Zoma III Vavaka Maraina

ANTSO (I.)

Fiv: Avelao ny helok’izy ireo, ry Dada, tsy fantany tokoa izay ataony. (Lk 23,34)

1 F’izaho namoy ny aiko mba ho vonjin’izy ireo.

Fiv: Avelao ny helok’izy ireo, ry Dada, tsy fantany tokoa izay ataony.

2 Afaho tanteraka izy tsy ho andevon’ilay ratsy.

Fiv: Avelao ny helok’izy ireo, ry Dada, tsy fantany tokoa izay ataony.

3 Fa sitrakao tokoa ny hiverenany Aminao.

Fiv: Avelao ny helok’izy ireo, ry Dada, tsy fantany tokoa izay ataony.

4 Ny ota hibabohany tsy hisy ho tavela.

Fiv: Avelao ny helok’izy ireo, ry Dada, tsy fantany tokoa izay ataony.

5 Ho azy ireo indrindra no ifonako, ry Dada.

Fiv: Avelao ny helok’izy ireo, ry Dada, tsy fantany tokoa izay ataony.

6 Fa tiako hiaraka amiko ny zanakao rehetra.

Fiv: Avelao ny helok’izy ireo, ry Dada, tsy fantany tokoa izay ataony.

7 Hitantana azy ireo ny Fanahinao, ry Dada.

Fiv: Avelao ny helok’izy ireo, ry Dada, tsy fantany tokoa izay ataony.

8 Ho tsapan’izy ireo fa tena Rainy Ianao.

Fiv: Avelao ny helok’izy ireo, ry Dada, tsy fantany tokoa izay ataony.

FANAINGANA (II.) Salamo 24 (23)

Fiv: Mitsangàna fa sasa-miandry antsika anie ny Ray. (Lk 15,18)

1 Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa

Dia izao rehetra izao ary izay monina ao.

2 Naoriny ambonin’ny rano izy ireny,

Napetrany tsara eo ambonin’ny ony;

Fiv: Mitsangàna fa sasa-miandry antsika anie ny Ray.

3 Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo;

Hanorim-ponenana an-toerany masina’

4 Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,

S’izay tsy mianiana tsy to amin’ny hafa;

Fiv: Mitsangàna fa sasa-miandry antsika anie ny Ray.

5 Dia Izy no hany hotsofina rano,

Ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy.

6 Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha

Ny endrik’ilay Andriamanitra Tompo.

Fiv: Mitsangàna fa sasa-miandry antsika anie ny Ray.

7 ‘Nareo vavahady, atrakao ny tatao,

‘Nareo varavarana re, misondrota!

8 Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!

Fa iza ary moa no Mpanjaka malaza?

Fiv: Mitsangàna fa sasa-miandry antsika anie ny Ray.

9 Ny Tompo mahery ny Tompo tsitoha,

Ny Tompon’ny tafika mahery an’ady!

10 ‘Nareo vavahady: atrakao ny tatao,

‘Nareo varavarana re, misondrota:

Fiv: Mitsangàna fa sasa-miandry antsika anie ny Ray.

11 Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!

Fa iza tokoa no Mpanjaka malaza?

12 Ny Tompon’ny tafika mahery an’ady,

Ny Tompo no hany Mpanjaka malaza!

Fiv: Mitsangàna fa sasa-miandry antsika anie ny Ray.

13 Andeha ary hiara-midera ny Tompo!

Ny Ray: hanome voninahitra antsika;

14 Ny Zanaka: santatra, niantsoana antsika;

Fanahiny: nanamarinana antsika!

Fiv: Mitsangàna fa sasa-miandry antsika anie ny Ray.

SALAMO (III.)51 (50)

Ny indrafon’Andriamanirra Ray no mialoha lalana antsika

hohamarinina eo anivon’ny Fiangonan’i Kristy.

