FANAINGANA (I.) Salamo 24 (23)
Iza moa i Jesoa Ilay inoantsika?
Fiv: Aoka isika hifaly, hiravo, hanome voninahitra Azy Tompo.
1 Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa
Dia izao rehetra izao ary izay monina ao.
2 Naoriny ambonin’ny rano izy ireny,
Napetrany tsara eo ambonin’ny ony;
Fiv: Aoka isika hifaly, hiravo, hanome voninahitra Azy Tompo.
3 Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo;
Hanorim-ponenana an-toerany masina?
4 Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,
‘izay tsy mianiana tsy to amin’ny hafa;
Fiv: Aoka isika hifaly, hiravo, hanome voninahitra Azy Tompo.
5 Dia Izy no hany hotsofina rano,
Ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy.
6 Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha
Ny endrik’ilay Andriamanitra Tompo.
Fiv: Aoka isika hifaly, hiravo, hanome voninahitra Azy Tompo.
7 ‘Nareo vavahady, atrakao ny tatao,
‘Nareo varavarana re, misondrota!
8 Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!
Fa iza ary moa no Mpanjaka malaza?
Fiv: Aoka isika hifaly, hiravo, hanome voninahitra Azy Tompo.
9 Ny Tompo mahery ny Tompo tsitoha,
Ny Tompon’ny tafika mahery an’ady!
10 ‘Nareo vavahady: atrakao ny tatao,
‘Nareo varavarana re, misondrota:
Fiv: Aoka isika hifaly, hiravo, hanome voninahitra Azy Tompo.
11 Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!
Fa iza tokoa no Mpanjaka malaza?
12 Ny Tompon’ny tafika mahery an’ady,
Ny Tompo no hany Mpanjaka malaza?
Fiv: Aoka isika hifaly, hiravo, hanome voninahitra Azy Tompo.
13 Andeha ary hiara-midera ny Tompo!
Ny Ray: hanome voninahitra antsika;
14 Ny Zanaka: santatra, niantsoana antsika;
Fanahiny: nanamarinana antsika!
Fiv: Aoka isika hifaly, hiravo, hanome voninahitra Azy Tompo.
ANTSA (II.)
Ny fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho Nofo no oha-piainana nahazoantsika
ireo tombon-tsoa tsy manan-tsahala maha-zanaky ny Ray antsika.
1 Lay Zanaky ny Ray
Tonga nofo
Hahatonga antsika izao
Zaza atsangan’Ilay Ray;
Izy ilay Mahefa
Zary olona nanaiky
Hampihavana indray
Ny mpanota amin’ny Ray.
2 ‘Lay Zanaky ny Tompo
No manompo
Hanome antsika izao
Aina izay tsy mety ritra;
‘Lay tsy Hita maso
Zary hita maso:
Mba ho tonga ohatra
Hianarantsika izao.
3 ‘Lay Zanaka Malala
No nanaiky
Mba hanapaka ny rohy
Sy ny giam-pahotana;
Zanaky ny Avo
Tonga eto an-tany
Mba hampody antsika indray
Hankany an-tranon-dRay.
SALAMO (III.) 43 (42)
Hiraintsika ity Salamo ity ho fiombonana
amin’ireo voagadra sy voasesintany tsy ara-drariny.
Sas: Eny e, lavitra ny Tompo isika raha mbola aty an-tsesitany.
Nefa kosa ny Fanahy efa antoka ho antsika. (2 Kor 5,5-6)
Andininy:
1 Omeo rariny aho, Andriamanitra ô,
Hanohitra ‘reo tsy mpivavaka
Afaho amin’ny olo-mpamitaka,
Ianao Andriamanitra mandako.
2 Nahoana aho re no nilaozana
Nanjary anamparan’ny rafiko?
Tsilovy aho hahita ny lalana
Tariho mba hahita azy marina.
3 Hitody any am-bohitrao masina
‘Lay toerana ataonao fonenana;
Handroso aho ry Tompo Andriamanitro
Higoka ny tena hasambarako.
4 Valiha no hanaraka ny hirako
Hidera ny Tompo Andriamanitro.
Nahoana no ory ato anatiko,
Toa ketraka ianao, ry fanahiko?
5 Angaha manadino Andriamanitra,
Ao Aminy hatrany ifaharana;
Izaho mbola hidera ny Anarany
Fa vonjy Izy sady Andriamanitro.
6 Deraiko Izy Tompo Andriamanitro,
Izaho nampidiriny an-tranony
Ho zanaka tahaka ny Zanany
Rahefa nandray ny Fanahiny!
Sas: Eny e, lavitra ny Tompo isika raha mbola aty an-tsesitany.
Nefa kosa ny Fanahy efa antoka ho antsika.
TONONKIRAN’I EZEKIASA (IV.) Iz 38,10-20
Misy androm-pahoriana isotroana samirery ny mangidy, mitondra fahatahorana ho faty
fa mamy ny miaina. Ho an’ny mpino anefa, ny fahafatesana dia tsy fahalevonana mandrakizay.
Sas: Izaho no fananganan-ko velona,
izay mino Ahy na maty aza, mbola ho velona. (Jn 11,25)
Na: Na eo aza ny fahoriako, ampio ho velona aho, ry Tompo.
