ANTSO (I.)
VALINKIRA
Mova tsy zanaka an-trano isika? Tontolo andro izao: tsy mba sasatra ny Ray,
fa vao mainka liana foana handre ny antsontsika hoe: "Dada ô!"
Fiv: Ireo olon-tsotra tsy misy fitaka no zanaka handova ny lanitra. (Lk 18,16)
1 Dada ô, Masina ny Anaranao!
Fiv: Ireo olon-tsotra tsy misy fitaka no zanaka handova ny lanitra.
2 Dada ô, sitrako izay sitrakao!
Fiv: Ireo olon-tsotra tsy misy fitaka no zanaka handova ny lanitra.
3 Dada ô, mamiko ireo teninao!
Fiv: Ireo olon-tsotra tsy misy fitaka no zanaka handova ny lanitra.
4 Dada ô, entiko ireo hafatrao!
Fiv: Ireo olon-tsotra tsy misy fitaka no zanaka handova ny lanitra.
5 Dada ô, sambatra ireo tia Anao!
Fiv: Ireo olon-tsotra tsy misy fitaka no zanaka handova ny lanitra.
6 Dada ô, saotra no atolotro Anao!
Fiv: Ireo olon-tsotra tsy misy fitaka no zanaka handova ny lanitra.
7 Dada ô, faly aho fa manana Anao!
Fiv: Ireo olon-tsotra tsy misy fitaka no zanaka handova ny lanitra.
SALAMO (II.) 110 (109)
Sas: Efa nomena ahy ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany;
koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenen-drehetra. (Mt 28,18-19)
Andininy:
1 Hoy Andriamanitra tamin’ny Tompoko:
Avia mipetraka eto an-kavanako
Ho mandra-panaoko ny fahavalonao
Ho tonga fitoeran’ireo tongotrao.
2 Ny tehinao mahery hahinjitry ny Tompo
Avy any Siôna, avy any an-danitra;
Koa dia manjaka ary koa mandidia,
Hatreo am-povoan’ny fahavalonao.
3 Anao ny fiandrianana hatram’ny vao teraka
Fa masina Ianao ary enim-boninahitra
Manerana ireo tendrombohitra masina
Sy voatsodrano hatrany am-bohoka.
4 Izao ny fianianana avy amin’ny Tompo:
"Ianao dia Mpisorona mandrakizay
Ka toy ny fanaon’i Melkisedeka!"
Nianiana ny Tompo ka tsy mba hanenina.
5 Ny Tompo hijoro eo an-kavananao
Ho vinitra ery hanamongo mpanjaka
Hisotro am’n’ny riaka eny an-dalana Izy
Hitraka ny lohany, hijoro mahitsy.
6 Derao ny Ray be fitiavana antsika!
Ny Tompo nandresy ny fahafatesana,
Derao ny Fanahy nananganana antsika,
Ho mandrakizay ka ho mandrakizay.
Sas: Efa nomena ahy ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany;
koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenen-drehetra.
SALAMO (III.) 111 (110)
Eny, tonombavaka asesiky ny fahafahana nentin’i Kristy no mampisaotra
antsika an’Andriamanitra noho ny asa nataony.
Sas: Ny ràko fanekena vaovao, izay haharitra mandrakizay.
No indro hanasako ny otan’ny vahoaka rehetra. (Mt 26,28)
Andininy:
1 Deraiko amy foko tontolo ny Tompo
Anatrehan’ireo olo-marina (Aleloia)
Ao anivon’ny Fiangonam-beny
Lehibe manko ny asan’ny Tompo.
2 Madera tokoa ‘zany asan’ny Tompo,
Ka tsy maty ny fahamarinany, (Aleloia)
Ka ny lazany koa tsy ho very
Ho tsarovana mandrakizay.
3 Mitsimbina, eny miantra ny Tompo,
Ka omeny sakafo ny olona, (Aleloia)
D’ireo olona mino ny Tompo
Nananganany ‘lay fanekena.
4 Nasehony koa ny herin’ny Tompo,
Anatrehan’ireo ‘zay voafidy, (Aleloia)
Ka ny lova omeny azy ireo
Dia ny lovan’ireo firenena.
5 He marina sady mahitsy ny Tompo
Ka ny lalany azo itokisana, (Aleloia)
Marim-pototra tsy mba mikoro
Ka maharitra mandrakizay.
6 Nandray famonjena ny olom-boafidy,
Fanekem-baovao no iorenany, (Aleloia)
Ka mijoro ho mandrakizay
Eny masina manko ny Tompo.
7 Ny tahotra santatry ny fahendrena.
‘Zay manoa ny Tompo ho velona, (Aleloia)
Ka ho feno ny fahalalana
Tsisy fetra ny lazan’ny Tompo.
8 Anao re, ry Tompo, ny dera sy laza
Fa ilay Fanekem-pihavanana, (Aleloia)
D’ilay tokana mendrika Anao
No manafaka anay amin’ny ota.
Sas: Ny ràko fanekena vaovao, izay haharitra mandrakizay.
No indro hanasako ny otan’ny vahoaka rehetra.
TONONKIRA (IV.) 1 Efez 3,14 sy 19-20)
Andininy:
1 Izao no andohalihako anatrehan’Izy Ray:
Satria ny fahafantarako fa tia antsika i Jesoa
Fahaizana mihoatra izay fahaizana rehetra!
Ie! misaotra ny Ray aho!
2 Izay no andohalihako anatrehan’Izy Ray:
Fa sitrany ho feno safononoka tokoa
Izato fanasoavana nomaniny ho antsika!
Ie! misaotra ny Ray aho!
3 Izao no hiderako tsy an-kijanona ny Ray:
Naneho ny fahefany Izy hitondra soa ho antsika,
Manolotra mihoatra noho izay angatahintsika.
Ie! misaotra ny Ray aho!
4 Izay no hiderako tsy an-kijanona ny Ray:
Manolotra mihoatra noho izay noheverintsika
Fa afa-mampivoatra sy manova ny fontsika.
Ie! misaotra ny Ray aho!
TENIN’ANDRIAMANITRA (V.) Rom 8,29-30
Eny, ireo efa fantatr’Andriamanitra Ray mialoha no efa nofidiny hitovy endrika
amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa maro zandry i Kristy. Ary ireo efa nofidiny
ireo no nantsoiny, ireo izay nantsoiny nohamarininy, ary izay nohamarininy
nomeny voninahitra.
SETRINY (VI.)
Ny haren-tsaina nolovàna tamin’ny Razana: dia ireny tokoa ve no tanjona ho antsika?
1 Ny Razantsika hendry sy lalim-pandinihana
Nahalala sy niaiky
Fa mamy ‘tony aina!
Mirindra sy milamina ny misy manontolo
Mandravaka an’izany ...
Somambisamby ihany!
Kristy no Fiadanana azo antoka ho antsika!
2 Ny Razantsika hendry sy lalim-pandinihana
Nahatsapa sy niaiky
Fa ao ny Zanahary,
Mpandahatra toavina fa mandamina hilanto
Ny lanitra sy tany ...
Somambisamby ihany!
Kristy no Hazavana izay nomen’ny Ray antsika.
3 Ny Razantsika hendry sy lalim-pandinihana
Nankamamy sy niaiky
Firaisan-kina mafy;
Tsy ala ny hazo tokana ka miara-misalahy
Tsy hisy hanoha riana ...
Somambisamby ihany!
Kristy no nandefa ny Fanahy iraisantsika!
4 Ny Razantsika hendry sy lalim-pandinihana
Nanantena sy niaiky
Fanahy tsy ho faty
Tsy safotry ny fasana na haizina mikindro
Ka afaka mitahy ...
Somambisamby ihany!