Sas: Izay tsy zakan’ny Fiangonako ombako tsy mahazaka,

ary ny olona avelany ota, ekeko fa afa-keloka. (Jn 20,23)

Andininy:

1 Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitr’ô

Fa Ianao manko lalim-pitiavana.

Mba koseho re ny heloka vitako,

Dia diovy aho hiala amy ny otako!

Efa niaiky hadisoana ny tenako

Eo imasoko hatrany ny otako.

2 Taminao aho no diso Andriamanitr’ô,

Fantatrao avokoa ny kilemako!

‘Zay lazainao tokoa no hany marina

Raha mitsara ahy Ianao ara-drariny!

Fa tanaty heloka aho re no teraka

Tamin’ny ota aho no torontoronina!

3 Izay marina anaty no marina,

Ka toroanao mangina aho, ry Tompoko.

Ary fafazo rà aho ho sitrana

Hihoatra ny oram-panala nv dioko,

Ampiravoravoy ny fanahiko

Sy ny taolako voamontsamontsana.

4 Mba esory eo imaso ny otako,

Dia koseho tsy ho hita ny heloko!

Fo madio vaovao no angatahiko

sv fanahy mahatoky tanteraka.

Aza alàna aminao aho, ry Tompoko,

Ny Fanahy aza esorinao amiko!

5 Amereno hafaliana aho ho vonjiko,

Dia tolory fanahy tena mendrika.

Ny mpanota hotoroako ny lalana,

Aminao no tsy maintsy hiverenany;

Mba fafao am’izay ny tomaniko,

Hilazako f’Ianao no hany marina.

6 Eny, Tompo, sokafy ny molotro,

Dia hidera tokoa ‘zany vavako.

Lavinao tsotra izao ny fanatitra,

Toy izany ireo sorona dorana;

Ny fanahy torotoro, ry Tompoko,

Io no sorona tianao hatolotro.

7 Tsy hodianao tsy hita, Andriamanitro,

Ny fanahy torotoro sy trotraka;

I Siôna omeo fitsimbinana,

Mba areno’lay Jerosalemako:

Dia ho manitra indray ny fanatitra

Sy ny sorona isankarazany.

8 Koa isaorako Ianao Andriamanitro,

Lehibe ny indrafonao tamiko.

Zanakao no nanonitra ny otako

Sy naniraka ny Fiangonany;

Ny Fanahy kosa tonga nitantana

Hivalozan’ny foko tanteraka.

Sas: Izay tsy zakan’ny Fiangonako ombako tsy mahazaka,

ary ny olona avelany ota, ekeko fa afa-keloka.

TONONKIRAN’I JEREMIA (IV.)(Jer 14,17-21)

Tsy mba toy ny fitaizandrenibe ny zafikeliny no fitaizan’Andriamanitra antsika.

Sas: Toy ny kapoka maharary ny voina mihatra,

Nefa tian’Andriamanitra Ray hahamasina antsika. (Heb 12,10-11)

Andininy:

1 Aoka ny masoko tsy hitsahatra,

Hitomany andro aman’alina:

N’fireneko niharan-doza

Feno ratra tsy hay sitranina!

2 Mba nojereko ny tany lemaka,

‘Ndreo ny maro lavon’ny sabatra

Mba nidirako ny tanàna,

‘Ndreo ny ripaky ny hanoanana!

3 Ny mpaminany aza, ny Mpisorona:

Mikarenjy samy talanjona!

I Joda izany dia nafoy!

I Siôna efa nahatofoka.

4 Tompo ô, nahoana no dia mikapoka

Ka mamela ratra tsy sitrana?

Fiadanana no nantsoina,

Kanfo inona ity no gohina?

5 Fanasitranana no nandrasana,

Kanjo tojo izay tsy nampoizina,

Na ‘zahay na ny Razanay,

Fantatray e, fa samy meloka!

6 Aza hamavoina ‘lay voninahitra,

Ao Siôna tanàna masina;

Ary ilay fanekena vita,

Aza hadino na ivadihana.

