Asabotsy II Vavaka Hariva

ANTSA (I.)

Mampaninona antsika moa ny Fanahy Masina?

Fiv: Ry Fanahy nomena anay, mampiray ny tenanay amin’ny ain’i Kristy.

1 Ny asanao no ahalalana

Fa i Jesoa Tomponay

Nietry tena hanompo anay

Dia Andriamanitra tokoa. (1 Kor 12,3)

Fiv: Ry Fanahy nomena anay, mampiray ny tenanay amin’ny ain’i Kristy.

2 Noho Ianao nomena anay re:

Tonga Zanak’izahay;

‘Zao Ianao Fanahinay

Mampifankatia anay. (Rom 8,14-17; 5,5)

Fiv: Ry Fanahy nomena anay, mampiray ny tenanay amin’ny ain’i Kristy.

3 Herinao no mampandreny

Eo anivom-pijaliana

Hafaliana latsa-paka

‘Zay manentana hitraka. (Gal 5,22; Asa 5,41)

Fiv: Ry Fanahy nomena anay, mampiray ny tenanay amin’ny ain’i Kristy.

4 Bitsikao no manazava

‘Zay miseho amy fiainanay

Ka ahafahanay mandray

‘Zay lazain’i Jesoa anay. (Jn 14,26; 16,13)

Fiv: Ry Fanahy nomena anay, mampiray ny tenanay amin’ny ain’i Kristy.

5 Aminao ny loharano

Isotroanay dieny izao

Haravoana sy hafaliana

Santatr’ilay any aoriana. (Ef 1,13-14)

Fiv: Ry Fanahy nomena anay, mampiray ny tenanay amin’ny ain’i Kristy.

 

SALAMO (II.) 116 B (115)

Izay iray vatsy iray aina!

Sas: Ny Kalisy isaorantsika an’Andriamanitra

Dia ilay isotroantsika ny Ràn’i Kristy.

No iraisantsika aina Aminy. (1 Kor 10,16)

Andininy:

1 Natoky aho na nisy nanenjika aza,

Nilaza aza hoe: "Fara-fahoriana“,

Fa taitra aho manko ka vaky hoe:

"Mpandainga avokoa ny olombelona“

Koa inona no havaliko ny Tompo

Fa maro dia maro ny soa nataony?

Halaiko ny kalisim-pamonjena

Antsoiko ny Anaran’ny Tompontsika.

2 Hefaiko ny voady ‘zay nolazaiko,

Hefaiko anatrehan’ny firenena

Tsy zakan’ny Tompo tokoa anie

Ny hoe hahafaty ‘zay mino Azy.

Ry Tompo ô, satria aho mpanomponao,

Satria aho mpanompo matoky Anao,

Fa zanaka mpanompovavinao,

Dia indro ny gadrako esorinao.

3 Hanatitra sorom-pisaorana aho,

Hiantsoako amy foko ny anaranao,

Efaiko ny voadiko taminao,

Efaiko anatrehan’ny firenena.

Efaiko ao an-kianjan’ny tranonao,

Ao Jerosalema tanànanao.

Andeha re hisaotra ny Ray isika,

Ny Zanany nentiny ho tia antsika.

Sas: Ny Kalisy isaorantsika an’Andriamanitra

Dia ilay isotroantsika ny Ràn’i Kristy.

No iraisantsika aina Aminy.

 

SALAMO (III.) 113 (112)

Sas: Isaorantsika Andriamanitra Ray e amy zava-drehetra

fa izany no sitrapony ao amin’i Kristy Jesoa. (1 Tes 5,18)

Andininy:

1 Derao, ry mpanompon’ny Tompo

Derao ny Anaran’ny Tompo.

Tsarovy ny Anaran’ny Tompo

Na izao na ho mandrakizay.

2 Tongava maraintsy hariva:

Hidera ny Anaran’ny Tompo:

Ambonin’ireo firenena:

Ny lazany Avo dia Avo!

3 Moa misy mitovy amy Tompo?

Ny Tompo mitoetra any ambony,

Ka miondrika Izy mijery,

Na lanitra izany na tany.

