Zoma IV Vavaka Maraina

FANAINGANA (I.)Salamo 95 (94)

Fiv: O avereno aminao izahay, ry Andriamanitra Ray

ampamirapirato ny Tavanao, dia ho voavonjy izahay, Aleloia!

(Sal 80,20; jereo Lk 15,20)(Asolo ny Aleloia: O ry Ray ô)

1. Avia mifalia ka hobio ny Tompo

Ilay vatolampy sy vonjintsika,

2. Andeha mankeo anoloany hisaotra

Hihira sy hiantsa ary hankalaza Azy,

3. Fa Izy Andriamanitra Sady Tompo

Mpanjakan’ireo andriamani-kafa.

Fiv: O avereno aminao izahay, ry Andriamanitra Ray

ampamirapirato ny Tavanao, dia ho voavonjy izahay, Aleloia!

4. Ny atin’ny tany eo am-pelatanany

Ny tampon’ny vohitra Azy koa.

5. Nataony ka Azy ny ranomasina,

N’ tanety Azy koa fa asan-tanany.

6. Avia miondreha ary miankohofa

Hitsaoka Ilay Tompo nanao antsika,

Fiv: O avereno aminao izahay, ry Andriamanitra Ray

ampamirapirato ny Tavanao, dia ho voavonjy izahay, Aleloia!

7. Fa Izy no tena Andriamanitsika,

Isika vahoaka sy ondry fiandriny.

8. Hihaino azy ve ianareo anio?

Fa izao no ambarany sy lazainy:

9. Aza dia mafy fo toy ny tany an’efitra,

Toy ny tany Masa sy tany Meriba.

Fiv: O avereno aminao izahay, ry Andriamanitra Ray

ampamirapirato ny Tavanao, dia ho voavonjy izahay, Aleloia!

10. Ny razanareo dia nitsapa ahy!

Kanefa nahita ny asa vitako.

11. ‘ Ty taranaka ity efapolo taona

Dia nahatofoka ahy nahatezitra ahy.

12. Vahoaka mpaniasia tokoa ity

Tsy mety hahalala ny tena lalako;

Fiv: O avereno aminao izahay, ry Andriamanitra Ray

ampamirapirato ny Tavanao, dia ho voavonjy izahay, Aleloia!

13. Koa tezitra aho ka nianiana

F’ireto ts’hiadana miaraka amiko.

14. ‘ Ndeha isika hisaotra ny Tompontsika,

Ny Ray be fitia ‘zay nifidy antsika.

15. Ny Zanany nentiny niantso antsika,

Fanahiny kosa nomeny antsika!

Fiv: O avereno aminao izahay, ry Andriamanitra Ray

ampamirapirato ny Tavanao, dia ho voavonjy izahay, Aleloia!

 

ANTSA (II.)

1. Nohosihosena vao mamerovero:

Fa hoe lian-kanina sady mpisotro, (Mt 11,19)

Nalaza ho misy fanahy maloto. (Mk 3,30)

Fa nohosihosena vao mamerovero!

Tsodrano no setrin’ny fanaratsiana ... (1 P 2,23)

Ny fony mandefitra mamerovero!

Ny fon’i Jesoa no mandefitra mamerovero!

2. Nohosihosena vao mamerovero:

Natao hoe mpandainga mpamita-bahoaka, (Jo 7,12; Mt 27,63)

Ka dia nororana, noviraviraina. (Mt 26.67)

Fa nohosihosena vao mamerovero!

Mangina no setrin’ireo fiampangana ... (Mt 26,63)

Ny fony maratra vao mamerovero!

Ny fon’i Jesoa no maratra vao mamerovero!

3. Nohosihosena vao mamerovero:

Notampena-maso, nasian-tehamaina, (Mk 14,65)

Nasaina namantatra ireo izay namely. (Lk 22,64)

Fa nohosihosena vao mamerovero!

Talaho tamin-dRainy no setrin’izany ... (Lk 23,34)

Ny fony mangoraka mamerovero!

Ny fon’i Jesoa no mangoraka mamerovero! (Mk 6,34)

4. Nohosihosena vao mamerovero:

Nesoina amin’ny satroka fehiloha tsilo, (Mk 15,15-17)

Nohelohina tahaka ny olona ambany.

Fa nohosihosena vao mamerovero!

Fiainan-tsy ritra no setrin’izany ... (Jo 3,15-16)

Ny fony voalefona mamerovero! (Jo 19,34-35)

Ny fon’i Jesoa no voalefona mamerovero!

