Talata III Vavaka Hariva

ANTSO (I.)(1 Kor 12,4-8)

Fiv: ‘Ndeha hitsaoka an’Andriamanitra isika.

1 Ny fanomezan-tsamihafa

Nefa ny Fanahy iray ihany

2 Ny Fanompoana samihafa

Fa ny Tompo iray ihany.

Fiv: ‘Ndeha hitsaoka an’Andriamanitra isika.

3 Samihafa koa ny asa

F’Andriamanitr’iray ihany.

4 Ary izany no nambara

Dia ny soa ho antsika ihany.

Fiv: ‘Ndeha hitsaoka an’Andriamanitra isika.

5 Fa ny lalam-pandresena,

Avy amin’ny Fanahy iray ihany.

6 Ny fahaizana rehetra,

Zarazarainy amintsika.

Fiv: ‘Ndeha hitsaoka an’Andriamanitra isika.

7 ‘Ndeha hisaotra an’Andriamanitra

Noho ny fitiavany antsika.

Fiv: ‘Ndeha hitsaoka an’Andriamanitra isika.

SALAMO (II.) 125 (124)

Ao anatin’ireny andro sarotra mampilomay ireny

ny olon’Izy Tompo matoky manana Azy.

Sas: Na ilaozan’ny olona aza aho,

i Kristy mitsangana eo anilako

ary mankahery ahy. (2 Tim 4,16-17)

Andininy:

1 ‘Zay matoky ny Tompo Tsitoha

Ho sahala amy Jerosalema!

Marim-pototra toa vatolampy,

Tsy hihontsona mandrakizay.

2 I Siôna tanàna mimanda,

Voahodidina vohitra avo,

Fa ny Tompon’ny tafika kosa

No mba mandan’ireo nofinidiny!

3 Tsy hanjaka amin’olo-mahitsy

Raha ny herin’ny ratsy fanahy,

Ndrao ny marina koa no ho lavo

Ho voatarik’ireo olon-dratsy!

4 "Hasoavy ny olo-mahitsy,

Fa ireo ‘zay mandika ny didy:

Akipaho miaraka amy ny ratsy;

Andriamanitra marina Ianao.

5 Aoka hiadana i Israely

Mba hisaorany Anao, ô ry Ray,

Zanakao no miandany aminay

Manan-kery handresena izahay!"

Sas: Na ilaozan’ny olona aza aho,

i Kristy mitsangana eo anilako

ary mankahery ahy.

SALAMO (III.) 131 (130)

Adala nomen-tanan’ondry isika kristianina, ka na soloina ofany aza

tsy tiana, mahazo ny Fiadan’i Kristy.

Sas: Ento ny jiogako, mianara amiko,

fa malemy fanahy aho,

Ka hahita fiadanana ianao. (Mt 11,29)

Andininy:

1 Tsy mba miavona ny foko, ô ry Tompo ô,

Ka ny masako mijery tsy mianjona!

Ireo zavatra vaventy tsy enjehiko,

Ireo avo tsy sahaza alaviriko!

2 Afa-diana ny fanahiko: mamitsaka,

Toy ny zaza afa-po an-tratran-dreniny

Matokia ny Tomponao, ô ry Jakôba ô

Hatrizao sy amy taona tsisy fetrany!

3 O ry Ray, Ianao mpiahy ny madinika,

O ry Zanaka, mpitondra fahafahana!

Ry Fanahy, loharanom-piadanana,

Ny fanahiko no miantsa: voninahitra!

Sas: Ento ny jiogako, mianara amiko,

fa malemy fanahy aho,

Ka hahita fiadanana ianao.

TONONKIRA (IV.)2 Kor 1,3-5

1 Eny isaorana, ho’ aho, Andriamanitra Ray,

Andriamanitra Rain’ Izy Jesoa Mpamonjy,

Fa mangoraka hatrany, mitsimbina antsika

Mampitony ireo fo ‘zay mijaly sy ory.

Eny isaorana Ianao!

2 Eny isaorana, ho’ aho, Andriamanitra Vonjy

Manasitrana antsika rehetra mijaly,

Mba ho afa-mamonjy ny tra-pahoriana,

Dia ho toraka izay efa vitany ho antsika!

Eny isaorana Ianao!

3 Dia ho toraka izay efa vitany ho antsika:

Raha miara-mijaly amin-Janany isika,

Dia hanala alahelo, hamonjy ny ory,

Eny isaorana, ho’ aho, Andriamanitra Ray!

Eny isaorana Ianao!

TENIN’ANDRIAMANITRA (V.) Asa 4,29-31

Nomba an’i Piera sy i Joany ny Fanahy Masina, ka novotsoran’ny fitsarana

izy mirahalahy; ka niombom-bavaka ny mpianatra nanao hoe: "Ary ankehitriny,

Tompo ô, jereo ity fandrahonana ataony anay, koa herezo ny mpanomponao

hitory an-kasahiana ny Teninao; ary ahinjiro ny tananao mba hisy fanasitranana,

hisy fambara ary zava-mahagaga ho tanteraka, amin’ny Anaran’i Jesoa

Mpanomponao masina!" Nony nifarana ny vavaka nataon’izy ireo, dia

niovitrovitra ny trano nivoriany ary feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka

nitory an-kasahiana ny Tenin’Andriamanitra.

SETRINY (VI.)

Mipaka hatrany amin’ny ati-fanahy ny herin’ny Tompo, rahefa mifanehatra Aminy isika.

1 Miantso Anao izahay, ry Tompo,

Fa mitady ny Fanahy hanavao ny taninay:

Izy rivotra mahery mampijoro sy mandavo,

Ka matahotra izahay,

Sao alavony tokoa ‘zay naorinay rehetra!

Fiv: Tebitebinay rehetra ‘zany tanisainay izany,

Koa aza esorina aminay ny Fanahinao, ry Tompo,

Mba hihavaozanay tanteraka araka ny sitrakao:

Hisantaranay sahady ‘zany Fiadananao!

2 Miantso Anao izahay, ry Tompo,

Fa mitady ny Fanahy hanavao ny herinay.

Izy Rano manan-kery hitondra aina sy handrava,

Ka matahotra izahay

Sao ho ravany tokoa ‘zay mba nianteheranay!

Fiv: Tebitebinay rehetra ‘zany tanisainay izany,

Koa aza esorina aminay ny Fanahinao, ry Tompo,

Mba hihavaozanay tanteraka araka ny sitrakao:

Hisantaranay sahady ‘zany Fiadananao!

3 Miantso Anao izahay, ry Tompo,

Fa mitady ny Fanahy hanavao ny tenanay;

Izy Afo manan-kery fa mandoro sy mandio,

Ka matahotra izahay,

Sao levoniny tokoa ny fitiavan-tenanay!

Fiv: Tebitebinay rehetra ‘zany tanisainay izany,

Koa aza esorina aminay ny Fanahinao, ry Tompo,

Mba hihavaozanay tanteraka araka ny sitrakao:

Hisantaranay sahady ‘zany Fiadananao!

4 Miantso Anao izahay, ry Tompo,

Fa mitady ny Fanahy hanavao ny fiainanay:

Izy avy Aminao, ry Tompo, manan-kery hanova anay,

Ka matahotra izahay,

Sao fongorany tokoa ‘zay mba nahazatra anay!

Fiv: Tebitebinay rehetra ‘zany tanisainay izany,

Koa aza esorina aminay ny Fanahinao, ry Tompo,

Mba hihavaozanay tanteraka araka ny sitrakao:

Hisantaranay sahady ‘zany Fiadananao!

TONONKIRAN’I MARIA (VII.)

Sas: Hanambara Ahy ny Fanahy, hanafaka ny alahelonareo;

Hanambara Ahy ianareo, hanafaka ny alahelon’ny olona. (Jn 15,26-27)

Andininy: Lioka 1,46-55

1 Ny foko midera ny Tompontsika

Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra

Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy

‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.

2 Fa indro manomboka ankehitriny

Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra" aho.

Nahavita be tamiko ilay Mahefa

Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany".

3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony

Am’ ny olon-drehetra matahotra Azy,

‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry

Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.

4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,

Kanefa manadratra ireo ambany;

Manototra soa an’ireo noana

Fa mampody maina an’ireo mpanana.

5 Mpanarina an’Israely olony

Satria mahatsiaro ny indrafony

Nampanantenainy ny Razantsika

Ho an’i Abrahama sy izay taranany.

6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao,

Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,

Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika

Ho mandrakizay alaovalo!

Sas: Hanambara Ahy ny Fanahy, hanafaka ny alahelonareo;

Hanambara Ahy ianareo, hanafaka ny alahelon’ny olona.

RANOMBAVAKA (VIII.)

Maro ireo olona mba nanohy eo amin’ny tenany sy ny fiainany ny fijalian’i Kristy. Hangataka ho azy ireo isika mba hitondra famonjena ny fahoriana iaretany, satria tia antsika toy ny nitiavany an’i Kristy Andriamanitra Ray:

Fiv: Fa tsapanao. ry Ray ô, ny fahorianay.

1 Ray ô, mampijaly anay ny mahita ny hetahetam-pon’ny maro tsy tanteraka; voasakantsakana izy ireo ka mahatsiaro tena ho resy. Ny Zanakao anefa nilaza hoe: "Mangataha dia homena ianareo!" Ray ô, aza avela hanary toky izahay!

Fiv: Fa tsapanao. ry Ray ô, ny fahorianay.

2 Ray ô, mafy sady sarotra ny asa fivelomana, anefa maro ny zanakao no mikarama vary masaka; i Kristy anefa nilaza hoe: "Fantatry ny Ray izay ilainareo fa tia anareo ny Ray!" Ray ô, aza avela hanary toky izahay!

Fiv: Fa tsapanao. ry Ray ô, ny fahorianay.

3 Ray ô, maro aminay vahoakanao no mitondra fahoriana tsy eran’ny aina, noho ny aretina, noho ny tsy fahombiazana, noho ny hasomparana; ny Zanakao anefa nilaza hoe: "Mankanesa aty Amiko ianareo mitondra fahoriana sy mavesatra entana fa hanamaivana anareo Aho!" Ray ô, aza avela hanary toky izahay!

Fiv: Fa tsapanao. ry Ray ô, ny fahorianay.

4 Ray ô, samy zanakao izahay, samy zanaka tianao, samy miantso ny Anaranao anefa samy hafa toe-tsaina, ka zary mifanenjika sy mifampitsikera eo imason’izao tontolo izao! Kristy anefa nilaza taminay hoe: "Ianareo no ho vavolombeloko eran’ny vazan-tany!" Ray ô, aza avela hanary toky izahay!

Fiv: Fa tsapanao. ry Ray ô, ny fahorianay.

5 Fangatahana hafa

Fiv: Fa tsapanao. ry Ray ô, ny fahorianay.

Rainay any an-danitra ...

Andriamanitra Ray ô, ombay mankasitraka izao tonom-bavaka ataonay izao; hamafiso ny finoanay hibanjina an’i Kristy nandresy ny fahafatesana, dia hisy vokany ny fijaliana iaretanay mandritra ny fiainanay. Amin’ny alalan’i Kristy Zanakao Tomponay!

TSODRANO (IX.)

Mpitsodrano:

Ny Ray Tompon’ny Fanjakana,

ny Zanaka izay nirahiny hampanjaka ny fitiavana sy ny fahamarinana,

ary ny Fanahy mampivoatra ny fon’ny olona anie

hampivondrona antsika amin’ny Fanjakany.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0088