4 Alàny amy fako ny ory,

Esoriny avy eo ny mahantra:

Apetrany anilan’andriana

Andriana izay fanta-bahoaka.

5 Ny momba amponeniny an-trano:

Niteraka maro ka faly

Isaory ny Ray tia antsika:

Ny Ainy efa nomeny antsika.

Sas: Isaorantsika Andriamanitra Ray e amy zava-drehetra

fa izany no sitrapony ao amin’i Kristy Jesoa.

 

TONONKIRA (IV.) Fil 2,6-11

Iza no idealintsika? I Adama nitady handrombaka ny toetran’Andriamanitra ka nandovantsika

ny fahafatesana; sa i Jesoa niala ny toetran’Andriamanitra nefa omena voninahitra ary namonjy antsika?

Sas: Ny voninahitrao, ry Tompo Andriamanitra Ray,

Dia i Jesoa Kristy Mpamonjy sy Tomponay.

Andininy:

1 Fa nanana ny toetran’Andriamanitra i Jesoa;

Kanefa tsy noheveriny hifikirana mihitsy

‘Lay toetra nitovizany amin-dRainy hatramizay.

2 Ka indro ny toetran’Andriamanitra nialany,

Dia naka ny toetra maha-mpanompo kosa Izy,

Ka tonga olombelona nitovy tamintsika.

3 Ny tenany naetriny, nanaiky fatratra Izy

Nanaiky dia nanaiky, eny ambara-pahafaty,

Ka maty ho antsika tamin’ny Hazo Fijaliana.

4 Ny Rainy kosa anefa indro fa nanandratra Azy,

Nanolotra Azy Anarana mitory fahefana:

Anarana mihoatra ‘zay anarana rehetra!

5 Fa tiany mba hilefitra amin’io Anarana io,

Hilefitra amin’i Jesoa ny lohalika rehetra:

Dia ny any andanitra any, ny eto an-tany sy any ambany.

6 Fa tiany mba hiaiky sy hanambara koa isika,

F’i Jesoa no natsangan’Andriamanitra ho Tompo,

Hijoro ho voninahitr’Izy Ray mandrakizay!

Sas: Ny voninahitrao, ry Tompo Andriamanitra Ray,

Dia i Jesoa Kristy Mpamonjy sy Tomponay.

 

TENIN’ANDRIAMANITRA (V.) Hb 13,20-21

Enga anie ny Andriamanitry ny fiadanana izay nanafaka tamin’ny herin’ny

Fahafatesana an’i Jesoa Tompontsika, Ilay mpiandry ondry mahatoky, ka

nampiakatra azy avy ao amin’ny fonenan’ny maty, noho ny Ràn’ny Fanekena

mandrakizay: hahamendrika anareo amin’ny asa soa izay hanaovanareo

hatrany ny sitrapony. Ho toviny ao amintsika anie izay sitraky ny fony noho

i Jesoa Kristy izay manana ny voninahitra amin’ny taona mifandimby. Amen.

 

VALINKIRA (VI.) SaI 76,3-12

Fiv: Tsaroako e ny vitan’ny Tompo fahiny.

1 Raha tra-pahoriana aho, ny Tompo zahako!

Fiv: Tsaroako e ny vitan’ny Tompo fahiny.

2 Fa Izy no hany mba afa-mamonjy

Fiv: Tsaroako e ny vitan’ny Tompo fahiny.

3 Ho mandrakizay ve ny hatezeran’ny Tompo?

Fiv: Tsaroako e ny vitan’ny Tompo fahiny.

4 Dia niova tokoa ve izany Tompo tsy foiko?

Fiv: Tsaroako e ny vitan’ny Tompo fahiny.

5 Tsaroako tokoa ‘reny taona efa lasa.

Fiv: Tsaroako e ny vitan’ny Tompo fahiny.

6 Tsaroako fa tsisy tsy vitany akory.

Fiv: Tsaroako e ny vitan’ny Tompo fahiny.

7 Matoky tokoa aho: i Kristy momba ahy.

Fiv: Tsaroako e ny vitan’ny Tompo fahiny.

 

TONONKIRAN’I MARIA (VII.)

Sas: Ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan’Andriamanitra

dia tsy mba hanenenany mandrakizay e!

Ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan’Andriamanitra

dia tsy mba hanenenany. (Rom 11,29)

Andininy: Lioka 1,46-55

1 Ny foko midera ny Tompontsika

Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra

Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy

‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.

2 Fa indro manomboka ankehitriny

Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra“ aho.

Nahavita be tamiko ilay Mahefa

Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany“.

3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony

Am’ny olon-drehetra matahotra Azy,

‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry

Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.

4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,

Kanefa manadratra ireo ambany;

Manototra soa an’ireo noana

Fa mampody maina an’ireo mpanana.

5 Mpanarina an’Israely olony

Satria mahatsiaro ny indrafony

Nampanantenainy ny Razantsika

Ho an’i Abrahama sy izay taranany.

6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao,

Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,

Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika

Ho mandrakizay alaovalo!

Sas: Ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan’Andriamanitra

dia tsy mba hanenenany mandrakizay e!

Ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan’Andriamanitra

dia tsy mba hanenenany.

 

RANOMBAVAKA (VII.)

Ndeha isika hisaotra an’Andriamanitra Ray, izay nitantana antsika

nandritra ny herinandro ka lazao azy, fa Izy no Tompo hany azo ianteherana:

Fiv: Tompo ô, Ianao no ianteheranay, Ianao, Ianao, Tompo ô!

1 Misaotra Anao izahay, ry Tompo, noho ny nitantananao ny Papa ... filohan’ny

Fiangonana, ka naharetany tao amin’ny finoana sy nanompoany ny vahoakanao,

koa mba tahio hatrany izy.

Fiv: Tompo ô, Ianao no ianteheranay, Ianao, Ianao, Tompo ô!

2 Misaotra Anao izahay, ry Tompo, amin’ny vokatry ny tany izay nomenao an

kalalahana ny zanakao rehetra: Koa ampianaro hahay hifampizara ny fanomezanao

izahay toy ny nataonao. Koa mba tahio hatrany izahay.

Fiv: Tompo ô, Ianao no ianteheranay, Ianao, Ianao, Tompo ô!

3 Misaotra Anao izahay, ry Tompo, noho ny fahafoizan-tenan’ireo mpitsabo ka

nahasitrana marary sesehena tamin’iny herinandro iny, misaotra Anao koa izahay

noho ireo mbola manohy ao amin’ny tenany ny fijalian-Janakao ho fanavotana anay,

koa mba tahio hatrany izy ireo.

Fiv: Tompo ô, Ianao no ianteheranay, Ianao, Ianao, Tompo ô!

4 Misaotra Anao izahay, ry Tompo, noho ny fiezahan’ireo Renim-pianakaviana,

sy ny fitsembohan’ireo Raim-pianakaviana, hamelona sy hanabe ny ankohonany

tamim-pitiavana; koa mba tahio hatrany izy ireo.

Fiv: Tompo ô, Ianao no ianteheranay, Ianao, Ianao, Tompo ô!

5 Misaotra Anao izahay, ry Tompo, noho Ianao nampiombona anjara an’ireo

havanay efa nodimandry amin’ny fahasambarana vokatry ny fitsanganan-Janakao

tamin’ny maty; koa mba tahio hatrany izahay.

Fiv: Tompo ô, Ianao no ianteheranay, Ianao, Ianao, Tompo ô!

6 Fangatahana hafa

Fiv: Tompo ô, Ianao no ianteheranay, Ianao, Ianao, Tompo ô!

Rainay any an-danitra ...

Ray Masina ô,

raiso ny fankasitrahanay Anao amin’izao takariva izao:

ny fiainanay manontolo, ny asa vitanay ary ny fialanay sasatra koa aza,

dia entinay hiderana sy hanomezam-boninahitra ny Anaranao.

amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ...

 

TSODRANO (IX.)

Mpitsodrano:

Andriamanitra anie hanohy

ka handavorary ny zava-tsoa efa natombony tao amintsika,

mandra-pahafeno ny fotoan’andro

hiavian’i Jesoa Kristy Tompo.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0273