ANTSO (I.)
Fiv: Izay misy ny harenareo no misy ny fonareo. (Mt 6,21)
1 Maningotra anie ny harena eto an-tany.
Mamatotra mafy!
2 Kanefa ny Tompo izay hany itokiana
Dia tokana ihany!
Fiv: Izay misy ny harenareo no misy ny fonareo.
3 Mba sambatra endrey ‘reo mahantra am-panahy
Ka marina anaty!
4 ‘Reo tsy mba voageja ka afaka handroso
Hankany amin’ny Ray!
Fiv: Izay misy ny harenareo no misy ny fonareo.
5 ‘Zay tia ny Tompo amy fony tontolo
Ho sambatra indrindra!
6Ny fahalalana ny Tenin’ny Tompo
Haren-tsarobidy!
Fiv: Izay misy ny harenareo no misy ny fonareo.
7 Ho mpanan-karena amin’ny soa rehetra
‘Reo be fiantrana.
8 Satria Andriamanitra lovan’ireo
‘Zay miahy ny ory.
Fiv: Izay misy ny harenareo no misy ny fonareo.
FANAINGANA (II.) Salamo 67 (66)
Fiv: Malakia, ‘ndeha isika hankalaza ny Ray iombonantsika.
1 Hiantran’Andriamanitra anie isika hotsimbininy
Ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany!
2 Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,
Ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!
Fiv: Malakia, ‘ndeha isika hankalaza ny Ray iombonantsika.
3 Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao!
4 Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan’tokony
Fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fiv: Malakia, ‘ndeha isika hankalaza ny Ray iombonantsika.
5 Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny
Sy manjaka am’ireo firenen-drehetra isan-tokony.
6 Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao!
Fiv: Malakia, ‘ndeha isika hankalaza ny Ray iombonantsika.
7 Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra,
Andriamanitra manko Andriamanitsika: mitsimbina.
8 Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
Ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany!
Fiv: Malakia, ‘ndeha isika hankalaza ny Ray iombonantsika.
9 Voninahitra anie ho an’ny Ray nandefa ny Zanany
‘Zay nomeny hanasoavany antsika noho ny Fitiavany!
Fiv: Malakia, ‘ndeha isika hankalaza ny Ray iombonantsika.
SALAMO (III.) 86 (85)
Mangidy ny fiainana. Fa mamy kosa ny migoka ny
indrafon’Andriamanitra ao anatin’ny onjam-piainana.
Sas: Hisaorana anie Andriamanitra Ray, fa Izy no Ray
Mpamindra fo antsika sy mpanala alahelo. (2 Kor 1,3)
Andininy:
1 Mba henoy sy valio aho, ry Tompo,
Fa dia ory sy mahantra re ‘ty zaho.
‘Ty sakaizanao mifikitra aminao
Mba arovy sy tsimbino lalandava.
2 Amindrao fo hatrany re, ry Tompo,
Fa Ianao no efa nantsoiko isan’andro
‘Ty fanahiko asandratro aminao,
Dia ho dibo-kafaliana re ny foko.
3 Tsara fo sady antra Ianao ry Tompo;
He! tianao ireo matoky miantso Anao.
Mitalaho an-tanan-droa aho ka henoy
‘Zany antso sy talahoko reneso.
4 Ny antsoiko amin’ny androm-pahoriako
Dia Ianao, ry Tompo, hany mihaino ahy.
Ny andriamani-kafa tsisy toa Anao,
Tsisy iray mahefa ny asa vitanao.
5 Ary ireo firenena arinao
Ho tonga avokoa hiankohoka Aminao,
Fa dia lehibe tokoa ny Anaranao,
Mahagaga raha ny asa vitanao.
6 Atoroy ahy re ny lalanao
Handehanako amy fahamarinanao,
Ka ny tahotra Ilay Anaranao
No ho fifalian’ny foko tia Anao.
7 Fo Fanahy madio tsy misy tsiny
No tiako hiderana ilay Anaranao,
Fa satria mahery ilay Fitiavanao
Nanafahanao ahy tanaty loza.
8 Mba jereo fa mirehareha, ry Tompo,
Ireo manan-daza ka mifofo ny aiko;
Miara-mioko ry zareo hisompatra ahy;
Tsisy vidiny eo imasony, hono, Ianao.
9 Fa Janao ô, ry Tompo, tambitamby
Sy tsy mba malaky tezitra fa miantra;
Hany marina no sady be fitia,
Ka todiho maso aho fa mitalaho.
10 Hery no atafio ahy mpanompo;
Vonjeo hatrany aho fa zanakao
Hasambarana no ento ho ahy ho toky
Dia ho sina sy ho lao ‘reo fahavalo.
11 Hotsaroany am’zay f’Ianao, ry Tompo,
No manda mpiahy, toky sady vonjy
Ray mahery Ianao ka dia namonjy ahy
Tamy Zanakao maty hamelona ahy.
Sas: Hisaorana anie Andriamanitra Ray, fa Izy
no Ray Mpamindra fo antsika sy mpanala alahelo.
TONONKIRA (IV.)Izaia 33,13-18
Olon’ny Fahamarinana: tombokase izany amantarana ny zanaky ny Fiangonana;
fa lalan-kizoran’ny Tompo Filoha ny rariny ombam-piadanana.
Sas: I Jesoa Tompo hanangona firenena, raha tonga ny fotoana,
ka havahany hisaraka amy ratsy ny olo-marina. (Mt 25,32)
Andininy:
1 Ianareo lavitra:
Aoka hihaino ny Teniko,
Ianareo akaiky:
Mahafantara ny Heriko!
Ny mpanota ao Siôna mihorohoro
Toy izany ny mpihatsaravelatsihy!
2 Ary iza kosa
No hahasedra ny memy,
Zovy no hahatanty
Ny vain’afo tsy maty!
‘Reo mitory ny rariny raha miteny,
Ka manaraka n’hitsiny raha mihary!
3 Tsy mandray tsolotra,
Tsy mba mifofo ain’olona;
Fa manapi-maso
Mba tsy hijery ny ratsy.
Izy ireny no hiakatra ny tanàna
Dia tanàna mimanda tsy hay resena.
4 Tsy ho mosarena
Ny fatsakany tsy ritra,
Ilay avo indrindra:
‘Ndeha hoderaina fa marina!
Fa ny Zanany hitsara ‘reo firenena.
Ny Fanahiny miaro an’izay nantsoiny.
Sas: I Jesoa Tompo hanangona firenena, raha tonga ny fotoana,
ka havahany hisaraka amy ratsy ny olo-marina.
SALAMO (V.)98 (97)
Sas: Homeko ny herin’ny Fanahy ianareo ka ho
vavolombeloko hatrany am-paravazan-tany. (Asa 1,8)
Andininy:
1 Ihirao antsa vao ny Tompo
Fa mahagaga ny zava-bitany!
Fa ny tanany no namonjy
Nanampy azy ny herin-tsandriny.
Ka dia hitan’ny firenena
Ny famonjena amam-pah’marinany!
Mba tsarovy ry Isiraely
Ilay fitiavany tsy mivadika.
2 He zahao e, ry vazan-tany
Izato vonjin’Andriamanitra
O ry tany, derao ny Tompo
Ka mientana amin-karavoana!
‘Ndao, antsao am-baliha ny Tompo
Anaovy antsa sy fihobiana
Feon’antsiva sy anjomara
Enti-midera ny fiandrianany!
3 Aok’hidoboka anie ny rano
Ny ranomasina sy ny mponiny!
Ka hitehaka anie ny ony;
Hitotorebika koa ny vohitra.
Mba hitsena ny Tompo tamy
Hitsara ny olona tsy an-kanavaka.
Ary hitsara ny firenena
Am-pah’marinana sy ara-drariny.
4 Andredony antsa vao ny Ray
Fa mahagaga ny zava-bitany
He ny Zanany no maneho
‘Lay famonjena efa nosoritany.
Ny Fanahiny manan-kery
Afa-manentana antsika zanany
Hanambara amin-kasahiana
Ilay fitiavany tapitr’ohatra!
Sas: Homeko ny herin’ny Fanahy ianareo
ka ho vavolombeloko hatrany am-paravazan-tany.
TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.)Jak 5,1-6
Ianareo mpanankarena kosa, mitomania sy migogogogoa, fa indro avy ny lozanareo.
Ny harenareo ... lò, ny fitafianareo ... lanin’ny kalalao, ny volamenanareo sy ny
volafotsinareo harafesina, ary indro hiampanga anareo ny harafesiny, sady mbola
handevona ny nofonareo toy ny afo. Injany fa miantsoantso ny karaman’ireo mpiasa
nasainareo nijinja ny sahanareo, kanefa nofetsenareo; ary ny Tompon’ny tafika efa
mandre ny tarainan’ireo mpiasa nasainareo nijinja ny sahanareo. Nanarana sy nitavana
ianareo teto an-tany, ary ny androm-pahorian’ny hafa, nonararaotinareo ka voky ianareo.
Melohinareo ny olo-marina dia vonoinareo, ary tsy manohitra anareo izy.
SETRINY:
1 Fantatry ny Ray ka entiny ao am’pony,
‘Reo Zanany enjehina, hidina an-tranomaizina:
Anaovana herisetra sy verezin-jo tanteraka;
‘Reo Zanany mioitra sy miantsoantso rariny.
Giazana fatorana ... fa mendrika famaizana!
Fantatry ny Ray ...!
Fiv: Ho avy ny fotoana, fa tsy sitrak’Andriamanitra
Ho very maina foana ‘zao fahoriana izao...!
2 Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,
‘Reo Zanany madinika mitrongy vao mba homana:
Tolorana amim-bava ireo ho tamby fampanginana;
‘Reo Zanany fitahina amy lainga tsara lahatra:
Tiavina, tiavina ho tohatra fiakarana!
Fantatry ny Ray ...!
Fiv: Ho avy ny fotoana, fa tsy sitrak’Andriamanitra
Ho very maina foana ‘zao fahoriana izao...!
3 Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,
‘Reo Zanany ialonana, fofoina sy somparana:
Azera raha mijoro, finganina raha miarina;
‘Reo Zanany rorana, ka esoina raha miezaka:
Kanefa dia latsaina raha kivy fo tanteraka!
