ANTSA (I.)
Inona no nokendren’Andriamanitra raha nahary ny olombelona?
1 Voninahitra anie ho Anao
Ny namoronanao anay, ry Tompo Andriamanitra
Vovontany foana no mba nanaovanao anay,
Tsinontsinona izahay;
Saingy ny aina avy Aminao no naparasakao ho anay
Ka mirehareha izahay;
Voninahitra anie ho Anao
Ny namoronanao anay, ry Tompo Andriamanitra.
2 Voninahitra anie ho Anao
Ny namelomanao anay, ry Tompo Andriamanitra
Oriory sy nijaly raha miteraka olom-bao
‘Zay ny lahatra ho anay
Nefa kosa manan-jo hampita aina sy hitaiza
Ka mirehareha izahay.
Voninahitra anie ho Anao
Ny namelomanao anay, ry Tompo Andriamanitra.
3 Voninahitra anie ho Anao
Ny nifidiananao anay, ry Tompo Andriamanitra.
Marobe ny tebiteby mifandafatra aminay
Iza no ifaharanay?
Tonga anefa ilay Mpamonjy niaraka ory taminay
Ka mirehareha izahay.
Voninahitra anie ho Anao
Ny nifidiananao anay, ry Tompo Andriamanitra!
4 Voninahitra anie ho Anao
Ny nanangananao anay , ry Tompo Andriamanitra
Eny mafy ny asanay ‘zay itandrovanay ny aina
Indro reraka izahay.
Mofon’aina kosa anefa no nafahanao anay
Ka mirehareha izahay.
Voninahitra anie ho Anao
Ny nanangananao anay, ry Tompo Andriamanitra!
5 Voninahitra anie ho Anao
Ny nanavotanao anay, ry Tompo Andriamanitra
Saingy an-dalam-panomanana ilay tany vaovao,
Ka mitsemboka izahay!
Zanakao mihitsy anefa no ivondronanay rehetra:
Ka mirehareha izahay!
Voninahitra anie ho Anao
Ny nanavotanao anay, ry Tompo Andriamanitra!
SALAMO (II.) 45 A (44 A)
I Kristy no mpampakatra ary isika no ampakarina. Maharitra
mandrakizay ny fiketrahany ary ny rariny sy hitsiny no sitrany.
Sas: Toy ny Ampakarina ny Fiangonana
Miantso an’i Kristy Ilay Mpampakatra. (Ap 22,17)
Andininy:
1 Ny foko mandevy amin’ny teny soa,
Ny vetsoko atolotro ny mpanjaka,
Ny lelako penina tena kanto.
2 Ry tsara tarehy samy zanak’olona
Fa mahafatifaty ny molotrao
Ka dia notahin’Izy Tompo ianao!
3 Hetraro ny sabatra, ry mahery,
Sikino ny laza sy fiamboniana,
Hiaro ny marina sy ny ory!
4 Tsy laitra hotohaina ny sandrinao!
Maranitra erý ny tsipîkanao
Ho ringana ireo fahavalonao!
5 Haharitra ny fiketrahanao;
Manjaka amy ny hitsiny manko ianao.
Ny rariny hatrany no sitrakao.
6 Ny Tompo Andriamanitra Tomponao
Manosotra anao ilom-pifaliana:
Ianao fa tsy ny hafa izay namanao.
7 He, manitra mira ny akanjonao,
Valiha torifolo ankafizinao
Miritsoka mora ao an-dapanao.
8 Anisan’ireo izay malalanao
Ny zanakavavin’ Andriamanjaka
Mirenty firavaka avy aminao.
9 Ary indro mijoro an-kavananao
Miravaka erý ny mpanjakavavy
Haingoim-bolamena avy tany Ofira.
10 Hobio Andriamanitra tia antsika,
Ny Zanany Tompo Mpanjakantsika,
Fanahiny tonga fanahintsika.
Sas: Toy ny Ampakarina ny Fiangonana
Miantso an’i Kristy Ilay Mpampakatra.
