Alakamisy II Vavaka Maraina

FANAINGANA (I.) Salamo 100 (99)

Toa miafina ny Endrik’i Kristy. Izay mino anefa dia mahita Azy amin’ny zavatra rehetra sy ny olombelona rehetra.

Fiv: Ry Vahoaka voafidy, voafidin’Andriamanitra,

avia hitsaoka ny Tompo, an’Ilay Filoha sy Mpiandry anao. (1 Piera 2,9)

1 Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo

Ka fo falifaly anompoana ny Tompo.

2 Tongava eo Aminy mihira miravo;

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra!

Fiv: Ry Vahoaka voafidy, voafidin’Andriamanitra,

avia hitsaoka ny Tompo, an’Ilay Filoha sy Mpiandry anao.

3 Fa Azy isika satria noariny

Sy tena vahoakany, ondry fiandriny,

4 Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,

Ny ao an-kianjany idiro amin-dera,

Fiv: Ry Vahoaka voafidy, voafidin’Andriamanitra,

avia hitsaoka ny Tompo, an’Ilay Filoha sy Mpiandry anao.

5 Derao Izy Tompo, ny Anarany isaory.

Miaiky isika fa tsara ny Tompo,

6 Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,

Am’taona rehetra ny fahamarinany.

Fiv: Ry Vahoaka voafidy, voafidin’Andriamanitra,

avia hitsaoka ny Tompo, an’Ilay Filoha sy Mpiandry anao.

7 Andeha isika hiara-mitsaoka ny Tompo,

Hihoby ‘Lay Zanany ombam-pahefana,

8 Derao ny Fanahy manamasina antsika,

Manentana antsika hihoby ny Tompo.

Fiv: Ry Vahoaka voafidy, voafidin’Andriamanitra,

avia hitsaoka ny Tompo, an’Ilay Filoha sy Mpiandry anao.

 

ANTSA (II.)

Misy Endriky ny Tompo hitako aminao; misy Endriky ny Tompo hitanao amiko.

Fiv: Ry Tompoko, ‘lay Endrikao re no mahafinaritra ahy,

Tadiaviko ‘lay Endrikao re ka aza afenina ahy!

1 Tonga Nofo Aho ho fanambarana ny Ray

Rah’toa ka mitady Ahy ianao, hahalala ny Endriko!

2 ‘Zaho nanaiky ho zaza hanoa izay voalazan’ny Ray

Rah’miaiky ho zanany ianao, hahalala ny endriko!

Fiv: Ry Tompoko, ‘lay Endrikao re no mahafinaritra ahy,

Tadiaviko ‘lay Endrikao re ka aza afenina ahy!

3 Niasa tanana aho, nanohy ny asan-tanan’ny Ray

Rah’toa mba manohy ianao, hahalala ny endriko!

4 E! Mpampianatra aho, f’izaho no Tenin’ny Ray

Rah’mihaino ahy tokoa ianao, hahalala ny endriko!

Fiv: Ry Tompoko, ‘lay Endrikao re no mahafinaritra ahy,

Tadiaviko ‘lay Endrikao re ka aza afenina ahy!

5 ‘Zaho no Mpamonjy nampanantenain’Izy Ray,

Rah’miandry ahy tokoa ianao, hahalala ny endriko!

6 ‘Zaho no Mofon’aina, sakafo aroson’ny Ray

Rah’mihinana izany ianao, hahalala ny endriko!

Fiv: Ry Tompoko, ‘lay Endrikao re no mahafinaritra ahy,

Tadiaviko ‘lay Endrikao re ka aza afenina ahy!

7 ‘Zaho no Mpandresy, mitoetra eo havanan’ny Ray

Indray andro ny endrikao hitovy amy ny endriko!

Fiv: Ry Tompoko, ‘lay Endrikao re no mahafinaritra ahy,

Tadiaviko ‘lay Endrikao re ka aza afenina ahy!

 

SALAMO (III.) 80 (79)

Hotsakotsakointsika ny tantaran’ny vahoaka voafidy ambaran’ity Salamo ity.

