FANAINGANA (I.)
Raha miverina isika, dia hiverina ny hafa izay nankinina amintsika.
Fiv: E, miverena amy Tompo, ry firenen-drehetra.
1 Hiantran’Andriamanitra anie isika hotsimbininy
Ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany!
2 Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,
Ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!
Fiv: E, miverena amy Tompo, ry firenen-drehetra.
3 Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao!
4 Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony
Fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fiv: E, miverena amy Tompo, ry firenen-drehetra.
5 Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny
Sy manjaka am’ireo firenen-drehetra isan-tokony.
6 Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao!
Fiv: E, miverena amy Tompo, ry firenen-drehetra.
7 Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra,
Andriamanitra manko Andriamanitsika: mitsimbina.
8 Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
Ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany!
Fiv: E, miverena amy Tompo, ry firenen-drehetra.
9 Voninahitra anie ho an’ny Ray nandefa ny Zanany
‘Zay nomeny hanasoavany antsika noho ny Fitiavany!
Fiv: E, miverena amy Tompo, ry firenen-drehetra.
ANTSA (II.)
Antsa mitanisa ny kilema ananantsika; eny, tsy ny an’ny hafa, fa ny antsika,
Antsa fieken-keloka; antsan’ny fanantenana!
1 Eny e ny lalan’olombelona etý an-tany etý
Avy amin’Andriamanitra, eny avy amin’ilay Nahary
Hankamin’Andriamanitra, hitody an-tranon-dRay!
Kanefa:
Ny Jamba, ny mandringa, ny marenina va re
Mba afaka hizotra ka ho tody marina any e?
Fiv: Miaiky e, miaiky re zahay fa dia mpanota, Tompo ô,
Matoky kosa anefa fa Ianao no lalanay,
Ianao no fahamarinana ary koa fiainanay e.
2 Eny e,
Ny fah’marinantsika raha etý an-tany etý,
Avy amin’Andriamanitra, eny avy amin’ilay Nahary
Hankamin’Andriamanitra, hitody an-tranon-dRay!
Kanefa:
Ny moana, ny malemy sy ny very saina ve
Mba afa-manantena ‘zany marina any izany?
Fiv: Miaiky e, miaiky re zahay fa dia mpanota, Tompo ô,
Matoky kosa anefa fa Ianao no lalanay,
Ianao no fahamarinana ary koa fiainanay e.
3 Eny e,
Ny fiainan’olombelona etý an-tany etý
Avy amin’Andriamanitra, eny avy amin’ilay Nahary
Hankamin’Andriamanitra, hitody an-tranon-dRay!
Kanefa:
‘Reo havana marary sy ireo maty koa va re
Mba afaka higoka ‘zany fiainam-bao izany
Fiv: Miaiky e, miaiky re zahay fa dia mpanota, Tompo ô,
Matoky kosa anefa fa Ianao no lalanay,
Ianao no fahamarinana ary koa fiainanay e.
SALAMO (III.) 51 (50)
Misy hadisoana miafina, mivalona tsy misy mahalala ao anatintsika ao!
Sas: Raha misy olona nanota,
manana Mpisolovava ao amin’ny Ray isika:
dia i Jesoa Kristy Ilay Marina. (1 Jn 2,1)
Andininy:
1 Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra
Fa Ianao manko lalim-pitiavana.
Mba koseho re ny heloka vitako
Dia diovy aho hiala amin’ny otako.
2 Efa niaiky hadisoana ny tenako,
Eo imasoko hatrany ny otako.
Taminao aho no diso Andriamanitro,
Fantatrao avokoa ny kilemako;
3 ‘Zay lazainao tokoa no hany marina,
Raha mitsara ahy Ianao ara-drariny.
Fa tanaty heloka aho re no teraka,
Tamin’ny ota aho no torontoronina.
4 Izay marina anaty no marina,
Ka toroanao mangina aho, ry Tompoko.
Ary fafazo rà aho ho sitrana:
Hihoatra ny oram-panala ny dioko.
5 Ampiravoravoy ny fanahiko
Sy ny taolako voamontsamontsana.
Mba esory eo imaso ny otako
Dia koseho tsy ho hita ny heloko.
6 Fo madio vaovao no angatahiko
Sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alana Aminao aho, ry Tompoko,
Ny Fanahy aza esorinao amiko.
7 Amereno hafaliana aho ho vonjiko
Dia tolory fanahy tena mendrika.
Ny mpanota hotoroako ny lalana,
Aminao no tsy maintsy hiverenany;
8 Mba fafao am’izay ny tomaniko,
Hilazako f’Ianao no hany marina.
Eny, Tompo ô, sokafy ny molotro,
Dia hidera tokoa ‘zany vavako.
9 Lavinao tsotra izao ny fanatitra,
Toy izany ireo sorona dorana;
Ny fanahy torotoro, ry Tompoko,
Io no sorona tianao hatolotro.
10 Tsy hodianao tsy hita, Andriamanitro,
Ny fanahy torotoro sy trotraka;
I Siôna omeo fitsimbinana,
Mba areno ‘lay Jerosalemako:
11 Dia ho manitra indray ny fanatitra
Sy ny sorona isan-karazany.
