Alakamisy III Vavaka Maraina

ANTSO (I.)

VALINKIRA

Tsy isika no afaka ho masina amin’ny herin’ny tenantsika,

fa eo ny fahamasinan’Andriamanitra: banjinina haninteraka ny fiainana.

Fiv: Aoka ho masina toy ny Rainareo ianareo. (Mt 5,48)

1 Mampiposaka ny masoandrony

Amin’ny olona tsy an-kanavaka ny Tompo, fa masina Izy!

2 Sy mandrotsaka ranon’orana,

Amy marina sy ny meloka rehetra.

Fiv: Aoka ho masina toy ny Rainareo ianareo.

3 Ny fitiavany tsy manavaka,

Ka tohanany ireo mahantra sy kamboty.

4 Ny hanasazy avy hatrany: laviny.

Fa handrasany mba hivalo ‘reo mania.

Fiv: Aoka ho masina toy ny Rainareo ianareo.

5 Tsy mba nisy niverim-potsiny,

Ireo nisambotra sy nangata-pamonjena.

6 He tolorany fanomezana,

‘Reo ‘zay mindrana tsy mba manana takalo.

Fiv: Aoka ho masina toy ny Rainareo ianareo.

7 Dia ho masina ka ho zanany,

‘Zay manohy ny asa vitan’Izy Ray. (Mt 5,40-47)

Fiv: Aoka ho masina toy ny Rainareo ianareo.

FANAINGANA (II.)Salamo 100 (99)

Fiv: Isan’andro vaky no aoka isaorantsika

ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika. (Kol 1,3)

1 Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo

Ka fo falifaly anompoana ny Tompo.

2 Tongava eo Aminy mihira miravo;

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra!

Fiv: Isan’andro vaky no aoka isaorantsika

ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika.

3 Fa Azy isika satria noariny

Sy tena vahoakany, ondry fiandriny,

4 Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,

Ny ao an-kianjany idiro amin-dera,

Fiv: Isan’andro vaky no aoka isaorantsika

ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika.

5 Derao Izy Tompo, ny Anarany isaory.

Miaiky isika fa tsara ny Tompo,

6 Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,

Am’taona rehetra ny fahamarinany.

Fiv: Isan’andro vaky no aoka isaorantsika

ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika.

7 Andeha isika hiara-mitsaoka ny Tompo,

Hihoby ‘Lay Zanany ombam-pahefana,

8 Derao ny Fanahy manamasina antsika,

Manentana antsika hihoby ny Tompo.

Fiv: Isan’andro vaky no aoka isaorantsika

ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika.

SALAMO (III.)87 (86)

Siôna Vaovao ny Fiangonana. Ao isika tsy n,isy zanaky ny ao atsimo sy avaratra,

fa nateraka hiara-misaotm ny herin’i Kristy.

Sas: Nateraky ny Fiangonana isika, fa ao aminy ny loharanon’aina.

Sitrak’Andriamanitra hahazanaka antsika. (Tito 3,5)

Andininy:

1 Ry Siôna, ry Siôna!

Eny an-tendrombohitra masina

No naorin’ny Tompo ianao,

Ilay Tompo tsy mahafoy anao!

2 Ny fonenan’i Jakôba,

Maromaro ihany izy ireny,

F’ianao no andrian’ny fony

Tiany mihoatra ny sisa rehetra.

3 Ry Tanànan’Izy Tompo!

Andriamanitrao mitantara

Zava-maro malaza tokoa,

‘Zao no tena anandratany anao!

4 "I Rahaba s’i Babela:

Mahafantatra ahy izy ireo,

Ary i Tira s’i Filistia,

Ary i Etiopia sy ny hafa,

5 ‘Zao no ambara momba ireo:

Izy, hono, teraka tao!"

I Siôna tsy tahaka izany:

"Ny rehetra no teraka tao!"

6 Ny Avo indrindra, ry Siôna

Manamafy orina anao!

Hosoratany anatin’ny boky

Ny vahoaka fa: "teraka tao".

7 Ny andriana eran-tany,

Toy ny Zanakao tsisy hafa!

Izy ireo samy faly milaza:

Fa Ianao loharano niaviany.

8 Ry Siôna Vaovao,

Aoka isaorantsika ny Ray

Nosoratany ny anaranay,

Azo antoka mandrakizay.

Sas: Nateraky ny Fiangonana isika, fa ao aminy ny

loharanon’aina. Sitrak’Andriamanitra hahazanaka antsika.

TONONKIRA (IV.)Izaia 40,10-77

Iza moa ity Jesoa tonga amintsika marain-tsy hariva ity?

Izy Ilay Mahery nahary izao rehetra izao.

Sas: Indro ny Tompo Mpanjakantsika fa tamy,

i Kristy Mpamonjy antsika no tamy,

Indro ‘lay Tompo Andriamanitsika fa tamy,

indro Kristy Tompo fa tamy.

Andininy:

1 Indro ny Tompo Andriamanitsika fa miroso ka avy amin kery.

Izy mahery ka herin-tsandry no hizakany ny tany tontolo:

He ireto babony sy fanevany misava ny lalan-kombany!

Indro Kristy Tompo fa tamy!

2 Toy ny mpiandry Izy miantso ny ondriny hiraotra ny vilona an-tsaha

Raisiny an-tanany dia trotroiny ‘zay madinika mbola minono

Entiny mora ny reniondriny fa tsy mba dodosany akory.

Indro Kristy Tompo fa tamy!

3 Iza no hamatra ny ranomasina eo an-tanany tahaka ny Tompo

Na mahazehy iny lanitra iny mahafatra ny vovoka am-bata?

Iza no handanja ny tendrombohitra hahatatitra havoana holanjaina.

Indro Kristy Tompo fa tamy!

4 Zovy no efa nanoro hevitra, nanilo fanahy azy Tompo?

Ary nitsangan-kanolo-tsaina hidinihany sy hampianatra Azy?

Taiza ny Tompo no nila olona hanambara izay tokony hataony?

Indro Kristy Tompo fa tamy!

5 Sa nisy koa nampianatra Azy hahalala ny hoe fahendrena?

Z’inona anefa ny firenena fa tsy fasika ambony mizana,

Ary ny nosy ‘reo nosy maro moa tsy vovo-misidina foana?

Indro Kristy Tompo fa tamy!

6 Fongotra ny ala natao kitay, zary mangadihady i Libana,

Tapitra ringana koa ny biby, nefa tsy ampy ny sorona vita

Eo anatrehan’ny Tompontsika tsinontsinona ny firenena!

Indro Kristy Tompo fa tamy!

7 Ray ô, endrey ‘ty fitiavanao ‘zay nasehon’Ilay Zanakao:

Resiny ‘lay nanandevo anay: izao vahoaka voafidy izahay!

Vavolombelona ny Fanahy, ka ny fotoana no andrasanay!

Indro Kristy Tompo fa tamy!

Sas: Indro ny Tompo Mpanjakantsika fa tamy,

i Kristy Mpamonjy antsika no tamy,

Indro ‘lay Tompo Andriamanitsika fa tamy,

indro Kristy Tompo fa tamy.

SALAMO (V.)99 (98)

Sas: Mba tsarovy aho, ry Tompo,

rehefa tonga any am-panjakanao Ianao. (Lk 23,42)

Andininy:

1 Fa manjaka Andriamanitra Tompo

Ka mangovitra erý ny vahoaka,

Kerobima no toeran’ny Tompo

Ka ny tany avy koa no mivena.

Ao Siôna ny Tompo Tsitoha,

Avo noho ny vahoaka rehetra!

Ka derainay ny Anaran’ny Tompo:

Mahatahotra masina indrindra.

O ry Tompo Mpitsara mahery,

Orim-baton’ny rariny Ianao!

2 I Jakôba efa najoronao,

Itsaranao ny tany tontolo

Asandrato Andriamanitra Tompo,

Ny fitoeran’ny tongony ihofy!

Fa satria Izy masina indrindra,

Samoela, Moizy, Aarôna,

Raha niantso Azy dia novaliany,

Tao anaty andry rahona fotsy.

Ka mitandrina izay nolazainy,

Sy nandray ny lalàna nomeny.

3 Eny, ry Andriamanitra Tompo,

Novalianao tokoa izy ireo.

Lefitrao ‘zay rehetra nataony

Faizinao kosa ireo hadisoany.

Asandrato Andriamanitra Tompo,

Ka ny Vohitra masiny ihofy!

Fa satria Izy masina indrindra,

Asandrato ny Tompo Mpamonjy.

‘Lay nanafaka antsika amy sazy,

Ary koa manamasina antsika.

Sas: Mba tsarovy aho, ry Tompo,

rehefa tonga any am-panjakanao Ianao.

TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.)(Jer 31,33-34)

Hoy ny Tompo: Izao no ho fanekem-pihavanana hataoko amin’ny taranak’i Israely,

amin’izany andro izany: Hataoko ao an-tsain’izy ireo ny didiko, ka hosoratako ao

am-pony. Ho Andriamanitr’izy ireo Aho, ary izy ireo no ho vahoakako. Tsy

hifampianatra intsony ny olona ka hilaza amin’iray tam-po aminy hoe: "Fantaro ny

Tompo"; fa samy hahalala Ahy daholo izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, satria

havelako ny helony ary tsy hotsarovako intsony ny ota.

SETRINY (VII.)

Fiv: Zovy no afaka hilaza fa nahita an’Andriamanitra?

Iza no efa nihaona tamy Tompo ka nibanjina ny tavany?

Raha mifankatia anefa isika mianakavy dia ho sambatra!

Fa monina eto anivontsika anie Andriamanitra Ray! (1 Jn 4,12)

1 Ray ô, tsy miafina aminao ireny adim-piainana

Atrehin’isan’andro!

isaoranay Ianao fa mifankatia izahay,

Ka afa-mifanohana:

Miombom-pifaliana, miombom-pijaliana;

Matoky manana Anao izahay, ry Ray ô,

Satria miara-monina aminay tokoa Ianao.

Fiv: Zovy no afaka hilaza fa nahita an’Andriamanitra?

Iza no efa nihaona tamy Tompo ka nibanjina ny tavany?

Raha mifankatia anefa isika mianakavy dia ho sambatra!

Fa monina eto anivontsika anie Andriamanitra Ray!

2 Ray ô, tsy miafina aminao ireny tonombavaka

Asandratr’isan’andro!

Isaoranay Ianao fa mifankatia izahay

Ka afa-miara-mientana:

Manandra-pihobiana, mangata-pitahiana;

Matoky manana Anao izahay, ry Ray ô,

Satria miombon’ezaka aminay ny Zanakao.

Fiv: Zovy no afaka hilaza fa nahita an’Andriamanitra?

Iza no efa nihaona tamy Tompo ka nibanjina ny tavany?

Raha mifankatia anefa isika mianakavy dia ho sambatra!

Fa monina eto anivontsika anie Andriamanitra Ray!

3 Ray ô, tsy miafina aminao ireny fiezahana

Iarahan’isan’andro!

Isaoranay Ianao fa mifankatia Izahay

Hijoro hanao ny marina:

Miroso an-kasahiana fa feno fitokiana,

Matoky manana Anao izahay, ry Ray ô,

Satria momba anay hatrany ilay Fanahinao.

Fiv: Zovy no afaka hilaza fa nahita an’Andriamanitra?

Iza no efa nihaona tamy Tompo ka nibanjina ny tavany?

Raha mifankatia anefa isika mianakavy dia ho sambatra!

Fa monina eto anivontsika anie Andriamanitra Ray!

TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)

Misy fotoana izahana samirery ny endriky ny Tompo, dia itafana

ny tsiambaratelon’ny fiainana miaraka Aminy.

Sas: Nifoha vao maraina i Jesoa Tompo,

ka nivavaka tany an-tendrombohitra. (Mk 1,35)

Andininy:

1 Deraina isaorana Izy Tompo

Ny Tompo Andriamanitr’Israely

Fa Izy efa tonga namangy antsika

Nanavotra antsika amy fahavalo.

2 Nanolotra antsika herim-pamonjena

Avy amin’ny fianakaviana iray

Dia ny an’i Davida mpanompo tiany

F’izany tokoa no efa nolazainy.

3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany

Dia ireo olomasiny fahagola:

Ny vonjiny hanala amy fahavalo

Hanafaka antsika amy mpankahala.

4 Noho izy nandala ny Razantsika,

Dia indro tsaroany ny Fanekeny

Fa teny nomeny an’i Abrahama

Ny hanafaka antsika amy fahavalo.

5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy

Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy

Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky

Ho eo anatrehany lalandava.

6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:

Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra",

Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao

Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.

7 Ianao hanambara ny famonjena

Dia ny famelana ny hadisoana

Satria Andriamanitra fo miantra

Mandefa masoandro hamangiany antsika.

8 Fanilo hanazava reo mitakiky

Anatin’ny haizina mahafaty.

Fanilo hanazava ny diantsika

Am’lalam-piadanana lavorary.

9 Isaory ny Ray nanome antsika

Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!

Hobio ny Fanahy niantsoana antsika

Ho sambatra hibanjina ny mazava.

Sas: Nifoha vao maraina i Jesoa Tompo,

ka nivavaka tany an-tendrombohitra.

RANOMBAVAKA (IX.)

Efa niaritra ny mafy toa antsika i Jesoa Tompo, koa ankehitriny Izy afaka mangoraka ireo halemena izay mpahazo antsika, ary mankahery antsika mba tsy hivena ny finoana izay noraisintsika.

Fiv: Arovinao ‘zahay, ry Jesoa, satria ady manko ny fiainana.

1 Arovy ny Papa Ray masina; arovy ny eveka sy ny pretra, satria famantaram-pamonjena toherin’izao tontolo izao no ijoroany sy tsy maintsy ambarany hatraiza hatraiza!

Fiv: Arovinao ‘zahay, ry Jesoa, satria ady manko ny fiainana.

2 Arovy ny firenena miavo-tena, ny mpitondra sy ny vahoaka eo aminy; ny hery anie tsy hahaleo ny fanahy, rahefa miatrika ny tsy fahamarinana manakantsakana ny fivoarana tadiaviny izy!

Fiv: Arovinao ‘zahay, ry Jesoa, satria ady manko ny fiainana.

3 Arovy ny marary hoditra, tsy afa-mifampikasokasoka amin’ny mpiara-belona, fa efa nandramanao ny fiainana fijaliana mampangirifiry azy amin’ny anjara masoandrony!

Fiv: Arovinao ‘zahay, ry Jesoa, satria ady manko ny fiainana.

4 Fangatahana hafa:

- ho an’ireo diso fanantenana;

- ho an’ireo enjehina noho ny rariny;

- ho an’ny kristianina matahotra ny hanara-dia ny Tompo amin’ny andro sarotra.

Fiv: Arovinao ‘zahay, ry Jesoa, satria ady manko ny fiainana.

Rainay any an-danitra ...

Ry Jesoa Zokinay ô, Zanaka malalan’ny Ray Ianao ary Lahimatoa aminay olombelona; efa resinao ny fahafatesana, koa herezo ireo havanay misedra olana misakana azy tsy ho zanaka tanteraka. Ento any amin’ny Ray izao vavakay izao fa tia anay Izy ka nomeny anay ny Fanahy ho antoka anantenanay ny hasambarana mandrakizay.

TSODRANO (X.)

Mpitsodrano:

Andriamanitra Ray Mpiahy antsika anie

hanesotra ao am-pontsika ny tebiteby,

ka hampandry antsika ivohon’ny vato.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.01