Alahady III Vavaka Maraina

ANTSO: (I.)

Vao miandoha ny herinandro Izy Tompo no tafatsangana mialoha

manambara amintsika fa Paka ny andro! Resy ny herin’ny fahafatesana!

Fiv: Aleloia, Aleloia.

1 Velona marina i Jesoa Tompo

Resy ny herin’ny fahafatesana e

Koa mifalia e!

Fiv: Aleloia, Aleloia.

2 Indro ny Rainy nanandratra Azy

Nanome Azy ny voninahitra e

Koa mifalia e!

Fiv: Aleloia, Aleloia.

ANTSO HAFA (I. b)

Isan’ny vavaka lovan’ny Fiangonana Tatsinanana ity Antso ity, anambarana fa antsoin’Andria­manitra hibanjina

ny fahamasinany isika; ary isika manatrika an’Andriamanitra dia mahatsiaro tena ho mpanota. Mpanota no midera

an’Andriamanitra! Tsy azo amboarina na ovana araka izay heverina ho fampiasana azy akory ny teniny, indrindra

raha raisina ho solon’ny "Masina" izy ao anatin’ny litorjian’ny Eokaristia.

Fiv: Masina Ianao ka iantrao izahay.

1 Andriananahary Andriamanitray,

Fiv: Masina Ianao ka iantrao izahay.

2 Ry Tompon’ny Hery sy Fahefana,

Fiv: Masina Ianao ka iantrao izahay.

3 Ry Mandrakizay ka tsy mety maty,

Fiv: Masina Ianao ka iantrao izahay.

4 Ry Ray be fitiavana anay rehetra,

Fiv: Masina Ianao ka iantrao izahay.

5 Ry Zanaka vonjin’ireo mpanota,

Fiv: Masina Ianao ka iantrao izahay.

6 Ianao ry Fanahy nomena anay!

Fiv: Masina Ianao ka iantrao izahay.

FANAINGANA (II.) Sal 113(112)

Fiv: Mitsangana ianareo ‘zay matory,

fa io i Kristy hanazava ny androntsika. (Ef 5,14)

1 Derao ry mpanompon’ny Tompo

Derao ny Anaran’ny Tompo.

2 Tsarovy ny Anaran’ny Tompo

Na izao na ho mandrakizay.

3 Tongava marain-tsy hariva

Hidera ny Anaran’ny Tompo, Aleloia!

Fiv: Mitsangana ianareo ‘zay matory,

fa io i Kristy hanazava ny androntsika.

4 Ambonin’ireo firenena:

Ny lazany avo dia avo!

5 Moa misy mitovy amy Tompo?

Ny Tompo mitoetra any ambony,

6 Ka miondrika Izy mijery,

Na lanitra izany na tany.

Fiv: Mitsangana ianareo ‘zay matory,

fa io i Kristy hanazava ny androntsika.

7 Alany amy fako ny ory,

Esoriny avy eo ny mahantra:

8 Apetrany anilan’andriana

Andriana izay tsy fanta-bahoaka

9 Ny momba amponeniny an-trano:

Niteraka maro ka faly.

Fiv: Mitsangana ianareo ‘zay matory,

fa io i Kristy hanazava ny androntsika.

10 Andeha isika hisaotra ny Ray:

Natsangany ho velona isika,

11 Hitovy amin-Janany tiany;

Nomeny Fanahy manan-kery

12 Hametraka antsika rehetra

Anilany mandrakizay.

Fiv: Mitsangana ianareo ‘zay matory,

fa io i Kristy hanazava ny androntsika.

SALAMO (III.) 93 (92)

Ny antsoantson’izao tontolo izao: mahery vaika ireny, kanefa mankaiza?

Fa hafa ny feon’i Jesoa Tompo: Efany ny manangana antsika ho Velona!

Sas: Midoboka toa ranomasina ny feon’i Kristy Tompo

Mahatsangana ho velona izay nodimandry. (Apok 1,15 sy Jn 5,28)

Andininy:

1 Andriana manjaka Ianao, ry Tompo

Mitafy ny hery tsy hay tohaina,

Ny zava-drehetra harin-tananao

Tomombana fatratra tsy mivena.

2 Mirafitra mafy ny rovanao

Fa manda miorina tsy mikoro

Hatrany am-boalohany teo Ianao

Ho mandrakizay re tsy hanam-petra!

3 Ny ony, ry Tompo, manandra-peo

Mandefa ny onjany hiraondraona,

Midoboka mafy ny feon-driaka

Manoatra an’ireny Ianao Tomponay!

4 ‘Reo Teny rehetra voalazanao

E lalina, marina, tsy mivaona

Ny fahamasinana feno haja

Manerana izany fonenanao.

5 Isaory ny Ray Loharanon’aina

Ny Zanany tokana ‘zay mpandova,

Natolony antsika ny Fanjakany

Satria ny Fanahiny momba antsika.

Sas: Midoboka toa ranomasina ny feon’i Kristy Tompo

Mahatsangana ho velona izay nodimandry.

TONONKIRA (IV.) Dan 3,58-75

Sas: Ny voaary manontolo, dia samy miandry fatratra,

Ilay andro hanehoan’Andriamanitra ny voninahitra natokany

ho an’ny zanany rehetra. (Rom 8,19-21)

Andininy:

1 Anjelin’ny Tompo: isaory ny Tompo

Ry lanitra ambony: isaory ny Tompo

Ry rahon’ny lanitra: isaory ny Tompo

Ry herin’ny tafika: isaory ny Tompo.

2 Masoandro amam-bolana: isaory ny Tompo

Ry kintan’ny lanitra: isaory ny Tompo

Ry ando aman’orana: isaory ny Tompo

E rivo-mahery: isaory ny Tompo.

3 Hain’andro sy afo: isaory ny Tompo

Fanala sy hatsiaka: isaory ny Tompo

Ry ando aman’erika: isaory ny Tompo

Ry rano sy havandra: isaory ny Tompo.

4 Fanala sy zavona: isaory ny Tompo

Antoandro sy alina: isaory ny Tompo

Mazava sy maizina: isaory ny Tompo

Ry raho-mamiratra: isaory ny Tompo.

5 Ry tany tontolo: isaory ny Tompo

Tongava hihoby: isaory ny Tompo

Ry vohi-mideza: isaory ny Tompo

Havoa-mavamavana: isaory ny Tompo.

Sas: Ny voaary manontolo, dia samy miandry fatratra,

Ilay andro hanehoan’Andriamanitra ny voninahitra natokany

ho an’ny zanany rehetra.

SALAMO (V.) 148

Atopazo ny masonareo ka jereo: izao rehetra izao tsy hary mifangarika

fa tokam-bolo ao amin’i Kristy.

Sas: I Kristy no naharian’Andriamanitra an’izao rehetra izao;

I Kristy no itsimbinan’Andriamanitra an’izao rehetra izao;

I Kristy no hamondronan’Andriamanitra an’izao rehetra izao

rehefa feno ny fotoana. (Kol 1,16-17)

Andininy:

1 Miderà ny Tompo ianareo ‘zay any an danitra any,

Miderà ny Tompo ianareo rehetra monina any,

Miderà ny Tompo ianareo anjeliny rehetra,

Miderà ny Tompo ianareo, ry tafiny rehetra.

2 Miderà ny Tompo, ô ry volana omba-masoandro,

Miderà ny Tompo ianareo, ry kintana mazava;

Miderà ny Tompo ianareo, ry lanitra avo indrindra

Miderà ny Tompo ianareo, ry rano mitatao.

3 Aoka ireo hidera ny Anara-masin’Izy Tompo,

Fa tsy nisy ireo raha tsy didy avy Aminy tokoa:

Izy Tompo ihany no nametraka azy tsy hiova,

Ka nametra izany ho lalàna mafy tsy dikaina.

4 Miderà ny Tompo ianareo, ry mponina eran-tany,

Miderà ny Tompo ianareo, ry hady sy fanano

Ianareo, ry afo sy havandra, zavona, fanala;

Ry tafiotra, rivotra mpanoa ny Tenin’Izy Tompo.

5 Ianareo havoana sesehena, vohitra rehetra,

Ry sedera avo, ianareo, ry hazo ‘zay mamoa,

Ianareo rehetra, ô ry bibidia sy fiompy,

Ianareo rehetra ‘zay manidina ary izay mandady.

6 Ianareo mpanjaka, ianareo vahoaka ts’hita isa,

Ianareo andriana, ianareo mpitsara ny tontolo,

Ianareo zatovo, tsy an-kanavaka eran-tany,

Ianareo ankizy sy ny zokiolona rehetra.

7 Aoka ireo hidera ny Anara-masin’Izy Tompo,

Fa ny Anara-masiny no avo hany mendri-kaja,

Ka ny fiamboniany avo noho ny lanitra sy tany,

‘Reo mpanompo Azy faly mankalaza sy midera.

8 Ts’iza izany akory fa ny firenena Isiraely

‘Lay vahoaka tiany, nolalainy hatrany, aleloia!

Zanakao, ry Ray, no miantso anay mba hidera,

Ny Fanahinao izay nomeny anay, momba anay.

Sas: I Kristy no naharian’Andriamanitra an’izao rehetra izao;

I Kristy no itsimbinan’Andriamanitra an’izao rehetra izao;

I Kristy no hamondronan’Andriamanitra an’izao rehetra izao

rehefa feno ny fotoana. (Kol 1,16-17)

TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.) 1 Piera 1,3-5

Hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa araka ny haben’ny indrafony, dia naterany ho olom-baovao isika, mba hananantsika ilay fanantenana velona, avy amin’i Jesoa Kristy nandresy ny fahafatesana; ka hahazoantsika ny lova tsy mety lò, tsy misy hosoka ary tsy mety simba; fa voatahiry any an-danitra ho anareo izany lova izany, dia ianareo izay arovan’ny finoana, noho ny herin’Andriamanitra, mba hahazoanareo ilay famonjena efa voaomana haseho an-karihary, amin’ny andro farany.

SETRINY (VII.)

Fiv: Efa natsangan’Andriamanitra ho velona i Jesoa Zanany sy mpanompony, aleloia.

Efa nialoha lalana antsika Izy ho vavolombelony (kosa) isika, aleloia.

1 Toy ireo vehivavy masina nanara-dia ny Tompo,

Manontany tena isika raha idonam-pahoriana;

Zovy ihany hoy isika, no hanosika ny vato?

Toa hadinontsika manko f’efa velona ny Tompo. (Lk 24,1-11)

Fiv: Efa natsangan’Andriamanitra ho velona i Jesoa Zanany sy mpanompony, aleloia.

Efa nialoha lalana antsika Izy ho vavolombelony (kosa) isika, aleloia.

2 Toy ‘reo mpianatra nandeha nizaha ny fasana isika.

Raha nandre fitantarana ny asa vitan’Izy Tompo;

Zovy ihany no hanova ‘zany fo sy masontsika,

Mba hinoany fa nitsangana ho velona ny Tompo? (Jn 20,3-11)

Fiv: Efa natsangan’Andriamanitra ho velona i Jesoa Zanany sy mpanompony, aleloia.

Efa nialoha lalana antsika Izy ho vavolombelony (kosa) isika, aleloia.

3 Toy ny mpianatra roalahy lasa nody koa isika,

Efa kivy tsy afa-mino izay voasoritry ny Ray,

Zovy ihany no hanazava ary koa hampino antsika

Fa tsy maintsy maty aloha vao hitsangana ny Tompo? (Lk 24,13-35)

Fiv: Efa natsangan’Andriamanitra ho velona i Jesoa Zanany sy mpanompony, aleloia.

Efa nialoha lalana antsika Izy ho vavolombelony (kosa) isika, aleloia.

4 Toy ‘reo mpianatra rehetra tafavory tao an-trano,

Zary henatra ho antsika ny Anaran’i Jesoa;

Zovy ihany no hijoro sy hanambara an-kasahiana

F’efa niara-nisakafo tamintsika i Jesoa Tompo? (Jn 20,19-29 sy Lk 24,41-43)

Fiv: Efa natsangan’Andriamanitra ho velona i Jesoa Zanany sy mpanompony, aleloia.

Efa nialoha lalana antsika Izy ho vavolombelony (kosa) isika, aleloia.

ANTSA HAFA (VII. b)

Mifalia! zanaka ankandriamason’Andriamanitra isika!

Fiv: Tompo ô, ‘zany hafaliako Zanakao natsanganao e;

I Kristy no ato amiko: Velona aho fa velona Izy. (indroa)

1 I Kristy no masoandro be, hazavana avy aminao, ry Ray;

Izahay no toy ny tarany manazava izao tontolo izao.

Fiv: Tompo ô, ‘zany hafaliako Zanakao natsanganao e;

I Kristy no ato amiko: Velona aho fa velona Izy. (indroa)

2 Faniriana ny ho velona, vetsovetso ny ho sambatra;

I Kristy no tena aina, hasambarana mandrakizay.

Fiv: Tompo ô, ‘zany hafaliako Zanakao natsanganao e;

I Kristy no ato amiko: Velona aho fa velona Izy. (indroa)

3 Fikasana ny hihavana mba ho tia sy ho tiavina;

I Kristy no be fitiavana, Izy monina ato am-ponay.

Fiv: Tompo ô, ‘zany hafaliako Zanakao natsanganao e;

I Kristy no ato amiko: Velona aho fa velona Izy. (indroa)

4 Tia Anao ‘zahay fa zanakao, Rainay tsy mbola hitanay

I Kristy eto afovoanay no mitaona anay ho Aminao.

Fiv: Tompo ô, ‘zany hafaliako Zanakao natsanganao e;

I Kristy no ato amiko: Velona aho fa velona Izy. (indroa)

TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)

Sas: Tsy nisy nahita na oviana na oviana an’Andriamanitra

fa ny Zanaka izay lahitokana eo an-tratran’ny Ray;

Izy ihany no nanambara Azy. (Jn 1,18)

Andininy:

1 Deraina isaorana Izy Tompo

Ny Tompo Andriamanitr’Israely

Fa Izy efa tonga namangy antsika

Nanavotra antsika amy fahavalo.

2 Nanolotra antsika herim-pamonjena

Avy amin’ny fianakaviana iray

Dia ny an’i Davida mpanompo tiany

F’izany tokoa no efa nolazainy.

3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany

Dia ireo olomasiny fahagola:

Ny vonjiny hanala amy fahavalo

Hanafaka antsika amy mpankahala.

4 Noho izy nandala ny Razantsika,

Dia indro tsaroany ny Fanekeny

Fa teny nomeny an’i Abrahama

Ny hanafaka antsika amy fahavalo.

5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy

Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy

Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky

Ho eo anatrehany lalandava.

6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:

Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra",

Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao

Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.

7 Ianao hanambara ny famonjena

Dia ny famelana ny hadisoana

Satria Andriamanitra fo miantra

Mandefa masoandro hamangiany antsika.

8 Fanilo hanazava reo mitakiky

Anatin’ny haizina mahafaty.

Fanilo hanazava ny diantsika

Am’lalam-piadanana lavorary.

9 Isaory ny Ray nanome antsika

Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!

