristy.

TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.) Apok 7,12

An’Andriamanitra mandrakizay ny dera amam-boninahitra, ny fahendrena amam-pankasitrahana, ny haja amam-boninahitra, ary ny hery! Amen.

VALINKIRA (VII.) Salamo 33,2-3

Fiv: O, amin’ny fotoana rehetra izaho misaotra ny Tompo,

ary eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.

1 Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko,

Mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Fiv: O, amin’ny fotoana rehetra izaho misaotra ny Tompo,

ary eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.

2 Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka

Sy ny Fanahy Masina.

Fiv: O, amin’ny fotoana rehetra izaho misaotra ny Tompo,

ary eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.

TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.) (Lk 1,68-79)

I Kristy no fahazavan’izao tontolo izao; isika mpianany koa

jiro fanala haizin’ireo manodidina antsika.

Sas: Nofidina isika mba hitory ny hatsaran’ilay niantso antsika

hiala tamin’ny haizina ho amin’ny fahazavana mahagaga (1 Piera 2,9)

Andininy:

1 Deraina isaorana Izy Tompo

Ny Tompo Andriamanitr’Israely

Fa Izy efa tonga namangy antsika

Nanavotra antsika amy fahavalo.

2 Nanolotra antsika herim-pamonjena

Avy amin’ny fianakaviana iray

Dia ny an’i Davida mpanompo tiany

F’izany tokoa no efa nolazainy.

3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany

Dia ireo olomasiny fahagola:

Ny vonjiny hanala amy fahavalo

Hanafaka antsika amy mpankahala.

4 Noho izy nandala ny Razantsika,

Dia indro tsaroany ny Fanekeny

Fa teny nomeny an’i Abrahama

Ny hanafaka antsika amy fahavalo.

5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy

Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy

Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky

Ho eo anatrehany lalandava.

6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:

Ho ‘lay „Mpaminanin’ny Avo indrindra“,

Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao

Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.

7 Ianao hanambara ny famonjena

Dia ny famelana ny hadisoana

Satria Andriamanitra fo miantra

Mandefa masoandro hamangiany antsika.

8 Fanilo hanazava reo mitakiky

Anatin’ny haizina mahafaty.

Fanilo hanazava ny diantsika

Am’lalam-piadanana lavorary.

9 Isaory ny Ray nanome antsika

Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!

Hobio ny Fanahy niantsoana antsika

Ho sambatra hibanjina ny mazava.

Sas: Nofidina isika mba hitory ny hatsaran’ilay niantso antsika

hiala tamin’ny haizina ho amin’ny fahazavana mahagaga.

RANOMBAVAKA (IX.)

Tsy tambo isaina ny fahasoavana omen’ny Ray isan’andro, na ho antsika izany, na ho an’ny olon-kafa, koa ‘ndeha isika hidera Azy noho izany araka izay tratry ny aintsika:

Fiv: Hankalazaina mandrakizay e ny Anaranao, ry Tompo!

1 Ry Nahary ny tany aman-danitra ô, fisaorana Anao tsara fo no isantaranay ity andro ity, fa nomenao tsara fo anay ka ahatsiarovanay ny Zanakao nitsangan-ko velona.

Fiv: Hankalazaina mandrakizay e ny Anaranao, ry Tompo!

2 Ny Fanahinao Masina anie hanoro anay izay sitrakao amin’ity andro ity, ary ny fahendrenao kosa hitari-dalana anay lalandava.

Fiv: Hankalazaina mandrakizay e ny Anaranao, ry Tompo!

3 Ampio izahay ho faly hamonjy ny fiangonana alahady anio hihaino ny Tenin-janakao sy hihinana ny Vatany masina.

Fiv: Hankalazaina mandrakizay e ny Anaranao, ry Tompo!

4 Indreto izahay, ry Tompo, vory eto an-tranonao hisaotra Anao noho ny soa atolotra anay.

Fiv: Hankalazaina mandrakizay e ny Anaranao, ry Tompo!

5 Fangatahana hafa...

Fiv: Hankalazaina mandrakizay e ny Anaranao, ry Tompo!

Rainay any andanitra...

Ny fangatahana farany dia izay atao amin’ny lamesan’ity alahady ity

na:

Andriamanitra Andriananahary ô, enga anie izahay tsy hitsaha-mankalaza ireo androm-pifaliana anomezam-boninahitra an’i Kristy tafatsangan-ko velona; ary ny misterin’ny Paka tsaroanay mandavan-taona anie hoentinay manamasina ny fiainanay, Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka Aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

TSODRANO (X.) (Rom 6, 22)

Mpitsodrano:

Enga anie hitsimbina antsika Andriamanitra Ray,

Ilay efa nanome antsika ny Fanahiny,

dia Fanahy fananganana antsika ho zanaka

ao amin’ny Zanany Lahimatoa,

mba ho mendrika Azy ny tenantsika sy ny asantsika.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0078