ANTSA (I.)
Tsy olo-manirery akory Andriamanitra fa fianakaviana iray.
Ary io Fianakaviany tokana io no tiany hamondronana antsika.
1 Fa tany am-boalohany,
Fony Andriamanitra nahary antsika
Hitovy endrika aminy
Tiany mba hiadam-pinaritra isika,
Ka Izy nanomana
Fianakaviana hahasambatra antsika.
2 Fa tany am-boalohany,
Fony Andriamanitra nandray antsika
Hitondra ny Anarany
Tiany ho vahoakany masina isika,
Ka Izy nanomana
Fianakaviana hahamasina antsika
3 Dia nony andro farany,
Fony Andriamanitra namonjy antsika
Amin’ny fahafatesana
Tiany ho zanany marina isika
Ka Izy nanomana
Fianakaviana hamelona antsika.
4 Ho fara-fitiavany,
Vohain’Andriamanitra handraisany antsika
Ny fianakaviany
Tiany hitovy amin-Janany isika
Nandray ny Fanahiny.
Fianakavian’Andriamanitra isika!
SALAMO (II.) 110(109)
Amin’ny herin’ny fitiavana nasehony tamin’ny fijaliany sy ny fahafatesany,
no anjakan’i Kristy, fa tsy amin’ny ady aman-defona.
Sas: Rahefa tafasandratra hiala amin’ny tany Aho,
dia hitarika ny olon-drehetra hanatona Ahy. (Jn 12,32)
Andininy:
1 Hoy Andriamanitra tamin’ny Tompoko:
Avia mipetraka eto an-kavanako
Ho mandra-panaoko ny fahavalonao
Ho tonga fitoeran’ireo tongotrao.
2 Ny tehinao mahery hahinjitry ny Tompo
Avy any Siôna, avy any an-danitra;
Koa dia manfaka ary koa mandidia
Hatreo am-povoan’ny fahavalonao.
3 Anao ny fiandrianana hatram’ny vao teraka
Fa masina Ianao ary enim-boninahitra
Manerana ireo tendrombohitra masina
Sy voatsodrano hatrany am-bohoka.
4 Izao no fianianana avy amin’ny Tompo:
“Ianao dia Mpisorona mandrakizay
Ka toy ny fanaon’i Melkisedeka!”
Nianiana ny Tompo ka tsy mba hanenina.
5 Ny Tompo hijoro eo an-kavananao
Ho vinitra erý hanamongo mpanjaka
Hisotro am’n’ny riaka eny an-dalana Izy
Hitraka ny lohany, hijoro mahitsy.
6 Derao ny Ray be fitiavana antsika!
Ny Tompo nandresy ny fahafatesana,
Derao ny Fanahy nananganana antsika,
Ho mandrakizay ka ho mandrakizay.
Sas: Rahefa tafasandratra hiala amin’ny tany Aho,
dia hitarika ny olon-drehetra hanatona Ahy.
SALAMO (III.) 115 (113 B)
Izay manao an’Andriamanitra tsy hisy sy tsy manome voninahitra
ny Anarany, ireny no mitsambiki-mikimpy ka miraparapa amin’ny haizina.
Sas: Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao!
Andininy:
1 Ts’izahay, ry Tomponay ô, ts’izahay
Fa ny Anaranao no omeo ny fiderana.
Lehibe tokoa ny hatsaram-ponao
Mahatoky raha ny fahamarinanao.
2 Ny tsy mpino anefa misy manontany:
“Aiza, hono, ny Andriamanitr’izy ireo?”
Ny Andriamanitray dia any an-danitra any
Ary vitany izay sitraky ny fony.
3 Raha ny sampin-dry zareo dia volamena, volafotsy
Asan-tanana ireny.
Manam-bava tsy miteny, mana-maso tsy mahita,
Manan-tsofin-tsy mandreny.
4 Manan-tongo-tsy mamindra, manan-tanan-tsy mandray,
Manan-tenda tsy amam-peo.
‘Reo namorona azy ireny ‘reo matoky ny hotahiny
Enga anie hanahaka azy.
5 Ry Taranak’Israely, itokio ny Tomponao,
Sady vonjy no ampinga.
Ry Taranak’i Aarona, itokio ny Tomponao,
Sady vonjy no ampinga.
6 Ry matahotra ny Tompo, itokio ny Tomponao,
Sady vonjy no ampinga;
Fa ny Tompo mahatsiaro ‘zay nataony tamintsika
Ka dia hotahiny isika.
7 Hotahiny anie ianao, ry Israely,
Hotahiny koa ianao, ry Aarôna,
Hotahiny ianareo matahotra Azy,
Na madinika izany na vaventy.
8 Izy hanambina an’ireo taranakao,
Izy Ilay nanao ny lanitra sy tany.
Rah’ny lanitra dia lanitr’Izy Tompo,
Fa ny tany lovan-janak’i Adama.
9 Tsy ny maty no midera an’Izy Tompo,
Na ‘reo nidina any an-toerana mangina.
Fa isika no hisaotra an’Izy Tompo,
Tsy hitsahatra amy taona mifandimby.
10 Koa andeha re isika mba hidera,
Fa mahefa be ny Ray nahary antsika,
Fa ny Zanany nomeny fandresena,
Ny Fanahiny no manavao ny tany.
Sas: Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao!
TONONKIRA (IV.) Apok 19
Fa manjaka Izy Tompo, naharesy ny fahafatesana Izy. Mino izany va isika?
Sas: Manjaka Andriamanitra. Aleloia, aleloia!
Miravoa, ry tany. Aleloia, aleloia!
Andininy:
1 Avy amin’ Andriamanitra ny famonjena antsika
Ka azy irery ihany na ny laza na ny hery:
Satria ny fitsarany mahatoky sy mahitsy
Aleloia! Aleloia! Aleloia!
2 Tongava, ry mpanompon’Andriamanitra rehetra
Isika mianakavy ‘zay matahotra ny Tompo.
Tongava. ‘ndeha hidera ‘zay nataony tamintsika
Aleloia! Aleloia! Aleloia!
3 An-tanan’Andriamanitra ny tehim-panjakana,
An-tanan’Izy Tompo koa ny fahefana feno:
Hiara-mankalaza am-boninahitra Azy isika!
Aleloia! Aleloia! Aleloia!
4 Andeha hiravoravo koa isika ‘zay nasainy
Fa tonga i Jesoa Tompo ho amy fampakaram-bady
Ka indro ny ampakarina efa vonona hotsenainy
Aleloia! Aleloia! Aleloia!
SaS: Manjaka Andriamanitra. Aleloia, aleloia!
Miravoa, ry tany. Aleloia, aleloia!
TENIN’ANDRIAMANITRA (V.) Efez 1,3-4
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay
nitsodrano antsika tao amin’i Kristy, dia ny tsodrano rehetra ara-panahy
any an-danitra sy nifidy antsika tao aminy, talohan’ny nahariana an’izao
tontolo izao mba ho masina sy tsy hanan-tsiny eo anatrehany isika, fa
omban’ny fitiavana.
VALINKIRA (VI.)
Fiv: Isaorana anie Andriamanitra Ray!
1 Aleloia! Nomeny fandresena i Kristy Mpamonjy.
Fiv: Isaorana anie Andriamanitra Ray!
2 Aleloia! Nomeny fandresena koa isika ka voavonjy.
Fiv: Isaorana anie Andriamanitra Ray!
3 Aleloia! Nasehony ny heriny, eny re ka tsy ho faty isika.
Fiv: Isaorana anie Andriamanitra Ray!
4 Aleloia! Fa resiny tanteraka ny fahafatesantsika.
Fiv: Isaorana anie Andriamanitra Ray!
5 Aleloia! Fa Izy be fitiavana ka tsy hanary antsika e.
Fiv: Isaorana anie Andriamanitra Ray!
6 Aleloia! Ho mandrakizay, eny re, ny fitiavany antsika.
Fiv: Isaorana anie Andriamanitra Ray!
TONONKIRAN’I MARIA (VII.)
Ny fanahy no maha-olona. Ny Fanahy nomena antsika
no maha-zanak’Andriamanitra antsika.
Sas: Izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra
dia zanak’Andriamanitra. (Rom 8,14)
Andininy:
1 Ny foko midera ny Tompontsika
Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy
‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
2 Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin’ny taranaka: „Sambatra“ aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa
Ilay hoe: „Ny Masina no Anarany“.
3 ‘Lay mandrakizay ny indrafony
Am’ny olon-drehetra matahotra Azy,
‘Lay Tompo Mpandresy mahery sandry
Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,
Kanefa manadratra ireo ambany;
Manototra soa an’ireo noana
Fa mampody maina an’ireo mpanana.
5 Mpanarina an’Israely olony
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny Razantsika
Ho an’i Abrahama sy izay taranany.
6 ‘Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,
Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika
Ho mandrakizay alaovalo!
Sas: Izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra
dia zanak’Andriamanitra.
RANOMBAVAKA (VIII.)
Ndeha isika hiaraka hidera Ilay Tompo nandray ny Fanjakana sy nanome voninahitra
ny Ray tamin’ny andro nandreseny, ary antsoy amim-pitokisana Izy, fa Azy irery ihany
ny Fanjakana sy ny Hery:
Fiv: Anao ny Fanjakana sy ny Hery, Anao ny voninahitra, Anao mandrakizay!
Azo hiraina koa amin’ny Sorona Masina aorian’ny Rainay any an-danitra.
1 Ry Jesoa masoandron’ny fiainanay ô, efa mandrorona ny andro, Ka mivavaka ho
an’ny olombelona rehetra izahay enga anie izy ho sambatra hahita ny Fahazavanao
tsy mety lefy.
Fiv: Anao ny Fanjakana sy ny Hery, Anao ny voninahitra, Anao mandrakizay!
2 Mba tahio ny Papa ... Ray aman-dreninay: fenoy hery izy hanompoany ny
vahoakanao: ary ombao fitahiana hikatsaka ny Fanahinao.
Fiv: Anao ny Fanjakana sy ny Hery, Anao ny voninahitra, Anao mandrakizay!
3 Aza manadino anay tafangona eto fa efa voatokana ho Anao izahay, ka enga anie
honenan’ny voninahitrao, hanilo ny mpiara-belona aminay.
Fiv: Anao ny Fanjakana sy ny Hery, Anao ny voninahitra, Anao mandrakizay!
4 Tariho ireo mpivahiny mbola eny an-dalana mba hilamina sy ho sambatra ary ho
faly tafaverina soa amantsara any aminy.
Fiv: Anao ny Fanjakana sy ny Hery, Anao ny voninahitra, Anao mandrakizay!
5 Ampiantranoy any an-tranonao ireo nodimandry: avelao heloka izy, omeo anjara
amin’ny fandresenao ny fahafatesana.
Fiv: Anao ny Fanjakana sy ny Hery, Anao ny voninahitra, Anao mandrakizay!
6 Fangatahana hafa
Fiv: Anao ny Fanjakana sy ny Hery, Anao ny voninahitra, Anao mandrakizay!
Rainay any andanitra...
Sitrakao, ry Ray, ny nankahery ireo Apostoly taorian’ny nitsanganan’ny
Zanakao, ka nampiombom-boninahitra azy tamin’i Kristy nandresy ny
fahafatesana sy ny herin’ny maizina: ho fanoitra hanentana sy hankahery
anay eo amin’ny fiainanay mandrakariva anie ny hafaliana vokatr’izany
fandresena izany eo amin’i Kristy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay.
Amen.
TSODRANO (IX.)
Mpitsodrano:
Raika, Roy, telon-ko velona (sady mamafy rano intelo)
tsy intelo my (ihany) no ho velona
fa ho velona mandrakizay.
Efatra, dimy, enina: (sady mamafy rano in-3 indray)
Ho henin-kasina,
Henin-kavelomana ao amin’Andriamanitra:
Ray, Zanaka, Fanahy Masina.
Valiny:
Amen. (Vita izany dia fafy rano ho an’ny olona rehetra)