Fantatry ny Ray ...!
Fiv: Ho avy ny fotoana, fa tsy sitrak’Andriamanitra
Ho very maina foana ‘zao fahoriana izao...!
4 Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,
‘Reo Zanany tomany fa nidonam-pahoriana:
Milofika irery tsy mba manan-kianteherana;
‘Reo Zanany nanota ka ihofana torahana:
Tondroina hoe voaozona, tsy mendrika ho velona!
Fantatry ny Ray ...!
Fiv: Ho avy ny fotoana, fa tsy sitrak’Andriamanitra
Ho very maina foana ‘zao fahoriana izao...!
TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)
Herintsika ny Vaovao Mahafaly! Imatesana aza raha ilaina
satria fahafahana mitondra fiainana!
Sas: Tsy menatra ny Evanjely aho, satria
herin’Andriamanitra izany
ho famonjena izay rehetra mino. (Rom 1,16)
Andininy:
1 Deraina isaorana Izy Tompo
Ny Tompo Andriamanitr’Israely
Fa Izy efa tonga namangy antsika
Nanavotra antsika amy fahavalo.
2 Nanolotra antsika herim-pamonjena
Avy amin’ny fianakaviana iray
Dia ny an’i Davida mpanompo tiany
F’izany tokoa no efa nolazainy.
3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany
Dia ireo olomasiny fahagola:
Ny vonjiny hanala amy fahavalo
Hanafaka antsika amy mpankahala.
4 Noho izy nandala ny Razantsika,
Dia indro tsaroany ny Fanekeny
Fa teny nomeny an’i Abrahama
Ny hanafaka antsika amy fahavalo.
5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy
Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy
Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky
Ho eo anatrehany lalandava.
6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:
Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra",
Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao
Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.
7 Ianao hanambara ny famonjena
Dia ny famelana ny hadisoana
Satria Andriamanitra fo miantra
Mandefa masoandro hamangiany antsika.
8 Fanilo hanazava reo mitakiky
Anatin’ny haizina mahafaty.
Fanilo hanazava ny diantsika
Am’lalam-piadanana lavorary.
9 Isaory ny Ray nanome antsika
Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!
Hobio ny Fanahy niantsoana antsika
Ho sambatra hibanjina ny mazava.
Sas: Tsy menatra ny Evanjely aho, satria
herin’Andriamanitra izany
ho famonjena izay rehetra mino.
RANOMBAVAKA (IX.)
Tian’i Kristy hasehontsika amin’ny fiainana ny herin’ireo Teny napetrany tamin’ny mpianany; italahoy Izy hanampy antsika hampamokatra ny Teniny.
Fiv: Jesoa, ny herin’ny Teninao anie hanova ny fiainanay.
1 Tompo ô, "Tiàva", hoy Ianao; misy avonavona anefa manakana anay tsy hijery ny Endrikao, na dia eo amin’ny mpiray tam-po sy mpiray tanàna aminay aza. Ataovy maninteraka ny fiainanay ny Teninao!
Fiv: Jesoa, ny herin’ny Teninao anie hanova ny fiainanay.
2 Tompo ô, "Tiavo ny fahavalonareo", hoy Ianao; misy hafaliana anefa tsy tianay hozaraina hanenika ny hafa akory, noho izy tsy iray firazanana aminay, na tsy mitovy fahaizana aminay. Ataovy maninteraka ny fiainanay ny Teninao!
Fiv: Jesoa, ny herin’ny Teninao anie hanova ny fiainanay.
3 Tompo ô, "Ataovy tonga mpianatro ny olon-drehetra", hoy Ianao; misy fahamarinana anefa tsy sahinay ijoroana ho mpianatrao akory, eo amin’ny
fiainanay andavanandro, any am-piasana, any am-pianarana, ao an-tokantranonay ...
Ataovy maninteraka ny fiainanay ny Teninao!
Fiv: Jesoa, ny herin’ny Teninao anie hanova ny fiainanay.
4 Fangatahana hafa:
- ho an’ireo nomena andraikitra hitory ny Teny;
- ho an’ireo mihevitra hanasoa ny hafa, anefa tsy mino ny Tompo
Fiv: Jesoa, ny herin’ny Teninao anie hanova ny fiainanay.
Rainay any an-danitra ...
Andriananahary Andriamanitray ô, efa nambaran’ny Zanakao anay ilay tsiambaratelo nomaninao hatry ny ela ho an’izao tontolo izao.
Sitrakao ny hivelomanay tanteraka ny maha-zanaka anay hiray lova amin’i Kristy any an-danitra; koa aza avela handraraka ilo mby an-doha ireo rehetra mino ny Teny izay nambarany. Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay.
TSODRANO (X.)[ohatra]
Mpitsodrano:
Ilay nahary ny ranomasina noho ny sitrapony ihany,
Ilay nampitony ny rivo-doza tamin’ny Teniny tokana,
ary Ilay rivotra mitsoka malefaka anie [fanahy masina]
hampitody antsika any amin’ilay Seranana.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!