ANTSO (I.)
VALINKIRA
Fiv: Aoka hoentanin’ny fitiavan’i Kristy isika! (2 Kor 5,14)
1 Fa nampah’fantariny antsika ny Rainy.
Fiv: Aoka hoentanin’ny fitiavan’i Kristy isika!
2 Nasehony tamin’ny fiainany ‘zany.
Fiv: Aoka hoentanin’ny fitiavan’i Kristy isika!
3 Nafoiny ho antsika rehetra ny Ainy. (Rom 5,6)
Fiv: Aoka hoentanin’ny fitiavan’i Kristy isika!
4 Nekeny ny hiombona lova amintsika.
Fiv: Aoka hoentanin’ny fitiavan’i Kristy isika!
5 Dia tsy mba nizaha tavan’olona Izy. (Mk 10,45)
Fiv: Aoka hoentanin’ny fitiavan’i Kristy isika!
6 Navelany heloka izay mino Azy. (Lk 7,47)
Fiv: Aoka hoentanin’ny fitiavan’i Kristy isika!
7 Tsimbininy koa ny mahantra sy ny ory.
Fiv: Aoka hoentanin’ny fitiavan’i Kristy isika!
8 Nantsoiny ho sambatra manko izy ireny. (Lk 6,20)
Fiv: Aoka hoentanin’ny fitiavan’i Kristy isika!
SALAMO (II. sy III.) 132 (131)
Ilay nampanantena ny Mpamonjy: tsy mivadi-bolana amin’ny fampanantenany,
fa tanteraka amin’i Kristy tafatsangan-ko velona ny vava nataony.
Sas: Ilay taranak’i Davida ara-nofo dia i Jesoa Tompontsika re,
natsangany ho velona mba hijoroany amin-kery ho Zanak’Andriamanitra. (Rom 1,3-4)
Andininy:
1 Tsarovy i Davida s’izay nataony, ry Tompoko!
Tsarovy ireo asa s’ireo teny napetrany!
F’ilay fianianana ‘zay nataony dia fatratra
D’ilay dina masina ‘zay naloaky ny vavany:
2 "Fa zovy ary moa aho no sahy honina ao an-dapako?
Ho sahiko ve ny hiala sasatra eo am-pandriako?
Izay torimasoko tsy ho tonga handrendrika!
Ny masoko tsy mba hikimpy, tsy ho rendremana!
3 Ambara-pahazon’ny Tompo trano fonenana,
Dia lapa honenan’Ilay Mahery sy Masina!"
Fa indro lazaina hoe any Efrata ny fiarany,
Anatin’ny saha manodidina eo no napetrany!
4 Midira ao an-tranon’Ilay Masin’ny Masina!
Midira ao an-kianjany, miankohofa anoloany!
Midira ato an-trano fonenanao, re ry Tompoko!
Ka ento mba hiditra ‘lay Fiaranao Masina.
5 Ny olom-boahosotra anie hitandro ny rariny
Hifaly, hihoby, hidera Anao ny Mpivavaka!
Ny tavan’ilay voahosotrao aza atosika,
Tsarovy i Davida mpanomponao re, ry Tompoko!
6 Hoy ny Tompo rah’nianiana teo imason’i Davida:
Ho an’izay haterakao ny seza fiandriananao;
Ny taranany aoriana koa handimby azy eo,
Rah’ mitandrina ny didy sy manaja fanekena.
Fa ny Tompo dia nifidy an’i Siôna mba ho Azy,
Ka ataony Fitsaharany onenany hatrany.
7 "Fitsaharako maharitra ka tiako lalandava
Ny olo-mariny tolorako tso-drano mba ho soa!
Ny mahantrany hataoko voky hanina avokoa,
Ny mpisorony tafiako famonjena itokiany.
Ny mpivavaka ao aminy hihoby an-kafaliana
Ka ataoko masin-teny sy malaza i Davida!
8 Hanomanako fanilo ‘lay voahosotro hanjaka,
Ary hataoko safo-kenatr’izay mety ho fahavalony
Ka hamiratra eo an-kandriny ny satro-boninahiny".
He! misaotra Anao ‘zahay, ry Tompo Andriamanitray.
Fa natsanganao ho velona ho santatra ho anay,
I Jesoa Zanakao tonga Nofo toa anay.
Sas: Ilay taranak’i Davida ara-nofo dia i Jesoa Tompontsika re,
natsangany ho velona mba hijoroany amin-kery ho Zanak’Andriamanitra.
TONONKIRA (IV.) Rom 8,35.37-40
Fiv: Fa satria tia antsika Andriamanitra!
1 Moa ve misy mahasaraka amy Tompo?
Fahoriana, fahantrana, fihafiana!
Ny mosary, sa ny loza, sa ny vono?
2 Tsy mihontsona amin’izahy anefa isika,
Fa vao mainka koa mihoatra ny mpandresy,
Fa satria i Jesoa Tompo tia antsika.
Fiv: Fa satria tia antsika Andriamanitra!
3 Na ho faty na ho velona isika,
Na anjely na ireo mpanohitra azy,
Na ‘zao androntsika ‘zao na ny ho avy?
4 Na ‘reo Zanahary ambony na ny ambany,
N’inona n’inona am’izao tontolo izao,
Dia tsy misy manan-kery amintsika!
Fiv: Fa satria tia antsika Andriamanitra!
5 Tsisy afaka manery antsika hiala,
Tsy ho alofan’ny fitiavan’Andriamanitra
‘Zay niseho tam’i Jesoa Tompontsika!
Fiv: Fa satria tia antsika Andriamanitra!
TENIN’ANDRIAMANITRA (V.)1 Piera 3,8-9
Aoka ianareo rehetra hiray saina, hiray fo amam-panahy, mifankatiava toy ny
mpiray tam-po, mahaiza mifandefitra, fa aza miavona. Aza mamaly ratsy ny ratsy,
na mamaly ompa ny ompa; tsodrano asetry an’ireny, satria ianareo no efa nantsoina
handova ilay tso-drano avy amin’Andriamanitra.
SETRINY (VI.)
Mifaningotr’aina amin’i Kristy isika fa miaraka Aminy mihinana ny Vatsy
antoky ny Aina ankoatra izao fiainana izao.
Fiv: Tia anay, tia anay Ianao, ry Jesoa, Mampiombona anay,
Mampihavana anay amin’ny Ray!
1 Endrey ‘ty famantarana ô ry Jesoa Tomponay:
Fa niara-nisakafo taminay tokoa Ianao
‘Zany re ka fanasana heni-boninahitra!
Enga anie hinoanay f’Ianao no hany hamonjy anay (Jn 2,1-11)
Fiv: Tia anay, tia anay Ianao, ry Jesoa, Mampiombona anay,
Mampihavana anay amin’ny Ray!
2 Endrey ‘ty fiadanana ô ry Jesoa Tomponay.
Fa niara-nisaksfo tamin’ny mpanota Ianao
Izy ireny hoy Ianao no indro nahatongavanao
Enga anie ho tsapanay fa mila Anao tokoa ‘zahay.
Fiv: Tia anay, tia anay Ianao, ry Jesoa, Mampiombona anay,
Mampihavana anay amin’ny Ray!
3 Endrey ‘zany hafaliana ô ry Jesoa Tomponay:
Fa niara-nisaksfo tamin’ny mpianatrao Ianao
Teo am-pamakiana mofo, velona aina ny finoany
Enga anie ho fantatray fa fiainanay tokoa Ianao!
Fiv: Tia anay, tia anay Ianao, ry Jesoa, Mampiombona anay,
Mampihavana anay amin’ny Ray!
4 Endrey ‘ty fitiavana ô ry Jesoa Tomponay:
Fa miara-misakafo aminay tokoa Ianao,
‘Zay mandray ny mahantra dia mandray ny Tenanao
Enga anie hanananay ny fo nitiavanao anay!
Fiv: Tia anay, tia anay Ianao, ry Jesoa, Mampiombona anay,
Mampihavana anay amin’ny Ray!
5 Endrey ‘zany hasambarana ô ry Jesoa Tomponay:
Fa ho avy indray Ianao rahefa feno ny fotoana
Ka hanasa ireo voafidy hiara-komana Aminao.
Enga anie ‘zahay rehetra hahandry ny hiverenanao!
Fiv: Tia anay, tia anay Ianao, ry Jesoa, Mampiombona anay,
Mampihavana anay amin’ny Ray!
TONONKIRAN’I MARIA (VII.)
Moa ve mifanaraka amin’ny fandaharan’ny Ray ny endriky ny Fiangonana ankehitriny?
Mbola hijanona ho samihafa hatrany ve isika, tsy miraika, matory eo anatrehan’izany?
Sas: Ray ô, aoka mba ho iray toa antsika
ireo rehetra mino Ahy,
mba hahalalan’izao tontolo izao
fa Ianao tokoa no Ray naniraka Ahy. (Jn 17,20-21)
Andininy:
1 Ny foko midera ny Tompontsika
Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy
‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
2 Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra" aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa
Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany".
3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony
Am’ ny olon-drehetra matahotra Azy,
‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry
Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,
Kanefa manadratra ireo ambany;
Manototra soa an’ireo noana
Fa mampody maina an’ireo mpanana.
5 Mpanarina an’Israely olony
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny Razantsika
Ho an’i Abrahama sy izay taranany.
6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,
Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika
Ho mandrakizay alaovalo!
Sas: Ray ô, aoka mba ho iray toa antsika
ireo rehetra mino Ahy,
mba hahalalan’izao tontolo izao
fa Ianao tokoa no Ray naniraka Ahy.
RANOMBAVAKA (VIII.)
Eo anivontsika ny Tompo, raha mivory arnin’ny Anarany isika, ka izay rehetra hangatahintsika amin’ny Ray dia homeny antsika avokoa.
Fiv: Efa miombona fanahy izahay, ka henoy ny vavakay, Tompo ô!
1 Ray Masina ô, misaotra Anao izahay, fa atolotra isan’andro ho fiombonana ary ho fihavanana ho anay ny Zanakao ao amin’ny Eokaristia!
Fiv: Efa miombona fanahy izahay, ka henoy ny vavakay, Tompo ô!
2 Ray Masina ô, enga anie ho fifampizarana fifankatiavana toy ny nataon’ny Zanakao tamin’ireo mpianany izay sakafo takariva iraisan’ny mpianakavy anio!
Fiv: Efa miombona fanahy izahay, ka henoy ny vavakay, Tompo ô!
3 Ray Masina ô, tsofy rano ny Tanora manorina fitiavana, tahio ny mpivady efa ao an-tokantranony, mba hifankatia marina araka ny sitrakao.
Fiv: Efa miombona fanahy izahay, ka henoy ny vavakay, Tompo ô!
4 Ray masina ô, nandrehitra afom-pitiavana tety antany i Kristy Zanakao, koa hamasino ny fifandraisana ifanoloranay fitiavana isam-baravarana!
Fiv: Efa miombona fanahy izahay, ka henoy ny vavakay, Tompo ô!
5 Fangatahana hafa
Fiv: Efa miombona fanahy izahay, ka henoy ny vavakay, Tompo ô!
Rainay any an-danitra...
Andriananahary Rainay ô, ny Fanahin’i Kristy Zanako no mampiray sy manentana anay, eo amin’ny fiainana maha-zanaka anay. Koa indreto izahay tsy misara-mianakavy mitalaho Aminao: hamafiso ny fifankatiavanay, dia tsy ho ketraka ny hiseho ho vavolombelon’ny fitiavanao izahay!
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay.
TSODRANO (IX.)
Mpitsodrano:
Andriamanitra Andriananahary mampitsimoka ny voa
mandritra ny fotoana atorian’ny olona anie
hampitombo ny fiombonantsika amin’i Kristy
mandritra izao alina madiva izao.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!