7 Saotra no atolotra an’Andriamanitra:

Nahafoy an’i Jesoa Zanany,

‘Lay nisedra ny rofintsika,

Mahalala ny hasaro-bidiny.

8 Dera ho Anao, ry Fanahy Masina,

Mankahery amin’ny andro sarotra

Mampivelatra ny finoana

Sy mitantana anay ho masina!

Sas: Toy ny kapoka maharary ny voina mihatra,

Nefa tian’Andriamanitra Ray hahamasina antsika.

SALAMO (V.)100 (99)

Sas: Nomen’Andriamanitra antsika ny Anarany,

fa fianakavian’Andriamanitra isika. (Jereo Apok 14,1)

Andininy:

1. Hobio ny Tompo, ry tany tontolo,

Tompoy Izy amim-piravoravoana,

Tongava eo Aminy mihira, mihoby,

2. Ekeo fa Andriamanitra anie Izy Tompo;

Fa Azy isika satria noharîny;

Isika vahoakany, ondry fiandriny.

3. Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra;

Ny kianjany koa idiro amin’antsa,

Isaory Izy ary derao ny Anarany.

4. Satria Izy Tompo, endrey tsara fo,

Fa mandrakizay doria ny fitiavany,

Amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.

5. Andeha isika hiara-misaotra ny Tompo,

Hihoby Ilay Zanany ombam-pahefana,

Derao ny Fanahy manamasina antsika.

Sas: Nomen’Andriamanitra antsika ny Anarany,

fa fianakavian’Andriamanitra isika.

TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.)Hb 5,7-9

I Kristy, fony Izy nitafy nofo aman-drà, dia nanandratra vavaka sy fitalahoana

ombana antsom-pitarainana mafy sy ranomaso be, tany amin’llay afa-namonjy

Azy tamin’ny fahafatesana. Nohenoim-bavaka izy noho izy nahay nanaiky,

satria na Zanaka aza Izy, dia nianatra nanaiky tamin’ny fijaliana niaretany, ary

tafita amin’ny fahalavorariana fara-tampony ka tonga fototry ny famonjena

mandrakizay ho an’izay rehetra manaiky Azy.

SETRINY (VII.)

1 Fantatrao, Ray ô, izay nafeniko hatrizao

Dia ny otako rehetra tao anaty foko tao:

Nosaronako, naleviko tsy hisy mpahalala!

Fantatrao, Ray ô, izay nafeniko hatrizao.

Koa inty aho tonga fa niantso ahy Ianao:

Izany fahotako izany no ateriko Aminao. (indroa)

2 Fantatrao, Ray ô, izay nataoko taminao,

Endrikao tsy nojereko, Teninao tsy nohenoiko

Sy ny fiainako laniako tsy araka ny sitrakao!

Fantatrao, Ray ô, izay nataoko taminao!

Koa inty aho tonga fa niantso ahy Ianao:

Izany hadisoako izany no ifonako Aminao (indroa)

3 Fantatrao, Ray ô, izay kasaiko mbola hatao,

Faniriana sesehena tsy mifantoka Aminao:

Ka mitrotro volohala sy mivimbina hakiviana!

Fantatrao, Ray ô, izay mbola hatao!

Koa inty aho tonga fa niantso ahy Ianao:

Izany tebiteby izany no atosako Aminao! (indroa)

TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)

Tsy mba vitan’ny molotra ambony sy ambany ny fiaraha-mitsangan-ko velona

amin‘i Kristy, fa tsy maintsy mandray anjara amin’ny fijaliany.

Sas: Mino isika, eny mino isika fa raha miara-maty

amin’i Kristy, dia hiara-belona aminy koa. (Rom 6,8)

Andininy:

1 Deraina isaorana Izy Tompo

Ny Tompo Andriamanitr’Israely

Fa Izy efa tonga namangy antsika

Nanavotra antsika amy fahavalo.