Koa isaorako Ianao, Andriamanitro,
Lehibe ny indrafonao tamiko.
Sas: Raha misy olona nanota,
manana Mpisolovava ao amin’ny Ray isika:
dia i Jesoa Kristy Ilay Marina.
TONONKlRA (IV.) Habakoka 3,2-4.13-19
Ny lazan’ny Tompo? - Ny indrafony tamintsika!
Mananjara ihany isika fa namborahany an’izany.
Sas: Atrakao ny lohanareo
fa efa antomotra ny vonjy ho anareo. (Lk 21,28)
Andininy:
1 Efa henoko, Tompo ô, ny lazanao
Mampiaiky ahy ny zavatra vitanao.
Mba havaozy izy ireny raha sitrakao
Ka ho fantatr’izao andronay izao!
2 Fa na tezitra mafy aza manko Ianao
Aza hadino, ry Tompo ô, ny miantra anay.
Avy any Temana Andriamanitsika
He ny Masina midina an’i Parana.
3 Ka ny lazany hita eny an-danitra eny
Fiderana Azy kosa no ety an-tany.
Manjopiaka mamiratra ny hazavany
Eny an-tanany taratra manan-kery.
4 Ny hamonjy no antony idinanao
Eny hamonjy ny olom-boahosotrao
Koa ny tranon’ny ratsy nongahanao
Na ny vato ijoroany aza afakao.
5 Dia nasianao tsipika ny lehibeny
Ny filohany akofa naelinao
Ny mamono ny marina no hafaliany
Mba hamiravirany azy am-pierena.
6 Ny soavaliny kanjo navarinao
Ka natelin’ny rano mangeniheny
Raiki-tahotra loatra aho nandre izany
Ka ny molotro maina sy nihararetra.
7 Dia ny taolako koa no nangorohoro
Ny famindrako lasa nivembena
Nefa indro aho miandry ilay andronao
Dia ny andro hamaliana ireo mpampahory
8 Am’izany tsy hamontsina ny aviavy
Ny voalobony koa tsy hitondra voany
Ny olivany zara raha hoe hamony
Eny an-tsaha tsisy vokatra hahavita taona.
9 Ka ny ondry ao am-pahitra lany ritra
Ary ny omby ao am-bala tsy hisy intsony
Fa ny ahy dia ny Tompo no hafaliako
Ka miravo aho fa Izy hamonjy ahy!
10 Eny tongotra serfa izao ny ahy
Mailamailaka ery aho mitety havoana
Voninahitra anie ho an’ny Ray Mahery
Ho an’ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.
Sas: Atrakao ny lohanareo fa efa antomotra ny vonjy ho anareo.
SALAMO (V.) 148 (147)
Isika kristianina vita batemy, voahosotra ho mpaniaka sy ho mpisorona manjaka,
no voatokana hisaotra an’Andriamanitra amin’ny fotoan-drehetra.
Sas: Ankalazao ny Andriamanitrareo, ry mpanompon’ny Tompo!
Nataony ho mpisorona manjaka ianareo. (1 Piera 2,9-10)
1 Ry Jerosalema, aoka ianao hiantsa,
Derao Andriamanitra, ry Siôna!
2 Ilay manamafy ny vavahady
Miahy ireo ankizy ao anatinao;
3 Miantoka anao handry fehizay,
Manetsaka anao mena-bary kanto;
4 Mandefa ny didiny ho ety an-tany,
Dia teny miriotra tsy hay tohaina;
5 Mandatsaka oran-toa volonondry
Mamafy fanala mangasohaso;
6 Mandraraka ireo vongan-dranomandry
Mandefa ny hatsiaka hampivaingan-drano.
7 Miteny izy anefa dia miempo ireny
Mitsonika mora dia lasa rano;
8 Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
Ny didy aman-tsatany ho an’i Israely!
9 Tsy misy olon-kafa nomeny izany:
Ny satany manko nafeniny azy.
10 Isaory ny Ray izay nifidy antsika,
Ny Zanany Teny nomeny antsika;
11 Natolony antsika ny fanjakany,
Satria ny Fanahiny momba antsika!
Sas: Ankalazao ny Andriamanitrareo, ry mpanompon’ny
Tompo! Nataony ho mpisorona manjaka ianareo.
TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.) Efez 1,7-10
I Jesoa Kristy no ahazoantsika fanavotana amin’ny ràny sy ny famelana ny fahotantsika
noho ny harem-pahasoavany izay nomen’Andriamanitra be dia be antsika: dia fahendrena
sy fahalalana tanteraka. Fa nampahafantarany antsika ny tsiambaratelon’ny Fikasany an-Tsafidim-po fa tia antsika Izy, ka indro hotanterahiny rahefa tonga ny fotoana: tsy inona izany fa ny hampivondrona izao rehetra izao, ny any an-danitra any sy ety antany hanaiky filoha tokana dia i Kristy.
VALINKIRA (VII.) (Sal 46 (45), 2-4)
Fiv: Fa miaro sy mitsimbina Andriamanitra e.
