Talata II Vavaka Hariva

ANTSA (I.)

Ny tenin’Andriamanitra androany: Tonga nofo!

Nifanojo tamintsika!... asa raha noraisintsika!

1 ‘Zany Teninao, ry Tompo, Hazavana

‘Zay manilo ny vahoaka mino Anao

Ka nanafaka azy hiala anaty haizina

Nandrakotra an’izao tontolo izao.

Koa enga anie mba hino anao ‘zahay

Mba handraisanay ny Teninao

F’Ianao no sitrak’Andriamanitra

Ho lalam-pamonjena izay hizoranay.

2 ‘Zany Teninao, ry Tompo, tena Hery

Hitokian’ireo ‘zay manantena Anao:

Na ho levona aza izao tontolo izao

Ny Teninao tsy miova fa nandresy Ianao!

Koa enga anie hatoky Anao izahy

Hitazonanay ny Teninao

F’Ianao no sitrak’Andriamanitra

Ho fahamarinana ‘zay hianteheranay!

3 ‘Zany Teninao, ry Tompo, tena Aina

Iveloman’ny vahoaka tia Anao!

Nositraninao ny rofiny rehetra

‘Reo ‘zay nodimandry dia natsanganao.

Koa enga apie ho tia Anao ‘zahay

Ho sakafonay ny Teninao

F’Ianao no sitrak’Andriamanitra

Ho Aina ivelomanay mandrakizay!

 

SALAMO (II.) 49 A (48 A)

Misy sampy miantsoanrso hasambarana ho antsika ao anatintsilra ao dia

ny vola aman-karena: angamba manodoka ...?

Sas: Tsy misy afaka hanompo Tompo roa,

dia Andriamanitra sy ny vola;

Tsy misy afaka hanompo Tompo roa,

dia Andriamanitra sy ny harena. (Mt 6,24)

Andininy:

1 Ry olon-drehetra, samia mba mihaino

Henoy re, ry mponin’ny tany tontolo

Na olona tsotra na olona ambony

Na manankarena na ny malahelo.

2 Fa anatra soa no ambarako anao

Dia teny miloatra avy amin’ny foko

Henoy ny hain-teny ilazako azy anao

Valiha no hiritsoka izany aminao.

3 Nahoana aho moa no hatahotra loza

Hihevitra hoe tsy ho tafarina intsony

Ireo fahavaloko mirehareha

Fa manana ka manontany ny ory.

4 F’angaha misy olona mahavo-tena

Na hoe afa-mahaloa tamby amy Tompo

Satria lafo loatra tokoa ny avotr’aina

Tsy voavidim-bola na oviana na oviana.

5 Ahoana ary no hahavelomany hatrany

Ka hoe tsy hahafaty azy mandrakizay.

Jereo fa na dia ny olon-kendry aza maty

Ireo tsy ampy saina dia torak’izany

6 Ny haren’izy ireny nankaiza avokoa?

Tsy maintsy navelany ho lovan’ny hafa

Naniry izy honina mandrakizay

Kinanjo ny anarany sisa tavela.

7 Isaory ary Ilay Andriamanitra Tompo

Ny Zanany efa nandray Fanjakana

Fanahiny kosa hanamasina antsika

Ho mendrika hanompo Azy marina isika.

Sas: Tsy misy afaka hanompo Tompo roa,

dia Andriamanitra sy ny vola;

Tsy misy afaka hanompo Tompo roa,

dia Andriamanitra sy ny harena.

 

SALAMO (III.) 49 B (48 B)

Ny fifikirantsika amin’ny vola aman-karena no mahatonga antsika ho toy

ny Rafotsibe kendam-bomanga ka voan’ny ataon’ny tena ihany ary manakona

antsika tsy hijery ny hafa sy Ilay Andriamanitra.

Sas: Fa sarotra ho an’ny mpanankarena ny miditra

amin’ny fanjakan’Andriamanitra. (Lk 18,24)

Andininy:

1 Ny olona manko raha manan-kaja

Tsy azony veroka akory izany

Ka mova tsy biby tsy manan-tsaina.