2 Nanolotra antsika herim-pamonjena

Avy amin’ny fianakaviana iray

Dia ny an’i Davida mpanompo tiany

F’izany tokoa no efa nolazainy.

3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany

Dia ireo olomasiny fahagola:

Ny vonjiny hanala amy fahavalo

Hanafaka antsika amy mpankahala.

4 Noho izy nandala ny Razantsika,

Dia indro tsaroany ny Fanekeny

Fa teny nomeny an’i Abrahama

Ny hanafaka antsika amy fahavalo.

5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy

Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy

Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky

Ho eo anatrehany lalandava.

6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:

Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra",

Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao

Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.

7 Ianao hanambara ny famonjena

Dia ny famelana ny hadisoana

Satria Andriamanitra fo miantra

Mandefa masoandro hamangiany antsika.

8 Fanilo hanazava reo mitakiky

Anatin’ny haizina mahafaty.

Fanilo hanazava ny diantsika

Am’lalam-piadanana lavorary.

9 Isaory ny Ray nanome antsika

Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!

Hobio ny Fanahy niantsoana antsika

Ho sambatra hibanjina ny mazava.

Sas: Mino isika, eny mino isika fa raha miara-maty

amin’i Kristy, dia hiara-belona aminy koa.

RANOMBAVAKA (IX.)

Sarobidy eo imason’ny Ray isika, satria efa nafoiny ho antsika mpanota ny Zanany; hiangaviantsika Izy hihaino ilay Zanany sitrany indrindra:

Fiv: Aza ny otanay no jerenao, ry Andriamanitra, fa ny Fitiavan’i Jesoa Zanakao.

1 Ray ô, nampianatra anay hahalala ny halehiben’ny famindram-ponao i Kristy Zokinay, koa indreto izahay miaiky ny otanay eto anatrehanao! Ray ô, mamindrà fo aminay!

Fiv: Aza ny otanay no jerenao, ry Andriamanitra, fa ny Fitiavan’i Jesoa Zanakao.

2 Ray ô, tia anay i Kristy Zanakao, ka nanaiky hiaritra ny fahoriana sy ny fahafatesana tambin’ny otanay, aza avela ho very maina ny fahoriany sy ny fahafatesany. Ray ô,

mamindra fo aminay.

Fiv: Aza ny otanay no jerenao, ry Andriamanitra, fa ny Fitiavan’i Jesoa Zanakao.

3 Ray ô, mijoro eo anatrehanao i Kristy Mpisorombe, mba hisolovava anay; tsy izahay no mendrika Anao fa Izy! Ray ô, mamindrà fo aminay!

Fiv: Aza ny otanay no jerenao, ry Andriamanitra, fa ny Fitiavan’i Jesoa Zanakao.

4Fangatahana hafa:

- ho an’ireo havana tsy mihevitra ny tenany ho nanota ...

- ho an’ireo heverin’ny mpiara-belona fa mpanota hiringiriny.

- ho an’ireo rehetra manaiky hiaritra fahoriana ho fanonerana ny otan’ny hafa ...!

Fiv: Aza ny otanay no jerenao, ry Andriamanitra, fa ny Fitiavan’i Jesoa Zanakao.

Rainay any andanitra ...

Ray masina ô, nosotroin’ny Zanakao malaIanao ny ngidin’ny fahafatesana, noho ny fitiavany anay; mihanta Aminao izahay, ekeo izao fahatsiarovan-tenanay izao hahamendrika anay hitondra ny anarana mahazana ka anay!

Amin’ny alalan’Izy’Kristy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay!

TSODRANO (X.)[ohatra]

Mpitsodrano:

Enga anie Andriamanitra Ray izay tsy mitsitsy na inona na inona, ny Zanaka izay nampiboiboika onin-drano velona, ary ny Fanahy izay mampamokatra ny tany karankaina hampitobaka ny fahasoavany amin’ny Fiangonana.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0078