Zoma II Vavaka Hariva

ANTSA (I.)

Inona moa no tena fara-fitiavana?

Fiv: Matoa aho nijaly sy maty, Izaho no nanolotra ny Aiko,

Matoa aho nanolotra ny aiko, izany no fara-fitiavako. (Jn 13,1)

1 Fa alina ny andro manakaiky ny fotoana

Ka indro fa hatolotra eo antanan’ny mpanota

I Jesoa ‘lay mpampianatra nikoizan’ny satana. (Lk 4,1-13)

Fiv: Matoa aho nijaly sy maty, Izaho no nanolotra ny Aiko,

Matoa aho nanolotra ny aiko, izany no fara-fitiavako.

2 Fa alina ny andro, manakaiky ny fotoana

Ka indro fa hatolotra eo antanan’izy Jody

I Jesoa ‘lay Mesia, ‘lay Mpanjaka nantenainy. (Lk 22,53)

Fiv: Matoa aho nijaly sy maty, Izaho no nanolotra ny Aiko,

Matoa aho nanolotra ny aiko, izany no fara-fitiavako.

3 Fa alina ny andro manakaiky ny fotoana

Ka indro fa hatolotra eo antanan’i Pilaty

Ilay Nazareana, lehilahy ‘zay tsara laza. (Mt 26,57.66)

Fiv: Matoa aho nijaly sy maty, Izaho no nanolotra ny Aiko,

Matoa aho nanolotra ny aiko, izany no fara-fitiavako.

4 Fa alina ny andro ary tonga ny fotoana

Ka indro fa nasandratra eo imason’ny tontolo

I Jesoa ‘lay Mpanjaka, ‘lay avy any Nazareta. (Mt 2,35.45)

Fiv: Matoa aho nijaly sy maty, Izaho no nanolotra ny Aiko,

Matoa aho nanolotra ny aiko, izany no fara-fitiavako.

5 Maraina izao ny andro ary tonga ny fotoana

Ka indro fa nasandratra eo imason’Izy Ray

I Jesoa ‘lay nandresy ka nandray ny fahefana. (Mk 16,19-20; Ap 1,7; Mt 28,18)

Fiv: Matoa aho nijaly sy maty, Izaho no nanolotra ny Aiko,

Matoa aho nanolotra ny aiko, izany no fara-fitiavako.

 

SALAMO (II.) 121 (120)

Solafaka isika... noho isika tsy mba niaraka tamin’ny Tompo.

Sas: Izay manaraka Azy Tompo tsy mba mandeha amin’ny haizina,

fa Izy no Fahazavana sy Fiainana ary Lalana. (Jn 8,12 sy 14,6)

1 Miandra any antendrombohitra ny masoko:

Avy aiza ary no ho tonga izany vonjiko?

2 Avy any amin’izy Tompo re ny vonjiko,

Fa Izy nanao ny tany sy ny lanitra;

3 Ary Izy tsy hamela anao ho solafaka

Satria tsy sondrian-tory fa miambina,

4 Tokoa tsy sondrian-tory na rendremana,

Fa miambina an’i Isiraely re ny Tompony.

5 Ny Tompo miahy anao amin’ny alina

Ny Tompo eo anilanao ka miambina.

6 Masoandro ny atoandro, tsy afaka hisompatra,

Ny volan’ny alina aoka tsy hatahorana.

7 Tsy voan’ny loza ianao fa ambenany.

Ho lavitra anao ny rofy sy ny aretina.

8 Miambina anao mandroso sy miverina,

Ny Tompo no toky ary Izy tsy mivadika.

9 Isaorako lalandava re ny Tompoko:

Ny Ray ‘zay nanangana ahy sy mitsimbina,

10 Ny Zanaka hazavana mahavelona

Naniraka ny Fanahy mahasambatra.

Sas: Izay manaraka Azy Tompo tsy mba mandeha amin’ny

haizina, fa Izy no Fahazavana sy Fiaina na ary Lalana.

 

SALAMO (II.) 115 (114)

Inona no tsy ataontsika te-hahazo zava-tsoa eto an-tany (omby, fiarakodia, sns)?

Ary mba ahoana kosa ny Fanjakan’Andriamanitra?

Sas: Raha tsy miaritra ny fahoriana isika, dia tsy

hiditra ny Fanjakan’Andriamanitra. (Asa 14,21)

Andininy:

1 Tia ko ny Tompo satria

Nihaino ny antsoko nihanta taminy!

Tia ko ny Tompo satria

Tsy mba nanentsin-tadîny

Tamin’ny andro rehetra niantsoako ny vonjiny,

Tiako e ny Tompo!

2 Saron’ny haizina ny aiko

Latsa ka ambovon’ny fahafatesana!

Tojon’ ity fahoriana

Velona ny tebiteby

Indro aho nitady ny Tompo niantso ny Anarany,

Tiako e ny Tompo!

3 Tompo ô, vonjeo re ‘ty ‘zaho!

Ny Tompo miantra sy tena marina;

Izy mangoraka antsika;

Aron’ireo olon-tsotra

Fony aho nalemy dia indro fa nohatanjahiny,

Tiako e ny Tompo!

4 Aoka hatoky, ry aiko,

F’Ianao tian’ny Tompo ka he hasoaviny

Izy manafaka anao

Velona tsy mba ho faty

Tsy mba tomany na mifendrofendro ny masoko,

Tiako e ny Tompo!

5 Entiny aho mba hamindra

Tsy ho tafintohina eo anatrehany

Roso fa velona indray!

Tiako Andriamanitra Raiko!

Zanany namonjy ahy, nanome ny Fanahiny,

Tiako e ny Tompo!

Sas: Raha tsy miaritra ny fahoriana isika, dia tsy

hiditra ny Fanjakan’Andriamanitra. (Asa 14,21)

 

TONONKIRA (IV.) Apok 15,3-4

Vavaka fisaorana lalandava no eo imolotry ny Mpino:

n’inona n’inona mitranga, n’aiza n’aiza misy azy.

Sas: Mba lehibe, ry Tompo Andriamanitra ô,

ny asanao etý aminay etý!

Andininy:

1 Lehibe sady mahatalanjona ny asanao,

Ry Tompo Andriamanitray heni-pahefana;

Fa marina sy mahitsy ny laIanao,

Ry Tompo Mpanjaka tokan’ny firenena.

2 Ka iza no tsy hatahotra Anao, ry Tompo?

Mba zovy hoe no tsy hanaja ny Anaranao?

Ianao manko no hany Masina, Andriamanitra ô:

Ka ho avy ny firenena sy ny isam-poko,

3 Hiankohoka sy hitsaoka anoloanao

Fa efa miseho tokoa fa mpitsara Ianao!

Sas: Mba lehibe, ry Tompo Andriamanitra ô,

ny asanao etý aminay etý!

 

TENIN’ANDRIAMANITRA (V.) (1 Kor 2,7-10a)

Fahendren’ Andriamanitra no torinay, dia fahendrena lalina tsy hita polopolorina izay

izay voatendrin’Andriamanitra talohan’izao tontolo izao, hampahazo voninahitra antsika.

Ary tsy misy mahatakatra an’izany ny mpanapaka an’izao tontolo izao, satria raha nahalala izy dia tsy ho namantsika ny Tompon’ny voninahitra. Fa izany dia anisan’ireo zavatra

voasoratra hoe; Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina, na mbola tafiditra tao ampon’ny olona velively no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia azy. Tamintsika no nanambaran’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahiny.

 

VALINKIRA (VI.)

VALINKIRA 1

Fiv: Tsy ho ketraka aho, ô ry Tompo ô.

1 Maro be ny fahavalo,

Fiv: Tsy ho ketraka aho, ô ry Tompo ô.

2 Fa Ianao no famonjena ;

Fiv: Tsy ho ketraka aho, ô ry Tompo ô.

3 He izato halemeko,

Fiv: Tsy ho ketraka aho, ô ry Tompo ô.

4 Fa nanambina ahy Ianao,

Fiv: Tsy ho ketraka aho, ô ry Tompo ô.

5 Fa satria vatolampy,

Fiv: Tsy ho ketraka aho, ô ry Tompo ô.

6 Ary tranoko mimanda,

Fiv: Tsy ho ketraka aho, ô ry Tompo ô.

7 Fiarovana ny aiko.

Fiv: Tsy ho ketraka aho, ô ry Tompo ô.

 

na: VALINKIRA 2

Fiv: Ny rà nalatsakao, ry Jesoa Tompo ô.

1 Ny fokom-pirenena no voaavotra.

Fiv: Ny rà nalatsakao, ry Jesoa Tompo ô.

2 Ny firenen-drehetra no voaavotra.

Fiv: Ny rà nalatsakao, ry Jesoa Tompo ô.

3 Matoa ‘zahay manjaka ety an-tany,

Fiv: Ny rà nalatsakao, ry Jesoa Tompo ô.

4 Matoa ‘zahay noraisin’Andriamanitra.

Fiv: Ny rà nalatsakao, ry Jesoa Tompo ô.

 

TONONKIRAN’I MARIA (VII.)

Sas: Tsy maintsy maty e i Kristy mba hampiray

ny zanak’Andriamanitra efa niely. (Jn 11,50-52)

Andininy: Lioka 1,46-55

1 Ny foko midera ny Tompontsika

Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra

Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy

‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.

2 Fa indro manomboka ankehitriny

Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra“ aho.

Nahavita be tamiko ilay Mahefa

Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany“.

3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony

Am’ny olon-drehetra matahotra Azy,

‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry

Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.

4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,

Kanefa manadratra ireo ambany;

Manototra soa an’ireo noana

Fa mampody maina an’ireo mpanana.

5 Mpanarina an’Israely olony

Satria mahatsiaro ny indrafony

Nampanantenainy ny Razantsika

Ho an’i Abrahama sy izay taranany.

6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao,

Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,

Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika

Ho mandrakizay alaovalo!

Sas: Tsy maintsy maty e i Kristy mba hampiray

ny zanak’Andriamanitra efa niely.

 

RANOMBAVAKA (VIII.)

Aoka isika hivavaka amin’Andriamanitra izay nampiadana sy nanavotra antsika

amin’ny alalan’ny fijalian-Janany, ka hamindra fo amin’ny fahalementsika hatrany

anie Izy:

Fiv: Ray ô, tia anay ny Zanakao ka tsinjovy izahay.

1 Ianao, ry Tompo, no mpankahery ny osa sy ny malemy koa henoy vavaka izahay

mahantra mitaraina Aminao, ary enga anie hisy fanafodiny ny fijaliana iaretanay.

Fiv: Ray ô, tia anay ny Zanakao ka tsinjovy izahay.

2 Ianao, ry Tompo, nandray ny fara-fofon’ain-Janakao teo ambony hazo fijaliana,

koa atreho ny tolokon’ireo miady aina ary aza avela hitambesatra aminy ny

herin’ny fahafatesana.

Fiv: Ray ô, tia anay ny Zanakao ka tsinjovy izahay.

3 Ianao izay nanavotra ny vahoakanao voasesitany tany ampielezana, tantano ny

dian’ireo izay lavitra ny tanin-drazany hahitany fialofana na aiza na aiza misy azy.

Fiv: Ray ô, tia anay ny Zanakao ka tsinjovy izahay.

4 Ianao izay mitady hamonjy ny mpanota: omeo hery hiarina amin’ny fahazaran-dratsy

izay mitady hivarilavo, ary aoka hampihavana azy Aminao ny Eglizy.

Fiv: Ray ô, tia anay ny Zanakao ka tsinjovy izahay.

5 Ianao nanandratra ny Zanakao handresy ny fahafatesana: omeo ny famonjena ireo

nialoha lalana anay any an-koatra ka hiara-tsambatra ao antranonao Rainay.

Fiv: Ray ô, tia anay ny Zanakao ka tsinjovy izahay.

6 Fangatahana hafa

Fiv: Ray ô, tia anay ny Zanakao ka tsinjovy izahay.

Rainay any an-danitra...

Ry Kristy Zanaka Lahitokan’ny Ray sy Teniny mandrakizay ô,

Ianao no Sorona tokana aman-tany

natolotra teo amin’ny Hazo Fijaliana hanonerana ny fahotanay;

koa mba raiso izao fideranay izao

ho sorona takariva atolotray Anao,

miaraka amin’ireo havanay rehetra miray finoana aminay.

Fa Ianao Andriamanitra velona sy manjaka...

na:

Ry Andriamanitra Ray ô, Masina Ianao

ka mendri-kaja sy fitiavana avy amin’ny fonay.

nanivaiva ny voninahitrao izahay, ary tsy nihavana Taminao.

Tsarovy hatrany re ny Sorona

natolotry ny Zanakao mpampihavana anay Aminao:

mamelà anay Ianao ary sitrano ny fonay hanao ny sitra-ponao.

Amin’ny alàlan’Izy Jesoa Kristy Zanakao Tomponay ...

 

TSODRANO (IX.) (Rom 6,4)

Mpitsodrano:

Enga anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy,

Ilay niarahantsika nilevina tamin’ny batemy,

hanangana antsika amin’ny herin’ny Fanahy Masina

ka hahamendrika antsika hiara-belona aminy

mandrakizay mandrakizay.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0078