Hobio ny Fanahy niantsoana antsika

Ho sambatra hibanjina ny mazava.

Sas: Tsy nisy nahita na oviana na oviana an’Andriamanitra

fa ny Zanaka izay lahitokana eo an-tratran’ny Ray;

Izy ihany no nanambara Azy.

RANOMBAVAKA (IX.)

Andeha isika hiara-miantsa an’i Kristy Filohantsika, ‘zay nilaza hoe: "Izay mino Ahy na maty aza mbola ho velona."

Fiv: Ry Kristy ô, ry Fiainanay, henoy ‘zahay, ry Fiainanay ô!

1 Kristy ô, misaotra Anao izahay, fa sitrakao hanana anjara amin’ny hasin’ny fitsangananao ho velona izao fiainanay izao; tahio izahay tsy handevozin’ny fahafatesana indray!

Fiv: Ry Kristy ô, ry Fiainanay, henoy ‘zahay, ry Fiainanay ô!

2 Kristy ô, misaotra Anao izahay, fa velona eo anivon’ny Fiangonanay Ianao, ka mampamirapiratra ny fitiavan’Andriamanitra Ray eo imason’ny firenenay; tahio izahay

tsy ho menatra ny finoanay!

Fiv: Ry Kristy ô, ry Fiainanay, henoy ‘zahay, ry Fiainanay ô!

3 Kristy ô, misaotra Anao izahay, noho ireo nahafoy ny zavatra rehetra, ka nanaiky hitory ny fitsangananao ho velona amin’ireo Malagasy iray rà aminay; tahio ny fisasaran’­izy ireo ary izahay koa mba tahio hijoro ho vavolombelon’ny fitsangananao ho velona, eo amin’izay rehetra mifanerasera aminay!

Fiv: Ry Kristy ô, ry Fiainanay, henoy ‘zahay, ry Fiainanay ô!

4 Kristy ô, misaotra Anao izahay, noho ny Fanahy Masina nomenao anay, fa Izy no manala alahelo anay amin’ny andro sarotra diavinay; tahio izahay mba ho afa-manala alahelo ny hafa manodidina anay!

Fiv: Ry Kristy ô, ry Fiainanay, henoy ‘zahay, ry Fiainanay ô!

5 Fisaorana hafa:

- noho ny fahafoizan-tena sy ny herim-pon’ireo mikarakara sy mitsabo ny marary.

- noho ny asa fanasoavana vitan’ireo hodimandry anio nandritra ny andro niainany.

Fiv: Ry Kristy ô, ry Fiainanay, henoy ‘zahay, ry Fiainanay ô!

Rainay any an-danitra ...

Misy efatra ny fomba azo amaranana ny Ranombavaka ao amin’ny Ofisy na:

- 1. raisina izay voalaza ao anaty boky;

- 2. raisina ny Fangatahana ao amin’ny Sorona Masina amin’io andro io;

- 3. faranana amin’ny Rainay any an-danitra.

- 4. mamorona tonombavaka mifanentana amin’ny foto-kevitra amin’io andro io.

Andriamanitra Andriananahary ô, Rain’i Jesoa Kristy Tompo Ianao, sady Rainay ihany koa, noho ny asan’ny Fanahy Masina sy ny heriny. Io Fanahy nanangananao an’i Jesoa Tompo ho velona io no nanangananao anay ho zanaka. Entanin’izany Fanahy izany izahay no mitalaho an-tanan-droa Aminao, mba ataovy miaina ilay Aina vaovao nentin’ny Zanakao izahay ka higoka ny hafaliana vokatr’izany dieny ety an-tany. Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay!

TSODRANO (X.)

Mpitsodrano:

Ho reharehan’i Kristy tokoa anie isika noho ny fanilovan’ny Fanahiny Masina, ka ho fahazavana eo anivon’ny mpiara-monina ahafahan’ny olona rehetra manome voninahitra ny Ray iombonana.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0317