Asabotsy II Vavaka Maraina

FANAINGANA (I.)

Herinandro iray no lasa, mbola velon’aina isika ka afaka mibanjina ... ny voninahitry ny Tompo!

Fiv: (Avia mba hihoby), avia mba hihoby ny Tompontsika,

(Hobio Andriamanitra,) hobio ny Andriamanintsika

(Ilay Vatolampy ô,) Ilay Vatolampy namonjy antsika.

1 Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo

Ka fo falifaly anompoana ny Tompo.

2 Tongava eo Aminy mihira miravo;

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra!

Fiv: (Avia mba hihoby), avia mba hihoby ny Tompontsika,

(Hobio Andriamanitra,) hobio ny Andriamanintsika

(Ilay Vatolampy ô,) Ilay Vatolampy namonjy antsika.

3 Fa Azy isika satria noariny

Sy tena vahoakany, ondry fiandriny,

4 Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,

Ny ao an-kianjany idiro amin-dera,

Fiv: (Avia mba hihoby), avia mba hihoby ny Tompontsika,

(Hobio Andriamanitra,) hobio ny Andriamanintsika

(Ilay Vatolampy ô,) Ilay Vatolampy namonjy antsika.

5 Derao Izy Tompo, ny Anarany isaory.

Miaiky isika fa tsara ny Tompo,

6 Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,

Am’taona rehetra ny fahamarinany.

Fiv: (Avia mba hihoby), avia mba hihoby ny Tompontsika,

(Hobio Andriamanitra,) hobio ny Andriamanintsika

(Ilay Vatolampy ô,) Ilay Vatolampy namonjy antsika.

7 Andeha isika hiara-mitsaoka ny Tompo,

Hihoby ‘Lay Zanany ombam-pahefana,

8 Derao ny Fanahy manamasina antsika,

Manentana antsika hihoby ny Tompo,

Fiv: (Avia mba hihoby), avia mba hihoby ny Tompontsika,

(Hobio Andriamanitra,) hobio ny Andriamanintsika

(Ilay Vatolampy ô,) Ilay Vatolampy namonjy antsika.

 

ANTSA (II.)

Mpanjaka i Kristy, tsy amin’ny laza amam-boninahifra, fa hafa ny Azy no hanjakany.

Fiv: Tsy tandapa sesehena nankalaza

na vahoaka an’alinkisa no nihoby sy nitsena,

fa fanginana hatrany!

1 Tranon’omby mamanala

No mba lapa nofidiny

Mpiandry ondry:

‘Reo no tonga hanotrona Azy.

Fiv: Tsy tandapa sesehena nankalaza

na vahoaka an’alinkisa no nihoby sy nitsena,

fa fanginana hatrany!

2 Notadiavin’ny vahoaka

Ho mpanjaka an-tany Izy

Fa niery

Hafa ny azy no hanjakany!

Fiv: Tsy tandapa sesehena nankalaza

na vahoaka an’alinkisa no nihoby sy nitsena,

fa fanginana hatrany!

3 ‘Zao no didiny tsy lefy

Ny ho tia ‘reo fahavalo

Ary isika

Hiezaka mba hifankatia.

Fiv: Tsy tandapa sesehena nankalaza

na vahoaka an’alinkisa no nihoby sy nitsena,

fa fanginana hatrany!

4 Ary ny hazo fijaliana

Nanehoany ny fitiavany

‘Sika kosa

Dia antsoiny hanaraka Azy.

Fiv: Tsy tandapa sesehena nankalaza

na vahoaka an’alinkisa no nihoby sy nitsena,

fa fanginana hatrany!

5 Ary ho setrin’izany

Dia nasandratry ny Rainy

Ka nomeny

‘Lay Anaram-boninahitra

Fiv: Tsy tandapa sesehena nankalaza

na vahoaka an’alinkisa no nihoby sy nitsena,

fa fanginana hatrany!

6 Amin’ny andro farany any

Dia hiseho hamiratr’Izy

Ka hiantso

‘Reo handova ny fanjakany.

Fiv: Tsy tandapa sesehena nankalaza

na vahoaka an’alinkisa no nihoby sy nitsena,

fa fanginana hatrany!

 

SALAMO (III.) 92 (91)

Fantatry ny Tompo izay ataony: reharehantsika izany!

Sas: Ny voa nafafy e tsy maintsy maty e

Mba hamokarany zato heny. (Jn 12,24)

Andininy:

1 Tsara ny misaotra Anao, ry Tompo,

Miantsa ny Anaran’ny Avo Indrindra;

Ny hatsaram-ponao raha vao maraina,

Ny fahamarinana nony alina.

2 Dia am’tory folo sy valiha

Ravahan-kalokalo sy lokanga

Ka faly aho mahita ny asanao

Sy ravo noho ny vitan-tananao.

3 Akory fa lehibe ny vitanao

Mba lalina rah’ny fisainanao

Ny tsy ampy saina no tsy mahalala

Adala foana ireo tsy mahatsapa.

4 Mahomby sady faly ve ny ratsy

Dia rariny avokoa ve ‘zay ataony?

Tsy ho ela dia ho ringana izy ireny

Ianao manko Tompo tena Avo.

5 ‘Reo fahavalonao jereo fa toro!

Mihahaka avokoa ny olon-dratsy

F’izaho nihanatanjaka aoka izany

Satria voahosotrao ka manan-kery.

6 Bandriniko tokoa ny fahavalo

Ary henoko avokoa ny teti-dratsy

Ny marina maniry toa antrendry

Dia tahaka ny sederan’i Libana.

7 Maniry ao an-tranon’Izy Tompo

Dia ao an-kianjan’ny Andriamanitsika

Hamokatra na dia efa antitra aza

Misondrotra tokoa ny tsiron-kazo.

8 Izany dia mitory fa mahitsy

Ny Tompo Vatolampy tsy mikoro

Ny Rariny misoritra ho Lalàny

Ny Hitsiny tokana tandroiny.

9 Fa tsara ny misaotra Anao, ry Ray,

Ny Zanaka ‘zay Loharanon’aina,

Fa tsara koa ny miara-mankalaza

Mihoby anao Fanahy ‘zay mankahery.

Sas: Ny voa nafafy e tsy maintsy maty e

Mba hamokarany zato heny.

 

TONONKIRAN’I MOIZY (IV.) Dt 32,1-12

Ny Tena fitiavana marina dia fitiavana tsy terena ary maimaim-poana.

Sas: Fa toy izao no fitiavan’Andriamanitra:

Izy no tia antsika mialoha. (1 Jn 4,10)

Andininy:

1 Henoy, fa hivolana Aho, ry Lanitra!

Ry tany, mandrenesa izany teniko.

Hirotsaka toa erika ny anatro

Hilatsaka toa ando anie ny teniko!

2 Toa orana tandrify zava-maitso

Toa rano manakotsa vondron’ahitra

Anaran’Izy Tompo no antsoiko ...

Hobio ny fiandrianan’Andriamanitra!

3 Fa Izy vatolampy: soa ny asany,

He rariny ‘zay lalana soritany;

Ny Tompo mahatoky tsisy hosoka:

Ary hitsiny sy marina tanteraka.

4 Nivadika izy ireo nandao ny marina,

Taranaka fangoloka, mpamitaka!

Izany ve no ataonareo ny Tompo?

Ry olona tsy hendry tsy mandinika!

5 Tsy Izy va no Ray nahary anao,

Nanampy anao hijoro ho marim-pototra?

Tsarovy irony andro fahagola re;

Todiho ireny taona nifanaraka.

6 Resaho ny rainareo fa hatorony,

Resaho koa ny Ntaolo fa hambarany.

‘Lay Avo raha nanao ny firenena:

Nizara ny taranak’olombelona,

7 Nametra ny vahoaka isan-tokony,

Manaraka ny fokon’Israely,

Ny lova ho Azy Tompo dia ny olony,

I Jakôba nofidiny ho anjara lovany.

8 Fa tany an’efitra izy no natsangany,

Dia efitra mangina nijaliany.

Ka indro nambombany, notandremany,

Narovany toy ny anakandriamasony.

9 Toa vorona mahery miahy ny akaniny:

Manidina manaloka ny zanany,

Velariny ny elany ho an-janany,

Velariny hipetrahany eo amboniny.

10 Ny Tompo no hany afaka mitsimbina,

Tsy manana andriamani-kafa ny olony.

Isaory ‘zay nataony tamintsika re.

Isika hiombon-dova amin-Janany.

Sas: Fa toy izao no fitiavan’Andriamanitra:

Izy no tia antsika mialoha.

 

SALAMO (V.) 8

Nataon’Andriamanitra ho antsika olombelona bitika izao rehetra izao.

Fitiavana izany, ... Fa isika rehetra kosa an’i Kristy.

Sas: Nataon’Andriamanitra eo am-pelatanan’i Kristy

ny zavatra rehetra, ary Izy no natsangany ho Tompony. (Efez 1,22)

Andininy:

1 Inty aho hihira ny fiandriananao

Ambony sy madera manoatra noho ny lanitra

Ireo vao minono sy ireo zazabodo

No he miantsa Anao ka mitory fideràna.

2 Dia sina sy nangina ‘reo fahavalonao!

Ka moana ny mpisompatra, menatra ny rafy

Rah’ hitako ny lanitra nataon’ny tananao

Ny volana, ny kintana ‘zay namboarinao.

3 Fa inona ny olona no mba tsiahivinao

Ny zanak’olombelona he tsimbininao

Fa lasa ambany kely noh’Andriamanitra izy

Ka henim-boninahitra izy nasondrotrao.

4 Ny asan-tananao foinao ho zakainy

Ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany.

Dia omby aman’ondry omban’ny bibidia,

Ny biby izay mandady sy mandia izany tany.

5 Ny vorona eny an-danitra sy trondron-dranomasina

Izay miriaria sy mifaly eny ambony onja.

Ry Tompo Andriamanitra endrey ny Anaranao

Marevaka sy fantatry ny mponina eran-tany.

6 Deraina sy hobina ‘Lay Ray Nahary antsika,

Ny Zanaka Mpamonjy natsangany ho Tompo,

Deraina ka hobina ny Fanahy nomeny antsika

Ho antoka hampiray ny zavatra rehetra.

Sas: Nataon’Andriamanitra eo am-pelatanan’i Kristy

ny zavatra rehetra, ary Izy no natsangany ho Tompony.

 

TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.) (Rom 12,18,20a.21)

Raha azonareo atao ka miankina aminareo koa, dia mihavana amin’ny olona rehetra.

Omeo hanina ny fahavalonareo raha noana, omeo hosotroina izy raha mangetaheta ...

Aza kivy aza ketraka amin’ny ratsy fa milozoha amin’ny tsara dia ho resinareo izy.

 

VALINKIRA (VII.)

Fiv: Ho hitan’ny maso rehetra. (Apok 1,7)

1 Ny Tompo no fahazavana.

Fiv: Ho hitan’ny maso rehetra.

2 Nomena ny tany tontolo.

Fiv: Ho hitan’ny maso rehetra.

3 Ny Tompo Mpanjaka Mahery.

Fiv: Ho hitan’ny maso rehetra.

4 Mandidy ny tany tontolo.

Fiv: Ho hitan’ny maso rehetra.

5 Ho avy ê ‘Lay be fahefana.

Fiv: Ho hitan’ny maso rehetra.

6 Mpitsara ny olon-drehetra.

Fiv: Ho hitan’ny maso rehetra.

7 Hiravo ‘zay manaraka Azy.

Fiv: Ho hitan’ny maso rehetra.

 

TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)

Sas: Tsy misy zava-miafina eo anatrehan’Andriamanitra, fa

mihanjahanja sy miharihary eo imasony avokoa. (Hb 4,13)

Andininy:

1 Deraina isaorana Izy Tompo

Ny Tompo Andriamanitr’Israely

Fa Izy efa tonga namangy antsika

Nanavotra antsika amy fahavalo.

2 Nanolotra antsika herim-pamonjena

Avy amin’ny fianakaviana iray

Dia ny an’i Davida mpanompo tiany

F’izany tokoa no efa nolazainy.

3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany

Dia ireo olomasiny fahagola:

Ny vonjiny hanala amy fahavalo

Hanafaka antsika amy mpankahala.

4 Noho izy nandala ny Razantsika,

Dia indro tsaroany ny Fanekeny

Fa teny nomeny an’i Abrahama

Ny hanafaka antsika amy fahavalo.

5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy

Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy

Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky

Ho eo anatrehany lalandava.

6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:

Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra“,

Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao

Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.

7 Ianao hanambara ny famonjena

Dia ny famelana ny hadisoana

Satria Andriamanitra fo miantra

Mandefa masoandro hamangiany antsika.

8 Fanilo hanazava reo mitakiky

Anatin’ny haizina mahafaty.

Fanilo hanazava ny diantsika

Am’lalam-piadanana lavorary.

9 Isaory ny Ray nanome antsika

Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!

Hobio ny Fanahy niantsoana antsika

Ho sambatra hibanjina ny mazava.

Sas: Tsy misy zava-miafina eo anatrehan’Andriamanitra,

fa mihanjahanja sy miharihary eo imasony avokoa.

 

RANOMBAVAKA (IX.)

Ndeha isika hivavaka hiaramankalaza an’Andriamanitra Raintsika:

mahafantatra ny mahasoa antsika Izy ary mitantana ny fiainantsika marain-tsy hariva:

Fiv: Tompo ô, tantano re izahay.

1 Misaotra Anao izahay, ry Tompo, fa nisinda ny alina ary nirotsaka ny mazava

ka afaka midera Anao eto an-tranonao izahay.

Fiv: Tompo ô, tantano re izahay.

2 Mankalaza Anao izahay, ry Tompo, noho ireo vavolombelona manambara

ny Zanakao eo anivonay sy manolotra amin’ny alalan’ny fiainany ny fanatitra

ankasitrahanao.

Fiv: Tompo ô, tantano re izahay.

3 Mankalaza Anao izahay, ry Tompo, noho ny herimpon’ireo marary sy mijaly

manambara sahady ny fandresen’Ilay Zanakao nitsangan-ko velona.

Fiv: Tompo ô, tantano re izahay.

4 Mankalaza Anao izahay, ry Tompo, noho ny famindram-ponao aminay

tsirairay avy, fa Ianao no fototry ny hasambarana sy hafalianay rehetra.

Fiv: Tompo ô, tantano re izahay.

5 Fangatahana hafa

Fiv: Tompo ô, tantano re izahay.

Rainay any an-danitra ...

Ry Andriamanitra Ray Masina ô, Ianao niantso ny vahoakanao

ka mitantana azy ho tody amin’ny tany nampanantenaina:

ombao fitahiana izahay hanara-dia an-janakao amin’ny lalam-baovao

nosoritany hahasambatra anay. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

 

TSODRANO (X.) [ohatra]

Mpitsodrano:

Enga anie Andriamanitra Ray

izay tsy mitsitsy na inona na inona,

ny Zanaka izay nampiboiboika onin-drano velona,

ary ny Fanahy izay mampamokatra ny tany karankaina

hampitobaka ny fahasoavany amin’ny Fiangonana.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0104