Alatsinainy II Vavaka Maraina

Tompo ô, omeo risi-po izahay satria fanohizana sy fandavorariana ny asanao

no hataonay mandritry ny herinandro.

FANAINGANA (I,)

Fiv: Henoy ny Tompo ‘zay miantso antsika.

1 Avia mifalia ka hobio ny Tompo

Ilay vatolampy sy vonjintsika,

2 Andeha mankeo anoloany hisaotra

Hihira sy hiantsa ary hankalaza Azy,

Fiv: Henoy ny Tompo ‘zay miantso antsika.

3 Fa Izy Andriamanitra sady Tompo

Mpanjakan’ireo andriamani-kafa.

4 Ny atin’ny tany eo am-pelatanany

Ny tampon’ny vohitra Azy koa.

Fiv: Henoy ny Tompo ‘zay miantso antsika.

5 Nataony ka Azy ny ranomasina,

N’tanety Azy koa fa asan-tanany.

6 Avia miondreha ary miankohofa

Hitsaoka Ilay Tompo nanao antsika,

Fiv: Henoy ny Tompo ‘zay miantso antsika.

7 Fa Izy no tena Andriamanitsika,

Isika vahoaka sy ondry fiandriny.

8 Hihaino azy ve ianareo anio?

Fa izao no ambarany sy lazainy:

Fiv: Henoy ny Tompo ‘zay miantso antsika.

9 Aza dia mafy fo toy ny tany an’efitra,

Toy ny tany Masa sy tany Meriba.

10 Ny razanareo dia nitsapa ahy!

Kanefa nahita ny asa vitako.

Fiv: Henoy ny Tompo ‘zay miantso antsika.

11 ‘Ty taranaka ity efapolo taona

Dia nahatofoka ahy nahatezitra ahy.

12 Vahoaka mpaniasia tokoa ity

Tsy mety hahalala ny tena lalako.

Fiv: Henoy ny Tompo ‘zay miantso antsika.

13 Koa tezitra aho ka nianiana,

F’ireto ts’hiadana miaraka amiko.

Fiv: Henoy ny Tompo ‘zay miantso antsika.

14 ‘Ndeha isika hisaotra ny Tompontsika,

Ny Ray be fitia ‘zay nifidy antsika.

15 Ny Zanany nentiny niantso antsika,

Fanahiny kosa nomeny antsika!

Fiv: Henoy ny Tompo ‘zay miantso antsika.



ANTSA (II.)

Ny asa hosahanina, tsy asantsika irery, fa asan’Andriamanitra

iombonantsika Aminy.

1 Ry Tompo Andriamanitra Andriananahary

Nasainao manohy ary mandavorary

Ny zava-boaary eran-tany izahay:

Mitory fitiavana lalina izany.

Nomenao ho ohatra ‘lay Zanakao, misaotra e,

Ka niasa-nisasatra teto aminay, misaotra e,

Manjary asa masina izao ny asanay, misaotra e,

Mitory fitiavana lalina izany, misaotra e,

2 Matoky ‘zahay fa mitantana Ianao,

Manoro ‘zay asa sahaza ho anay,

Satria sitrakao ny hahasambatra anay

Mitory fitiavana lalina izany;

Ry Rainay Mpahary, tahio ny asanay, tahio e,

Tahio mba ho mendrika marina Anao, tahio e,

Fa miaraka miasa am’i Jesoa ‘zahay, tahio e,

Manomana tany sy lanitra vao, tahio e,



SALAMO (III.)

Sambatra ireo mahatsiaro tena fa meloka. nefa kosa

mitodika amin’i Kristy sy mangetaheta ho hamarininy.

Sas: Sambatra izay noana, Sambatra izay mangetaheta

Ny fahamarinan’Andriamanitra, fa homen’i Kristy azy izany. (Mt 5,1)

Andininy:

1 Mova tsy serfa ‘zay lian-doharano

Ny foko efa liana ny Tompoko.

Mangetaheta ny Tompo ny foko,

D’Ilay Andriamanitra velona!

Mba rahoviana aho re no handroso,

Hiseho anoloan’Andriamanitra?

Zary sakafoko ny ranomaso,

Indrisy isan’andro isan’alina!

2 ‘Zao no mba resaka henoko hatrany:

Mba zovy, hono, re no Andriamanitro?

Ory ny foko mandevy ao anaty,

Raha vao mahatsiaro ny lasana.

‘Zany aho fahiny raha niakatra an-drova,

Hihaona amy Tompo Andriamanitra,

Ndrey ny hafaliako eo anivom-bahoaka,

Nandredona hiram-pisaorana!

3 Aoka, ry foko, aoka izay ny toloko;

Ny sento avelao, ry fanahiko,

‘Zaho manko mbola hidera Azy Tompo:

Fa vonjy Izy sady Andriamanitro.