2 Jereo ny hanjo ‘reo matoky tena,

Ny lozan’izay minomino foana;

Toa ondry mitoby mba hovonoina.

3 Hiraotra any am’pasana toy ny maty;

Mba mailaka erý izy midina any.

Ny endriny hanjavona mora foana.

4 Ny Tompoko kosa mitsimbina ahy

Vonjeny amy fahafatesana aho;

‘Zay manan-karena aza, dia ahina,

5 Raha tany misondrotra manan-daza.

Angaha ny hareny manaraka azy?

Raha maty izy hankaiza ny fiamboniany?

6 Endrey ‘zany lazany teo aloha,

Nohasohasoiny any an-tampon-doha

Izao tafaray amy Razany izy,

7 Tsy hahita mazava mandrakizay

Izany tokoa he ny manan-kaja

Dia mova tsy biby tsy manan-tsaina!

8 Hisaotra ny Tompo mpitsara isika,

Ny Zanany ohatra ho antsika,

Fanahiny harena nomeny antsika.

Sas: Fa sarotra ho an’ny mpanankarena ny miditra

amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

TONONKIRA (IV.) Apok 4,11; 5,9-10.12

Nataon’i Kristy ho Mpisorona miaraka Aminy isika tamin’ny Batemy, ka ho

Sorona miaraka Aminy koa amin’ny Eokaristia sy ny fiainantsika manontolo.

Sas: An’ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra anie

ny Hery sy ny Laza ary ny Voninahitra!

1 Ry Tompo Andriamanitra mandrakizay e,

Ianao re no mendrika ny haja sy ny hery

F’Ianao no nahary ny zava-drehetra

Ka nisy izy ireny satria sitrakao.

2 Ianao re no mendrika haka ny Boky

Hamaha sy hanala ny tombo-kaseny

Fa noho ny Rà, fony Ianao novonoina

Nanjary voavonjy ho an’ny Tompo ‘zahay.

3 ‘Zahay samy hafa fiteny sy foko

Ny olon,drehetra eran’tany tontolo

Nantsoinao izahay hanjakan’ Izy Tompo

Ho tonga mpisorona hanjaka amy tany.

4 Ilay Zanak’Ondry voavono ho faty

No tokana mendrika handray fahefana,

Handray ny harena ombam-pahendrena,

Ny haja, ny laza arahina Saotra!

Sas: An’ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra anie

ny Hery sy ny Laza ary ny Voninahitra!

TENIN’ANDRIAIVlANITRA (V.) Rom 3,23-25a

Samy efa nanota ihany ny olombelona rehetra ka tsy manana ny

voninahitr’Andriamanitra, fa hamarininy maimaim-poana.

Fahasoavany izany: noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy fa

Izy no natsangan’Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-pifonana

amin’ny ràny ho an’izay mino, mba hampiharihary ny fahamarinany.

 

VALINKIRA (VI.) Salamo 135,6 (134,6)

Fiv: Fa vitan’ny Tompo izay tiany hatao.

1 Ny Tompo nanao an’i Jerosalema.

Fiv: Fa vitan’ny Tompo izay tiany hatao.

2 Ny Tompo nanangona an’i Israely.

Fiv: Fa vitan’ny Tompo izay tiany hatao.

3 Ny Tompo namonjy izay nampahoriana.

Fiv: Fa vitan’ny Tompo izay tiany hatao.

4 Ny Tompo Tsitoha tsy refesi-mandidy.

Fiv: Fa vitan’ny Tompo izay tiany hatao.

5 Ny Tompo mamelon’ireo manan’aina.

Fiv: Fa vitan’ny Tompo izay tiany hatao.

6 Ny Tompo fitiavana mandrakizay.

Fiv: Fa vitan’ny Tompo izay tiany hatao.

 

TONONKIRAN’I MARIA (VII.)

Sas: Tsy mila masoandro ny Tanàna, na volana hanazava azy,

fa ny voninahitr’­­­An­dria­­manitra no mamirapiratra ao aminy fa

ny Zanak’ondry no fanilony. (Apok 21,23)

Andininy: Lioka 1,46-55

1 Ny foko midera ny Tompontsika

Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra

Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy

‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.

2 Fa indro manomboka ankehitriny

Hantsoin’ny taranaka: „Sambatra“ aho.

Nahavita be tamiko ilay Mahefa

Ilay hoe: „Ny Masina no Anarany“.

3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony

Am’ny olon-drehetra matahotra Azy,

‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry

Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.

4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,

Kanefa manadratra ireo ambany;

Manototra soa an’ireo noana

Fa mampody maina an’ireo mpanana.

5 Mpanarina an’Israely olony

Satria mahatsiaro ny indrafony

Nampanantenainy ny Razantsika

Ho an’i Abrahama sy izay taranany.

6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao,

Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,

Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika

Ho mandrakizay alaovalo!

Sas: Tsy mila masoandro ny Tanàna, na volana hanazava azy,

fa ny voninahitr’­­­An­dria­­manitra no mamirapiratra ao aminy

fa ny Zanak’ondry no fanilony.

 

RANOMBAVAKA (VIII.)

Andeha isika hiantso an’i Kristy Mpamonjy amin’izao vavaka hariva izao:

fahazavana sy fanilo omena hitantana ny diantsika Izy, koa mahazo miantso

Azy amim-pitokiana isika:

Fiv: Vonjeo izahay, ry Tompo, noho ny hatsaramponao.

1 Niezaka hanaraka ny lalanao izahay androany, ry Tompo, nefa mbola misy haizina

ihany ny fiainanay, koa tolory tana-mamonjy izahay tsy ho rendriky ny haizin’ity alina ity.

Fiv: Vonjeo izahay, ry Tompo, noho ny hatsaramponao.

2 Ry Jesoa Mpiandry ondry mandrakizay ô, mba arovy ny Evekanay sy ireo rehetra

nofidinao hanompo ny Eglizy, mba halemy fanahy sy ho tsara fo tahaka Anao izy ireo.

Fiv: Vonjeo izahay, ry Tompo, noho ny hatsaramponao.

3 Ianao izay nangoraka ny vahoaka fahiny, mba omeo hanina sahaza azy ireo mosarena,

ary afaho amin’ny fitsapana mangeja azy ireo ‘zay enjehina.

Fiv: Vonjeo izahay, ry Tompo, noho ny hatsaramponao.

4 Ianao izay nanavao ny fon’i Zake, ampianaro hanaja ny rariny sy ny hitsiny

ny olon-drehetra, ka hifanaja marina izahay zandrinao.

Fiv: Vonjeo izahay, ry Tompo, noho ny hatsaramponao.

5 Hazavao ireo manana adidy hiandraikitra ny lalana sy hampiatra azy, mba hahitany

izay rariny hahasoa ny vahoaka.

Fiv: Vonjeo izahay, ry Tompo, noho ny hatsaramponao.

6 Aza hadino ireo nody mandry fa efa navotanao tamin’ny Rànao ka mba raiso hankeo amin’ny fanasanao mandrakizay.

Fiv: Vonjeo izahay, ry Tompo, noho ny hatsaramponao.

7 Fangatahana hafa

Fiv: Vonjeo izahay, ry Tompo, noho ny hatsaramponao.

Rainay any an-danitra ...

Ry Kristy fahazavana sy voninahitry ny Ray ô,

efa mihaalina izao ny andro,

ka aposahy ny fahamarinanao mba hanazava anay:

ary amin’izao takariva izao,

dia ampio ny fonay hahay hankasitraka ny soa ataonao,

sy hibebaka amin’ny tsy fahamarinana mahazatra anay,

Ianao izay velona sy manjaka ...

 

TSODRANO (IX.)

Mpitsodrano:

Ny Ray Tompon’ny tanimbary,

ny Zanaka nirahiny hamafy ny voa tsara,

ary ny Fanahy mampitsimoka ny voa anie

hanaisotra amin’ny fontsika ny voa ratsy,

ka hanome vokatra maharitra mandrakizay ao anatintsika,

ilay voa tsara nafafin’Izy Zanaka.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0078