Sas: Hoy ny Tompo: Izaho no tena foto-boaloboka;

ny sampana izay mamoa dia ho rantsanana;

rantsanan’ny Ray mba hamokatra bebe kokoa. (Jn 15,1-2)

Andininy;

1 Ry Mpiandry an’i Israely, mandrenesa

‘Zay mitondra an’i Josefa toy ny ondry;

Ry mipetraka eo ambony kerobima

Efa Anao ny voninahitra, asehoy.

2 Eo alohan’i Manase sy i Efraima

Dia fohazy ny herinao hamonjy anay,

Tompon’ny tafika ô, avia mampody anay

Asehoy ny tavanao ho vonjinay.

3 Rahoviana re Ianao vao hitony

Tsy ho tezitra amin’ny sisa izay tavela

Raha ny mofom-pahoriana dia efa voky

Ranomaso no gohinay hatrizay!

4 F’izahay dia nanjary fanaraby

Sy faneson-dry zareo fahavalo,

Tompon’ny tafika ô, avia mampody anay

Asehoy ny tavanao ho vonjinay.

5 Raha nanongotra voaloboka ianao

Voaloboka iray avy tany Ejipta

Dia nandroaka firenena maro tao

Hanomezanao toerana haniriany!

6 ‘Reo voaloboka taloha nasesikao

‘Lay vao tonga kosa anefa he lalim-paka

Voarakotry ny alony ny havoana

Ary alofan’izany rantsany ny sedera!

7 Nisandrahaka sy tonga hatrany an-driaka

Ireo sampana sakeliny mamoa,

Ka nahoana no bangaina re ny fefy?

Ny mpandalo vao nahita tonga nioty,

8 Dia nitrongy fehizay ny lamboala

Ka niraoka ihany koa ny bibidia

Miverena, ry Andriamanitry ny tafika

Mitsinjova avy eny an-danitra, zahao!

9 Ilay foto-boaloboka tazano,

Mba ahio ny nambolen’ny tananao:

‘Reo nikapa sy nandoro toy ny fako

Dia ho faty noho ny hatezeranao!

10 Tananao anie ka homba lalandava

Ilay olona ipetrahan’ny tokinao

D’ilay zanak’olombelona voafidy

‘Lay nomenao fahefana ombana hery.

11 Izahay tsy mba handao Anao intsony

Fa velominao ‘zay miantso ny Anaranao,

Tompon’ny tafika ô, avia mampody anay,

Asehoy ny tavanao ho vonjinay!

12 Hoderaina anie ny Ray mikolokolo

Sy ny zanaka fototr’aina iraisanay ê,

Ry Fanahy nomena anay hamelona aina

Hoderaina amy ny fiainanay ny Fitiavanao.

Sas: Hoy ny Tompo: Izaho no tena foto-boaloboka;

ny sampana izay mamoa dia ho rantsanana;

rantsanan’ny Ray mba hamokatra bebe kokoa.

TONONKIRA (IV.) Iz 12,1-6

I Kristy no loharano tsy mety ritra. Koa ahoana isika no hangetaheta ambony lakana?

Sas: Rano miboiboika, rano tsy mety ritra,

tsy ritra mandrakizay, no omen’i Kristy. (Jn 4,14)

Andininy:

1 Fa tezitra tamiko Ianao, ry Tompoko

Kanefa nitony ka dia isaorako.

Ianao Andriamanitra Ray, no vonjiko

Matoky aho, mijoro fa tsy matahotra!

2 Ny Tompo no hery sy reharehako

Fa Izy no vonjy sy fialofako

Avia ary hanovo amin-kafaliana

Ny vonjin’ny Tompo eo an-doharanony.

3 Am’zany andro izany samia manezaka

Derao Andriamanitra, antsoy ny Anarany

Torio ny vahoaka ny zava-bitany

Lazao fa tsy takatra hoe ny Anarany.

4 Ambony ny Tompo ka dia nasehony

Lazao an’izany ny vazan-taniny:

Ianao ry Siôna hitotorebika

Fa Tompo lehibe Izy sady Masina.

5 Andeha ary hidera ny voninahiny

Isaory ny Ray noh’ny fanomezany

Isaory ny Zanaka fa nanavotra

Isaory Andriamanitra Fihavanana.

Sas: Rano miboiboika, rano tsy mety ritra,

tsy ritra mandrakizay, no omen’i Kristy.

 

SALAMO (V.) 81 (80)

I Jesoa irery no hany Mpamonjy ny olona rehetra, na dia ireo

mbola tsy mahalala Azy sy ireo nivadika Taminy aza.

Sas: Fa tokana manko Andriamanitra. Fa tokana ihany ny Mpanalalana.

Dia i Jesoa Tompontsika. (1 Tim 2,5)

Andininy:

1 Hobio Andriamanitra herintsika

Derao Andriamanitra, ry Jakôba

Venteso ny hira, ivelezo amponga,

Tendreo ny lokanga, ombao valiha!

Fa na lohataona na fararano

Itsofy anjomara ilanonantsika

F’izany no didy ho an’i Israely

Nomen’Andriamanitra any Jakôba.

2 Nataony lalàna ho an’i Jozefa,

Dia fony Izy niala avy tany Ejipta.

Fa inona moa izany teny reko

Toa teny tsy fantatro teny hafa:

"Nalako eo an-tsorony re ny bao

Sy ny enta-mavesatra nolanjainy.

Niantso raha ory ka novonjeko,

Tanaty oram-baratra novaliako.

3 Ianao, ry vahoakako, mihainoa,

Ry Israeliko, mandrenesa:

Tandremo mitsaoka andriamani-kafa,

Mandray ny andriamanitr’ireo vahiny;

F’izaho re no Tompo Andriamanitrao,

Nampakatra anao avy tany Ejipta:

Misokatra tsara ve izato vava,

Avy etsy hofenoiko sakafo soa.“

4 Kinanjo ny oloko tsy nihaino,

I Israely nanosika ahy.

Izao izy avelako hanao ny tiany,

Hanaraka tsara ‘zay sitrapony.

Indrisy raha nihaino ahy ‘reo olon-tiako,

Ka Israely nanaraka ahy:

Dia ho noreseko ny fahavalo,

Ny rafy ho nasiako tokoa tokoa.

5 Ireo mpankahala ho nandadilady,

Ho nanaiky resy tanteraka izy!

Ny oloko ho nomeko vary kanto,

Niampy tantely tam-batolampy!

Isaory ny Ray fa niahy antsika;

Ny Zanany nentiny hamonjy antsika;

Hobio ny Fanahy izay nomena antsika,

Mizara ny soa hamokarantsika.

Sas: Fa tokana manko Andriamanitra. Fa tokana ihany ny Mpanalalana.

Dia i Jesoa Tompontsika.

 

TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.) Rom 14,17-19

Fa tsy hoe izay mihinana na misotro no manana ny Fanjakan’Andriamanitra, fa izay

manao ny marina sy mikatsaka ny fiadanana ary mifaly ao amin’ny Fanahy Masina.

Koa izay manompo an’i Kristy araka izany no ankasitrahan’Andriamanitra sy ihavanan’ny olon-drehetra. Samia ary mikatsaka mandrakariva ny fifandraisana sy ny fifankaherezana.

 

VALINKIRA (VII.) (Sal 33,2)

Fiv: Tsy hitsahatra hidera, hidera Anao ny foko.

1 Na hariva e, na maraina.

Fiv: Tsy hitsahatra hidera, hidera Anao ny foko.

2 E! ny fah’marinanao, mandrakizay.

Fiv: Tsy hitsahatra hidera, hidera Anao ny foko.

3 Ary tsara fo Ianao, ka mamiko indrindra.

Fiv: Tsy hitsahatra hidera, hidera Anao ny foko.

4 Maharavo e, ny asanao.

Fiv: Tsy hitsahatra hidera, hidera Anao ny foko.

5 Mihoby Anao aho, Ianao ry Mpahary.

Fiv: Tsy hitsahatra hidera, hidera Anao ny foko.

6 Mihoby Anao aho, Ianao ry Mpamonjy.

Fiv: Tsy hitsahatra hidera, hidera Anao ny foko.

