ANTSA (I.)
Indro ombon ‘andro iray izay nanehoan’Andriamanitra
ny fambombany antsika no mifarana.
1 Ianao, ry Jesoa Tompoko, no nampahiratra ahy
Fa nikasika ny masoko hahita ny mazava;
Enga anie ka tsy hikimpy, fa hidera Anao ny foko
Tsy ho jamba fa hahita ka hamonjy ‘zay mijaly. (Mt 20,34)
2 Nokasihinao ny lelako ‘zay nifatotra hatrizay
Dia nivaha ny fatorany hamaliany ny antsonao;
Enga anie ka tsy hitsahatr’aho ny hilaza ny hafatrao
Hampitraka ny olon-dresy, hampijoro ny olon-kivy. (Mk 7,33)
3 He malady koa ny sofina izay donto teo aloha
Feo maro indray miantefa manodidina ahy izao;
Enga anie ny feonao mba ho reko lalandava
Ka ho reko amin’ny antson’ny madinika rehetra. (Mk 7,33)
4 Ianao, ry Jesoa Tompoko, no nampahiratra ahy
Nampiteny, nampalady mba ho ohatra ho ahy;
Enga anie ka hotozoiko ny asa ‘zay natombokao
Dia hiaiky ‘zahay rehetra fa ny vonjy avy aminao. (Jn 14,12)
SALAMO (II.) 62 (61)
Nisy tebiteby tao amintsika ... , nisy tahotra, nisy koa ny ahiahy,
sao dia sanatria tsy nifikitra tamin’ny Tompo!
Sas: Aoka tsy hatahotra na hangorohoro ny fonareo,
fa ny fiadanako no omeko anareo. (Jn 14,1 sy 27)
Andininy:
1 Ao amin’Andriamanitra no iadanan’ny fanahiko,
Avy Aminy tokoa no nahazoako fanavotana
Ary Izy irery ihany moa no tena vatolampiko
Sady Izy irery ihany koa no tena fanavotana
Mijoro tsy hihontsina aho, fa Izy re no rovako.
2 Fa ianareo kosa ho’ aho mba mandra-pahoviana
Mba mandram-pahoviana no ifofoan’olo-marina
Fofoina mba hikoro ka hirodana toa rindrina,
Ambony toerana Izy ka tadiavina hidaraboka,
Ry olona mpihatsaravelatsihy! ô ry mpamîtaka!
3 Ianao, ry fanahiko, katsaho ny fiadanana,
Ao amin’Andriamanitra ‘zay antenaiko fatratra,
Ary Izy irery ihany moa no tena vatolampiko
Sady Izy irery ihany koa no tena fanavotana,
Mijoro tsy hihontsona aho fa Izy re no rovako.
4 Avy amin’Andriamanitra tokoa ny fanavotana,
Miorina eo akaikin’ny Tsitoha ny voninahitro
Fa Izy fialofa-mahatoky vatolampiko,
Ka aminy ametrahana ny toky, ry vahoakany,
Dia Izy no ilazao ny ahiahy fa itokisana.
5 Andeha isika hidera an’Andriamanitra fialofana
Naniraka ny Zanany hitondra fanavotana,
Nanala antsika ho afaka amy jiogam-pahafatesana,
Mba hankahery antsika dia nomeny ny Fanahiny
Hanampy antsika hiaina sy hamaly ny fitiavany.
Sas: Aoka tsy hatahotra na hangorohoro ny fonareo,
fa ny fiadanako no omeko anareo.
SALAMO (III.) 67(66)
Androany ... asa isika raha nijoro ho fambara
ka hahalalan’ny hafa fa ny Tompo tia antsika.
Sas: Ianareo izay lavitra taloha dia manjary akaiky
izao ao amin’i Kristy. (Efez 2,13)
Andininy:
1 H iantran’ Andriamanitra anie isika hotsimbininy
Ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany!
2 Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,
Ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!
3 Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao!
4 Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan’tokony
Fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
5 Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny
Sy manjaka am’ireo firenen-drehetra isan-tokony.
6 Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao!
7 Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra,
Andriamanitra manko Andriamanitsika: mitsimbina.
8 Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
Ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany!
9 Voninahitra anie ho an’ny Ray nandefa ny Zanany
‘Zay nomeny hanasoavany antsika noho ny Fitiavany!
Sas: Ianareo izay lavitra taloha dia manjary akaiky
izao ao amin’i Kristy. (Efez 2,13)
TONONKIRA (IV.) Kol 1,12-20
Aiza no anjara toerantsika ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra Ray?
Sas: Hoderaina mandrakizay Ianao e, ry Jesoa Mpamonjy,
fa Ianao e no Lahimatoa, dia Lahimatoa amin’ny maty rehetra. (Kol 1,12-20)
Andininy:
1 Andeha isika hisaotra ny Ray ‘zay nanangana antsika
Ho sambatra toy ny olomasina hahita mazava.
2 Nalany amy fanandevozan’ny maizina isika
Nafindrany kosa hanjakan’ilay Zanany tiany.
3 Ny Zanany izay nahamendrika antsika ho voavonjy
Ny Zanany izay naha-afaka antsika amin’ny ota,
4 Dia Zanaka endrik’Ilay Andriamanitra tsy hita
Kanefa dia Lahimatoa amy zava-boaary.
5 Fa taminy manko no hary ny zava-drehetra
Ny tany sy lanitra omban’izay hita sy ts’hita.
6 Fa Izy no Teny nampisy ny zava-drehetra
Ho Azy matoa nohariana ny zava-drehetra
7 Fa Izy tokoa no talohan’ny zava-drehetra
Ka mbola mitahy aharetan’ny zava-drehetra
8 Ny loha amy vatana anefa dia mbola Izy koa
‘Lay Vatana masina iraisan’ny mpino rehetra
9 Nitsangan-ko velona ho santatr’ireo nodimandry
Fa Izy no tena filoha amy zava-drehetra
10 Satria sitrak’Izy Andriamanitra Rainy tokoa
Ho Aminy no ipetrahan’ny hasina feno
11 Dia sitrany koa ny nampody ny zava-drehetra
Hankaminy, nony tarihin’ny Zanany tiany
12 Ka indro ny Rà ‘zay nalatsany teo amy ny Hazo
Nomeny hampihavana tany sy lanitra vao.
Sas: Hoderaina mandrakizay Ianao e, ry Jesoa Mpamonjy,
fa Ianao e no Lahimatoa, dia Lahimatoa amin’ny maty rehetra.
TENIN’ANDRIAMANITRA (V.) 1 Piera 5,5b-7
Samia misikina fanetren-tena ka mifanompoa fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena. Koa manetre tena eo ambany tana-maherin’Andriamanitra ary, mba hanandratany anareo, amin’ny andro voatendriny. Apetraho eo Aminy ny fiahinareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.
VALINKIRA (VI.)
Fiv: Koa ny Tompo no anankino ny ahiahy.
1 Izy manko hamindra fo.
Fiv: Koa ny Tompo no anankino ny ahiahy.
2 Izy hamafa ny helokao.
Fiv: Koa ny Tompo no anankino ny ahiahy.
3 Dia ho dify anao ny loza.
Fiv: Koa ny Tompo no anankino ny ahiahy.
4 Fa hatrakany manko ianao (Sal 55(54)
Fiv: Koa ny Tompo no anankino ny ahiahy.
5 Fa ny Ray no mitahy anao.
Fiv: Koa ny Tompo no anankino ny ahiahy.
6 Kristy efa toa antsika.
Fiv: Koa ny Tompo no anankino ny ahiahy.
7 Ny Fanahy no kiadintsika.
Fiv: Koa ny Tompo no anankino ny ahiahy.
TONONKIRAN’I MARIA (VII.)
Sas: Ry Tompo ô, nantsoiko Ianao, ka nanasitrana ahy. (j. Lk 17,12-19)
Andininy:
1 Ny foko midera ny Tompontsika Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy ‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
2 Fa indro manomboka ankehitriny Hantsoin’ny taranaka: „Sambatra“ aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa Ilay hoe: „Ny Masina no Anarany“.
3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony Am’ny olon-drehetra matahotra Azy,
‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka, Kanefa manadratra ireo ambany;
Manototra soa an’ireo noana Fa mampody maina an’ireo mpanana.
5 Mpanarina an’Israely olony Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny Razantsika Ho an’i Abrahama sy izay taranany.
6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao, Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,
Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika Ho mandrakizay alaovalo!
Sas: Ry Tompo ô, nantsoiko Ianao, ka nanasitrana ahy.
RANOMBAVAKA (VIII.)
Aoka isika hivavaka amin’Andriamanitra Raintsika, fa tia antsika Izy ary tsy hanosi-bohon-tanana ny vavaka ataontsika:
Fiv: Tompo ô, ankasitraho izahay ê! Ka aza atosi-bohon-tanana.
1 Ry Andriamanitry ny Razanay ô, mba tsarovy ny fanekena masina nataonao fahiny. ka mitoera eto amin’ny Eglizy ilay navotan’ny Zanakao tamin’ny Ràny.
Fiv: Tompo ô, ankasitraho izahay ê! Ka aza atosi-bohon-tanana.
2 Mba omeo andro tsara izahay mba ho be ny hojinjaina ary mba hiavosa ny vokatry ny tany.
Fiv: Tompo ô, ankasitraho izahay ê! Ka aza atosi-bohon-tanana.
3 Ataovy mankafy izay atoron’ny Fanahy Masina izahay rehetra mino Anao, mba hanomezanay voninahitra Anao na miasa izahay na miala sasatra.
Fiv: Tompo ô, ankasitraho izahay ê! Ka aza atosi-bohon-tanana.
4 Afaho izahay tsy ho voan’ny loza ary tsofy rano ny fianakavianay tsy hisara-mianakavy ka hifampitantana hatrany amin’ny fanompoana Anao.
Fiv: Tompo ô, ankasitraho izahay ê! Ka aza atosi-bohon-tanana.
5 Antsoy hibanjina ny Endrikao ireo nodimandry ary raiso koa izahay hiombona hasambarana aminy eo anatrehanao indray andro any.
Fiv: Tompo ô, ankasitraho izahay ê! Ka aza atosi-bohon-tanana.
6 Fangatahana hafa
Fiv: Tompo ô, ankasitraho izahay ê! Ka aza atosi-bohon-tanana.
Rainay any an-danitra ...
Andriananahary ô, mody ny masoandro, ka manimanina ny hitoetra eo anilanao ny fonay.
Mba omeo fon-janaka izahay hahay hankasitraka sy hankafý ny fiarahanao monina aminay dia tsy ho diso anjara ao an-tranonao izahay. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay.
TSODRANO (IX.) (Ef 1,3-4)
Mpitsodrano:
Enga anie Andriamanitra Ray, izay nifidy antsika talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao
sy niantso antsika ho zanaka ao amin’ny Zanany Lahimatoa, tsy hamela antsika hisaraka aminy na oviana na oviana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika .