Talata III Vavaka Maraina

ANTSO (I.)

Inona no mbola mampisalasala antsika? Marina fa tsy hita ny zavatra ara-panahy,

kanefa eo ny Fanahy antoka ho antsika.

Fiv: Antoka ho antsika ny Fanahy. (2 Kor 1,22)

1 Mitaona antsika hibebaka tokoa,

Ka hihavana amy Ray.

Fiv: Antoka ho antsika ny Fanahy.

2 Miantso antsika ho amin’ny mazava

Hahafantatra ny Ray;

Fiv: Antoka ho antsika ny Fanahy.

3 Manafaka amin’ny tebitebin-tsaina

Ka hitodika amy Ray.

Fiv: Antoka ho antsika ny Fanahy.

4 Mibitsika eo anivon-java-maro

Izay sitraky ny Ray.

Fiv: Antoka ho antsika ny Fanahy.

5 Manoro antsika vavaka sahaza

Ankatoavin’Izy Ray.

Fiv: Antoka ho antsika ny Fanahy.

6 Manampy antsika hiaina dieny izao,

‘Lay fiainam-baovao. (Rom 8)

Fiv: Antoka ho antsika ny Fanahy.

FANAINGANA (II.) Salamo 113 (112)

Fiv: Avia ianareo nosoavin’ny Raiko, avia hisaotra Azy.

1 Derao ry mpanompon’ny Tompo

Derao ny Anaran’ny Tompo.

2 Tsarovy ny Anaran’ny Tompo

Na izao na ho mandra kizay.

Fiv: Avia ianareo nosoavin’ny Raiko, avia hisaotra Azy.

3 Tongava marain-tsy hariva

Hidera ny Anaran’ny Tompo, Aleloia!

4 Ambonin’ireo firenena:

Ny lazany avo dia avo!

Fiv: Avia ianareo nosoavin’ny Raiko, avia hisaotra Azy.

5 Moa misy mitovy amy Tompo?

Ny Tompo mitoetra any ambony,

6 Ka miondrika Izy mijery,

Na lanitra izany na tany.

Fiv: Avia ianareo nosoavin’ny Raiko, avia hisaotra Azy.

7 Alany amy fako ny ory,

Esoriny avy eo ny mahantra:

8 Apetrany anilan’andriana

Andriana izay tsy fanta-bahoaka

Fiv: Avia ianareo nosoavin’ny Raiko, avia hisaotra Azy.

9 Ny momba amponeniny an-trano:

Niteraka maro ka faly.

10 Andeha isika hisaotra ny Ray:

Natsangany ho velona isika,

Fiv: Avia ianareo nosoavin’ny Raiko, avia hisaotra Azy.

11 Hitovy amin-Janany tiany;

Nomeny Fanahy manan-kery

12 Hametraka antsika rehetra

Anilany mandrakizay.

Fiv: Avia ianareo nosoavin’ny Raiko, avia hisaotra Azy.

SALAMO (III.) 85 (84)

Inona no mbola mampisalasala antsika hoe: "tia antsika ve Andriamanitra,

nefa mbola mijaly foana isika?" Kanefa i Kristy mahafoy ny Ainy ho antsika ho antoka.

Sas: Izao no ahafantarantsika ny tena fitiavana, i Jesoa

Tompo nahafoy ny Ainy hanavotra antsika, i Jesoa Tompo. (1 Joany 3,16)

Andininy:

1 Tsimbino, ry Tompo, ity taninao,

Ny babon’i Jakôba re ampodio:

Esory ny helok’ireo olonao dia sarony ny otany.

2 Ianao aza tezitra intsony aminay

Ny fonao vinitra re aok’izay!

Ianao no Mpamonjy ka ento mba hody ‘zahay Andriamanitra.

3 Toneo ny hatezerana raha sitrakao,

Ho tezitra mandrakizay ve Ianao?

Ho vinitra lava mandritra ny taona rehetra hifanaraka?

4 Tsy hamelombelona anay va Ianao?

Mba satry tokoa hiravo aminao:

Ianao tsara fo misehoa mba ho vonjy, ry Tompo Andriamanitra!

5 Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo,

Mirary fiadanana ho an’ireo tiany,

Mirary fiadanana ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.

6 Akaiky ‘zay mino Azy Tompo ny vonjy,

Honenan’ny lazany ety amintsika

Koa indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana.

7 Ny rariny ombam-piadanana hatrany

Ny hitsiny hita mitsiry amy tany

Mitsinjo avy eny amy rahon’ny lanitra kosa ny rariny.

8 Handrotsaka orana anie Izy Tompo

Izay hampamokatra tsara ny tany

Fa lalan-kizoran’ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.

9 Endrey ny indrafon’Izy Ray amintsika

Navelany ota, nantsoiny ho mpandova

Hiadam-pinaritra tahaka ny Zanany hahita ny tavany.

Sas: Izao no ahafantarantsika ny tena fitiavana, i Jesoa

Tompo nahafoy ny Ainy hanavotra antsika, i Jesoa Tompo.

TONONKIRAN’ IZAIA (IV.)Iz 26,1-10.12

Masina ny fiangonana? Misy ny zavatra manafintohina,

kanefa antoka i Kristy sy ny Apostoly Vatofototra iorenany.

Sas: Vatofototra roambinifolo, dia ny Apostolin’ny Tompo,

no nanorenan’Andriamanitra ny mandan’ny tanàna,

dia ny Apostolin’ny Tompo. (Apok 21,14)

Andininy:

1 Fa manan-tanàna mimanda isika

Dia manda roa sosona miaro antsika

Vohay vavahady ilay firenena

Mitandro ny rariny lalandava.

2 Fa izy no miadana tsy manahy

Noho izy mitoky aminao, ry Tompo,

‘Nareo matokia azy Tompo hatrany

Ny Tompo tsy miova toa vatolampy.

3 Aetriny ireo naka toerana avo

Arodany koa ny tanàna ambony

Hitovy torosy amy vovotany

Ho fanosihosin’ireo mahantra.

4 Ny lalan’ny marina mandrirano

Ianao manko no efa mandravona azy

Ry Tompo mpitsara ô, tongava Ianao

Izahay dia matoky ny Anaranao.

5 Ny alina, manina Anao ny foko

Maraina, mikatsaka Anao ny saiko

Satria raha mitsara ny tany Ianao

Handresy ny fahamarinanao.

6 Avela ve ny heloky ny olon-dratsy?

Minia mankahala ny rariny izy?

Na monina anilan’ny marina aza,

Ny ratsy fanaony tsy miova akory.

7 Matoky ‘zahay zanakao, ry Ray,

Matoky izahay mandry fehizay,

Satria Zanakao no nirahinao

Hitondra fiadanana ho anay.

8 Dia Izy no fototra fehizoro,

Iorenan’ny manda sy ny tanàna;

‘Zahay vato velona tsy hikoro

Satria efa atambatry ny Fanahy.

Sas: Vatofototra roambinifolo, dia ny Apostolin’ny Tompo,

no nanorenan’Andriamanitra ny mandan’ny tanàna,

dia ny Apostolin’ny Tompo.

SALAMO (V.)67 (66)

Sas: Ianareo izay lavitra taloha

dia manjary akaiky izao ao amin’i Kristy. (Efez 2,13)

Andininy:

1 Hiantran’Andriamanitra anie isika hotsimbininy

Ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany!

2 Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,

Ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!

3 Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,

Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao!

4 Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony

Fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.

5 Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny

Sy manjaka am’ireo firenen-drehetra isan-tokony.

6 Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,

Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao!

7 Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra,

Andriamanitra manko Andriamanitsika: mitsimbina.

8 Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,

Ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany!

9 Voninahitra anie ho an’ny Ray nandefa ny Zanany

‘Zay nomeny hanasoavany antsika noho ny Fitiavany!

Sas: Ianareo izay lavitra taloha

dia manjary akaiky izao ao amin’i Kristy.

TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.)(2 Kor 12,13a.15-15)

Inona ary no mahalatsa-danja anareo noho ny fiangonana sasany eo: afa-tsy hoe noho

izaho tsy mba nety nanararaotra anareo angaha? Indro efa fanintelo anefa izao no

hankanesako aty aminareo, fa tsy mba izaho akory no hanararaotra anareo. Satria tsy ny

fanananareo no tadiaviko, fa ianareo mihitsy. Sady tsy ny zanaka rahateo no tokony hiary

ho an’ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreny no tokony hiary ho an’ny zanany. Koa

raha ny amiko, finaritra aho handany sy holaniana tantera ka aza ho anareo, ary na dia ho

arakaraka ny fitombon’ny fitiavako anareo aza no ho fihenan’ny fitiavanareo Ahy.

SETRINY (VII.)

1 Afaka olan-teny ‘zay manan-joky:

I Jesoa no Zoky Andriamanitray;

Sitraky ny Ray mba hisolo vava:

Hifona ho anay noho ny helokay!

2 Manan-jara ihany ‘zay velon-dray:

Mahery ny Ray Andriamanitray;

Manan-jo ‘zahay satria mpandova:

Nomeny anay ‘zao rehetra izao!

3 Sambatra tokoa ‘zay mifankatia:

Iray ny Fanahy Andriamanitray,

Fihavananay Zanaky ny Ray,

Ka mamy ny miaina ny fiainanay!

4 Velom-bolo kosa ny manan-dReny:

Fa Reny tokoa ny Fiangonanay,

Miaritra ny mafy fa mpivahiny:

Mitantana anay ho any an-tranon-dRay!

TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)

Miandry takalon’antoka ho sandan’ny finoana ve isika, sa ampy ho antsika

izay nambaran’ny Tompo sy ny Fiangonany?

Sas: Sambatr’ireo tsy nahita zavatra igagana

nefa mino an’ i Jesoa Tompo. (Jn 20,29)

Andininy:

1 Deraina isaorana Izy Tompo

Ny Tompo Andriamanitr’ Israely

Fa Izy efa tonga namangy antsika

Nanavotra antsika amy fahavalo.

2 Nanolotra antsika herim-pamonjena

Avy amin’ny fianakaviana iray

Dia ny an’i Davida mpanompo tiany

F’ izany tokoa no efa nolazainy.

3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany

Dia ireo olomasiny fahagola:

Ny vonjiny hanala amy fahavalo

Hanafaka antsika amy mpankahala.

4 Noho izy nandala ny Razantsika,

Dia indro tsaroany ny Fanekeny

Fa teny nomeny an’i Abrahama

Ny hanafaka antsika amy fahavalo.

5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy

Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy

Fa entin’ny fo tia sy mahatoky

Ho eo anatrehany lalandava.

6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:

Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra",

Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao

Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.

7 Ianao hanambara ny famonjena

Dia ny famelana ny hadisoana

Satria Andriamanitra fo miantra

Mandefa masoandro hamangiany antsika.

8 Fanilo hanazava reo mitakiky

Anatin’ny haizina mahafaty.

Fanilo hanazava ny diantsika

Am’lalam-piadanana lavorary.

9 Isaory ny Ray nanome antsika

Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!

Hobio ny Fanahy niantsoana antsika

Ho sambatra hibanjina ny mazava.

Sas: Sambatr’ireo tsy nahita zavatra igagana

nefa mino an’ i Jesoa Tompo.

RANOMBAVAKA (IX.)

Mahery ny Fanahin’Andriamanitra, koa andeha hiara-miantso Azy mba hahafahantsika manatanteraka Aminy izay nanirahan’ny Ray antsika:

Fiv: Alofy izahay, ry Fanahy, mba ho tonga nofo amy fiainanay ny Tenin’ny Tompo.

1 Ry Fanahy Zanahary ô, fantatry ny Ray ny antsoantson’ireo ray aman-dreny maro anaka anefa tsy an’asa, mitrongy vao homana, noho ny tsy rariny, noho ny fanambakana ataon’ny hafa ... , alofy izahay hitondranay izay famonjena tandrify azy ireo, noho ny Tenin’ny Tompo!

Fiv: Alofy izahay, ry Fanahy, mba ho tonga nofo amy fiainanay ny Tenin’ny Tompo.

2 Ry Fanahy Zanahary ô, fantatry ny Ray ny fankahalana kobonin’ireo anaovana tsindry hazo lena, noho ny firazanana samihafa, noho ny volon-koditra tsy mitovy ..., alofy izahay hitondranay izay famonjena tandrify azy ireo, noho ny Tenin’ny Tompo.

Fiv: Alofy izahay, ry Fanahy, mba ho tonga nofo amy fiainanay ny Tenin’ny Tompo.

3 Ry Fanahy Zanahary ô, fantatry ny Ray ny famoizam-po mandrendrika ireo rehetra toa niangaran’ny vintana: ny marary, ny an-tranomaizina, ny singan’olona diso fitiavana ..., alofy izahay hitondranay izay famonjena tandrify azy ireo, noho ny Tenin’ny Tompo!

Fiv: Alofy izahay, ry Fanahy, mba ho tonga nofo amy fiainanay ny Tenin’ny Tompo.

4 Fangatahana hafa

- ho an’ireo andevozin’ny fitiavan-tenany;

- ho an’ireo manampatra ny fahefana na ny hery ananany;

- ho an’ireo mpanjakazaka an-tanin’olona;

- ho an’ny kristianina tsy mivelona araka ny Tenin’ny Tompo!

Fiv: Alofy izahay, ry Fanahy, mba ho tonga nofo amy fiainanay ny Tenin’ny Tompo.

Rainay any an-danitra ...

Andriamanitra Fanahy ô, aza mandao anay, fa efa sitraky ny Ray nomena anay Ianao, koa ampio hahay mivavaka izahay, ary tohano hahatanteraka ny teny napetraky ny Tompo taminay, dia ho zanaka malala ankahasitrahan’ny Ray izahay! Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay no angatahanay izany!

TSODRANO (X.)

Mpitsodrano:

Ilay Ray Vatolampy tsy mba miova,

ny Zanaka izay nitondra ny Tenin’Izy Ray,

ary ny Fanahy Masina ilay "Tombokaseny" anie

hanamafy orina antsika amin’ny finoana.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0076