7 Ary Ianao e, Mpanamasina anay.

Fiv: Tsy hitsahatra hidera, hidera Anao ny foko.

 

TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)

Sas: Efa voarotsaka ao ampontsika tamin’ny Fanahy Masina

nomena antsika ny fitiavana. (Rom 5,5)

Andininy:

1 Deraina isaorana Izy Tompo

Ny Tompo Andriamanitr’Israely

Fa Izy efa tonga namangy antsika

Nanavotra antsika amy fahavalo.

2 Nanolotra antsika herim-pamonjena

Avy amin’ny fianakaviana iray

Dia ny an’i Davida mpanompo tiany

F’izany tokoa no efa nolazainy.

3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany

Dia ireo olomasiny fahagola:

Ny vonjiny hanala amy fahavalo

Hanafaka antsika amy mpankahala.

4 Noho izy nandala ny Razantsika,

Dia indro tsaroany ny Fanekeny

Fa teny nomeny an’i Abrahama

Ny hanafaka antsika amy fahavalo.

5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy

Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy

Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky

Ho eo anatrehany lalandava.

6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:

Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra“,

Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao

Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.

7 Ianao hanambara ny famonjena

Dia ny famelana ny hadisoana

Satria Andriamanitra fo miantra

Mandefa masoandro hamangiany antsika.

8 Fanilo hanazava reo mitakiky

Anatin’ny haizina mahafaty.

Fanilo hanazava ny diantsika

Am’lalam-piadanana lavorary.

9 Isaory ny Ray nanome antsika

Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!

Hobio ny Fanahy niantsoana antsika

Ho sambatra hibanjina ny mazava.

Sas: Efa voarotsaka ao ampontsika tamin’ny Fanahy

Masina nomena antsika ny fitiavana.

 

RANOMBAVAKA (IX.)

Aoka isika hivavaka amin’Andriamanitra Raintsika, fa tia antsika zanany Izy.

Fiv: Ampio izahay, Tompo ô, hatoky ny fitiavanao anay e!

1 Ray ô, zanaky ny mpandrafitra no nahafantaran’ny havany ny Zanakao fony Izy

teto an-tany, enga anie ny fahatsoran’ny fiainany hanome hasina ny fiainanay anio

tontolo andro.

Fiv: Ampio izahay, Tompo ô, hatoky ny fitiavanao anay e!

2 Enga anie izay rehetra mitranga mba hahitanay ny hatsaramponao ary ny voaary

tontolo hibanjinanay ny voninahitrao.

Fiv: Ampio izahay, Tompo ô, hatoky ny fitiavanao anay e!

3 Ampianaro izahay hahery fo tsy hikemo amin’izay manahirana ary

hoentanim-pitiavana eo am-panompoana Anao.

Fiv: Ampio izahay, Tompo ô, hatoky ny fitiavanao anay e!

4 Mba tariho lalana ny hevitray sy ny asanay anio ary enga anie izahay hankatò

ny fitondranao fa Ray be fitiavana Ianao.

Fiv: Ampio izahay, Tompo ô, hatoky ny fitiavanao anay e!

5 Fangatahana hafa

Fiv: Ampio izahay, Tompo ô, hatoky ny fitiavanao anay e!

Rainay any andanitra...

Ry Andriamanitra Andriananahary ô,

nifanerasera tamin’ireo mpiara-belona taminy

no nanambaran’ny Zanakao ny Fitiavanao anay.

hanahaka Azy anie izahay,

hahita ka hampahafantatra ny fitsimbinanao,

hankalaza ny Teninao,

sy hampiteny ny Fanahinao

ao ampon’ny olona,

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay ...

 

TSODRANO (X.)

Mpitsodrano:

Ny Ray Mpahary izay nanao ny Fanekem-Pihavanana tamintsika,

ny Zanany nahafoy ny Ràny halatsaka ho antsika tamin’izany,

ary ny Fanahy Masina izay tombokase anie

tsy hamela antsika hivadika na oviana na oviana

amin’izany Fanekena izany.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0152