Ory ny foko mandevy ao anaty

Satria mahatsiaro ny Tompoko:

‘Zaho manko aty Joridany sy Hermona

Am-poto-kavoana tsy fantatra.

4 Varatra, kotroka, ora-mikija,

Na rano ao an-driana midoboka;

Onja mahery misamboaravoara:

Indray nifandafatra tamiko.

Andro ny Tompo maneho ny indrafony,

Mihira Azy kosa aho ny alina,

‘Zao no mba vavaka ataoko amy Tompo;

"Endrey ry Andriamanitra Tokiko,

5 Fa dia nahoana aho re no hadinoina

Ka lavon’ireo fahavaloko?

Toro ny taolana, ‘zaho koa voalatsa:

Mba zovy, hono, re no Andriamanitro?“

Aoka, ry foko, aoka izay ny toloko;

Ny sento avelao, ry fanahiko,

‘Zaho manko mbola hidera Azy Tompo:

Fa vonjy Izy sady Andriamanitro.

6 ‘Nty aho hidera ny Tompo tsy foiko

Hisaotra ny Raiko any an-danitra,

Zanany no efa nitondra ahy mba hody

Higoka ny tena Hasambarany.

Sas: Sambatra izay noana, Sambatra izay mangetaheta

Ny fahamarinan’Andriamanitra, fa homen’i Kristy azy izany.



TONONKIRA (IV.)

Indraindray ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka. Izay be anefa

no basy ary ny akanga maro tsy vakin’amboa, raha ny Tompo no ampanjakaina.

Sas: Ray ô ho tonga anie ny Fanjakanao. (Mt6,10)

Andininy:

1 Iantrao re ‘zahay, Andriamanitra Tompo,

Ireo firenena aoka hatahotra Anao:

Amparo eo aminy ilay sandrinao

Fa mbola tsy fantatr’ireo ny Herinao.

2 Naneho taminay teo imasony Ianao

Fa masina indrindra ka niaiky izahay

Ataovy mba tsapany koa ho hitanay

Fa tsisy ‘zay Tompo lehibe toa Anao.

3 Ary izy hahafantatra tahaka anay

Fa hany Andriamanitra tokana Ianao,

Indraozy ireo zava-mahagaga fahiny

Omeo voninahitra ny sandrinao

4 Angony ity fianakavian’i Jakôba,

Tolory azy indray re ny lova fahiny,

Iantrao ‘reo antsoina amin’ny Anaranao

Ny Lahimatoa am’ireo zanakao!

5 Ny Vohitrao Masina koa re tsinjovy!

‘Lay Jerosalema fonenana soa

Ataovy manako ao Siôna ny hoby

Anatin’ny Tempoly ny haja sy ny hery.

6 Andeha isika hidera ny Ray tia antsika,

Naneho fahefana Izy hanavotra antsika;

Ny zanay no nanandratany antsika.

Fanahiny no nahamendrika antsika.

Sas: Ray ô ho tonga anie ny Fanjakanao.



SALAMO (V.)

Ny Batemy noraisintsika no nahazoantsika ny Fahazavan’i Kristy: fanilo antoky ny alina

sy masoandro jiron’ny mazava itondrantsika ny Teniny eo amin’ny mpiara-belona amintsika.

Sas: Ianareo mpianatro no fahazavan’izao tontolo izao,

hoy ny Tompo. (Mt 5,14)

Andininy:

1 Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra

Ny asany kosa torin’ny habakabaka;

Ny andro milaza amin’ny andro manaraka,

Ny alina indray mitantara amin’ny alina.

2 Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany,

Tsy feo mba manako ho renesin’ny sofina:

Kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony;

Miely tsy tana ny hafatra entiny.

3 Jereo ny masoandro nomeny hilasiana

Dia ny ranomasina izay midadasika;

Ka nony miseho izy toy ny mpampakatra,

Mifaly toa olom-pandresy eny an-dalany.

4 Ka ny iandohany dia any atsinanana,

Fa ny ilentehany kosa any andrefana,

Dia indro henika azy ny tany aman-danitra

Ka samy mandray ny hafanana apariakany.

5 Andeha isika hisaotra ny Tompon’ny lanitra,

Ny Ray izay nanao ny masoandro amy toerany,

Ny Zanaka izay Masoandro nirahiny

Hanilo an’ireo izay mandray ny Fanahiny.

Sas: Ianareo mpianatro no

fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo.



TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.)

Vao tsinjoko ny Teninao, dia nateliko ka zary hafaliako amam-piravoravoan’ny

foko satria ny Anaranao no namantarana ahy, ry Andriamanitry ny firenen-drehetra.



VALINKIRA (VII.)

Fiv: Ho vavolombeloko manko ianareo.

1 Homeko hankahery anareo ny Fanahy,

Fiv: Ho vavolombeloko manko ianareo.

2 Dia Izy hanoro sy hanampy anareo;

Fiv: Ho vavolombeloko manko ianareo.

3 Hitety an’i Jerosalema ianareo,

Fiv: Ho vavolombeloko manko ianareo.

4 Hitondra ny teniko am-paran’ny tany;

Fiv: Ho vavolombeloko manko ianareo.

5 Ataovy mpianatro ny olon-drehetra,

Fiv: Ho vavolombeloko manko ianareo.

6 Lazao azy ireo ny fitiavan’ny Ray,

Fiv: Ho vavolombeloko manko ianareo.

7 Harahiny izay nandidiako anareo,

Fiv: Ho vavolombeloko manko ianareo.

8 Dia indro aho fa homba anareo lalandava.

Fiv: Ho vavolombeloko manko ianareo.



TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)

Tsy manodoka ny fiantsoan’ny Ray antsika.

Sas: Reo ‘zay nantsoiny dia nohamarininy;

Reo nohamarininy nomeny voninahitra. (Rom 8,30)

Andininy:

1 Deraina isaorana Izy Tompo

Ny Tompo Andriamanitr’Israely

Fa Izy efa tonga namangy antsika

Nanavotra antsika amy fahavalo.

2 Nanolotra antsika herim-pamonjena

Avy amin’ny fianakaviana iray

Dia ny an’i Davida mpanompo tiany

F’izany tokoa no efa nolazainy.

3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany

Dia ireo olomasiny fahagola:

Ny vonjiny hanala amy fahavalo

Hanafaka antsika amy mpankahala.

4 Noho izy nandala ny Razantsika,

Dia indro tsaroany ny Fanekeny

Fa teny nomeny an’i Abrahama

Ny hanafaka antsika amy fahavalo.

5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy

Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy

Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky

Ho eo anatrehany lalandava.

6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:

Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra“,

Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao

Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.

7 Ianao hanambara ny famonjena

Dia ny famelana ny hadisoana

Satria Andriamanitra fo miantra

Mandefa masoandro hamangiany antsika.

8 Fanilo hanazava reo mitakiky

Anatin’ny haizina mahafaty.

Fanilo hanazava ny diantsika

Am’lalam-piadanana lavorary.

9 Isaory ny Ray nanome antsika

Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!

Hobio ny Fanahy niantsoana antsika

Ho sambatra hibanjina ny mazava.

Sas: Reo ‘zay nantsoiny dia nohamarininy;

Reo nohamarininy nomeny voninahitra.



RANOMBAVAKA (IX.)

Andeha isika hiara-kiantso an’i Kristy Mpamonjy fa Izy no hany manazava

ny olona eto amin’izao tontolo izao sy hany Fitiavana marim-pototra.

Fiv: Tsy ho very mandeha ‘zay rehetra mifefy Aminao.

1 Ry Jesoa Kristy Mpisorona mandrakizay ô, nasandratrao ho mpisorona

izahay vahoakanao, ka ombay hanolotra fanatitra ankasitrahan’ny Ray.

Fiv: Tsy ho very mandeha ‘zay rehetra mifefy Aminao.

2 Mba ataovy azonay ny vokatry ny fanomezan’ny Fanahy Masina, dia ho

tsara fo izahay, sy hahalefitra ary halemy paika.

Fiv: Tsy ho very mandeha ‘zay rehetra mifefy Aminao.

3 Enga anie ny fahazavan’ny finoana hanilo anay anio sy hitarika anay

amin’ny fiainana marina.

Fiv:Tsy ho very mandeha ‘zay rehetra mifefy Aminao.

4 Ampio izahay hikatsaka izay mahasoa ny manodidina anay amin’ny asa

sahaninay anio fa izany no famonjena ho azy ireo.

Fiv: Tsy ho very mandeha ‘zay rehetra mifefy Aminao.

5 Fangatahana hafa

Fiv: Tsy ho very mandeha ‘zay rehetra mifefy Aminao.

Rainay any an-danitra ...

Kristy Tompo ô,

Fitiavanao no nandraisanao anay hiara-kandavorary ny tany Aminao,

koa ento any amin’ny Ray ny fiezahana sy ny fitsembohanay amin’izao

andro izao, ho zary fanamasinana anay sy ny voaary tontolo miaraka

Aminao ilay tsy mivadika mandrakizay mandrakizay.

Amen!



TSODRANO (X.)

Mpitsodrano:

Ny Ray izay niaviana sy hitodian’ny zavatra rehetra.

ny Zanaka izay Lalana sy Fahamarinana,

ary ny Fanahy Mpankahery anie

hampizotra antsika hatramin’ny farany

amin’ny lalana mitondra any amin’ny Fiainana.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0194