ANTSA (I.)
Iza no tena sambatra?
Fiv: Mba sambatra e izay mitia manompo,
tsy mitady ny ho tompoina e: Mba sambatra! (Mt 20,25-28)
1 ‘Zay manome sy mizarazara e
Ny kely an-tanany ho an’ny hafa,
Mihary lova soa ‘zay tsy mety simba:
Mba sambatra. (Lk 6,38)
Fiv: Mba sambatra e izay mitia manompo,
tsy mitady ny ho tompoina e: Mba sambatra!
2 Ireo miasa ho an’Izy Tompo,
Mahatsiaro tena fa hoe mpanompo:
Tsy mba mirehareha amin’ny asa vita,
Mba sambatra. (Lk 17,9-10)
Fiv: Mba sambatra e izay mitia manompo,
tsy mitady ny ho tompoina e: Mba sambatra!
3 Ireo mpanompo mahari-tory
Hamoha ny Tompo eny am-bavahady:
Ny Tompo no handroso sakafo ho azy,
Mba sambatra! (Lk 12,37)
Fiv: Mba sambatra e izay mitia manompo,
tsy mitady ny ho tompoina e: Mba sambatra!
4 Ireo nomen’Izy Tompo adidy,
Ka trany manatontosa izany:
Hatsangany ho mpitantana ny hareny,
Mba sambatra! (Mt 24,45-46)
Fiv: Mba sambatra e izay mitia manompo,
tsy mitady ny ho tompoina e: Mba sambatra!
5 Ireo enjehina noho ny Tompo,
Satria mpianany mahatoky.
Hantsoiny hoe sakaiza fa tsy mpanompo,
Mba sambatra! (Jo 15,14-15.20)
Fiv: Mba sambatra e izay mitia manompo,
tsy mitady ny ho tompoina e: Mba sambatra!
SALAMO (II.) 72 A (71 A)
Tsy avelan’Andriarnanitra hanararn-po amin’izao ny tsindry hazo lena.
Sas: Nirahina hitory Vaovao mahafaly i Kristy,
hitory Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo. (Mt 11,5)
Andininy:
1 Andriamanitry ny fahamarinana ô,
Mba tolory ny andriana mpanapaka
Sy ny zanak’andriana ho dimbiny
Ny fahaiza-mitsara ara-drariny!
2 Ka ny vohitra hitrotro fiadanana
Ny havoana hivimbina ny hitsiny
Ny mahantra sy ny ory hotsimbininy
Ny mpamoritra kosa hofongorana.
3 Aoka haharitra ny fanapahany
Ka ho toy ny masoandro amam-bolana;
Dia hanahaka ny ando amy vilona,
Sy ny orana an-tany efa lonaka.
4 Amin’ny androny hamony ny rariny,
Ary mandra-pahafatin’ny volana
Dia hisy fandriam-pahalemana
Lavorary sy feno tanteraka.
5 Ranomasina n’ho sisintaniny,
Ary ny ony n’ho valam-parihiny;
Ka ny rafiny ombam-pahavalony
Handohalika sy hilavo lefona.
6 ‘Reo mpanjaka rehetra any andrefana
Dia hanoa ka hanefa ny hetrany,
Toy izany ny avy any atsinanana
Dia hanatona hanolotra hasina.
7 Ary hiankohoka eo anatrehany
Ny mpanjaka tsy misy avakavaka;
Ho avy ireo firenena isan-tokony
Mba hiaiky fa tena mpanompony.
8 Eny isaorana Ianao Andriamanitra,
Zanakao no nitondra fiadanana,
Fa manjaka aminay am-pitiavana,
Manamarina anay ny Fanahiny.
Sas: Nirahina hitory Vaovao mahafaly i Kristy,
hitory Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo.
SALAMO (III.) 72 B (71 B)
Nisy ory sy mahantra angamba teo anilantsika; nanaovana herisetra, natao tsindrio fa lavo ...,
mba niandry famonjena! Amin’ny alalantsika anefa no tian’i Kristy hamonjena azy ireny.
Sas: Sambatra ny ory e, fa izy ireo indrindra
no nahatongavan’i Kristy halana alahelo. (Mt 5,5)
Andininy:
1 Izy hanafaka ny malahelo
Mitoloko tsy manan-kanampy,
Ny mahantra, ny ory, hovonjeny.
Hotsimbininy hatrany ny osa.
2 Ka halàny amin’ny herisetra
Fa ny ràny sarobidy tokoa
Ranombavaka anie homba azy
Rary soa mandritra ny andro.
3 Eran-tany rehetra am’izay,
‘Reo vary hananika havoana,
Ka ny vokatra koa toy izany,
Toa ny ala hita eny Libana.
4 Ny tanàna dia hiroborobo
Ka hitsiry toa ahitra an-tany
Ny Anarany hankalazaina
Sy haharitra toy ny masoandro.
5 Ary Izy no hatao fitahiana
Ireo foko manerana tany
Sady Izy no ho reharehan’
Ireo mponin’ny tany tontolo.
6 Eny isaorana anie Andriamanitra
Mahagaga ny asa nataony
Ka hisaorana mandrakizay
Zany Anarany tsy lefy laza.
7 Hoderaina ‘lay Ray be fitia
Sy ny Zanaka vonjin’ny ory,
Ny Fanahy mpanala alahelo
Aoka hisaorana mandrakizay!
Sas: Sambatra ny ory e, fa izy ireo indrindra
no nahatongavan’i Kristy halana alahelo.
TONONKIRA (IV) Apok 11,17-18; 12,10-12
Sas: Nandray ny fanjakany Andriamanitra Tompo,
fa Izy no nanao izao tontolo izao.
Nandray ny fanjakany Andriamanitra Tompo,
fa Azy izao rehetra izao.
Andininy:
1 Ry Andriamanitray, misaotra Anao izahay
Ry Mahefa, ry Taloha sy ankehitriny,
Fa naneho ny herinao tokoa Ianao,
Ka nandray ny fanjakana hoentinao!
2 Nihotakotaka avokoa ny firenena
Fa nipoaka kosa ny hatezeranao
Eny tonga ny fotoana fitsarana
Hanomezam-balisoa ny nodimandry.
3 Ts’iza izany fa ny Mpaminaninao
‘Reo mpanomponao sy ny olomasinao
‘Reo matahotra ao am-po ny Anaranao
Ny madinika rehetra sy ny ambony.
4 Indro tonga ankehitriny ny fotoana
Ka miseho ny Famonjena sy ny Hery
‘Zao tokoa no Fanjakan’Ilay Tsitoha
‘Lay Voahosony efa ombana Fahefana.
5 Indro lavo ilay mpiampanga ny havanay
‘Lay nifofo tsy an-kijanona azy ireo
Noreseny tamy ràn’ny Zanak’ondry
Tamy teny notazoniny ho fambara.
6 Izy manko tsy nandala loatra ny ainy
Na nikemo sy natahotra ho faty
O ry lanitra tontolo, mifalia
Mihobia, ry olomasina rehetra!
Sas: Nandray ny fanjakany Andriamanitra Tompo,
fa Izy no nanao izao tontolo izao.
Nandray ny fanjakany Andriamanitra Tompo,
fa Azy izao rehetra izao.
TENIN’ANDRIAMANITRA (V.) 1 Piera 1,22-23
Efa nandio ny fonareo tamin’ny fanarahana ny Fahamarinana ianareo, ka afa-miaina
sy manatanteraka ny Fitiava-namana tsisy famahony. Koa mifankatiava amin’ny fo
mahitsy, ary mahareta amin’izany fa efa nateraka indray ianareo, tsy tamin’ny fahalòvana
fa tamin’ny Aina tsy mety simba mandrakizay, dia ny Tenin’Andriamanitra, izay velona
sy ao aminareo mandrakariva.
VALINKIRA (VI.)
Fiv: Mampiombona antsika. (1 Kor 10,16)
1 Ny kalisim-pisaorana ‘zay raisintsika
Fiv: Mampiombona antsika.
2 Ny mofom-pisaorana zaraintsika
Fiv: Mampiombona antsika.
3 Ny kalisim-pisaorana: Ràn’Izy Tompo
Fiv: Mampiombona antsika.
4 Ny mofom-pisaorana. Vatan’ny Tompo
Fiv: Mampiombona antsika.
5 Andriamanitra Ray ‘zay nanangana antsika
Fiv: Mampiombona antsika.
6 Fitiavan’ny Zana ka namonjy antsika
Fiv: Mampiombona antsika.
7 Ireo fanomezana nomena antsika
Fiv: Mampiombona antsika.
TONONKIRAN’I MARIA (VII.)
Sas: Sitrak’Andriamanitra ny nampihavana ny olombelona taminy,
sy nampihavana antsika rehetra ao amin’i Kristy. (Ef 2,16)
Andininy:
1 Ny foko midera ny Tompontsika
Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy
‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
2 Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra“ aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa
Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany“.
3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony
Am’ny olon-drehetra matahotra Azy,
‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry
Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,
Kanefa manadratra ireo ambany;
Manototra soa an’ireo noana
Fa mampody maina an’ireo mpanana.
5 Mpanarina an’Israely olony
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny Razantsika
Ho an’i Abrahama sy izay taranany.
6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,
Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika
Ho mandrakizay alaovalo!
Sas: Sitrak’Andriamanitra ny nampihavana ny olombelona taminy,
sy nampihavana antsika rehetra ao amin’i Kristy. (Ef 2,16)
RANOMBAVAKA (VIII.)
Aoka isika hiray fo sy hiray saina hangataka ny fitantanan’i Kristy Zokintsika
fa nampanantena hitoetra eo amintsika Izy, raha miray hina marina isika:
Fiv: Mitoera eto aminay, ry Tompo ô! (Lk 24,29)
1 Ry Kristy ô, Ianao irery no lohan’ny Eglizy, koa mba tahio sy ombao ny Fanahinao
ny Papa ... mpanomponao, fa izy no famantarana anambaranao ny fifandraisanay
mpianatrao.
Fiv: Mitoera eto aminay, ry Tompo ô!
2 Ampiraiso tanteraka izahay manaiky hanara-dia Anao sy hanatanteraka izay
nasainao hatao; esory izay mety mampisara-bazana anay.
Fiv: Mitoera eto aminay, ry Tompo ô!
3 Miantsoa olona maro ho zandrinao hankeo amin’ny sakafo aroson’ny Fiangonanao
ary ampitomboy isa ny mpianatrao.
Fiv: Mitoera eto aminay, ry Tompo ô!
4 Mba arovy ny tanindrazanay, tantano ny fikezahan’ny fokonolona hanabevoho ny
tany, sakano tsy ho simban’ny loza izahay rehetra.
Fiv: Mitoera eto aminay, ry Tompo ô!
5 Arovy ireo rehetra manokan-tena ho Anao, hiseho eo amin’ny fiainany tontolo anie
ny herin’ny fitsangananao.
Fiv: Mitoera eto aminay, ry Tompo ô!
6 Arovy ny tokantrano rehetra mba hanana ny fifankatiavana marina ka honenan’ny
Fanahinao.
Fiv: Mitoera eto aminay, ry Tompo ô!
7 Fangatahana hafa
Fiv: Mitoera eto aminay, ry Tompo ô!
Rainay any an-danitra ...
Ianao, ry Kristy, nanala ny herin’ny fahafatesana ary nampiharihary izany hoe velona
tsy maty intsony; koa midera Anao Fahazavana mandrakizay sy masoandron’ny
fiainan-ko avy izahay, enga anie ny fiainanay mba hiafina ao amin’Andriamanitra
miaraka Aminao ka hanantena ny fanjakanao izahay mandritra ny fiainanay etý an-tany.
Fa Ianao no Andriamanitra velona sy manjaka ...
TSODRANO (IX.) (Jn 17,11)
Mpitsodrano:
Enga anie ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina
izay Andriamanitra tokana,
hampiray fo sy saina antsika mandrakariva
araka ny maha-iray Azy.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!