ANTSO (I.)
Fiv: O ry Jesoa tsaroanao ve!
1 ‘Reo marary sy mijaly re ka nositraninao, tsaroanao ve?
‘Reo vahoaka nentinao mba hah’fantatra ny Ray.
Fiv: O ry Jesoa tsaroanao ve!
2 ‘Reo mpanota te-hivalo re ka novonjenao?
‘Reny asam-pitoriana mbamin’ny Tonombavakao?
Fiv: O ry Jesoa tsaroanao ve!
3 N’ hafalian’ireo mpianatra nihaona Taminao?
Fa nomenao ny Fanahy ‘reo hanohy ny Asanao?
Fiv:O ry Jesoa tsaroanao ve!
SALAMO (II.)122 (121)
Vato arafitra ao amin’ny Fiangonan’i Kristy isika,
misondrotra miakatra ao an-tranon’Andriamanitra.
Sas: Fiainana mandalo sy mihelina ny eto an-tany,
fa fiainana maharitra no hitodiantsika. (Hb 13,14)
Andininy:
1 Hafaliana no nanenika ny tenako rehetra
Nilazana fa hizotra ho any an-tranon’Izy Tompo,
Indro tonga soa ‘zahay, tapitr’eto re ny dia,
Eto am-bavahadinao, ry Siôna tsara rindra.
2 Ao no miakatr’ireo foko, dia ny fokon’Izy Tompo
Ao ny Anaran’Izy Tompo no derain’i Isiraely.
Fiketraham-pitsarana no mijoro anatiny ao,
Ary miorina ao anivony ao ny tranon’i Davida!
3 Angataho, italahoy fiadanana i Siôna,
Fanambinan’e, mba ho amy ny olon-tia anao rehetra!
Fiadanana e, mba honina ao anaty mandanao!
Ka hanjaka lalandava ao anaty rovanao.
4 Noho ireo sakaiza maro s’ireo havako rehetra,
Aoka aho hilaza hoe: Fiadanana ho Anao!
Noho ny tranon’Izy Tompo dia ‘lay Andriamanitray,
Tiako indrindra ry Siôna ny mba hiadananao!
5 Andriamanitr’ô, indreto izahay hidera Anao,
Fa ny Lahitokanao no miara-dalana aminay,
Hankahery anay hatrany ny Fanahy nomeny anay
Mba ho tody soa ‘zahay hiara-monina Aminao!
Sas: Fiainana mandalo sy mihelina ny eto an-tany,
fa fiainana maharitra no hitodiantsika. (Hb 13,14)
SALAMO (III.)130(129)
Tsisy lalina tsy takatry ny indrafon’Andriamanitra
ka tsy nanolorany ny Zanany ho tana-mamonjy.
Sas: Eny e! Tsy tonga ho an’ny olomarina i Kristy,
fa ho an’ny mpanota. (Mt 9,13)
Andininy:
1 Avy ato anaty hantsana aho, ry Tompo, no miantso.
Tompo ô, henoy re ‘zany feoko.
Ho tandrin-tsofinao anie ny antsoko miangavy
He fa mitoreo izato feoko.
2 Raha tsikilovinao irony heloka natao
Zovy re, ry Tompo, no haharitra?
Saingy eo anilanao no ahitako famelana
Toky ho ahy Ianao ka dia toaviko.
3 Ny Tompo no antenain’ny fanahiko hatrany
Vonona aho miandry izany teniny.
Manoatra ny mpiambina miandry ny maraina
No aoka hiandrasantsika an’Andriamanitra.
4 Fa tsara fo endre ka fanaperana Izy Tompo
Avotra lehibe ka ianteherana.
Dia Izy no andrasan’i Isiraely hanavotra azy
Afaka tanteraka ny helony.
5 Isaorako tanteraka ny Raiko feno antra;
Diso aho, kanefa dia navelany.
Isaorako ny Zanaka Mpamonjy ny mpanota
Ary ny Fanahy ‘lay Mpanamarina.
Sas: Eny e! Tsy tonga ho an’ny olomarina i Kristy,
fa ho an’ny mpanota.
TONONKIRA (IV.)1 Kor 1,4-9
1 Tsy hitsahatra hisaotra an’Andriamanitra isika,
Noho ny soa ara-panahy ao am’i Jesoa Tompontsika.
‘Zay antenaintsika!
2 Fa satria ao am’i Jesoa Tompo marina tokoa
Ny harena sesehena izay atobaka amintsika.
‘Zay’antenaintsika!
3 Dia ny teny sy ny hareny, ny fahaizana rehetra,
F’efa miorina amintsika manko ny hafatr’Izy Tompo.
‘Zay antenaintsika!
4 Koa tsy orim-pahasoavana mihitsy raha isika
Dia isika ‘zay miandry ny hiverenan’Izy Tompo
‘Zay antenaintsika!
5 Izy kosa tsy hitsahatra ny hankahery antsika,
Mba tsy hanan-tsiny isika rahefa feno ny fotoana.
‘Zay antenaintsika!
6 Tsy mivadika Andriamanitra rahefa miantso antsika,
Mba hiombona amin-Janany: dia i Jesoa Tompontsika.
‘Zay antenaintsika!
TENIN’ANDRIAMANITRA (V.)(1 Piera 4,9-10)
Mifampiantranoa ianareo, ary aoka tsy ho am-pimonjomonjoana no anaovana
izany. Ny fanomezan’Andriamanitra noraisinareo: ento manasoa ny hafa, fa izany
no sitrak’Andriamanitra hitantananareo ny fanomezan-tsamihafa notsinjarainy
taminareo.
SETRINY (VI.)
Moa ny masontsika nahita an’i Kristy? Isika tsy nahita nefa mino ny Tenin’ireo nahita azy fahiny, ary isika kosa ankehitriy no afa-manambara Azy amin’ny taona mifandimby.
Fiv: Eny tanteraka ny zavatra rehetra!
Masonay ‘efa nahita, sofinay efa nandre
Ny zava-mahaga nataon’Izy Tompo!
Masonay efa nahita, sofinay efa nandre
Fa Zanak’Andriamanitra tokoa i Jesoa!
Izy no Amen! Aleloia! (2 Kor 1,20)
1 Efa niseho tamin’ny mpifatotra an-tranomaizina
Ny Anjelin’ny Tompo, nanapaka gadra, namoha hidin-trano,
Naniraks hoe: "Andeha, tantarao amin’ny bavanareo
Izay vitan’ny Tompo, nataony anareo:
Fa mahery ny Fanahiny ...! (Asan’ny Apostoly 12,1-9 sy 16,25-40)
Fiv: Eny tanteraka ny zavatra rehetra!
Masonay efa nahita, sofinay efa nandre
Ny zava-mahaga nataon’Izy Tompo!
Masonay efa nahita, sofinay efa nandre
Fa Zanak’Andriamanitra tokoa i Jesoa!
Izy no Amen! Aleloia!
2 Efa niseho tamin’ny mpanenjika ny olo-marina
Ny Anjelin’ny Tompo nandefa hazavana, nanjemby ny maso.
Naniraka hoe: "Andeha, tantarao amin’izay tsy mino
Izay vitan’ny Tompo, nataony anareo:
Fa mahery ny Fanahiny ...!" (Asan’ny Apostoly 9)
Fiv: Eny tanteraka ny zavatra rehetra!
Masonay efa nahita, sofinay efa nandre
Ny zava-mahaga nataon’Izy Tompo!
Masonay efa nahita, sofinay efa nandre
Fa Zanak’Andriamanitra tokoa i Jesoa!
Izy no Amen! Aleloia!
3 Efa niseho tamin’ny mpianatra niombom-bavaka
Ny Anjelin’ny Tompo, niseho hita maso, nanampy hiteny.
Naniraka hoe: "Andeha, tantarao am’ireo firenena
Izay vitan’ny Tompo, nataony anareo:
Fa mahery ny Fanahiny...!" (Asan’ny Apostoly 13,2-3)
Fiv: Eny tanteraka ny zavatra rehetra!
Masonay efa nahita, sofinay efa nandre
Ny zava-mahaga nataon’Izy Tompo!
Masonay efa nahita, sofinay efa nandre
Fa Zanak’Andriamanitra tokoa i Jesoa!
Izy no Amen! Aleloia!
4 Efa niseho tamin’ny mpianakavy izay tafavory
Ny Anjelin’ny Tompo, nitondra hafaliana, nanolotra saina,
Naniraka hoe: "Andeha, tantarao am’ireo efa mino
Izay vitan’ny Tompo, nataony anareo:
Fa mahery ny Fanahiny...!" (Asan’ny Apostoly 4,23-31)
Fiv: Eny tanteraka ny zavatra rehetra!
Masonay efa nahita, sofinay efa nandre
Ny zava-mahaga nataon’Izy Tompo!
Masonay efa nahita, sofinay efa nandre
Fa Zanak’Andriamanitra tokoa i Jesoa!
Izy no Amen! Aleloia!
TONONKIRAN’I MARIA (VII.)
Sas: Izay mandray anareo, mandray Ahy;
Izay mandray Ahy, mandray ny Ray ‘zay naniraka Ahy. (Mt 10,40)
Andininy:
1 Ny foko midera ny Tompontsika
Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy
‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
2 Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra" aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa
Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany".
3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony
Am’ny olon-drehetra matahotra Azy,
‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry
Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,
Kanefa manadratra ireo ambany;
Manototra soa an’ireo noana
Fa mampody maina an’ireo mpanana.
5 Mpanarina an’Israely olony
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny Razantsika
Ho an’i Abrahama sy izay taranany.
6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,
Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika
Ho mandrakizay alaovalo!
Sas: Izay mandray anareo, mandray Ahy;
Izay mandray Ahy, mandray ny Ray ‘zay naniraka Ahy.
RANOMBAVAKA (VIII.)
Tsy mahefa na inona na inona isika raha tsy mitoetra ao amin’i Kristy sy itoerany; koa andeha isika hiara-miantso Azy honenany ety amintsika:
Fiv: Mandrosoa ao an-tranonay Ianao, ry Jesoa.
1 Jesoa Tompo ô, fantatrao ny fahantrana mangeja anay, tsidiho isam-baravarana izahay handraisanay ny harena avy Aminao hampivelatra ny mahazanak’Andriamanitra anay .
Fiv: Mandrosoa ao an-tranonay Ianao, ry Jesoa.
2 Jesoa Tompo ô, fantatrao fa maro ireo Malagasy havanay no tsy mbola nandre ilay Vaovao Mahafaly torinao amin’ny malahelo, tsidiho isam-baravarana izahay hiarahanay rehetra mihoby an-kafaliana ny fitiavan’ny Ray anay!
Fiv: Mandrosoa ao an-tranonay Ianao, ry Jesoa.
3 Jesoa Tompo ô, fantatrao ny fahoriana sy ny tebiteby isan-karazany tsy
mampandry andro, tsy mampandry alina ny maro aminay; tsidiho isam-baravarana izahay, handraisanay ny Fiadanana namppnantenainao anay!
Fiv: Mandrosoa ao an-tranonay Ianao, ry Jesoa.
4 Jesoa Tompo ô, fantatrao fa matetika menatra ny Anaranao izahay mpianatrao; tsidiho isam-baravarana izahay hanome hery anay.
Fiv: Mandrosoa ao an-tranonay Ianao, ry Jesoa.
5 Fangatahana hafa:
- ho an’ireo mpivahiny na mahantra mandondom-baravarana: mba horaisintsika sahala amin’ny handraisantsika ny Tompo izy ireny;
- ho an’ireo tokantrano mikorontana;
- ho an’ireo olona manirery eo anivon’ny fiainana;
- ho an’ireo mpianatra batemy.
Fiv: Mandrosoa ao an-tranonay Ianao, ry Jesoa.
Rainay any an-danitra...
Ray ô, nirahinao hiara-monina aminay i Kristy Zanakao, mba hahasambatra anay; koa mihanta aminao izahay, sokafy ny fonay tsy hatorianay amin’ny aloky ny fahafatesana, dia handray ny fahazavana avy aminy izahay, ary hibanjina ny voninahiny mba hahafahanay mijoro ho vavolombelony eo anivon’ny mpiara-belona aminay! Amin’ny alalan’Izy Kristy Tomponay no angatahanay izany! ...
TSODRANO (IX.)Apok 1,8
Mpitsodrano:
Ny Ray mandefa ny Zanany ho eto amintsika,
ny Zanaka izay mandom-baravarana antsika,
ary ny Fanahy izay manaitaitra ny fontsika anie
hitoetra miaraka amintsika amin’ity takariva ity
sy isan’andro vaky.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!