Andininy:
1 Vao misasaka ve ny fiainako
Dia ho faty sahady hoy aho!
2 Ka ny androko sisa rehetra
Dia ho very sy hafoiko avokoa.
3 Tsy hahita ny Tompo intsony
Raha aty amin’ny tanin’ny velona.
4 Tsy hahita na iza na iza
Amin’ny mponina ambonin’ny tany.
5 Ny fonenako no indro hiongotra
Toy ny lain’ireo mpiandry ondry.
6 Fa ny fiainana mba notenomiko
Hotapahina ho afaka ny haraka.
7 Foinao aho andro aman’alina
Mihararetra aho mandra-maraina
8 Fa sahala amy toa misy liona
Manamongo ny taolako rehetra.
9 Mitaraina aho toa sidintsidina
Mitoloko aho toa voromailala.
10 Eny viza-miandrandra ny masoko,
Tompo ô iantrao fa mijaly!
11 Ary inona anefa no hambarako?
Fa Ianao no nanao an’izao.
12 Eny hizorako ihany ny androko
Na mangidy aza izany fiainako.
13 Fa ny foko mitoky aminao
Ka sitrano aho Tompo velomy
14 Dia hiova ho soa ny anjarako
Na mangidy aza izay efa nentiko.
15 Aza avela ho faty ny aiko,
Aza atao eo imaso ny otako.
16 Tsy ny maty na oviana na oviana
Na ny lasa no afa-midera.
17 Fa satria ireo mitsitra any an-davaka
Tsy hanantena ny fahamarinanao,
18 Fa ny velona tahaka ahy izao,
No midera sy misaotra Anao.
19 Ka ny ray hampiseho amin-janany
Fa dia marina tokoa Ianao.
20 Koa avia, ry Tompo, avia
Mba vonjeo aho re ka ampio.
21 ‘Ndeha hisaotra ny Ray tia antsika
Raha tsy Izy tsy velona isika.
22 Fa nomeny fandresena ny Zanany
Dia nirahiny koa ny Fanahiny.
Sas: Izaho no fananganan-ko velona,
izay mino Ahy na maty aza, mbola ho velona.
Na: Na eo aza ny fahoriako, ampio ho velona aho, ry Tompo.
SALAMO (V.) 65 (64)
Toy ny salohim-bary masaka tsy misy mpijinja ny fon’ireo
mangetaheta ny Tenin’ny Tompo tsisy mpanohina.
Sas: Maro ny vokatra Tompo, fa ny mpijinja no vitsy.
Aniraho mpijinja re ny taninao, fa maro ny vokatra. (Mt 9,37-38)
Andininy:
1 Eny mendrika Anao re, ry Tompo
Ny hobiana sy antsoina ao Siôna.
2 Ianao no anefana voady
Fa satria mpihaino vavaka Ianao.
3 Ka izay manana aina rehetra
Samy tonga mankeo Aminao.
4 Novesaran’ny heloko aho,
Kanjo Ianao re mpamela hadisoana.
5 Eny sambatra ho’aho ‘zay voafidy
Hiara-monina akaiky Aminao:
6 Fa higoka an’ireo zava-tsoa
Sy ny hasin’ny tempolinao.
7 Tsapanay izao fa marina Ianao
Mahatalanjona anay ny asanao.
8 Ry Mpamonjy andrandraim-pirenena
Sy ny mponin’ny nosy eran-tany.
9 Ry nanao ireny vohitra avo,
Ry misikina hery tsy toha!
10 Ry Mahay mampitony ny rano
Ry Mahay mampangina vahoaka!
11 Raiki-tahotra ireo vazan-tany
Raha mahita an’ireo asanao!
12 Ka dia rafitra mihoby avokoa
Reo mahita masoandro isan’andro.
13 Tonga Ianao ka namangy ny tany
Dia nanondraka rano sy harena:
14 Dibo-drano ny onin’ny lanitra!
Hahavokatra izay hojinjaina.
15 Dia nokolokoloinao ny tany
Ny vav’asa voatondrakao rano;
16 Ka ny bainga naravonao tsara,
‘Zay nafafy notsofinao rano.
17 Ary zina ny taona tontolo
Fa nandalo tokoa ‘zany Tompo;
18 Dia ho lonaka erý ny tanety,
Ny havoana mirenty haravoana.
19 Tanimbilona rakotra ondry,
Lohasaha misalobona vary,
20 Ka mihira ny tany tontolo,
Miara-paly misaotra ny Tompo.
21 Voninahitra anie ho Anao,
Fa dia maro ny vokatra, Tompo,
22 Zanakao voa nafafy ka maty.
Ny Fanahy kosa namelona Azy.
Sas: Maro ny vokatra Tompo, fa ny mpijinja no vitsy.
Aniraho mpijinja re ny taninao, fa maro ny vokatra.
TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.) 1 Tes 5,4-5
Ry Rahalahy, tsy ao amin’ny haizina akory ianareo, ka tsy hanampoka anareo
ny andro hiverenan’ny Tompo, tahaka ny mpangalatra, fa Zanaky ny Hazavana.
Koa tsy anjakan’ny haizina isika.
VALINKIRA (VII.) Asa 2,17-21
Fiv: Amin’ny andron’ny Tompo. Aleloia!
1 Ny nofo rehetra handray ny Fanahy, Aleloia!
Fiv: Amin’ny andron’ny Tompo. Aleloia!
2 Dia hisy hamantarana izany eny ambony, Aleloia!
Fiv: Amin’ny andron’ny Tompo. Aleloia!
3 Fa hisy hamantarana koa eto an-tany, Aleloia!
Fiv: Amin’ny andron’ny Tompo. Aleloia!
4 ‘Zay miantso ny Anarany dia hovonjeny, Aleloia!
Fiv: Amin’ny andron’ny Tompo. Aleloia!
5 Fa tsy mba ho menatra ireo mino Azy, Aleloia!
Fiv: Amin’ny andron’ny Tompo. Aleloia!
6 Ny teniny haharitra mandrakizay, Aleloia!
Fiv: Amin’ny andron’ny Tompo. Aleloia!
TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)
Sas: Hanjaka ao am-pontsika anie ny fiadanan’i Kristy. (Kol 3,15)
Andininy:
1 Deraina isaorana Izy Tompo
Ny Tompo Andriamanitr’Israely
Fa Izy efa tonga namangy antsika
Nanavotra antsika amy fahavalo.
2 Nanolotra antsika herim-pamonjena
Avy amin’ny fianakaviana iray
Dia ny an’i Davida mpanompo tiany
F’izany tokoa no efa nolazainy.
3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany
Dia ireo olomasiny fahagola:
Ny vonjiny hanala amy fahavalo
Hanafaka antsika amy mpankahala.
4 Noho izy nandala ny Razantsika,
Dia indro tsaroany ny Fanekeny
Fa teny nomeny an’i Abrahama
Ny hanafaka antsika amy fahavalo.
5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy
Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy
Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky
Ho eo anatrehany lalandava.
6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:
Ho ‘lay „Mpaminanin’ny Avo indrindra“,
Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao
Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.
7 Ianao hanambara ny famonjena
Dia ny famelana ny hadisoana
Satria Andriamanitra fo miantra
Mandefa masoandro hamangiany antsika.
8 Fanilo hanazava reo mitakiky
Anatin’ny haizina mahafaty.
Fanilo hanazava ny diantsika
Am’lalam-piadanana lavorary.
9 Isaory ny Ray nanome antsika
Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!
Hobio ny Fanahy niantsoana antsika
Ho sambatra hibanjina ny mazava.
Sas: Hanjaka ao am-pontsika anie ny fiadanan’i Kristy.
RANOMBAVAKA (IX.)
Miaraha isika miantso an’i Kristy Mpamonjy fa Izy no manazava ny olona rehetra
tonga eo amin’izao tontolo izao, ary antsoy amim-pinoana Izy manao hoe:
Fiv: Tompo ô, tongava, tongava ê. Tongava eo anivon’ny vahoakanao.
1 Enga anie, ry Jesoa Tompo, ny fanantenanay hiombom-boninahitra Aminao
hampamirapiratra ny andronay anio, satria ny vavakay maraina dia ankalazanay
Anao nitsangan-ko velona.
Fiv: Tompo ô, tongava, tongava ê. Tongava eo anivon’ny vahoakanao.
2 Raiso ny fangatahanay ary hamafiso ny fikasanay mba hankahery fo anay
hisantatra izao andro izao.
Fiv: Tompo ô, tongava, tongava ê. Tongava eo anivon’ny vahoakanao.
3 Ampio izahay hitombo fitiavana Anao anio, ary enga anie ny zavatra rehetra
mba hahasoa anay sy ny olombelona namanay.
Fiv: Tompo ô, tongava, tongava ê. Tongava eo anivon’ny vahoakanao.
4 Ampio izahay ho vavolombelona manambara Anao eo anatrehan’ny olona,
hahitany ny soa ataonay, ka hanomezany voninahitra ny Ray any an-danitra.
Fiv: Tompo ô, tongava, tongava ê. Tongava eo anivon’ny vahoakanao.
5 Fangatahana hafa
Fiv: Tompo ô, tongava, tongava ê. Tongava eo anivon’ny vahoakanao.
Rainay any an-danitra ... .
Andriamanitra ô,
ny famirapiratanao no manazava ny olombelona
mitankizina anatin’ny alina;
koa ampio ny fonay tsy hatory na hivadika Aminao:
areno izahay raha lavo,
dia hidera Anao lalandava,
ary hanara-dia an’i Jesoa Kristy
Mpanjakan’ny Fahazavana sy Loharanon’ny Fiainana:
Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka ... .
TSODRANO (X.) [ohatra]
Mpitsodrano:
Enga anie Andriamanitra Ray
izay tsy mitsitsy na inona na inona,
ny Zanaka izay nampiboiboika onin-drano velona,
ary ny Fanahy izay mampamokatra ny tany karankaina
hampitobaka ny fahasoavany amin’ny Fiangonana.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!