ANTSO (I.)
VALINKIRA
Olom-patantra ny Tompo! Olona tiavina! Sao hadinontsika izany!
Fiv: Ao ê ny Tompo mitady anao Izy. (Jn 11,28)
1 Maniry dia maniry n’hifanatrika aminao.
Fiv: Ao ê ny Tompo mitady anao Izy.
2 Hambarany aminao tokoa ‘zay sitraky ny Ray.
Fiv: Ao ê ny Tompo mitady anao Izy.
3 Ny fikasany manko: hanavao ny herinao.
Fiv: Ao ê ny Tompo mitady anao Izy.
4 Hitory fibebahana hiantso ny mpanota.
Fiv: Ao ê ny Tompo mitady anao Izy.
5 Hitondra fiadanana ao an-tokantranonao.
Fiv: Ao ê ny Tompo mitady anao Izy.
6 Ahoana no hanosi-bohon-tanana Azy ianao.
Fiv: Ao ê ny Tompo mitady anao Izy.
7 Kanefa Izy fototry ny hasambaranao.
Fiv: Ao ê ny Tompo mitady anao Izy.
8 Fa Izy sy ny Ray no hiara-monina aminao.
Fiv: Ao ê ny Tompo mitady anao Izy.
SALAMO (II.)123 (122)
Izay tia, mikaroka ny endrik’olon-tiana. Ny fitiavana tsy manisa
andro hanompoana olon-tiana ... Mainka koa fa ny Tompo no tia!
Sas: Sambatra ny mpanompo tratran’ny Tompony miambina,
fa ny Tompony handroso sakafo ho azy
sy hampipetraka azy mba hihinana. (Lk 12,37)
Andininy:
1 Ry Tompoko, Ianao ‘zay mitoetra any ambony
Ny masoko miandra mibanjina Anao
Sahala amin’ny mason’irony mpanompo,
Miandra ny tanan’ny tompony hatrany.
2 Sahala amy mason’ny mpanompo vavy
Miandra ny tanan’ny tompony hatrany
Iantrao re ‘zahay Andriamanitra Tompo
Fa vokin’ny eso efa tofoka loatra!
3 Ny tretrika manko dia faly mandatsa
Ny mpiavona revo manebaka anay.
Isaorana Ianao Andriamanitra Ray
Satria sitrakao ho mpandova izahay.
Sas: Sambatra ny mpanompo tratran’ny Tompony miambina,
fa ny Tompony handroso sakafo ho azy
sy hampipetraka azy mba hihinana.
SALAMO (III.)124 (123)
Ny Tompo ihany no namonjy antsika, nefa dia ho toy ny zaza
miandry tantana fotsiny ve isika tsy hahay misaotra Azy?
Sas: Novonoina Ianao, ry Tompo, ka ny Rà nalatsakao
No nanafaka anay rehetra samihafa fiteny sy foko. (Apok 5,9)
Andininy:
1 Raha toa ka ny Tompo tsy momba antsika
Mba lazalazao re ry Israely!
Raha toa ka ny Tompo tsy momba antsika
Raha tonga nanenda ny fahavalo.
Nateliny velona teo isika
Fa vinitra loatra ‘reo mpankahala.
2 Nisamboaravoara ny onjan-drano,
Nandrendrika izany fanahintsika.
Kanefa isaorana Izy Tompo
Tsy foiny ho rembin’ireny isika!
Toa fody afa-pandrika isika’zao!
He! rovi-karato ka afa-doza!
3 Ny Anaran’ny Tompo no fitahiana,
Fa vitany mora ny zava-boaary.
Endrey ny Fitiavan’ny Ray antsika
Ny Zanany efa nomeny antsika
Natsangany ho zanany koa isika,
Nomeny Fanahy hampiray antsika.
Sas: Novonoina Ianao, ry Tompo, ka ny Rà nalatsakao
No nanafaka anay rehetra samihafa fiteny sy foko.
TONONKIRA (IV.)Hb 12,1-4
Ho ahy, ho anao, ho antsika ... Ny firehan-kevitra sa i Kristy?
Sas: Mitsangàna ka banjino,
ilay andry ijoroan’ny finoantsika.
Andininy:
1 Koa satria manko maro ny olona
‘Zay nitsangana ho vavolombelona:
Akipaho re ‘zay enta-mavesatra,
Alaviro ny ota mandrendrika.
Mahareta ary isika miezaka
Mba handresy amin’ny ady hatrehina!
2 Mibanjina ‘lay ohatra velona,
Mampitombo finoana hivelatra;
‘Lay nahazo nifidy hafaliana
Nefa kosa nanaiky hofantsihana;
Tsy nanaiky handositra ny henatra!
Kanjo havanan’ny Ray no mipetraka.
3 Mba hevero ‘lay niaritra enjika
Nokotrehin’ireo olo-meloka,
Mba hevero ‘zay efa niaretany
Am’izay ianareo tsy ho ketraka;
Tsisy rànareo mbola raraka
Tamin’ny ady manohitra ny heloka.
Sas: Mitsangàna ka banjino,
ilay andry ijoroan’ny finoantsika.
TENIN’ ANDRIAMANITRA (V.) 2 Kor 12,9-10
"Ampy ho anao ny fahasoavako, hoy ny Tompo tamiko, sady ao amin’ny halemena indrindra no hiharihary tanteraka ny heriko". Koa vao mainka sitrako ary ny hirehareha noho ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy ato amiko. Izany manko no ifaliako amin’ny halemeko. amin’ny fanalam-baraka, amin’ny fahasahiranana, amin’ny fanenjehana sy ny tebiteby, noho ny amin’i Kristy; satria rehefa malemy aho, amin’izay indrindra no mahery.
SETRINY (VI.)
Tahaka an’i Paoly Apostoly isika
voaantson’i Kristy nobitsihin’ny Fanahy Masina.
1 Nifidy ahy ny Tompo
Hitondra famonjena,
Ny Vaovao Mahafaly
Hambara eran’tany.
Fiv: Reko ny Fanahy mibitsika hoe:
‘Reto misy olona atokany mba ho ahy,
Tiako sy tendreko, hamonjy ny ory.
Aoka izy ireo ho vonona handeha. (jereo Asa 13,2-3)
2 Nanokana ahy ny Tompo
Ho mpiara-miasa Aminy,
Ho olona hamborahany
‘Reo tsiambaratelony!
Fiv: Reko ny Fanahy mibitsika hoe:
‘Reto misy olona atokany mba ho ahy,
Tiako sy tendreko, hamonjy ny ory.
Aoka izy ireo ho vonona handeha.
3 Naniraka ahy ny Tompo
Nanafatra ahy hoe:
Ataovy tonga mpianatro
Ny olona rehetra!
Fiv: Reko ny Fanahy mibitsika hoe:
‘Reto misy olona atokany mba ho ahy,
Tiako sy tendreko, hamonjy ny ory.
Aoka izy ireo ho vonona handeha.
TONONKIRAN’I MARIA (VII.)
Sas: Isaorako Ianao, ry Ray, nihaino ahy. (Jn 11,41)
Andininy: Lioka 1,46-55
1 Ny foko midera ny Tompontsika
Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy
‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
2 Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra" aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa
Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany".
3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony
Am’ ny olon-drehetra matahotra Azy,
‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry
Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,
Kanefa manadratra ireo ambany;
Manototra soa an’ireo noana
Fa mampody maina an’ireo mpanana.
5 Mpanarina an’Israely olony
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny Razantsika
Ho an’i Abrahama sy izay taranany.
6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,
Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika
Ho mandrakizay alaovalo!
Sas: Isaorako Ianao, ry Ray, nihaino ahy.
RANOMBAVAKA (VIII.)
"Tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka, sy izay tian’ny zanaka hanambarana Azy!" Koa andeha isika hitalaho amin’i Kristy Zokintsika, mba hanova ny fontsika Izy, hahafahantsika mihaino ny fampianarany:
Fiv: Tantano hahalala ny Ray izahay, Tompo ô! Tantano hahalala ny Ray izahay!
Fangatahana: Sosokevitra ihany no aroso eto!
1 Ho an’ireo rehetra nanaiky hampita ny finoana: Ray aman-dreny; mpiantoka amin’ny batemy; pretra sy relijiozy; katesista; filoham-piangonana sy fikambanana; mpikatroka isan-karazany ...
Fiv: Tantano hahalala ny Ray izahay, Tompo ô! Tantano hahalala ny Ray izahay!
2 Ho an’ny lahika tsy an-kanavaka, mba ho vavolombelon’ny maha-zanaky ny Ray azy
izy any an-toeram-piasany ...
Fiv: Tantano hahalala ny Ray izahay, Tompo ô! Tantano hahalala ny Ray izahay!
3 Ho an’ny ankizy vao vita batemy, mba ho tonga taiza araka ny maha-zanaky ny Ray
azy izy ...
Fiv: Tantano hahalala ny Ray izahay, Tompo ô! Tantano hahalala ny Ray izahay!
4 Ho an’ny Fiangonan’i Kristy nisara-bazana, ka zary fanafintohinana ho an’izao tontolo
izao ...
Fiv: Tantano hahalala ny Ray izahay, Tompo ô! Tantano hahalala ny Ray izahay!
5 Ho an’ny Kristianina maro mihavery finoana ankehitriny ...
Fiv: Tantano hahalala ny Ray izahay, Tompo ô! Tantano hahalala ny Ray izahay!
6 Ho an’ireo mpandalina sy manam-pahaizana mitory ny tsy fisian’Andriamanitra sy ny
tsy ilàna ny Fiangonana ...
Fiv: Tantano hahalala ny Ray izahay, Tompo ô! Tantano hahalala ny Ray izahay!
7 Ho an’ireo nodimandry tsy nahalala an’Andriamanitra Ray ...
Fiv: Tantano hahalala ny Ray izahay, Tompo ô! Tantano hahalala ny Ray izahay!
Rainay any an-danitra ...
I Kristy Tompo ô,
efa nandray ny Fanahy maha-zanaka anay izahay,
anefa fantatrao ny finoanay ...!
Te-ho tia ny Ray sahala amin’ny itiavanao Azy izahay,
koa tantano hahalala Azy sy hanao ny sitrapony
hamirapiratan’ny voninahiny eo aminay.
Dia ho sambatra handova ny fiainana
efa nosantarinao ary nampanantenainy anay izahay
ka hifanatri-tava Aminy mandrakizay mandrakizay!
TSODRANO (IX.)
Mpitsodrano:
Ho soa ieren-doza anie isika,
ho tsara hanalavitra an’ilay ratsy,
noho ny herin’ny fitsanganan’i Kristy ho velona.
Vahoaka:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika.