FANAINGANA (I.)
Nitsangan-ko velona ny Tompo! Hitory izany isika anio eo amin’ny fiainantsika!
Fiv: Amin’ny Anaran’i Jesoa, aoka hiaiky ny velona rehetra
fa i Jesoa dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray. (Fil 2,11)
1. Hobio ny Tompo, ry tany tontolo,
Tompoy Izy amim-piravoravoana,
Tongava eo Aminy mihira, mihoby,
Fiv: Amin’ny Anaran’i Jesoa, aoka hiaiky ny velona rehetra
fa i Jesoa dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.
2. Ekeo fa Andriamanitra anie Izy Tompo;
Fa Azy isika satria noharîny;
Isika vahoakany, ondry fiandriny.
Fiv: Amin’ny Anaran’i Jesoa, aoka hiaiky ny velona rehetra
fa i Jesoa dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.
3. Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra;
Ny kianjany koa idiro amin’antsa,
Isaory Izy ary derao ny Anarany.
Fiv: Amin’ny Anaran’i Jesoa, aoka hiaiky ny velona rehetra
fa i Jesoa dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.
4. Satria Izy Tompo, endrey tsara fo,
Fa mandrakizay doria ny fitiavany,
Amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.
Fiv: Amin’ny Anaran’i Jesoa, aoka hiaiky ny velona rehetra
fa i Jesoa dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.
5. Andeha isika hiara-misaotra ny Tompo,
Hihoby Ilay Zanany ombam-pahefana,
Derao ny Fanahy manamasina antsika.
Fiv: Amin’ny Anaran’i Jesoa, aoka hiaiky ny velona rehetra
fa i Jesoa dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.
ANTSA (II.)
Ny teny mahavelona, ny Nofo aman-dRà mahavonjy no Sakafo
anasan’ny Tompo ny zanany rehetra. Hanome voninahitra ny Fitiavany isika.
Fiv: Izaho no Mofon’ny Fiainana, hoy ny Tompo;
‘Zay manatona ahy tsy ho noana intsony;
‘Zay mino ahy tsy hangetaheta mandrakizay. (Jn 6,35)
1 Lazaiko anareo fa izay mino Ahy hoy ny Tompo
No manana ny fiainana tsy manam-piafarana. (Jn 6,40) Lazaiko ...
Fiv: Izaho no Mofon’ny Fiainana, hoy ny Tompo;
‘Zay manatona ahy tsy ho noana intsony;
‘Zay mino ahy tsy hangetaheta mandrakizay.
2 Sakafo mahavelona tokoa ‘zany Teniko, hoy ny Tompo,
Anabavy sy rahalahiko ‘zay mihinana azy. (Lk 8,21) Sakafo ...
Fiv: Izaho no Mofon’ny Fiainana, hoy ny Tompo;
‘Zay manatona ahy tsy ho noana intsony;
‘Zay mino ahy tsy hangetaheta mandrakizay.
3 Ny Nofo aman-dRàko ‘zay raisinareo, hoy ny Tompo,
No Vatsy sy Aina mampiray anareo. (Jn 6,54; 1 Kor 10,16-17) Ny nofo ...
Fiv: Izaho no Mofon’ny Fiainana, hoy ny Tompo;
‘Zay manatona ahy tsy ho noana intsony;
‘Zay mino ahy tsy hangetaheta mandrakizay.
4 Rah’tonga ny andro farany, hatsangako ho velona, hoy ny Tompo,
Ireo mihinana ny Nofoko sy misotro ny Ràko. Rah’tonga ...
Fiv: Izaho no Mofon’ny Fiainana, hoy ny Tompo;
‘Zay manatona ahy tsy ho noana intsony;
‘Zay mino ahy tsy hangetaheta mandrakizay.
SALAMO (III.) 118(117)
I Kristy natao vato natsindry ahazana maty novonoina.
Najoron’ny Ray kosa ho Fehizoron’ny Fiangonana, natsangany ho velona.
Sas: Ny vato natsipin’ny mpanorin-trano
no indro nalaina natao fehizoro,
dia i Kristy Tompo Andriamanitra. (Asa 4,11)
Andininy:
1 Ataovy antso avo fa tsara ny Tompo,
Fa mandrakizay ny fitiavany!
Lazao ry Israely, ry fianakaviany,
Fa mandrakizay ny fitiavany!
2 Lazao, ry Aarona, ry fianakaviany,
Fa mandrakizay ny fitiavany!
Lazao, ry matahotra am-po azy Tompo,
Fa mandrakizay ny fitiavany!
3 Terem-pahoriana aho no niantso ny Tompo,
Ka henony dia nohalalahiny;
Momba ahy Izy Tompo, ka tsisy ahiko,
Tsy misy afa-manohitra ahy.
4 Fa momba ahy ny Tompo sy manampy ahy,
Bandriniko ny fahavaloko;
Aleo dia aleo re mifefy amy Tompo
Toy izay re mifefy aman’olona.
5 Aleoko tokoa re mifefy amy Tompo
Toy izay amin’olo-mahery;
Naronjina mafy aho fa tiana ho lavo,
Fa tonga namonjy ahy ny Tompo.
6 Deraiko fa heriko mantsy Izy Tompo.
Nanaiky ho mpamonjy ny aiko.
Mihoby sy faly aho fa tra-pamonjena.
Miantsa ao an-tranon’ny Marina.
7 Natsotran’ny Tompo ny tanan-kavanany,
Natsotrany hanampatra ny heriny;
Ka indro aho ho velona tsy mba ho faty,
Hiantsa ny ataon’Andriamanitra.
8 Nitsapa ahy mafy tokoa Izy Tompo
Kinanjo aho tsy foiny ho faty.
Vohay ny varavaran’ny fahamarinana
Hidirako hisaotra ny Tompo.
9 Fa eto tokoa n’varavaran’ny Tompo:
Ny marina no miditra aminy.
Isaorako Ianao, fa mihaino ahy, ry Tompo:
Nanaiky ho Mpamonjy ny aiko.
10 Ny vato natsipin’ny mpanorin-trano
No indro natao fehizoro:
Izany no asa nataon’Izy Tompo,
Ka gaga ny maso mijery.
11 Izao re no andro nataon’Izy Tompo
Hiravoravoana, hifaliana,
Tongava, ry Tompo, tongava hamonjy,
Tongava hanome fandresena.
12 Ny Anaran’ny Tompo no hitsofana rano
‘Zay tonga miseho anatrehany!
He tsofinay rano tokoa ianareo,
Mivory ato an-tranon’ny Tompo.
13 Fa tena Andriamanitra Ilay Tompontsika,
Manilo ary koa manazava.
Avia milahara mitan-tsampankazo,
Avia, manatona ny ôtely.
14 Ry Tompo Andriamanitra, isaorako Ianao,
Isaorako ny Anaranao:
Ataovy antso avo fa tsara ny Tompo,
Fa mandrakizay ny fitiavany.
15 Ataovy antso avo ny Ray izay namonjy,
Fa mandrakizay ny fitiavany.
Ny Zanaka sy ny Fanahy Mpankahery,
Fa mandrakizay ny fitiavany!
Sas: Ny vato natsipin’ny mpanorin-trano
no indro nalaina natao fehizoro,
dia i Kristy Tompo Andriamanitra.
TONONKIRA (IV.) Dan 3.52-57
Toeran-tsoa midadasika ankalazana ny Tompo ny misy manontolo.
Fa ny fontsika indrindra no Tempoly nofidiny hanahoana ny voninahiny.
Sasinkira 1: Isika no tempolin’Andriamanitra ary monina
ao amintsika ny Fanahy, Fanahin’Andriamanitra. (1 Kor 3,16)
Na Sasinkira 2: Ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany.
Andininy:
1 Isaorana indrindra Ianao
Ry Tompo Andriamanitry ny Razana,
Fa mendrika dera sy laza
Isaorana mandrakizay!
2 Isaorana ny Anaranao
Fa masina, be voninahitra
Ka mendrika dera sy laza
Isaorana mandrakizay!
3 Isaorana indrindra Ianao
an-tempoly be voninahitra
fa mendrika dera sy laza
Isaorana mandrakizay!
4 Isaorana indrindra Ianao
ambony fiketraha-mpanjaka
fa mendrika dera sy laza
Isaorana mandrakizay!
5 Isaorana indrindra Ianao
mah’tsinjo ny halalin’ny hantsana
fa mendrika dera sy laza
Isaorana mandrakizay!
6 Isaorana indrindra Ianao
mipetraka ambony Kerobima
fa mendrika dera sy laza
Isaorana mandrakizay!
7 Isaorana indrindra Ianao
manerana tany aman-danitra
fa mendrika dera sy laza
Isaorana mandrakizay!
8 Nareo rehetra asan’ny Tompo,
derao Izy Tomponareo,
fa mendrika dera sy laza
Isaorana mandrakizay!
9 Isaorana Ianao, ô ry Ray,
mahefa sy feno fitiavana,
deraina Ianao, ry Zanaka,
Isaorana mandrakizay!
10 Isaorana koa ny Fanahy
fa santatry ny hasambarana,
fa mendrika dera sy laza
Isaorana mandrakizay!
Sasinkira 1: Isika no tempolin’Andriamanitra ary monina
ao amintsika ny Fanahy, Fanahin’Andriamanitra.
Na Sasinkira 2: Ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany.
SALAMO (V.) 150
Iza no mino? - Ireo mahita ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny Teny
lazain’i Kristy sy ny Fiangonany: - Ireo mihoby ny voninahitr’Andriamanitra
amin’ny Asa ataon’i Kristy sy ny Fiangonany.
Sas: Ny voninahitr’Andriamanitra Ray hamirapiratra
eo amin’i Kristy eo amin’ny Fiangonany, mandrakizay. (Efez 3,21)
Andininy:
1 Derao Andriamanitra any an-toerany masina,
Derao eny an-danitra isehoan’ny heriny,
Derao amin’ny asany feno fahefana,
Derao fa ambony lehibe tapitr’ohatra.
2 Derao Izy amin’ny feon’anjomara,
Derao Izy amim-baliha sy lokanga,
Derao Izy amin’ny jejy sy sodina,
Derao Izy amin’ny dihy sy amponga.
3 Derao Izy amin’ny feon’ny kipantsona,
Dia amy kipantsona fienti-mamindra;
Ny voaary rehetra izay manana aina
Dia aoka hihira, hidera ny Tompo.
4 Derao Andriamanitra be voninahitra,
Derao koa ny Zanaka fa voninahiny,
Derao ny Fanahy noho Izy nirahiny
Hampientana antsika hihira ny anarany.
Sas: Ny voninahitr’Andriamanitra Ray hamirapiratra
eo amin’i Kristy eo amin’ny Fiangonany, mandrakizay.
TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.) Ezek 36,25-27
Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; hoesoriko aminareo ny loto sy
ny sampy rehetra. Homeko fo vaovao ianareo, ary hasiako fanahy vaovao
ao anatinareo; hoesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato ka omeko fo nofo
ianareo, Harotsako ao aminareo ny Fanahiko: dia hitandrina ny didiko
ianareo, hanaraka ny lalana nomeko anareo sy hanatanteraka azy.
VALINKIRA (V.) (Asa 5,31)
Fiv: He nasandratr’Andriamanitra ny Tompo, Aleloia!
1 Nony levony ny fahafatesantsika.
Fiv: He nasandratr’Andriamanitra ny Tompo, Aleloia!
2 Dia handova ny fiainana isika.
Fiv: He nasandratr’Andriamanitra ny Tompo, Aleloia!
3 Izy niakatra eo anilan’ny Ray.
Fiv: He nasandratr’Andriamanitra ny Tompo, Aleloia!
4 Mba handray ny fahefana tsisy fetra.
Fiv: He nasandratr’Andriamanitra ny Tompo, Aleloia!
5 Dia handefa ny Fanahy ho antsika Izy.
Fiv: He nasandratr’Andriamanitra ny Tompo, Aleloia!
6 Ary ho mandrakizay ny Fanjakany.
Fiv: He nasandratr’Andriamanitra ny Tompo, Aleloia!
TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)
Tsy hita maso ny endrik’i Kristy nandresy ny fahafatesana. Fa fiainam-baovao
no nidirany, nosantariny ho antsika, atolony diany izao ivelomantsika miaraka aminy.
Sas: Aza matahotra ianareo, mitady an’i Jesoa ianareo,
Jeso ‘lay Nazareana, ‘lay nofantsihana iny e e.
Efa nitsangan-ko velona Izy, ka tsy mba eto intsony, Aleloia!
Andininy:
1 Deraina isaorana Izy Tompo
Ny Tompo Andriamanitr’Israely
Fa Izy efa tonga namangy antsika
Nanavotra antsika amy fahavalo.
2 Nanolotra antsika herim-pamonjena
Avy amin’ny fianakaviana iray
Dia ny an’i Davida mpanompo tiany
F’izany tokoa no efa nolazainy.
3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany
Dia ireo olomasiny fahagola:
Ny vonjiny hanala amy fahavalo
Hanafaka antsika amy mpankahala.
4 Noho izy nandala ny Razantsika,
Dia indro tsaroany ny Fanekeny
Fa teny nomeny an’i Abrahama
Ny hanafaka antsika amy fahavalo.
5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy
Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy
Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky
Ho eo anatrehany lalandava.
6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:
Ho ‘lay „Mpaminanin’ny Avo indrindra“,
Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao
Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.
7 Ianao hanambara ny famonjena
Dia ny famelana ny hadisoana
Satria Andriamanitra fo miantra
Mandefa masoandro hamangiany antsika.
8 Fanilo hanazava reo mitakiky
Anatin’ny haizina mahafaty.
Fanilo hanazava ny diantsika
Am’lalam-piadanana lavorary.
9 Isaory ny Ray nanome antsika
Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!
Hobio ny Fanahy niantsoana antsika
Ho sambatra hibanjina ny mazava.
Sas: Aza matahotra ianareo, mitady an’i Jesoa ianareo,
Jeso ‘lay Nazareana, ‘lay nofantsihana iny e e.
Efa nitsangan-ko velona Izy, ka tsy mba eto intsony, Aleloia!
RANOMBAVAKA (IX.)
Ndeha isika mianakavy hiaraka hifaly sy hisaotra ny Raintsika fa i Jesoa Kristy
Zanany nandresy ny fahafatesana, ka nomeny hanazava antsika, no Aina sy Vonjy
tokana ho an’ny olon-drehetra:
Fiv: Aina sy Vonjy Ianao ry Tompo ô!
1 Ianao ry Jesoa Kristy Tompo, Fahazavana avy amin’ny Fahazavana no santatra
anantenanay hitsangan-ko velona; koa tariho hankany amin’ny Ray ny fanantenanay
sy ny fiainanay.
Fiv: Aina sy Vonjy Ianao ry Tompo ô!
2 Tantano amin’ny Fahendrenao izahay anio, ka hikatsaka ny fiainam-baovao avy
Aminao, indrindra ny Ray aman-dReny sy mpanabe eto aminay.
Fiv: Aina sy Vonjy Ianao ry Tompo ô!
3 Aza avela ho resin’ny ratsy izahay, fa ampianaro handresy ny ratsy amin’ny
fanaovana soa.
Fiv: Aina sy Vonjy Ianao ry Tompo ô!
4 Ny andro ankalazanay ny nandresenao, no ifalian’ny fonay ka hanombohanay ny
herinandro, ka ny teninay sy ny asanay anie hankalaza Anao hatrany.
Fiv: Aina sy Vonjy Ianao ry Tompo ô!
5 Fangatahana hafa
Fiv: Aina sy Vonjy Ianao ry Tompo ô!
Rainay any an-danitra....
Fangatahana izay atao amin’ny Sorona androtr’io
na: Ray Masina ô, nampanantenainao ny Razanay ilay Fahazavana tokana
hitari-dalana azy ireo ho any Aminao; ataovy manilo anay mandrakariva anie
Izy, eo amin’ny adim-piainana sy tebitebin-tsaina manjohy anay isan’andro vaky,
hanafana ny fonay amin’ny fifankatiavana marina mba hampiray anay rehetra ao
aminy, indray andro any, dia Izy Kristy velona amin’ny taona rehetra tsy manam-
pahataperana. Amen.
TSODRANO (X.) [ohatra]
Mpitsodrano:
Handrotsaka ny fahasoavany amintsika anie
Andriamanitra Ray nanolotra fanomezana tsy manam-paharoa an’i Maria,
ny Zanaka tia sy nanaiky azy ho Reniny,
ary ny Fanahy Masina nanamasina sy nanome azy ny voninahitra maha-Mpanjakavavin’ny lanitra.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!