FANAINGANA (I.) (Sal 100(99))
Ho hafaliana lalina ny hafaliantsika, fa ny Tompo momba antsika: Matokia!
Fiv: Andriamanitra velona re no aoka hotompointsika,
Andriamanitra marina re no aoka hotompointsika.
No aoka hotompointsika izao re, isika arin-tanany. (1 Tes 1,9)
1 Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo Ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
2 Tongava eo Aminy mihira miravo; Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra!
Fiv: Andriamanitra velona re no aoka hotompointsika,
Andriamanitra marina re no aoka hotompointsika.
No aoka hotompointsika izao re, isika arin-tanany.
3 Fa Azy isika satria noariny Sy tena vahoakany, ondry fiandriny,
4 Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra, Ny ao an-kianjany idiro amin-dera,
Fiv: Andriamanitra velona re no aoka hotompointsika,
Andriamanitra marina re no aoka hotompointsika.
No aoka hotompointsika izao re, isika arin-tanany.
5 Derao Izy Tompo, ny Anarany isaory. Miaiky isika fa tsara ny Tompo,
6 Fa mandrakizay ny fitiavany antsika, Am’taona rehetra ny fahamarinany.
Fiv: Andriamanitra velona re no aoka hotompointsika,
Andriamanitra marina re no aoka hotompointsika.
No aoka hotompointsika izao re, isika arin-tanany.
7 Andeha isika hiara-mitsaoka ny Tompo, Hihoby ‘Lay Zanany ombam-pahefana,
8 Derao ny Fanahy manamasina antsika, Manentana antsika hihoby ny Tompo,
Fiv: Andriamanitra velona re no aoka hotompointsika,
Andriamanitra marina re no aoka hotompointsika
No aoka hotompointsika izao re, isika arin-tanany.
ANTSA (II.)
Ny Tompo tia antsika. raha mino izany isika. hahatsikaritra isan’andro
ireo fambara sesehena atolony amintsika.
1 Omeo finoana izahay |
Hankahery anay malemy |
Fa tsy misy tsy azo atao |
Ho an’izay rehetra mino. | bis
Noho ny Teninao, ry Tompo |
Efanay ny sitrakao. (Mk 9.23-24) | bis
2 Abrahama, rain’ny mpino |
Tsy nisalasala akory |
Ny hamoy ilay naterany |
Nony nangatahinao! | bis
Ho afoinay ho Anao |
Izay mba maminay indrindra. (Jen 22, Hb 11,17-19) | bis
3 Mino to’ireo miaramila |
Tany Jerikao fahiny |
Nampikoa ny tamboho e |
Tamim-peon’anjomara |bis
Noh’ny Anaranao, ry Tompo |
Ho resinay ny mafy indrindra. (Jos6)| bis
4 Mino toy ‘lay Tomponjato: |
Teninao iray dia ampy |
Hanasitrana tokoa |
Ny aretina mahazo. |bis
Mino ‘zahay, ry Tompo |
Ny Teninao no tokinay. (Mt 8.5-13) |bis
5 Mino mafy sady faly |
Toy ny Reninao fahiny |
Sy i Joany Mpialoha |
Nahare fa tonga Ianao! | bis
Dia hiravo ny fonay |
Manantena famonjena. (Lk 1,45) | bis
SALAMO (III.) 77(76)
Zovy moa no tsy nantsoina hitalahoana famonjena rehefa tojo fahoriana!
Efa niantso koa ianao, ... Dia namaly anao ny Tompo.
Sas: Eny, mahatoky Andriamanitra izay niantso antsika
hiray amin’ny Zanany, dia i Kristy Tompontsika. (1 Kor 1,9)
Andininy:
1 Mankamin’Andriamanitra ny feoko Ho henony hatrany ny tarainako;
Raha ory aho, ny Tompo no tadiaviko Ny Tompo no antsoiko amin’ny alina.
2 Ny tanako asandratro matetika; Kanefa tsy mba sasatra na vizana,
Satria tsy miato ny fanahiko, Mitady ‘zay hanala ny alahelony!
3 Misento fa tsaroana Andriamanitra, Ny saina tsy ilaozan’eritreritra;
Ny masoko tsy sasatra mihiratra, Ny vavako no vahotra hivolana.
4 Ny andro sy ireo taona efa lasana Vetsoiko mangina nony alina!
Handao ahy tokoa ve ny Tompoko? Ariany tsy tsaroany ve ny Teniny?
5 Ny miantra ve hadinon’Andriamanitra? Ny fony ve voahidin-katezerana?
F’izao no mankarary ny ato anatiko: Niova ho’ aho, ny herin’Izy Tompoko.
6 Tsarovako ny asa mahatalanjona Narafitry ny tanan’Izy Tompoko.
‘Reo asa vitanao, Andriamanitra ô, Dia tena mahagaga ny fisainako.
7 Ny lalanao no masina Andriamanitra Tsy misy toa Anao ‘reo andriamanitra.
Nahefa be Ianao ka mahatalanjona Niaiky ny herinao tokoa ny olona.
8 Vahoakanao nahazo fanavotana, I Jakôba sy i Josefa sy ny zanany.
Nahita Anao ny rano, Andriamanitra, Nahita Anao ka indro tera-kovitra.
9 Ny hantsana avy koa no nihovitrovitra, Ny rahona nandatsaka ny orany,
Nanandra-peo tsy satry ny habakabaka Tsipîka marobe nifanaretsaka.
10 Ny varatra injao mitalakotroka Nazava ny tontolo noho ny tselatra,
Ny tany taitra erý ka nihozongozona Fa zary lalanao ny ranomasina,
11 Dia lalana any anaty rano lalina, Ka sarotra zohina, ts’hita soritra.
Kanefa ny olonao tsy very lalana, I Moizy sy i Aarona no filohany.
12 Andeha isika hanolotra fisaorana Ny Ray ‘zay tsy mivadika amy Teniny,
Ny Zanany nitondra fanavotana Dia antoka ho antsika ny Fanahiny.
Sas: Eny, mahatoky Andriamanitra izay niantso antsika
hiray amin’ny Zanany, dia i Kristy Tompontsika.
TONONKIRAN’I ANA (IV.) 1 Sam 2,1-10
Miady saina mafy ianao, fa tsy nahomby izay kinasa. Ny Tompo anefa mahay manova izany.
Sas: Hohetsahin-java-tsoa avy amin’ny Tompo ireo ‘zay noana sy mahatoky Azy;
hohetsahin-java-tsoa avy Aminy mandrakariva. (Lk 1,53)
Andininy:
1 Endrey ny hafaliako manana ny Tompo Ny lohako mitanondrika mitraka;
Ka indro aho nisoka-bava hiaro tena, Mifaly aho, ry Tompo, fa voavonjinao.
2 Ny masina toy ny Tompo dia tsy misy, Ny toky manahaka azy koa dia nofy,
Tandremo ny teny an’avona fanao, Tandremonareo ny vava tafahoatra.
3 Satria tsisy zava-miafina amy Tompo Sady Izy mandanja hatrany ny asantsika:
Ny olo-mahery tapaka tsipîka Ny osa kanefa miatrana amin-kery.
4 Ny voky nasainy miasa mikarama, Ny noana kanefa homana tsy miasa,
Ny momba nomeny zanaka amam-para, Kanefa ny maro anaka malazo.
5 Mamono ary koa mamelona ny Tompo, Mampidina sy mampakatra ny maty,
Mampanana sy mandevona ny Tompo, Mampietry Izy fa manandratra avy hatrany.
6 Alàny tsy ho eo am-bovoka ny ory, Akariny avy eo am-pako ny mahantra,
Ka indro nomeny toerana mpanjaka, Tolorany fiketrahana mihaja.
7 Ny andrin’ny tany an’iza tsy Azy Tompo Ka eo no nasiany izao tontolo izao
Ny marina endrey tsinjoviny mandeha Ny haizina kosa handevona ny ratsy.
8 ‘Zay miady manohitra azy torotoro: Darofany kotro-baratra izy ireny,
Tsarainy tokoa ny faravazan-tany, Sikinany hery izay nampanjakainy.
9 Asandrany ambony homeny fahefana Ny tandrok’ilay voahosotra ho mpanjaka.
isaorana anie Ianao, ry Ray mahery, Ny Zanaka sy Fanahy dia hoderaina.
Sas: Hohetsahin-java-tsoa avy amin’ny Tompo ireo ‘zay noana sy mahatoky Azy;
hohetsahin-java-tsoa avy Aminy mandrakariva.
SALAMO (V.) 97(96)
Andriamanitra i Kristy, Velona. ary Mpanjaka.
Na izay mandà izany aza mbola hanaiky indray andro any.
Sas: Handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny
Olon-drehetra, na ny any an-danitra na ny ety an-tany. (Fil 2,10-11)
Andininy:
1 Aoka hifaly ‘zany tany fa manjaka izao ny Tompo,
Koa samia manao korana ianareo nosy maro
Fa ny rahona no lamba ihodidinan’ny mpanjaka,
E, ny rariny sy ny hitsiny, ijoroany ao an-drova.
2 Eo alohany ny afo no mandevom-pahavalo:
Ka mazava ‘zay lalovan’ireo tsela-mitsoriaka
Fa ny tany rah’ mahita tsy mitsaha-mihorohoro,
Tendrombohitra am’izany dia mitsonika mikoa.
3 Fah’marinany no tian’izany lanitra hambara;
Voninahiny tazano hita mason’ny vahoaka:
Safo-kenatr’avokoa ‘zay manompo sarisary,
Mananten’hirehareha ka mifikitr’am’sampy.
4 Ny andriamanitra rehetra miankohoka avokoa!
I Siôna vao mandre dia falifaly aok’izany;
Tovovavin’i Joda nitotorebika nandihy.
Fa satria tena to ny fitsaran’ny Avo indrindra!
5 Ianao manerinerina mifehy ny tontolo,
Andriamanitra mahery sy ambony tsisy fetra
Ianareo ‘zay tia ny Tompo andosiro re ny ratsy,
Fa ny Tompo dia mitandrina an’ireo ‘zay mino azy.
6 Ny hazavana vao mitranga ny olo-marina no trany
Ka somebin-karavoana ‘zay mahitsy fo rehetra
Mifalia ry olo-marina eo imason’Izy Tompo!
Eny, masina ny Anarany, ka tongava ianao hisaotra.
7 Koa tongava ianao hisaotra, ‘ndeha mba hiaraka hidera
Fa ny Tompo tiantsika no naneho ny fahefany,
Ka ny Zanany nomeny fandresena mba hanjaka,
Ny Fanahy noraisintsika ka manjaka koa isika.
Sas: Handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny
Olon-drehetra, na ny any an-danitra na ny ety an-tany.
TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.) Rom 8,35-37
Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? fahoriana va, sa tebiteby, sa fanenjehana, sa hanoanana? sa tsy fananam-pitafiana, sa loza sa sabatra? araka ny voasoratra hoe: “Noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva. Mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay.” Amin’izany rehetra izany anefa dia mihoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay efa tia antsika.
VALINKIRA (VI.) Sal 66(65),2-5
Fiv: Hisaotra ny Tompo Andriamanitra isika.
1 Tongava hizaha ny asan-tanan’ny Tompo.
Fiv: Hisaotra ny Tompo Andriamanitra isika.
2 Tongava higaga ny zavatra nataony.
Fiv: Hisaotra ny Tompo Andriamanitra isika.
3 Tongava hiankohoka eo anoloany.
Fiv: Hisaotra ny Tompo Andriamanitra isika.
4 Hiantsa ny Anarany mandrakizay,
Fiv: Hisaotra ny Tompo Andriamanitra isika.
5 Avia hidera ny Tompo Nahary.
Fiv: Hisaotra ny Tompo Andriamanitra isika.
6 Hobio koa ny Zanaka sy ny Fanahy.
Fiv: Hisaotra ny Tompo Andriamanitra isika.
7 Derao ny fitiavany mandrakizay.
Fiv: Hisaotra ny Tompo Andriamanitra isika.
TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)
Sas: Fony vao nangiran-dratsy aho nitady Anao,
ry Tompo, mangetaheta Anao ny fanahiko!
Andininy:
1 Deraina isaorana Izy Tompo Ny Tompo Andriamanitr’Israely
Fa Izy efa tonga namangy antsika Nanavotra antsika amy fahavalo.
2 Nanolotra antsika herim-pamonjena Avy amin’ny fianakaviana iray
Dia ny an’i Davida mpanompo tiany F’izany tokoa no efa nolazainy.
3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany Dia ireo olomasiny fahagola:
Ny vonjiny hanala amy fahavalo Hanafaka antsika amy mpankahala.
4 Noho izy nandala ny Razantsika, Dia indro tsaroany ny Fanekeny
Fa teny nomeny an’i Abrahama Ny hanafaka antsika amy fahavalo.
5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy
Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky Ho eo anatrehany lalandava.
6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina: Ho ‘lay „Mpaminanin’ny Avo indrindra“,
Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.
7 Ianao hanambara ny famonjena Dia ny famelana ny hadisoana
Satria Andriamanitra fo miantra Mandefa masoandro hamangiany antsika.
8 Fanilo hanazava reo mitakiky Anatin’ny haizina mahafaty.
Fanilo hanazava ny diantsika Am’lalam-piadanana lavorary.
9 Isaory ny Ray nanome antsika Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!
Hobio ny Fanahy niantsoana antsika Ho sambatra hibanjina ny mazava.
Sas: Fony vao nangiran-dratsy aho nitady Anao,
ry Tompo, mangetaheta Anao ny fanahiko!
RANOMBAVAKA (IX.)
Miraisa fo amin’i Kristy Jesoa isika: Izy ilay Zanak’Andriamanitra velona iorenan’ny finoantsika ka mampiombona antsika amin’ny Ray:
Fiv: Ry Zanak’Andriamanitra velona, tsofirano re ity vahoakanao, tsofirano izy e!
1 Mitoera eto aminay, ry Tompo, anio tontolo andro ary enga anie ny fahasoavanao
hanenika ny tokan-tranonay tsirairay avy ka hitondra fiadanana.
Fiv: Ry Zanak’Andriamanitra velona, tsofirano re ity vahoakanao, tsofirano izy e!
2 Ampianaro izahay hiara-mivavaka sy hiara-miasa amin’ny Eglizinao mba hampivondrona ny fokonolona sy ny vahoaka ao aminao.
Fiv: Ry Zanak’Andriamanitra velona, tsofirano re ity vahoakanao, tsofirano izy e!
3 Ampio ny teny ataonay sy ny fitondran-tenanay mianakavy hahatonga anay ho fanasin’ny tany sy ho taratry ny fahazavanao.
Fiv: Ry Zanak’Andriamanitra velona, tsofirano re ity vahoakanao, tsofirano izy e!
4 Omeo anay ny Fanahinao: ‘zahay ‘zay mikatsaka hampiray sy hampandroso ny olonao; ka zary famantarana ho anay rehetra mino Anao ny firaisam-po tanteraka manentana anay.
Fiv: Ry Zanak’Andriamanitra velona, tsofirano re ity vahoakanao, tsofirano izy e!
5 Fangatahana hafa
Fiv: Ry Zanak’Andriamanitra velona, tsofirano re ity vahoakanao, tsofirano izy e!
Rainay any an-danitra...
Ry Kristy Tompo ô, ny Fanahinao Masina no nomenao ny mpianatrao fahiny hanohizany ny asa nataonao tety an-tany: izahay mpianatra nanara-dia Anao koa ataovy mikatsaka ilay Fanahy mampiray sy mampivondrona ny vahoaka. Ianao izay velona ...
TSODRANO (X.) [ohatra]
Mpitsodrano:
Hitsodrano sy hitsimbina antsika anie
Andriamanitra Ray naniraka ny Zanany ho Mpamonjy antsika,
ny Zanaka tonga nofo aman-drà ka niara-nonina tamintsika,
ary ny Fanahy Masina niterahan’i Maria Azy Kristy Zanaka.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!