SALAMO (III.) 45 B (44 B)
Mba vonona toy ny ampakarina ve isika, mahafoy ny zavatra rehetra ka hanaraka
ilay notiavina, ka antsoina andro dia andro, antsoina alina dia alina?
Sas: Nony nisasaka ny alina, dia nisy nilaza hoe:
“Inty tamy ny mpampakatra ka mitsangana re.
Eny, mandehana mitsena an’i Kristy:
eny mandehana ka tsenao i Kristy.” (Mt 25,6)
Andininy:
1 Zavavy ô, ny sofina atongilano,
Ilaozy ny ray aman-dreninao
Ho tian’ny mpanjaka ny bikanao!
2 Andeha re mitsaoka ny Tomponao!
‘Reo manan-karena amin’ny vahoaka
Mitondra fanatitra ho sitrakao!
3 ‘Lay zanakavavin’Andriamanjaka
Jereo fa miravaka volamena,
Mianjaika manatona ny Mpanjaka.
4 Indreny milahatra falifaly,
Mandroso ao an-dapan’Andriamanjaka
Ireo tovovavy mpanotrona azy.
5 Ho maro e ny fara sy dimbinao
Mba hamela-maso ny razanao
Hanjaka eran-tany tontolo ireo!
6 Izaho kosa hiventy ny anaranao
Ho ren’ny taranaka mifandimby:
Hidera Azy hatrany ny firenena!
7 Isaory ny Tompo nifidy antsika
Fa Zanany no efa niantsoany antsika,
Handray ny Fanahy hampanjaka antsika.
Sas: Nony nisasaka ny alina, dia nisy nilaza hoe:
“Inty tamy ny mpampakatra ka mitsangana re.
Eny, mandehana mitsena an’i Kristy:
eny mandehana ka tsenao i Kristy.” (Mt 25,6)
TONONKIRA: (IV.) Efez 1,3-10
Anisan’ny lalina indrindra ao amin’ny Soratra Masina
izao lazain’i’Md Paoly izao ka dinihontsika.
Sas: Noraisintsika ny Fanahy nananganan’Andriamanitra
antsika ho zanany ka ahafahantsika miantso Azy hoe : Ray ô! (Rom 8,15)
Andininy:
1 Hisaorana anie ny Rain’i Jesoa Tompontsika
Noho Izy mitahy antsika avy any an-danitra any:
Fanahin’i Kristy Jesoa no nomeny antsika!
2 Isika efa nofidiny noho i Jesoa Tompo
Talohan’ny nahariana izao tontolo izao
Satria ‘sika tiany ho masina tsy manan-tsiny.
3 Natokany mialoha isika olon-tiany
Hatsangany mba ho zanany am’i Jesoa Tompo
Izany anefa no nataony dia ny sitrapony.
4 Andeha ary hankasitraka ity nataony
Nosoaviny tamin-Janany tokoa isika
Ny Zanany ‘zay namonjy antsika tamy ràny.
5 Navelany ny helotsika noho ny fahefany
‘Zay nentiny an-tanan-droa hanasoa antsika
Fa hendry izy mahalala tsara izay ataony.
6 Naborany tamintsika koa ny fikasany
Mikasika an’i Jesoa Zanany, fa tiany isika
Ka indro hotanterahiny amy ny fotoany.
7 Tsy inona fa mba handrindra izao rehetra izao
Ireo any an-danitra any s’ireo eto an-tany
Hanaiky filoha tokana dia Jesoa Tompo.
Sas: Nony nisasaka ny alina, dia nisy nilaza hoe:
“Inty tamy ny mpampakatra ka mitsangana re.
Eny, mandehana mitsena an’i Kristy:
eny mandehana ka tsenao i Kristy.” (Mt 25,6)
TENIN’ANDRIAMANITRA (V.) 1 Tes 2,13
Tsy tapaka ny misaotra an’Andriamanitra izahay satria tamin’ny nandraisanareo
ny Tenin’Andriamanitra notorianay, dia tsy noheverinareo ho tenin’olombelona
izany, fa nankatoavinareo araka ny tena izy dia ilay Tenin’Andriamanitra izay
nanova anareo efa nino.
VALINKIRA (VI.)
Fiv: Mifankatiava e, toy ny nitiavako anareo. (Jn 13,34)
1 Ny Zoky iombonana anie no nilaza
Fitiavana iray no nitiavany antsika.
Fiv: Mifankatiava e, toy ny nitiavako anareo.
2 N’fitiavany raha mitoetra amintsika,
Hataony tokoa ‘zay rehetra irintsika.
Fiv: Mifankatiava e, toy ny nitiavako anareo.
3 Iray ny Fanahy nananganana antsika;
Mpandova ny Ray, samy zanany isika.
Fiv: Mifankatiava e, toy ny nitiavako anareo.
TONONKIRAN’I MARIA (VII.)
Tsy amin’ny fitompoana teny fantatra ara-poto-kevitra na fahaiza-taojavatra
no hanovozantsika fahendrena fa amin’ilay nanome antsika ny Ainy dia i Kristy.
Sas: Ho an’izay voaantso dia i Jesoa Kristy
no hery sy Fahendren’Andriamanitra. (1 Kor 1,24)
Andininy:
1 Ny foko midera ny Tompontsika
Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy
‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
2 Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin’ny taranaka: „Sambatra“ aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa
Ilay hoe: „Ny Masina no Anarany“.
3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony
Am’ny olon-drehetra matahotra Azy,
‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry
Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,
Kanefa manadratra ireo ambany;
Manototra soa an’ireo noana
Fa mampody maina an’ireo mpanana.
5 Mpanarina an’Israely olony
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny Razantsika
Ho an’i Abrahama sy izay taranany.
6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,
Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika
Ho mandrakizay alaovalo!
Sas: Ho an’izay voaantso dia i Jesoa Kristy
no hery sy Fahendren’Andriamanitra.
RANOMBAVAKA (VIII.)
Fitiavana maimaim-poana no namoizan’ny Ray an’i Kristy hijaly ho antsika,
ary izany fitiavana izany no mbola ihantantsika Aminy hatramin’izao:
Fiv: Tompo ô, henoy ny vavakay olonao.
1 Tompo ô, mba ataovy voavonjy ny olona rehetra ary ataovy mahafantatra
ny fahamarinanao.
Fiv: Tompo ô, henoy ny vavakay olonao.
2 Be indra fo Ianao ka iantrao ireo tsy manana anton’asa mba hahita raharaha
maharitra hivelomany.
Fiv: Tompo ô, henoy ny vavakay olonao.
3 Aoka Ianao ho fialofan’ireo mijaly sy ho kiadin’ireo ory.
Fiv: Tompo ô, henoy ny vavakay olonao.
4 Ampianaro izahay hifanao soroka miara-milanja eo amin’ny fijaliana, dia ho
tanterakay tokoa ny didy nomenao.
Fiv: Tompo ô, henoy ny vavakay olonao.
5 Ankininay Aminao ireo nofidinao manokana hanohy ny asan-Janakao eo
anivon’ny setram-piainana samihafa.
Fiv: Tompo ô, henoy ny vavakay olonao.
6 Fangatahana hafa
Fiv: Tompo ô, henoy ny vavakay olonao.
Rainay any an-danitra.....
Mananty tanana Aminao izahay Andriamanitra Rainay,
ekeo sy hamasino ireo fisasarana amam-pahorianay
eto amin’ity tany fandalovana ity,
ho zary sorona ankasitrahan’ny Fonao
ao amin’Ilay Zanakao malalanao,
dia i Kristy velona mandrakizay mandrakizay. Amen.
TSODRANO (IX.) (Apok 1,8)
Mpitsodrano:
Enga anie Andriamanitra Andriananahary
Ilay efa nisy hatramin’izay,
Ilay misy ankehitriny,
ary mbola ho avy rahatrizay,
hitsimbina antsika mandrakariva mba ho masina
ary hitondra antsika any amin’ny fiainana mandrakizay.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!