ANTSO (I.)
Ny tenin’Andriamanitra dia Aina mampody aina. Izay mifikitra Aminy mandry tsy aminrahotra.
Fiv: Ny Teninao, ry Tompo, no Teny mahavelona. (Jn 6,68)
1 Izay mandre ny Teny ka mitandrina azy ireny, hoy ny Tompo!
Dia toy ny trano miorina eo ambony vatolampy.
Fiv: Ny Teninao, ry Tompo, no Teny mahavelona.
2 Raha tonga ny oram-baratra ombana rivo-doza
Tsy hihontsona ny trano fa hijoro lalandava.
Fiv: Ny Teninao, ry Tompo, no Teny mahavelona.
3 Izay mandre ny Teny nefa tsy mitandrina azy
Dia toy ny trano miorina eo ambony tora-pasika.
Fiv: Ny Teninao, ry Tompo, no Teny mahavelona.
4 Raha tonga ny onjan-drano sy ny oram-batravatra,
Hirodana ny trano ka ho loza no hiafarany! (Mt 7,24-27)
Fiv: Ny Teninao, ry Tompo, no Teny mahavelona.
FANAINGANA (II.) (Sal 24 (23))
Fiv: Ho tampoka ny fiavin’ny Tompo, samia àry vonona hitsena Azy isika.
1 Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa
Dia izao rehetra izao ary izay monina ao.
2 Naoriny ambonin’ny rano izy ireny,
Napetrany tsara eo ambonin’ny ony;
Fiv: Ho tampoka ny fiavin’ny Tompo, samia àry vonona hitsena Azy isika.
3 Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo;
Hanorim-ponenana an-toerany masina?
4 Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,
‘izay tsy mianiana tsy to amin’ny hafa;
Fiv: Ho tampoka ny fiavin’ny Tompo, samia àry vonona hitsena Azy isika.
5 Dia Izy no hany hotsofina rano,
Ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy.
6 Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha
Ny endrik’ilay Andriamanitra Tompo.
Fiv: Ho tampoka ny fiavin’ny Tompo, samia àry vonona hitsena Azy isika.
7 ‘Nareo vavahady, atrakao ny tatao,
‘Nareo varavarana re, misondrota!
8 Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!
Fa iza ary moa no Mpanjaka malaza?
Fiv: Ho tampoka ny fiavin’ny Tompo, samia àry vonona hitsena Azy isika.
9 Ny Tompo mahery ny Tompo tsitoha,
Ny Tompon’ny tafika mahery an’ady!
10 ‘Nareo vavahady: atrakao ny tatao,
‘Nareo varavarana re, misondrota:
Fiv: Ho tampoka ny fiavin’ny Tompo, samia àry vonona hitsena Azy isika.
11 Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!
Fa iza tokoa no Mpanjaka malaza?
12 Ny Tompon’ny tafika mahery an’ady,
Ny Tompo no hany Mpanjaka malaza?
Fiv: Ho tampoka ny fiavin’ny Tompo, samia àry vonona hitsena Azy isika.
13 Andeha ary hiara-midera ny Tompo!
Ny Ray: hanome voninahitra antsika;
14 Ny Zanaka: santatra, niantsoana antsika;
Fanahiny: nanamarinana antsika!
Fiv: Ho tampoka ny fiavin’ny Tompo, samia àry vonona hitsena Azy isika.
SALAMO (III.)119(118),145-152
Aoka tsy hataontsika eo am-bava fotsiny ny Tenin’Andriamanitra,
fa harahintsika amin’ny fiainana.
Sas: Hoy i Kristy: tsy izay miantso hoe:
"Tompoko, Tompoko" no tena mpianatro,
Fa ireo manatanteraka ny sitrapon’ny Raiko ‘zay any an-danitra. (Mt 7,21)
Andininy:
1 Miantso Anao ny saina, fo, fanahiko,
Mba valio hatrany re, ry Tompoko,
Ny fitsipikao ho tanterahiko!
2 Indro Ianao irery no antsoiko,
Ka vonjeonao aho, ry Tompoko,
Ho tandremako ireo nambaranao.
3 Mbola tsy mazava ny atsinanana
D’efa velon’antso mitaraina aho,
Miandry am-pitokiana ‘zany Teninao.
4 Mihoatra ireo mpiambina amin’ny alina
Zara raha mikimpy ‘tony masoko,
Dia ny didinao no saintsainiko!
5 Mba henoy ny talahoko Aminao,
E! tsy manam-petra n’hatsaram-ponao!
Ny fitsaranao anie hamelona ahy.
6 ‘Reo mpanenjik’ahy indreo manatona,
Sy miray tetika amin’ny heloka
Ny lalana atoronao nilaozany!
7 Fa Ianao tsy lavitra, ry Tompoko,
Marina avokoa ny didinao,
Teninao no marina ifikirako!
8 Efa hatry ny ela d’indro fantatro,
‘Lay fanambarana mba hamonjy anay
Dia naorinao ho marim-pototra.
9 Koa deraiko Ianao, ry Ray Mpiahy anay,
Zanakao no Lalana sy Fiainanay,
‘Lay mitondra anay hanao ny sitrakao.
Sas: Hoy i Kristy: tsy izay miantso hoe:
"Tompoko, Tompoko" no tena mpianatro,
Fa ireo manatanteraka ny sitrapon’ny Raiko ‘zay any an-danitra.
SALAMO (IV.)14 (13)
Inian ‘izao tontolo izao tsy fantatra fa velona ny Tompo Andriamanitra,
maso mahita ny fahorian ‘ny vahoakany.
Sas: Efa nambaran’ny Tompo marina
Tsisy tsy mahalala an’Andriamanitra
‘Reo afa-misaina amy tany tontolo,
Nahoana no soloina lainga
Ny fahamarinan’Andriamanitra? (Jereo Rom 1,20-25)
Andininy:
1 Ny adala manao Andriamani-tsy misy,
E! simba tokoa ny fisainan’ireny.
Toetra lomorina, asa tsy mety:
Tsy misy olo-marina intsony mihitsy.
2 Fa indro eny an-danitra ambony ny Tompo,
Mitazana ny olon-drehetra eto an-tany,
Fa sao dia mba misy olon-kendry amin’ireo,
Dia olo-misaina mitady ny Tompo.
3 Kinanjo tsy misy olom-banona akory,
Tsy nisy na iray olo-mahitsy;
Tsy nisy azo-antsoina ho manam-panahy
Fa olon-tsy mendrika izy rehetra.
4 Angaha moa tsy fantatr’ireo olon-dratsy
"Vahoakako anie no ataony sakafo!"
Vahoaka madinika ataony fanosy;
Dia fady azy ireo ‘zay mba hiantso ny Tompo.
5 Indreo fa nangovitra teo ry zareo
Satria teo anivon’ny Tsotra ny Tompo;
"Ho sahinareo ve ny haneso ny ory?
Kanefa ny Tompo miandany amin’ireny!"
6 Rarîna ho afaka ianao ry Siôna
Rahefa hampodina avokoa ‘reo ‘zay babo!
Lanonana moa izany hataon-dry Jakôba!
Endrey ny hafaliana amin-dry Israely
7 Ho Anao Ray Mahery, ‘lay fefin’ny ory,
Ho anao re, ry Fahamarinan’ny Ray,
Ry ‘Lay Mpanambara ny asan’ny Tompo, [Fanahy masina]
Henoy re fa antsa no ventesinay!
Sas: Efa nambaran’ny Tompo marina
Tsisy tsy mahalala an’Andriamanitra
‘Reo afa-misaina amy tany tontolo,
Nahoana no soloina lainga
Ny fahamarinan’Andriamanitra?
SALAMO (V.)117 (116)
Hatrany am-paravaza-tany: samy zandrin’i Kristy! miombom-peo, miombona aina.
Fiv: Ny firenen-drehetra no navotanao, ry Tompo,
Vahoaka tsy hita isa, no natolotrao ny Ray. (Apok 5,9-10)
Andininy:
1 Aleloia!
Ianareo firenena rehetra,
Aoka hiara-midera ny Tompo!
Ry vahoaka eran-tany tontolo,
Aoka hiantsa ny Tompo ianareo.
2 Aleloia!
Ny fitiavany anay tsy mba lefy,
Tsy mivadika mandrakizay!
Hankalaza ny Tompo àry isika:
Izy Tompo manjaka amintsika!
Fiv: Ny firenen-drehetra no navotanao, ry Tompo,
Vahoaka tsy hita isa, no natolotrao ny Ray.
TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.) 2 Piera 1.19-21
Fa manana ny teny faminaniana isika, ary teny faminaniana mafy orina, koa
tsara ny ibanjinanareo Azy ho toy ny fanilo manazava ao anatin’ny maizina,
mandra-piposaky ny andro, mandra-pamiratry ny kintana fitarik’andro ao
am-ponareo. Fantaro tsara anefa, fa ao amin’ny Soratra Masina, tsy misy
faminaniana azo aankina amin’ny herintsain’olombelona fotsiny; satria na
oviana na oviana tsy nateraky ny sitrapon’olombelona ny faminaniana, fa ny
Fanahy Masina no hany nampiteny izay olomasin’ Andriamanitra notsindriany.
SETRINY (VII.)
Mahavery saina ny zava-misy ... Fomba itantanan’i Kristy
hahatonga lafatra antsika ho tena mpianany izany.
Fiv: O ry Tompo tia anay! Aza entina misedra izay tsy zakanay izahay,
Aza avelanao ho irery, fa raha feno ny fotoana hiverenanao indray,
Mbola hino ve izahay?
1 Fa impiry moa ‘zahay no esoina noho Ianao,
Raha miezaka mitia ‘reny zandrinao ireny!
Zary menatra izahay,
Fa lazaina ho mpanonofy
Sy mpandrendrika vahoaka
Hanantena ny tsy misy!
Fiv: O ry Tompo tia anay! Aza entina misedra izay tsy zakanay izahay,
Aza avelanao ho irery, fa raha feno ny fotoana hiverenanao indray,
Mbola hino ve izahay?
2 Fa impiry moa ‘zahay no vonoina noho Ianao,
Raha mikiry mampanjaka ‘zany fahamarinanao!
Ny anaranay lotoina,
Ny fiainanay fofoina;
Tsisy toerana ho anay
Am’izao tontolo izao!
Fiv: O ry Tompo tia anay! Aza entina misedra izay tsy zakanay izahay,
Aza avelanao ho irery, fa raha feno ny fotoana hiverenanao indray,
Mbola hino ve izahay?
3 Firifiry moa ny olona tsy mino Anao akory
Nefa indro fa mahomby eo ambany masonay
Izay iriny tsy mivaona,
Izay ataony igagana;
Azy izao tontolo izao,
Ka voailika izahay!
Fiv: O ry Tompo tia anay! Aza entina misedra izay tsy zakanay izahay,
Aza avelanao ho irery, fa raha feno ny fotoana hiverenanao indray,
Mbola hino ve izahay?
4 Firifiry moa ny olona miandrandra famonjena,
Ny finoanay anefa tsy mitombo fa mihena!
Olon-dresy hamavoina,
Olo-marina vonoina,
Anirahanao anay
Nefa miahotra izahay!
Fiv: O ry Tompo tia anay! Aza entina misedra izay tsy zakanay izahay,
Aza avelanao ho irery, fa raha feno ny fotoana hiverenanao indray,
Mbola hino ve izahay?
5 Fa impiry moa Ianao no nilaza taminay
Fa ny lalam-pamonjena no natolotrao anay:
Famonjena itokiana
Tamin’ny Hazofijaliana
Efa nentinao nandresy
An’izao tontolo izao.
Fiv: O ry Tompo tia anay! Aza entina misedra izay tsy zakanay izahay,
Aza avelanao ho irery, fa raha feno ny fotoana hiverenanao indray,
Mbola hino ve izahay?
TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)
Fanomezana avy Aminao ny finoanay, ry Tompo,
ka aza avela hivadika amin’izany finoana izany izahay.
Fiv: Amin’ny andro hiverenan’ny Zanak’Olona
Mbola hisy finoana ve eto an-tany? (Lk 18,8)
Andininy:
1 Deraina isaorana Izy Tompo
Ny Tompo Andriamanitr’Israely
Fa Izy efa tonga namangy antsika
Nanavotra antsika amy fahavalo.
2 Nanolotra antsika herim-pamonjena
Avy amin’ny fianakaviana iray
Dia ny an’i Davida mpanompo tiany
F’izany tokoa no efa nolazainy.
3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany
Dia ireo olomasiny fahagola:
Ny vonjiny hanala amy fahavalo
Hanafaka antsika amy mpankahala.
4 Noho izy nandala ny Razantsika,
Dia indro tsaroany ny Fanekeny
Fa teny nomeny an’i Abrahama
Ny hanafaka antsika amy fahavalo.
5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy
Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy
Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky
Ho eo anatrehany lalandava.
6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:
Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra",
Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao
Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.
7 Ianao hanambara ny famonjena
Dia ny famelana ny hadisoana
Satria Andriamanitra fo miantra
Mandefa masoandro hamangiany antsika.
8 Fanilo hanazava reo mitakiky
Anatin’ny haizina mahafaty.
Fanilo hanazava ny diantsika
Am’lalam-piadanana lavorary.
9 Isaory ny Ray nanome antsika
Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!
Hobio ny Fanahy niantsoana antsika
Ho sambatra hibanjina ny mazava.
Fiv: Amin’ny andro hiverenan’ny Zanak’Olona
Mbola hisy finoana ve eto an-tany?
RANOMBAVAKA (IX.)
Hampianatra antsika ho tia ny Ray no nahatongavan’i Jesoa tety amintsika sy
nahafoizany ny ainy; koa ‘ndeha isika hiaraka hitalaho ny fanampiany.
Fiv: Tianao ‘zahay, Jesoa, enga anie ‘zahay ho voninahtry ny Ray.
1 Kristy Zokinay ô, misaotra Anao izahay fa nifidy anay ho vato velona irafetan’ny Fiangonanao Ianao, ary mbola miantso Malagasy maro hanaraka Anao; aza avela ho voasarik’izao tontolo izao hanahaka azy izahay.
Fiv: Tianao ‘zahay, Jesoa, enga anie ‘zahay ho voninahtry ny Ray.
2 Kristy Zokinay ô, misaotra Anao izahay fa omen’ny Ray anay izay rehetra angatahinay amin’ny Anaranao, sokafy ny fonay hahaizanay mizara amin’ireo manodidina anay.
Fiv: Tianao ‘zahay, Jesoa, enga anie ‘zahay ho voninahtry ny Ray.
3 Kristy Zokinay ô, misaotra Anao izahay noho ireo olona tsara sitrapo milofo mampanjaka ny rariny sy ny hitsiny eran-tany ary tsy miahotra hamoy ny ainy aza mba ho antoky ny fandria-pahalemana hiadanan’ny vahoaka; herezo izahay hiara-miasa amin’izy ireo.
Fiv: Tianao ‘zahay, Jesoa, enga anie ‘zahay ho voninahtry ny Ray.
4 Kristy Zokinay ô, misaotra Anao izahay noho ireo Ray aman-dreny kristianina miezaka hahatonga taiza ny zanak’ Andriamanitra napetraka eo ankohonany; mamolavola olom-pinoana hanasoa ny Fiangonana sy ny Firenena izy ireny, koa tsimbino ny ezaka ataony hamokatra araka izay sitraky ny Ray.
Fiv: Tianao ‘zahay, Jesoa, enga anie ‘zahay ho voninahtry ny Ray.
5 Fisaorana hafa:
- noho ireo fianakaviana kristianina miray hina sy mifankatia marina;
- noho ny ezaka ataon’ny Fiangonana kristianina isan-tokony hifanatona; (eokomenisma)
- noho ny fahafahantsika kristianina midera an’Andriamanitra Ray an-kalalahana.
Fiv: Tianao ‘zahay, Jesoa, enga anie ‘zahay ho voninahtry ny Ray.
Rainay any an-danitra ...
Andriamanitra Rainay ô, misaotra Anao izahay fa naniraka an’i Kristy Zanakao Ianao, ary manome anay ny Fanahinao; mba maniry ho tia Anao toy izay nitiavan’i Kristy Anao izahay, anefa mazàna toherinay ny Fanahinao Masina manentana anay!
Ray masina ô, mamindrà fo aminay, fa efa nahafoy ny ainy ho anay i Kristy Zokinay, Ilay nitsangan-ko velona mba ho Mpanalalana anay mandrakizay!
TSODRANO (X.)
Mpitsodrano:
Hitsinjo antsika anie
ny Ray izay mahatsiaro ny tsy manam-piahy,
ny Zanaka izay nandray ny ankizy madinika,
ary ny Fanahy izay manandratra ny manetry tena.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!