Kristy no tena Aina sady santatra ho antsika!
5 Ny Razantsika hendry sy lalim-pandinihana
Naminany lalandava
Fihaonambe mitohy;
Satria ny faniriany tsy hisara-mianakavy
Tsy lefy tao am-pony ...
Somambisamby ihany!
Kristy no nanambara fa ny Ray no miandry antsika!
TONONKIRAN’I MARIA (VII.)
Sas: Iray ihany ny Raintsika rehetra
noho izany mpiray tampo isika. (Mt23,8-9)
Andininy: Lioka 1,46-55
1 Ny foko midera ny Tompontsika
Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy
‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
2 Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra" aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa
Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany".
3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony
Am’ny olon-drehetra matahotra Azy,
‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry
Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,
Kanefa manadratra ireo ambany;
Manototra soa an’ireo noana
Fa mampody maina an’ireo mpanana.
5 Mpanarina an’Israely olony
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny Razantsika
Ho an’i Abrahama sy izay taranany.
6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,
Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika
Ho mandrakizay alaovalo!
Sas: Iray ihany ny Raintsika rehetra
noho izany mpiray tampo isika.
RANOMBAVAKA (VIII.)
Efa nomena antsika ny Fanahy Masina hahafahantsika manahaka an’i Kristy Zanaka:
izay tsy mba nanao ny sitrapony, fa nikatsaka sy nanatanteraka mandrakariva ny
sitrapon’ny Rainy:
Fiv: Ampahafantaro anay ny sitraky ny Ray
mba ho tanterahinay, ry Fanahy Zanahary.
1 Ry Fanahy Zanahary ô, tsy afa-manova ny fiainanay araka ny sitraky ny Ray, izay fahaizanay olombelona itompoanay ho fantatra; Ianao Fanahin’ Andriamanitra ka ampamokary izay nafafinao ao am-ponay!
Fiv: Ampahafantaro anay ny sitraky ny Ray
mba ho tanterahinay, ry Fanahy Zanahary.
2 Ry Fanahy Zanahary ô, tsy afa-manavao ny taninay araka ny sitraky ny Ray ,
izay mba fanirianay olombelona mandrisika anay hiasa; Ianao FAnahin’Andriamanitra,
ka toroy lalana izahay!
Fiv: Ampahafantaro anay ny sitraky ny Ray
mba ho tanterahinay, ry Fanahy Zanahary.
3 Ry Fanahy Zanahary ô, tsy afa-mamonjy ny tra-pahoriana araka ny sitraky ny Ray,
raha ny vokatry ny fihetseham-ponay olombelona fotsiny; Ianao Fanahin’Andriamanitra,
ka otrony ny ezaka ifanohantohananay amin’ny manodidina anay!
Fiv: Ampahafantaro anay ny sitraky ny Ray
mba ho tanterahinay, ry Fanahy Zanahary.
4 Fangatahana hafa:
- tsy ampy ny fahamarinanay olombelona;
- ho an’ireo zanak’Andriamanitra madinika tsisy mpiahy.
Fiv: Ampahafantaro anay ny sitraky ny Ray
mba ho tanterahinay, ry Fanahy Zanahary.
Ry Fanahy Zanahary ô, Ianao no nananganan’Andriamanitra anay ho zanaka ka nahatonga anay ho isam-pianakavian’Andriamanitra, ampianaro izahay hahatsiaro sy hitandrina izay nandidian’i Kristy Tompo anay, hahamendrika anay hiandrandra ny Ray iombonana manao hoe:
Rainay any an-danitra ...
TSODRANO (IX.) [ohatra]
Mpitsodrano:
Ny Ray Tompon’ny Fanjakana,
ny Zanaka izay nirahiny hampanjaka ny fitiavana sy ny fahamarinana,
ary ny Fanahy mampivoatra ny fon’ny olona anie
hampivondrona antsika amin’ny Fanjakany.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!