Zoma III Vavaka Hariva

ANTSO (I.)

Manambara hevi-dalina izay rehetra nijalin’i Kristy.

Fiv: Mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray. (Jn 14,31)

1 Nekeko ny anjarako ‘zay nosoritany;

Fiv: Mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray.

2 Tanteraka ny asa napetrany tamiko.

Fiv: Mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray.

3 Ny Tenin’ny Raiko no hany ivelomako.

Fiv: Mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray.

4 Navela ny helok’ireo fahavaloko.

Fiv: Mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray.

5 Ny aiko natolotro: fara-fitiavana.

Fiv: Mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray.

6 Natsangako ‘lay fanekem-pihavanana.

Fiv: Mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray.

7 Ho resy tokoa ny herin’ny maizina.

Fiv: Mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray.

8 Nietry ah’ ka indro natsangan-ko velona.

Fiv: Mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray.

SALAMO (II. + III.) 135 (134)

Fatratra ny fitiavan’ny Malagasy ny olona iray rà aminy; fa mba toy inona kosa

no fankamamian’ny Kristianina ny vahoakan’Andriamanitra iray fianakaviana aminy,

sy i Kristy Mpanjakany sy Andriamaniny?

Sas: Tsy fireneny akory isika teo aloha,

izao kosa vahoaka mamin’Andriamanitra;

Tsy namindrany fo akory isika teo aloha

nefa izao nahazo famelana. (1 Piera 2,10)

Andininy:

1 Ka derao e ny Anaran’ny Tompontsika!

Ry Mpanompon’ny Tompo samia midera.

Ianareo ‘zay mitoetra ao an-tranony ao,

Ao an-kianjan’ny Tompo Andriamanitsika.

2 He! derao ‘zany hasoan’ny Tompontsika!.

‘Zany Anarany mamy ê, redony an’antsa!

I Jakôba voafidin’ny Tompo ho Azy;

Ka nataony fananany i Israely.

3 Dia fantaro fa ambony, lehibe ny Tompo,

Ka mihoatra an’ireo andriamani-kafa.

Fa izay sitrapony dia tontosainy,

Any an-danitra ambony sy eto an-tany.

4 Ranomasina sy hantsam-be rehetra,

Dia samy anehoany ny sitrapony.

‘Rony rahona akariny hitatao

Ka ny ora-manelatra manjopiaka!

5 ‘Tony rivotra tsofiny hivoaka hiala

Avy amin’ny toerany nitobiany!

Dia nasiany ny lahimatoa rehetra

Na ny biby na ny olona tao Ejipta.

6 Famantarana maro sy fah’gagana

No nalefany hamely an’i Faraona;

Dia nikapoka maro amy firenena,

Nahafaty mpanjaka mahery vaika!

7 Ry Sihôna mpanjakan’ny Emoria,

Sy ry Oga mpanjakan’ny ao Basana.

Ka ny tanin’ireny nomeny ho lova

Ho lovan’ny vahoakan’Israely!

8 Fa maharitra mandrakizay e, ry Tompo,

Ny Anara-masinao.

Ny taranaka fara-mandimby rehetra

Dia handre ny lazanao.

9 Fa omen’Izy Tompo ny rariny hatrany,

Ny vahoaka nofinidiny.

Ary omeny fitiavana indray ihany koa

Ny mpanompony rehetra.

10 Fa ny sampin’ireo firenena, jereo:

Volamena, volafotsy!

Moa tsy tefy nataon’olombelona ihany?

Manambava tsy miteny!

11 Tsy mahita kanefa mba manana maso!

Manan-tsofin-tsy mandreny!

‘Zay mba hoe fofon’aina ao am-bavany ao

Nofinofy ihany izany!

12 Mba ho zary hanan’endrika tahak’azy ireny,

‘Reo mpanao sy mpino azy!

Ka isaory ny Tompo, ry Isiraely

Aoka hisaotra ry Aarôna!

13 Ry mpanolotra sorona, isaory ny Tompo!

Ny rehetra koa misaora!

Ho azy Tompo mitoetra ao Jerosalema,

Ny fisaorana rehetra!

14 Hoderaina ny Anaran’ny Ray Nahary

Fa Mpanjakan’ny lanitra sy ny tany

Omen-dera ny Zanany Lahimatoa

Ary koa ny Fanahy ‘zay Mpanolo-tsaina.

Sas: Tsy fireneny akory isika teo aloha,

izao kosa vahoaka mamin’Andriamanitra;

Tsy namindrany fo akory isika teo aloha

nefa izao nahazo famelana.

TONONKIRA (IV.)Hebr 4,14-16

1 Efa manana

Mpisorombe niakatra namakivaky lanitra isika,(indroa)

Jesoa Zanak’Andriamanitra. |

Ka aoka ho tanantsika tsy hivaona ny finoana

Efa nankatoavintsika! (indroa)

Fiv: Fa manana Mpisorombe mangoraka isika,

Mpisorona itokisana, fa sitraky ny Ray! (indroa)

2 Tsy Mpisorombe

Tsy afaka mangoraka ireo halemena izay mpahazo antsika!(indroa)

Fa Mpisorona efa niaritra

Ny mafy tamin’ny zavatra rehetra toa antsika;

Nefa kosa tsy nanota! (indroa)

Fiv: Fa manana Mpisorombe mangoraka isika,

Mpisorona itokisana, fa sitraky ny Ray! (indroa)

3 Koa handroso

Am-pitokisana hanatrika ny seza fiandrianana isika, (indroa)

Mba ho sitrak’Andriamanitra

Hahazo ny indrafony mba ho famonjena antsika,

Amin’ny andro ilàna izany! (indroa)

Fiv: Fa manana Mpisorombe mangoraka isika,

Mpisorona itokisana, fa sitraky ny Ray! (indroa)

TENIN’ANDRIAMANITRA (V.)Rom 5, 7-8

Sarotra ny manaiky ny ho faty ho an’olo-marina, nefa angamba mety hisy ihany hanana herim-po ho faty ho an’olona mamy hoditra. Fa i Kristy kosa, maty ho antsika fony isika mbola mpanota, nahariharin’Andriamanitra tamin’izany ny fitiavany antsika.

SETRINY (VI.)

Izay mijoro sahy mibahana ny tafiky ny maizina tsy hanafotra

ny zanaky ny Fahazavana: ireny no olon ‘Izy Tompo.

Fiv: Tsy zakan’ny olombelona novesaran’ota ny marina,

Tsy zakany ka novonoiny tsy ho eo anivony ny Tompo!

1 Fa Jesoa Tompo Filohantsika,

Dia olona afaka lalandava:

Tsy nety nandefitra ny tsy rariny,

Ka tsy mba voafatotry ny henamaso!

Eny ê! eny ê, ‘zany tokoa ny Filohantsika,

Eny ê! eny ê, ‘zany tokoa i Jesoa Tompo.

Fiv: Tsy zakan’ny olombelona novesaran’ota ny marina,

Tsy zakany ka novonoiny tsy ho eo anivony ny Tompo!

2 Fa Jesoa Tompo Filohantsika,

Nahatafintohina ny vahoaka:

Satria sahy nanandratra ireo ambany,

‘Reo fanosihosin’ny mpiara-belona!

Fiv: Tsy zakan’ny olombelona novesaran’ota ny marina,

Tsy zakany ka novonoiny tsy ho eo anivony ny Tompo!

3 Fa Jesoa Tompo Filohantsika,

Dia nohelohin’ny fitsarana

Satria sahy nitsipaka izay lalàna

Namoritra ny olona tsy ho afaka!

Fiv: Tsy zakan’ny olombelona novesaran’ota ny marina,

Tsy zakany ka novonoiny tsy ho eo anivony ny Tompo!

4 Fa Jesoa Tompo Filohantsika,

Nandidy antsika hifankatia:

Tsy nety nanaiky ny valy faty,

Nampianatra antsika hifamela heloka.

Fiv: Tsy zakan’ny olombelona novesaran’ota ny marina,

Tsy zakany ka novonoiny tsy ho eo anivony ny Tompo!

5 Fa Jesoa Tompo Filohantsika,

Dia nanambara amin-kasahiana:

Fa hoe samy Zanaka tian’ny Ray

Isika olombelona tsy ankanavaka!

Fiv: Tsy zakan’ny olombelona novesaran’ota ny marina,

Tsy zakany ka novonoiny tsy ho eo anivony ny Tompo!

TONONKIRAN’I MARIA (VII.)

Sas: Ny fianakavian’i Jesoa Tompo, dia ireo manatontosa

ny sitrak’Izy Andriamanitra Ray. (Mt 12,50)

Andininy:

1 Mankalaza ny Tompo ny fanahiko;

Faly ao aminy ny foko,

2 Izy niantra ny ankizivaviny

Ny vahoaka hiantso hoe: sambatra aho.

3 Zava-dehibe no nataony tamiko:

‘Zay matahotra Azy ho tahiny hatrany.

4 ‘Zay manandratena haetriny,

‘Zay manetry tena hasandrany.

5 Izy niantra ny vahoaka Israely,

Fa tsy hadinoiny izay namindrany fo.

6 Ka ny toky izay nomeny an’i Abrahama,

Indro ankehitriny tanterahiny.

7 Voninahitra anie ho an’Andriamanitra,

Fiderana anie ho Azy mandrakizay.

Sas: Ny fianakavian’i Jesoa Tompo, dia ireo manatontosa

ny sitrak’Izy Andriamanitra Ray.

RANOMBAVAKA (VIII.)

I Kristy nahatanteraka ny sitrak’Andriamanitra Rainy, satria nampahafantarin’ny Ray Azy ny tsiambaratelony mandrakizay; sitrak’Andriamanitra hambara amintsika izany tsiambaratelony izany koa andeha isika hiray fo, hiray saina, hitalaho ny famindram-pony mba hahalalantsika izay sitrany amintsika:

Fiv: Ambarao anay ny sitrakao, ry Ray, ho tanterahinay!

1 Ray masina ô, mitarika anay hifampizara ny manta sy ny masaka amin’ny Vahoaka Malagasy tsy vakivolo ny Fiangonanao eto amin’ny Nosinay: sokafy ny fonay ho fon-janaka mendrika Anao, dia ambarao anay ny sitrakao hotanterahinay!

Fiv: Ambarao anay ny sitrakao, ry Ray, ho tanterahinay!

2 Ray masina ô, miezaka manorina fiaraha-monina vaovao hanjakan’ny rariny sy ny hitsiny ary ny fifankatiavana ny Firenenay; antsoinao hanana anjara fanorenana amin’izany izahay zanakao, koa ambarao anay ny sitrakao hotanterahinay!

Fiv: Ambarao anay ny sitrakao, ry Ray, ho tanterahinay!

3 Ray masina ô, ifonanay ny sitrakao rehetra tsy notanterahinay, noho ny fitiavan-tenanay, noho ny tahotra na ny henatra, noho ny halainana hikaroka ...; ary ankehitriny indreto izahay mijoro eto anatrehanao: ambarao anay ny sitrakao hotanterahinay!

Fiv: Ambarao anay ny sitrakao, ry Ray, ho tanterahinay!

4 Fangatahana hafa:

- ho an’ireo tanora mitady lalan-kizorana eo amin’ny fiainany;

- ho an’ireo mpanan-karena tsy mitsinjo ny hafa ary tsy mihevitra ny hiandrandra ny Ray iombonana intsony;

- ho an’ireo miady saina ao anatin’ny tokan-tranomaso.

Fiv: Ambarao anay ny sitrakao, ry Ray, ho tanterahinay!

Andriamanitra Ray ô, i Kristy no nanambara fa zanakao izahay, Izy no nampianatra anay ho tia Anao sy hisaotra Anao ary hiantso ny Anaranao am-pitokiana hoe:

Rainay any an-danitra ...

na:

Rainay any an-danitra ...

Andriamanitra Ray be fahendrena ô!

Maty ho anay i Kristy Zanakao Zokinay, nefa tsy folak’andry niankinana na toro vato nandiavana izahay satria nanangana Azy ho velona ny Fanahinao Masina. Koa mba omeo anay ny fitokisana tsy mety resy na inon-kidona na inon-kihatra mandritra ny fiainanay

manontolo. Izany no angatahinay amin’ny alalan’i J.K.T.

TSODRANO (IX.)

Mpitsodrano:

Enga anie ny Ray izay tia ny hahavonjy ny olona rehetra,

i Kristy Ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra

nibaby ny helok’izao tontolo izao,

ary ny Fanahy izay manamasina ireo nanota,

hanatanteraka ny sitrapony amintsika.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0082