 

SALAMO (III.)51 (50)

Sas: Tompo ô, tsy mendrika aho, ny hidiranao ato amiko,

ry Tompo ô, fa manonòna teny iray dia ho sitrana ny fanahiko,

fa manonòna teny iray dia ho sitrana aho! (Mt 8,8; fanao alohan’ny Komonio)

Andininy:

1. Iantrao aho, ry Andriamanitra ô,

Eny, araka ny hatsaram-ponao,

Ary araka ny famindram-ponao

Mba koseho re ho afaka ny otako.

2. Mba sasao avokoa re ny heloko,

Ka diovy aho amin’ny otako.

Eny, fantatro ireo hadisoako,

Eo imasoko foana ny otako.

3. Taminao irery ihany no nanotako,

Izay ratsy eo imasonao, vitako.

Ka dia afa-miteny Ianao,

Sy maneho ny fahamarinanao.

4. Tsy homen-tsiny Ianao raha mitsara.

Tao anatin’ny ota aho no teraka,

Tao am-bohoka aho dia efa mpanota.

Fahitsiana ao am-poko no sitrakao;

5. Ao anatin’ny zava-miafina

No ampianaranao ahy ny fahendrena.

Koa diovy amin’ny hisôpy ny tenako,

Dia hadio aho sy ho afa-pentina.

6. Mba sasao aho hanjary botsiaka,

Eny, hihoatra ny oram-panala.

Enga anie mba ho henon’ny sofiko

Ireo hira aman-kalon-danonana.

7. Eh! hiravo handihy sy hibitaka

Ireo taolana voamontsamontsanao.

Ny hadisoako afeno ny Tavanao,

Dia esory avokoa re ny otako.

8. Fo madio dia madio, Andriamanitro ô,

No forony hitoetra ao amiko;

Ny fanahiko re mba havaozinao,

Mba hiorina mafy ao anatiko.

9. Ny Tavanao aza am-panalavirina ahy,

Aza esorinao koa ny Fanahinao.

Omeo ahy ny hafaliana amin’ny vonjinao;

Ny fanahy mazoto e hanohana ahy.

10. Ny mpanota hotoroako ny lalanao,

Ny diso lalana hiverina hankaminao.

Koa afaho aho re, Andriamanitra,

Ry Andriamanitry ny famonjena ahy.

11. Eny, afaho amin’ny rà izay nalatsaka aho,

Ny fahamarinanao hobin’ny lelako.

Mba sokafy ny molotro, Tompo ô,

Dia hidera Anao re izany vavako.

12. Raha atolotro izay mba fanatitra,

Tsy hankasitraka izany Ianao,

Izay sorona dorana hatolotro,

Tsy hanaiky an’izany Ianao.

13. Ny fanahy torotoro, Andriamanitra,

No fanatitra ankasitrahinao,

Fa ny fo torotoro sy montsana

Tsy holavinao, ry Andriamanitro.

14. I Siôna omeo fitsimbinana,

Atsangano ny mandan’i Jerosalema.

Dia hoekenao ireo sorona marina,

Ny fanatitra, sorona dorana.

15. Ary dia ombalahy no haterina

Ho fanatitra ambonin’ny otelinao.

Koa misaotra, ry Ray Mpamindra fo:

Ny Zanakao no nanonitra ny otako.

Sas: Tompo ô, tsy mendrika aho, ny hidiranao ato amiko,

ry Tompo ô, fa manonòna teny iray dia ho sitrana ny fanahiko,

fa manonòna teny iray dia ho sitrana aho!

 

TONONKIRA (IV.)Tobia 73, 70-75. 77-79

Sas: Mandalo ny endrik’izao tontolo izao ... fa efa hidina

avy any an-danitra ilay Jerosalema vaovao. (1 Kor 7,31 b sy Apok 21,2)

Andininy:

1. Misaora ny Tompo ianareo voafidiny.

Ary mankalazà androm-pifaliana,

Ka derao amin-kira Izy!

2. Ry Jerosalema Tanàna masina,

Nokapohin’ny Tompo tokoa ianao

Noho ny asan’ny tananao.

3. Omeo voninahitra Izy Tompo,

Eny, amin’ireo asa soanao,

Ka isaory e Andriamanitra.

4. Hobio Ilay Mpanjakan’ny taon-drehetra

Mba haoriny indray eo anivonao

Ilay Toerana masiny e.

5. Ireo azo babo e hohampodiany

Mba ho tonga aminao ka ho faly ianao,

Amin’ny taona tsy misy fetra.

6. Hazava mamiratra soa ianao,

Ka ireo firenena eto ambony tany

Hiankohoka aminao.

7. Ho avy hanatona anao daholo

Ireo vahoaka rehetra avy lavitra any

Mba hitondra izay fanatiny.

8. Hitsaoka ny Tompo izy ao aminao,

Ka hanao ny tany fonenanao

Ho toy ny Toera-masina.

9. Satria izy ireo eo anivonao

No hiantso ny Anarana lehibe,

Ilay Anarana lehibe.

10. Ianao dia hifaly amin’ny zanakao,

Fa hotsofina rano, sy hovoriana

Ho eo akaikin’ny Tompo ireo.

11. E! sambatra izay tia anao rehetra

Sy mifaly amin’ny fiadananao,

Amin’ny fiadananao.

12. Isaory ny Tompo, ô ry fanahiko

Fa nanafaka an’i Jerosalema Izy,

Ilay Tanànany masina e!

13. Nanafaka tamin’ireo hotakotaka,

Dia Izy Ilay Tompo Andriamanitra,

Ilay Tompo Andriamanitsika.

14. Omem-boninahitra anie ny Ray

Fa nifidy an’i Jerosalema Izy.

Ilay Zanaka maty tao.

15. Fa nitsanganko velona hamonjy antsika;

Ny Fanahy Masina indro nidina

Teo ambonin’ny Apostoly.

Sas: Mandalo ny endrik’izao tontolo izao ... fa

efa hidina avy any an-danitra ilay Jerosalema vaovao.

 

SALAMO (V.)148 (147)

Sas: Nitia ny Fiangonana i Kristy ary nahafoy tena ho azy. (Ef 5,25)

Andininy:

1. Ry Jerosalema, aoka ianao hiantsa,

Derao Andriamanitra, ry Siôna!

2. Ilay manamafy ny vavahady

Miahy ireo ankizy ao anatinao;

3. Miantoka anao handry fehizay,

Manetsaka anao mena-bary kanto;

4. Mandefa ny didiny ho ety an-tany,

Dia teny miriotra tsy hay tohaina;

5. Mandatsaka oran-toa volonondry

Mamafy fanala mangasohaso;

6. Mandraraka ireo vongan-dranomandry

Mandefa ny hatsiaka hampivaingan-drano;

7. Miteny izy anefa dia miempo ireny

Mitsonika mora dia lasa rano;

8. Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,

Ny didy aman-tsatany ho an’i Israely!

9. Tsy misy olon-kafa nomeny izany.

Ny satany manko nafeniny azy.

10. Isaory ny Ray izay nifidy antsika,

Ny Zanany Teny nomeny antsika;

11. Natolony antsika ny fanjakany

Satria ny Fanahiny momba antsika!

Sas: Nitia ny Fiangonana i Kristy ary nahafoy tena ho azy.

 

TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.)0zea 11,8-9

Hoy ny Tompo: Hataoko ahoana no famoy anao, ry Efraima, na fanolotra anao,

ry Israely? ... Onena ny foko ato anatiko, ary indray miontana ny fangorahako

rehetra. Tsy hanarana ny firehetan’ny hatezerako aho, tsy horavako fanindroany i Efraima. Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olombelona; eo afovoanao ilay Masina, ka tsy ho tonga aho mitondra ny fisafoahako.

 

VALINKIRA (VII.)

Fiv: Tsy manao andolom-po ny Tompontsika! (Sal 103,9)

1. Izaho no Davida nahavono an-tsitrapo ilay olomarina

Nefa dia niaiky fa nanota ka nibebaka. (2Sam 11-12)

Fiv: Tsy manao andolom-po ny Tompontsika!

2. Vehivavy janga very hasina sy zo tokoa ny tenako,

Iza no antsoiko mba hamerina ny hajako? (Jo 8.2-11)

Fiv: Tsy manao andolom-po ny Tompontsika!

3. Izaho no Zake izay nanambe ka nampahory ny tsy manana,

Nefa dia niniako ny hahita an’Izy Tompoko. (Lk 19,1-10)

Fiv: Tsy manao andolom-po ny Tompontsika!

4. Izaho no Piera izay nandà ankitsirano izao ny Tompoko,

Nefa nitodihany ka tonga saina tampoka. (Lk 22.54-62)

Fiv: Tsy manao andolom-po ny Tompontsika!

5. Izaho no jiolahy nampijaly ny vahoakan’Andriamanitra,

Moa ny Fanjakany mba ho azoko hidirana? (Lk 23,39-42)

Fiv: Tsy manao andolom-po ny Tompontsika!

6. Difotry ny heloka mandrevon’ny tontolo ny fiainako,

Moa ve ny Tompo dia hanodina ny Tavany?

Fiv: Tsy manao andolom-po ny Tompontsika!

 

TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)

Sas: Aleloia, isika natao batemy tao amin’i Kristy,

dia nitafy an’i Kristy, Aleloia, Aleloia! (Gal 3,27)

Andininy:

1 Deraina isaorana Izy Tompo

Ny Tompo Andriamanitr’Israely

Fa Izy efa tonga namangy antsika

Nanavotra antsika amy fahavalo.

2 Nanolotra antsika herim-pamonjena

Avy amin’ny fianakaviana iray

Dia ny an’i Davida mpanompo tiany

F’izany tokoa no efa nolazainy.

3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany

Dia ireo olomasiny fahagola:

Ny vonjiny hanala amy fahavalo

Hanafaka antsika amy mpankahala.

4 Noho izy nandala ny Razantsika,

Dia indro tsaroany ny Fanekeny

Fa teny nomeny an’i Abrahama

Ny hanafaka antsika amy fahavalo.

5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy

Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy

Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky

Ho eo anatrehany lalandava.

6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:

Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra”,

Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao

Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.

7 Ianao hanambara ny famonjena

Dia ny famelana ny hadisoana

Satria Andriamanitra fo miantra

Mandefa masoandro hamangiany antsika.

8 Fanilo hanazava reo mitakiky

Anatin’ny haizina mahafaty.

Fanilo hanazava ny diantsika

Am’lalam-piadanana lavorary.

9 Isaory ny Ray nanome antsika

Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!

Hobio ny Fanahy niantsoana antsika

Ho sambatra hibanjina ny mazava.

Sas: Aleloia, isika natao batemy tao amin’i Kristy,

dia nitafy an’i Kristy, Aleloia, Aleloia!

 

RANOMBAVAKA (IX.)

Tsy hahatanisa izay fijalian’ny olona rehetra ara-tsaina sy ara-panahy isika:

mahavaky fo izany! Ny fon’i Kristy kosa mitondra ny rofintsika sy ny

fahoriana rehetra mpanjò ny olombelona. Koa ndeha hambarantsika aminy

izany. (Mt 8,17)

Fiv 1: Kyrie eleison! Tompo ô, mamindra fo!

Fiv 2: Aza avela ho azon’ny fakam-panahy izahay, Ray ô!

1. Amin’ireo alaim panahy tsy hino Anao intsony satria mafy loatra ny adim-piainana.

Fiv 1: Kyrie eleison! Tompo ô, mamindra fo!

2. Amin’ireo marary tsy manana mpikarakara, ary koa ireo tsy manantena ny ho sitrana intsony ka voatarika hikomy aminao.

Fiv 1: Kyrie eleison! Tompo ô, mamindra fo!

3. Amin’ireo jamban’ny fitiavan-tena ka manandevo ny namany.

Fiv 1: Kyrie eleison! Tompo ô, mamindra fo!

4. Amin’ireo mpanao am-pihi-mamba ka mamela ny namany ho faty eo ambany masony.

Fiv 1: Kyrie eleison! Tompo ô, mamindra fo!

5. Amin’ireo gadra an-tranomaizina, na ny meloka na tsy manan-tsiny voaendrikendrika.

Fiv 1: Kyrie eleison! Tompo ô, mamindra fo!

6. Amin’ireo mila ho kivy ka mizotra amin’ny famoizam-po noho ny antony maro samihafa.

Fiv 1: Kyrie eleison! Tompo ô, mamindra fo!

7. Amin’ireo voagejan’ny fahazaran-dratsy.

Fiv 1: Kyrie eleison! Tompo ô, mamindra fo!

8. Azo ampiana na soloana fangatahana hafa

Fiv 1: Kyrie eleison! Tompo ô, mamindra fo!

Rainay any an-danitra ...

Ry Tompo Rainay ô, tsy misy afa-tsy fahoriana sy fahafatesana no ateraky

ny fahotana vitanay; te ho velona miadam-pinaritra anefa izahay koa ampio

ho tapa-kevitra handresy an’Ilay ratsy amin’ny alalan’ny fivavahana sy ny

fifadian kanina, araka ny nampianarin’i Jesoa Zanakao anay, Ilay velona sy

manjaka miaraka aminao sy ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra

mandrakizay. Amen.

 

TSODRANO (X.) [ohatra]

Mpitsodrano:

Ny Ray Tompon’ny Fanjakana,

ny Zanaka izay nirahiny hampanjaka ny fitiavana sy ny fahamarinana,

ary ny Fanahy mampivoatra ny fon’ny olona anie

hampivondrona antsika amin’ny Fanjakany.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0163