1 Tsy hanan-tahotra isika.
Fiv: Fa miaro sy mitsimbina Andriamanitra e.
2 Raha ny tany dia hikoro.
Fiv: Fa miaro sy mitsimbina Andriamanitra e.
3 Ny habakabaka hietry.
Fiv: Fa miaro sy mitsimbina Andriamanitra e.
4 Saingy isika tsy hivena.
Fiv: Fa miaro sy mitsimbina Andriamanitra e.
5 Sambatra isika nantsoiny.
Fiv: Fa miaro sy mitsimbina Andriamanitra e.
6 Teniny mandrakizay!
Fiv: Fa miaro sy mitsimbina Andriamanitra e.
TONONNKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)
Maty hahavokatra ve ny fahoriantsika?
Sas: E, sambatra isika fa afa-mameno ny tsy ampy amin’izay
niaretan’ny Tompo ho an’ny Fiangonana Vatany Masina. (Kol 1, 24 sy Mt 5,10-11)
Andininy:
1 Deraina isaorana Izy Tompo
Ny Tompo Andriamanitr’Israely
Fa Izy efa tonga namangy antsika
Nanavotra antsika amy fahavalo.
2 Nanolotra antsika herim-pamonjena
Avy amin’ny fianakaviana iray
Dia ny an’i Davida mpanompo tiany
F’izany tokoa no efa nolazainy.
3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany
Dia ireo olomasiny fahagola:
Ny vonjiny hanala amy fahavalo
Hanafaka antsika amy mpankahala.
4 Noho izy nandala ny Razantsika,
Dia indro tsaroany ny Fanekeny
Fa teny nomeny an’i Abrahama
Ny hanafaka antsika amy fahavalo.
5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy
Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy
Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky
Ho eo anatrehany lalandava.
6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:
Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra“,
Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao
Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.
7 Ianao hanambara ny famonjena
Dia ny famelana ny hadisoana
Satria Andriamanitra fo miantra
Mandefa masoandro hamangiany antsika.
8 Fanilo hanazava reo mitakiky
Anatin’ny haizina mahafaty.
Fanilo hanazava ny diantsika
Am’lalam-piadanana lavorary.
9 Isaory ny Ray nanome antsika
Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!
Hobio ny Fanahy niantsoana antsika
Ho sambatra hibanjina ny mazava.
Sas: E, sambatra isika fa afa-mameno ny tsy ampy amin’izay
niaretan’ny Tompo ho an’ny Fiangonana Vatany Masina.
RANOMBAVAKA (IX.)
Aoka isika hivavaka, hitalaho ny famindram-pon’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy,
fa Izy no mahafoy ny Zanany ho fanavotana antsika:
Fiv: Mamindra fo aminay, ry Tompo ô, fa nanota taminao izahay.
1 Ry Ray be indra fo ô, nomenao tombon’andro izahay androany hiainanay ny
aim-baovao noraisinay tamin’ny Batemy: koa mamindra fo aminay Ianao fa
mbola mahery ilay olona tranainy andevozin’ny fahotana ato aminay.
Fiv: Mamindra fo aminay, ry Tompo ô, fa nanota taminao izahay.
2 Ianao no Nahary ny zava-drehetra araka ny toetrany, ary fantatray fa
porofon’ny fitiavanao avy izy ireny: mifona Aminao izahay fa nitampi-maso sy
nanidy ny fonay tsy hahalala ny fitiavanao.
Fiv: Mamindra fo aminay, ry Tompo ô, fa nanota taminao izahay.
3 Nanankinanao asa izahay mba ho mpanompo tsara sy mahatoky eo amin’ny
fanavaozana ny taninao: mifona izahay noho ny fitiavan-tena be loatra ataonay.
Fiv: Mamindra fo aminay, ry Tompo ô, fa nanota taminao izahay.
4 Manazava ny fiainanay hatrany ny didy aman-dalàna nomen-Janakao anay:
mifona Aminao izahay fa nivily lalana matetika ary nitsipaka tsy nanaiky ny
anatr’ireo havanay.
Fiv: Mamindra fo aminay, ry Tompo ô, fa nanota taminao izahay.
5 Fangatahana hafa
Fiv: Mamindra fo aminay, ry Tompo ô, fa nanota taminao izahay.
Rainay any an-danitra ...
Ry Ray Masina ô,
hatramin’izao no mbola mifantsika
eo amin’ny Hazo fijaliana ny Zanakao
ao amin’ireo ampahoriana sy alam-baràka
ary farahidiny eto an-tany:
abaribario amin’izy ireo ny Fitsanganan-ko velona,
dia olona entanin’ny Fanahy Masina
hampitraka azy amin’ny fahoriany.
Miaraka amin’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay ...
TSODRANO (X.)
Mpitsodrano:
Enga anie Ilay Andriamanitra Ray
efa nanafa antsika tamin’ny fahotana tao am in’ny Zanany,
mba hanafaka antsika indray amin’ny haizina,
sy hitantana antsika ho any amin’ny Fahazavana maraina lalandava.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika.