ANTSO (I.) (Mt 6,24.34)
Zanak’Andriamanitra isika! Toky no andrasany hapetratsika aminy fa Izy efa tia.
Fiv: Mitsimbina antsika zanany Andriamanitra Ray. (jereo Mt 6,32)
1 Fa tsy mba mamafy ary tsy mijinja
ny voro-manidina.
Fiv: Mitsimbina antsika zanany Andriamanitra Ray.
2 Fa tsy mba misasatra na mamoly
ny hazo mamokatra.
Fiv: Mitsimbina antsika zanany Andriamanitra Ray.
3 Ny Ray no miahy sy manolokolo
ny zavaboaariny.
Fiv: Mitsimbina antsika zanany Andriamanitra Ray.
4 Nahoana ary isika no miahiahy
nefa isika no zanany?
Fiv: Mitsimbina antsika zanany Andriamanitra Ray.
5 Angaha tsy efa fantany fa ilaintsika,
ny fitsimbinany?
Fiv: Mitsimbina antsika zanany Andriamanitra Ray.
6 ‘Zay hampanjakana Azy Tompo aloha
no asainy katsahina.
Fiv: Mitsimbina antsika zanany Andriamanitra Ray.
7 Omeny izay mahatontosa izany,
ny sisa ho fanampiny.
Fiv: Mitsimbina antsika zanany Andriamanitra Ray.
SALAMO (II.)126 (125)
Efa nosotroin’ny Tompo ny mangidy ka nisavany ny lalan’ny Famonjena
ho an’izay rehetra mamafy amin-dranomaso.
Sas: Sambatra ‘zay mitomany fa halana alahelo. (Mt 5,5)
Andininy:
1 Raha nampody ny babo nankao Siôna Izy Tompo.
Mova tsy oh’tra ny olona lasa nofy izahay!
Tolatolaky ny hehy aoka izany ery tam’izay!
Tsy niato ny hira sy kalo teo am-bavanay!
2 Takoritsika re ‘zao nataon’ireo firenena:
"Fa mba lalina indray ‘ty nataon’ny Tompo azy ireo!"
Eny lalina ho’aho ‘ty nataon’ny Tompo aminay!
Ka dia faly tokoa, haravoana moa raha ny anay!
3 Ampodio, ry Tompo, ny namanay mbola babo
Ho toa rano mahery mamaky efitra ireny!
Rah’mamafy no sendra tomany sy ranomaso,
Mbol’ hijinja ao anatin’ny hafaliana any aoriana!
4 Raha mandroso no sendra ka velon-tsento tomany,
‘Reo mpamboly mivoaka mandeha mamafy ny voa!
Mbola hiverina kosa avy any ireo, velon-kira,
Fa milanja ny vokatra lasa mody any an-trano.
5 Eny isaorana indrindra ny Ray nitondra mba hody,
Sy ny Zanany tonga nitari-dalana anay!
Mbola isaorana toraka izany koa ny Fanahy,
Hasambaran’ny ory sy mpankahery ny malahelo.
Sas: Sambatra ‘zay mitomany fa halana alahelo.
SALAMO (III.)127 (126)
Nahavita be aho! ... Avy amin’iza izany?
Sas: Izay mamboly sy izay manondraka dia tsinontsinona avokoa,
Satria ny Tompo ihany no mampitsimoka ny voa. (1 Kor 3,7)
Andininy:
1 Raha tsy ny Tompo no manorina ny trano
Zary miasa foana ‘zay manorina azy ireny,
Raha tsy ny Tompo no miaro ny tanàna,
Zary miandry foana ny mpiambina mitily.
2 Eny sasa-poana ianareo miari-tory,
Taitra vao maraina nefa zara raha mba voky.
Hafa ny olon-tiany fa matory tsy manahy;
Mbol’eo am-pandriana dia tolorany sakafo.
3 Indro koa ny zanaka fa lova avy amy Tompo
Valisoa tokoa anie ‘reo menaky ny aina!
Hery ny tsipîka eny an-tanana mpiady
Hery koa ny zanaky ny fahatanorana!
4 Sambatra ‘zay nahafeno kotra tam’ireny,
Sambatra satria mahazo toky fa handresy!
Tsy hitsanga-menatra raha misy fahavalo,
Hiharihary marina tokoa ny fandreseny!
5 Saotra no atolotra ny Ray miahy antsika,
Dera ho an’ny Zanaka ‘zay eo anivontsika!
Ary ny Fanahy ‘zay itsofan-drano antsika,
Aoka ho deraina amin’ny asa vitantsika.
Sas: Izay mamboly sy izay manondraka dia tsinontsinona avokoa,
Satria ny Tompo ihany no mampitsimoka ny voa.
TONONKIRA (IV.)Rom 8,31-34
Fiv: Na ny Zanany aza, dia nomeny antsika!
1 Inona àry no ho lazaina mihoatr’izany?
Raha ny Tompo momba antsika izay nantsoiny,
Iza indray no sahy mijoro hiampanga antsika?
Fiv: Na ny Zanany aza, dia nomeny antsika!
2 Na ny Zanany aza dia tsy notsitsiany.
Fa natolony antsika mianakavy
Moa ve misy zavatra hafa tsy homeny?
Fiv: Na ny Zanany aza, dia nomeny antsika!
3 Iza indray no sahy hijoro ka hiampanga
Izay olona voafidin’Izy Tompo?
Hanameloka izay marina amy Tompo?
Fiv: Na ny Zanany aza, dia nomeny antsika!
4 Efa maty i Jesoa Tompo fa nifoha,
Ka mipetraka eo havanan’Andriamanitra!
Ary Izy no misolo vava antsika.
Fiv: Na ny Zanany aza, dia nomeny antsika!
TENIN’ANDRIAMANITRA (V.)Jak 1,2-4
Ry Kristianina havako, raiso an-kafaliana izay fitsapana midona aminareo;
fantaro fa raha tsy sedraina ny finoanareo, tsy ho matotra; ary ny finoana
matotra ampamokaro tanteraka; amin’izay ianareo ho lavorary, ho tonga
lafatra ary tsy hanan-tsiny tokoa.
SETRINY (VI.) (jereo Mt 4,1-11)
Ny fomba fihevitsika ve no harahina sa, ny an’ny Ray?
1 O ry Jesoa nalaina fanahy.
Hampiasa ny fahefanao
Hitadiavana ny soa ho an’ny tena
Fa naleonao nanaiky ny Ray.
Tsy nanova ireto vato
Mba ho mofo hohaninao,
Nefa nampitombo mofo
Hamelomanao ny noana.
Enga anie ‘zahay koa
Tsy hamadika ny Ray,
Ka ny fahefana azo
Hanasoavanay ny olona.
2 O ry Jesoa nalaina fanahy,
Hampiseho zava-mahavariana
Mba hinoan’ny olona Anao
Fa naleonao nanaiky ny Ray.
Tsy mba nidina niala
Tamin’ny Hazofijaliana,
Fa nanafaka ny ory
Nanamaivana ny rofy.
Enga anie ‘zahay koa
Tsy hamadika ny Ray
Ka hampiasa ny herinay
Hanasoavanay ny olona.
3 O ry Jesoa nalaina fanahy,
Mba hanorina ny Fanjakana
Am’ kery igagana eto an-tany
Fa naleonao nanaiky ny Ray.
Tsy nandà ho faty Ianao.
Ka ny Hazofijaliana
No porofo manambara
Ny fitiavanao anay!
Enga anie izahay koa
Tsy hamadika ny Ray
Ka ny fomba iainanay
Hanasoavanay ny olona.
TONONKIRAN’I MARIA (VII.)
Sas: Miambena ary mivavaha isika,
sao latsaka am-bovon’ilay ratsy. (Mk 14,38)
Andininy:
1 Ny foko midera ny Tompontsika
Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy
‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
2 Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra" aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa
Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany".
3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony
Am’ ny olon-drehetra matahotra Azy,
‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry
Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,
Kanefa manadratra ireo ambany;
Manototra soa an’ireo noana
Fa mampody maina an’ireo mpanana.
5 Mpanarina an’Israely olony
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny Razantsika
Ho an’i Abrahama sy izay taranany.
6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,
Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika
Ho mandrakizay alaovalo!
Sas: Miambena ary mivavaha isika,
sao latsaka am-bovon’ilay ratsy.
RANOMBAVAKA (VIII.)
Andeha isika hiombom-peo amin’izay rehetra mijaly, hitanisa ny fahoriany eo anatrehan’ny Tompo, ary hitalaho ny famindram-pon’Andriamanitra mba tsy ho rendriky ny famoizam-po izy ireo:
Fiv: Iantrao ‘zahay Jesoa, fa tsisy izay tsy fantatrao ‘zao fiainanay izao. j. Hb 4,15-16
1 Tompo ô, mandra-pahoviana ny mpiasa no hitsemboka andro aman’alina, anefa tsy handray ny vidin-kasasarany; ary ny tsy an’asa no handadilady tongotra aman-tanana hitalaho ny famindram-pon’ny hafa!
Fiv: Iantrao ‘zahay Jesoa, fa tsisy izay tsy fantatrao ‘zao fiainanay izao.
2 Tompo ô, mandra-pahoviana ny zaza-bodo no hambakaina, ny olon-tsotra no hofitahina, hohararaotina sy hatao fitaovana, hahombiazan’ny maty eritreritra!
Fiv: Iantrao ‘zahay Jesoa, fa tsisy izay tsy fantatrao ‘zao fiainanay izao.
3 Tompo ô, mandra-pahoviana ny adala no hihomehezana, ny hendry no hofinganina, ny resy no holatsaina; mandra-pahoviana ny marina no hoenjehina sy hosoram-potaka hiraviravy tanana!
Fiv: Iantrao ‘zahay Jesoa, fa tsisy izay tsy fantatrao ‘zao fiainanay izao.
4 Tompo ô, mandra-pahoviana ny vahoaka no haetry noho ny firazanany sy ny
volon-kodiny, ka tsy homena ny hasina maha-olona azy akory, hivelatra amin’ny anjara masoandrony!
Fiv: Iantrao ‘zahay Jesoa, fa tsisy izay tsy fantatrao ‘zao fiainanay izao.
5 Tompo ô, mandra-pahoviana ny ady ateraky ny avonavona sy ny fitiavan’olom-bitsy hanjakazaka no hampitondra faisana ny madinika sy ny tsy manan-tsiny!
Fiv: Iantrao ‘zahay Jesoa, fa tsisy izay tsy fantatrao ‘zao fiainanay izao.
6 Fangatahana hafa:
- ho an’ireo nodimandry noho ny hasomparan’ny hafa;
- ho an’ireo matin’ny hanoanana, hianjadian’ny rivo-doza sy ny horohoron-tany;
- ho an’ireo migadra an-tranomaizina anefa tsy nandalo fitsarana.
- ho an’ny mpivaro-tena ...
Fiv: Iantrao ‘zahay Jesoa, fa tsisy izay tsy fantatrao ‘zao fiainanay izao.
Rainay any an-danitra ...
Jesoa Tompo ô, mitanisa izao fahoriana izao izahay, tsy kivy satria manantena
ilay andro hanehoan’ny Ray ny voninahitra maha-zanaka anay: sady efa nomena anay ho antoka ny Fanahy manentana anay hiantso Anao, miaraka amin’ny voaary manontolo mitondra fahoriana: "Jesoa Tompo ô, avia!" AMEN!
TSODRANO (IX.)[ohatra]
Mpitsodrano:
Ilay mbola tsy hitan’ny maso,
Ilay nanatanteraka ny famantarana,
ary Ilay mampahafantatra ny hevitry ny Tenin’i Jesoa anie [fanahy masina]
hanazava sy hitari-dalana antsika
anatin’ny haizin’izao fiainana izao.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!