Herinandro vaovao no atombontsika izao, iezahana hamaliana ny antson’Andriamanitra amintsika sy hanatanterahana izay andrasany amintsika.
ANTSO (I.)
VALINKIRA
Fiv: Iza moa Ianao, Ry Jesoa Nazareana?
1 Tonga niara-nonina tamy zanak’olombelona
Tsy mba notompoina fa nilatsaka ho mpanompo.
Fiv: Iza moa Ianao, Ry Jesoa Nazareana?
2 Tsy mba nanameloka na velom-pitsarana
Fatra-panamaivana ny fijalian’ny ory.
Fiv: Iza moa Ianao, Ry Jesoa Nazareana?
3 Lalam-pitiavana no lala-nodiaviny.
Herin’ny Fitiavany dia foiny hatramin’ny ainy.
Fiv: Iza moa Ianao, Ry Jesoa Nazareana?
4 Nasandratr’Andriamanitra, nasandrany ho Tompo
Eny, fa Ianao tokoa no Zanak’Andriamanitra.
Fiv: Iza moa Ianao, Ry Jesoa Nazareana?
FANAINGANA (II.)Salamo 67 (66)
Fiv: Hitanay i Kristy, ‘ndeha isika ho any Aminy. (Jn 1,45-46)
1 Hiantran’ Andriamanitra anie isika hotsimbininy
Ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany!
2 Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,
Ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!
Fiv: Hitanay i Kristy, ‘ndeha isika ho any Aminy.
3 Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao!
4 Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony
Fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fiv: Hitanay i Kristy, ‘ndeha isika ho any Aminy.
5 Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny
Sy manjaka am’ireo firenen-drehetra isan-tokony.
6 Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao!
Fiv: Hitanay i Kristy, ‘ndeha isika ho any Aminy.
7 Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra,
Andriamanitra manko Andriamanitsika: mitsimbina.
8 Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
Ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany!
Fiv: Hitanay i Kristy, ‘ndeha isika ho any Aminy.
9 Voninahitra anie ho an’ny Ray nandefa ny Zanany
‘Zay nomeny hanasoavany antsika noho ny Fitiavany!
Fiv: Hitanay i Kristy, ‘ndeha isika ho any Aminy.
SALAMO (III.)84 (83)
Tompon-trano iskra ao amin’ny Fiangonana. Mahafinaritra izany!
Kanefa tsarovy fa ipetrahana adidy.
Sas: Tsy vahiny tsy olo-manjeny ianareo, fa miombon-dova
amin’ny Olomasina ary Fianakavian’Andriamanitra. (Efez 2,19)
Andininy:
1 Endrey tena kanto ny fonenanao,
Ry Tompon’ireo Fahefana sy Hery,
Manembona Anao lalandava ny foko
Misento maniry ny Kianjanao.
2 Endrey velon-kira mihoby ny foko,
Mientana faly, miandra Azy Tompo,
Fa velona sady manjaka tokoa
Ilay Andriamanitra Fanantenako.
3 Ny voromanidina reny tsy lao,
Ireo sidintsidina mbamin’ny fody,
Mitoetra manila ny Otelinao
Ry Tompo Mpanjakan’ny tany tontolo.
4 Endrey ny hasambaran’ny vahoakanao,
Mihoby, midera tsy tapaka Anao,
Miravo tokoa ‘zay mitoky Aminao
Mavitrika, tojo ny lalan-kombana.
5 Ny tany mangentana indro zahao:
Miboika ny rano fanala hetaheta.
Ny voalohan’orana zary tsodrano,
Mipatraka mora sy mamelombolo.
6 Endrey fa mitombo ‘zaitsizy ny hery,
Miroso tsy miato hatrany ny dia,
Mitety havoana ka maila-pandeha,
Matoky hahita ny Tompo ao Siôna.
7 Henoy re ny feoko, ry Tompo mahery,
Ry Ain’i Jakôba, mba ombay mitsinjo,
Ianao manko Tompo Ampinga sy Aro,
Tazano ‘lay hany nofinidinao.
8 Ny andro iray ao an-kianjanao
Mihoatra ny arivo an-toerana hafa.
Aleoko mandia ‘zany tokonanao,
Tsy tiako ny lay manalavitra Anao.
9 Fa Manda mijoro sy Ampinga ny Tompo,
Manetsaka soa aman-kaja ‘reo tiany,
Mambomba hasambarana hatrany hatrany,
Ny olony vonon-kahitsy famindra.
10 Ry Tompon’ireo Fahefana sy Hery,
Endrey ‘zany soa sy firavoravoana,
Iriariavan’ny vahoakanao
Matoky sy miankina mafy Aminao.
11 ‘Lay Ray Tompontrano hanangana antsika
‘Lay Zanany tonga nitondra ny antso
‘Lay Hery atolony dia ny Fanahy:
Ombantsika Saotra fa Andry sy Toky.
Sas: Tsy vahiny tsy olo-manjeny ianareo, fa miombon-dova
amin’ny Olomasina ary Fianakavian’Andriamanitra.
TONONKIRA (IV.)Iz 2, 2-5
Sas: Miara-mizotra isika ho any Jerosalema vaovao;
Ka tsy hisara-mianakavy,
fa hifanatri-tava amin’ny Ray mandrakizay! (Apok 21,24; 22,4)
Andininy:
1 Izao no ho tonga any am-parany any,
Ny vohitra misy ny Tompontsika
Dia hanerinerina ambony havoana,
Ho sangan’ireo tendrombohitra avo.
2 Hirohotra ho any ny firenena,
Hanao ranolava hifampitaona
"Andeha isika hiakatra ny tanàna
Fonenan’Andriamanitr’i Jakôba.
3 Fa hanoro antsika ny lalany Izy
Mba hizorantsika manaraka Azy
I Siôna manko no loharano
Ipoiran’ny Teniny sy ny lalàny."
4 Ny Tompo hampihavana ny vahoaka
Hitsara ireo adin’ny firenena
Hovana ny sabatra ho fangady
Ny lefona ho antsy fijinjana.
5 Ho foana tokoa ny adim-pirenena
Hitsahatra koa ny fianarana ady
Tongava ianareo terak’i Jakôba
Atony ny Fahazavan’ny Tompo!
6 Hanatona hidera ny Ray isika,
Fa avo sy masina indrindra Izy:
Nambarany antsika ny sitrapony
Ho masina tsy hanan-tsiny isika.
Sas: Miara-mizotra isika ho any Jerosalema vaovao;
Ka tsy hisara-mianakavy,
fa hifanatri-tava amin’ny Ray mandrakizay!
SALAMO (V.)96 (95)
Sas: Izao no hiseho rahefa any am-parany any ho resen’i Kristy
ny hery rehetra, ka hatolony an-dRainy ny fanjakana. (1 Kor 15,24)
Andininy;
1 Ikaloy reo hira vaovao
Ho an’ny Tomponao ry manan’aina
Ny fisaorana ao ka hanakoako!
Isan’andro vaky dia torio
‘Tony vonjy nentiny lazao,
Mba handre daholo ny eran-tany!
2 Fa ny Tompo ihany no ambony
Mahatahotra Izy noh’ny hafa,
Ka variana ery ny firenena.
Tsinontsinona avokoa, rey lahy
Ny andriamani-kafa tsy miteny,
F’Izy irery no masi-mandidy.
3 N’habakaba-manga dia nataony
Ka ny lapa masiny tazano
Fa mitemitra ‘lay fahefany,
Ka omeo ny Tompo, rey vahoaka
‘Tony hasina sy fahefana
Mbamy ‘reo Anaram-panajana.
4 Ny fanatitrao ‘ndeha atolory
Ka ny Tompo Masina iankohofy
Fa ny tavany e dia mahajemby.
Ny tontolo aoka hihararetra
Fa hilaza dinika ny Tompo
Ho toriny amy firenena.
5 He! - ny Tompo irery no Mpanjaka
‘Tony tany: vitany mijoro
‘Zany rariny entiny mitsara.
Mifalia ry lanitra sy tany
Aoka hidobodoboka ny riaka
Ka hifaliavanja ‘zany saha.
6 Mandihiza ianao ry hazo an’ala
Anoloan’ny Tompo: indro Izy
Mba hitsara ‘zao tontolo izao.
‘Tony tany itony ho zakainy
Ny ambanilanitra ho tsarainy
Ilazany "marina" hatrany.
7 Koa redony hatrany rey vahoaka
‘Zany antsa, hobin-kafaliana
Ho an’ny Ray Tompom-pahefana.
Ka ny fihobiana hombana haja
Ho an’Ilay nandray ny fanjakana
Nanome Fanahy ho herintsika.
Sas: Izao no hiseho rahefa any am-parany any ho resen’i Kristy
ny hery rehetra, ka hatolony an-dRainy ny fanjakana.
TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.)Jak 4,11-12
Ry Kristianina havako, aza mifanaratsy fa izay manaratsy ny rahalahiny,
na mitsara ny rahalahiny, dia manaratsy ny Lalàna sy mitsara ny Lalàna.
Ary izay manaratsy ny Lalàna tsy mba mpankatò ny Lalàna tsy akory fa mihambo
ho mpitsara azy. Tokana anefa no hany Mpanao Lalàna sy Mpitsara, dia ilay
afa-mamonjy sy mamery. Ary ianao, mba iza moa ianao no dia mitsara ny namanao?
SETRINY (VII.)
ANTSA
Enga anie ny asa araka izay fanaontsika andavanandro no entintsika an-kira
hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra hanompoana Azy sy ny namana.
1 Na ny Ray, na ny Reny, na ny mpanabe rehetra,
‘Zay milofo hahaolombanona ny zanaka amam-para:
Dia zanak’Andriamanitra, ‘Lay Marina indrindra,
Ka manomam-pihavanana hanjakan’ny fahamarinana!
Fiv: Miombom-peo lalandava amy Zanak’Andriamanitra
Ny voaary manontolo, sady feno sento lalina.
Mba ho afaka am’izay rehetra toa mamatotra azy,
Ary hahita ny Hazavan’ilay Andriananahary! (Rom 8,19.21)
2 ‘Reo mpamboly ary koa ny mpiasa tanana rehetra
Tsy mitandro hasasarana fa ain’ny Tanindrazana:
Dia Zanak’Andriamanitra, ‘lay tia fihavanana,
Ka manomam-pahamarinana hanjakam-piraisan-kina!
Fiv: Miombom-peo lalandava amy Zanak’Andriamanitra
Ny voaary manontolo, sady feno sento lalina.
Mba ho afaka am’izay rehetra toa mamatotra azy,
Ary hahita ny Hazavan’ilay Andriananahary!
3 ‘Reo mpitsabo sy mpikaroka tsy mionona amy vintana
Hanavao ny eto an-tany tsy handevozim-pahafatesana
Dia Zanak’Andriamanltra ‘lay Velona tokoa,
Mba hamelona firaisan-kina feno fahafahana!
Fiv: Miombom-peo lalandava amy Zanak’Andriamanitra
Ny voaary manontolo, sady feno sento lalina.
Mba ho afaka am’izay rehetra toa mamatotra azy,
Ary hahita ny Hazavan’ilay Andriananahary!
4 ‘Reo nanaiky hampiely izay mitranga eran-tany,
Mampiray ny rehetra amy ny ezaky ny hafa:
Dia miombona amy Tompo, ‘lay nanaiky ho tonga nofo,
Mba hampisy Fahafahana ao anaty Fiadanana!
Fiv: Miombom-peo lalandava amy Zanak’Andriamanitra
Ny voaary manontolo, sady feno sento lalina.
Mba ho afaka am’izay rehetra toa mamatotra azy,
Ary hahita ny Hazavan’ilay Andriananahary!
TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)
Sas: Nilaozan’ny mpianatra izao rehetra izao,
ka lasa izy ireo nanara-dia ny Tompo. (Lk 5,11)
Andininy:
1 Deraina isaorana Izy Tompo
Ny Tompo Andriamanitr’Israely
Fa Izy efa tonga namangy antsika
Nanavotra antsika amy fahavalo.
2 Nanolotra antsika herim-pamonjena
Avy amin’ny fianakaviana iray
Dia ny an’i Davida mpanompo tiany
F’izany tokoa no efa nolazainy.
3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany
Dia ireo olomasiny fahagola:
Ny vonjiny hanala amy fahavalo
Hanafaka antsika amy mpankahala.
4 Noho izy nandala ny Razantsika,
Dia indro tsaroany ny Fanekeny
Fa teny nomeny an’i Abrahama
Ny hanafaka antsika amy fahavalo.
5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy
Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy
Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky
Ho eo anatrehany lalandava.
6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:
Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra",
Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao
Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.
7 Ianao hanambara ny famonjena
Dia ny famelana ny hadisoana
Satria Andriamanitra fo miantra
Mandefa masoandro hamangiany antsika.
8 Fanilo hanazava reo mitakiky
Anatin’ny haizina mahafaty.
Fanilo hanazava ny diantsika
Am’lalam-piadanana lavorary.
9 Isaory ny Ray nanome antsika
Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!
Hobio ny Fanahy niantsoana antsika
Ho sambatra hibanjina ny mazava.
Sas: Nilaozan’ny mpianatra izao rehetra izao,
ka lasa izy ireo nanara-dia ny Tompo.
RANOMBAVAKA (IX.)
Andeha isika hiantso an’i Kristy Zokintsika fa nirahin’Andriamanitra Ray Izy hitari-dalana antsika:
Fiv: Ry Zanaky ny Ray tonga nofo, Ianao no toro-lalana.
1 Kristy Tompo ô. Ianao no Mpiandry ondry tsara, mahalala ny ondrinao Ianao, ary mahafoy ny ainao ho famonjena azy ireo, tariho lalana ireo rehetra nomenao andraikitra hamahana ny ondrinao, mba hanahaka Anao!
Fiv: Ry Zanaky ny Ray tonga nofo, Ianao no toro-lalana.
2 Kristy Tompo ô, Ianao no Mpanjakan’ny Fiadanana, nirahin’ ny Ray hitondra fiadanana ho an’izao tontolo izao; tariho lalana ireo rehetra nomenao fahefana hitantana ny vahoakanao eran-tany, mba hanahaka Anao!
Fiv: Ry Zanaky ny Ray tonga nofo, Ianao no toro-lalana.
3 Kristy Tompo ô, Ianao no hany Mpampianatra manana ny Teny Fahamarinana sy Fiainana mandrakizay; tariho lalana ireo rehetra mampianatra ny vahoakanao, amin’ny Anaranao, mba hanahaka Anao!
Fiv: Ry Zanaky ny Ray tonga nofo, Ianao no toro-lalana.
4 Kristy Tompo ô, Ianao nirahin’ny Ray hitory Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo: tariho lalana izahay mpianatrao mba hanahaka Anao!
Fiv: Ry Zanaky ny Ray tonga nofo, Ianao no toro-lalana.
5 Fangatahana hafa
- ho an’ny mpitsara
- ho an’ireo maniry ho pretra na relijiozy
- ho an’ireo rehetra mandao ny Tanindrazany mba hanasoa ny vahoaka
any an-tany hafa ...
Fiv: Ry Zanaky ny Ray tonga nofo, Ianao no toro-lalana.
Rainay any an-danitra ...
Andriamanitra Rainay ô, nataonao mpivahiny izahay eto an-tany, nefa sitrakao ny manentana anay hanavao ny endriky ny tany ho mendrika Anao; ny fiainan’ny Zanakao no lalana marina arahinay. Koa hamasino ny hasasarana sy ny fitsembohanay; omeo andro tsara sy taon-jina izahay, dia hiadam-pinaritra eto am-panatanterahana ny sitrakao, mandra-piverin’i Kristy Zanakao, Ilay velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay!
TSODRANO (X.)[ohatra]
Mpitsodrano:
Hiaro antsika
mandia tany tsy ho solafaka
ary miloloha lanitra tsy ho lena anie
ny Fitiavan’Andriamanitra Ray
sy ny Fahazavan’i Kristy
ary ny herin’ny Fanahy Masina.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!