Zoma IV Vavaka Hariva

ANTSA (I.)

1. Ny vary afafy, hoy i Jesoa

Dia natao hamelona aina ny fitsiriny,

Ka tsy maintsy tafalevina ao anaty tany aloha

Izay vao afaka hitsimoka!

Ary moa tsy nanambara taminao va i Jesoa,

Fa ny fasana hilevenany.

Telo andro monja ihany no hihazona ny Nofony,

Ka Fiainan tsy ho lo no nitrebona avy tao!

2. Ity tsimoka ity

Dia natao hamelona aina ny salohiny,

Ka tsy maintsy mbola hongotana eny an-taniketsa aloha

Izay vao afaka hamokatra!

Ary moa tsy nanambara taminao va i Jesoa.

Fa ny Tenany hofongorana,

Sy hoesorina tsy hisy ety an tanintsika velona,

Ka ny Fanjakan’ny Ray, tamin’izay no nitokanana!

3. Ary ity salohy ity

Dia natao hamelona aina ny olombelona,

Ka tsy maintsy hovelezina ary taomina an-tanàna

Izay vao hoentina hozaraina!

Ary moa tsy nanambara taminao va i Jesoa,

Fa ny Tenany hokapohina,

Sy hoentina hovonoina dia hitsangana ho velona.

Ka ny Vatana aman-dRàny ho an’ny firenen-drehetra!

Jo 12,24; Lk 9,22 / Iz 53,8; .Mk 2,20 / Lk 9,22; 24 ,6-7.4647.

 

SALAMO (II. + III.)145 (144)

Sas: Ray ô nanome anay an’i Jesoa Zanakao Ianao, ka misaotra e! (Jo 3,16)

Andininy:

1. E! hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro

Fa Mpanjakako re Ianao,

Ary koa hankalaza ny Anaranao

Amin’ taona tsy misy fetra.

2. Eny, hisaorako mandrakariva Ianao

Isan’andro, isan’andro vaky,

Ary koa dia hidera ny Anaranao

Amin-taona tsy misy fetra.

3. Lehibe Izy Tompo, Ilay Avo indrindra

Ary mendrika hoderaina,

Tsy azo eritrererina ny Halehibeazany

Na mba visavisaina akory.

4. Ny taranaka maro izay mifandimby

Hampanako ny asanao,

Ary koa dia hitory sy hankalaza

An’ireo asanao mahery.

5. E! ny voninahitrao izay mamirapiratra

Sy ny lazam-piandriananao.

Eny ê, ny asanao mahagaga loatra

Dia hambarako, tantaraiko.

6. Ny hatsaram-ponao lehibe miavosa

Dia hambara sy ho tsarovana,

Moa ny hasin’ny fahamarinanao

Dia hobiana hatrany hatrany.

7. Izy Tompo Fitiavana, Fangorahana.

Tsara fo, tsy malaky tezitra;

Ho an’ny olon-drehetra ny hatsaram-pony,

Ny fangorahany ho an’ny asany.

8. Ny asanao rehetra anie, aoka hisaotra Anao, ry Tompo,

Ny mpivavaka aminao, aoka samy hihoby Anao!

Ny voninahi-panjakana entinao dia horesahiny,

Ireny asanao mahery ireny koa dia hoteneniny.

9. Ka ho fantatry ny olona ny asanao mahery,

Ny voninahitra aman dazam-panjakana entinao.

Fa ny Anao ny fanjakana dia natao tsy misy fetra,

Moa ny fanapahanao, amin’ny taona mifandimby.

10. Eny, marina amin’ny Teniny rehetra Izy Tompo

Ary koa mahatoky amin’ny asany rehetra;

Izy Tompo dia manohana izay rehetra lavo

Ary koa mampitraka izay rehetra mitanondrika.

11. E! mifantoka aminao ny fijerin’ny tontolo.

Fa toloranao sakafo ara-potoana izy ireo.

Dia manokatra ny tananao Ianao fa mora fo,

Ka mamoky zava-tsoa izay rehetra manana aina.

12. Eny marina amin’ny lalany rehetra Izy Tompo

Ary ‘he famindram-po amin’ny asany rehetra.

Fa ny Tompo eo anilan’ireo izay miantso Azy,

Dia ireo miantso Azy amin-kitsim-po tokoa!

13. Dia mamaly izay irin’ireo matahotra Azy Izy

Sy mihaino ny tarainany, mamonjy azy ireo!

Dia arovan’Izy Tompo izay rehetra tia Azy,

Fa ny olon-dratsy kosa dia aringany avokoa!

14. Aoka hitory fiderana an’Izy Tompo izany vavako,

Ny olombelona rehetra aoka hihoby ny Anarany.

Eny, isaorana ny Tompo! Eny, isaorana ny Anarany

Amin’ny taona tsisy fetra, amin’ny taona tsisy fetra.

15. Koa isaorana ny Ray be fitia sy fangorahana,

Sy ny Zanaka, Ilay Zoky mahatoky tsy mivadika

Amin’izay mifidy Azy ho Filoha sy’Mpamonjy,

Ny Fanahy izay mpanarina an’ireo miantehitra aminy.

Sas: Ray ô nanome anay an’i Jesoa Zanakao Ianao,

ka misaotra e!

 

TONONKIRA (IV.)1 Jo 3,16-20

Fiv: Ambonin’ny zavatra rehetra ny fitiavana.

Ny fitiavana no ambony amin’ny zavatra rehetra. (indroa)

1. Dia izao no famantarana ny tena fitiavana:

I Jesoa no nanolotra ny Ainy ho antsika.

Fiv: Ambonin’ny zavatra rehetra ny fitiavana.

Ny fitiavana no ambony amin’ny zavatra rehetra (indroa )

2. Koa tsy maintsy mahafoy ny aintsika koa isika

Ho an’ireo havantsika: ireo tapaka sy namana.

Fiv: Ambonin’ny zavatra rehetra ny fitiavana.

Ny fitiavana no ambony amin’ny zavatra rehetra. (indroa)

3. Raha misy manam-bola aman-karena eto antany

Ka mahita fa sahirana ilay tapaka sy namana,

Fiv: Ambonin’ny zavatra rehetra ny fitiavana.

Ny fitiavana no ambony amin’ny zavatra rehetra. (indroa)

4. Nefa kosa manamafy sy manidy fo ny aminy,

Dia mba aiza ny Fitiavan’Andriamanitra ao anatiny?

Fiv: Ambonin’ny zavatra rehetra ny fitiavana.

Ny fitiavana no ambony amin’ny zavatra rehetra. (indroa)

5. Aza mba mitia an-teny na am-bava fotsiny ê,

Fa mitiava amin’ny asa ary amim-pahamarinana.

Fiv: Ambonin’ny zavatra rehetra ny fitiavana.

Ny fitiavana no ambony amin’ny zavatra rehetra. (indroa)

6. Izay isika no mahalala fa avy amin’ny fahamarinana,

Ary handry eritreritra anatrehan’Andriamanitra.

Fiv: Ambonin’ny zavatra rehetra ny fitiavana.

Ny fitiavana no ambony amin’ny zavatra rehetra. (indroa)

7. Na manenjika antsika aza izay mba eritreritsika,

Izy Tompo mbola ambony noho ny eritreritsika ...

Fiv: Ambonin’ny zavatra rehetra ny fitiavana.

Ny fitiavana no ambony amin’ny zavatra rehetra. (indroa)

 

TENIN’ANDRIAMANITRA (V.)Lk 9,23-24

Hoy i Jesoa tamin’ny olona rehetra: Raha misy te hanaraka Ahy aoka izy handà

ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany isan’andro ka hanaraka Ahy. Izay te hamonjy

ny ainy dia hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy.

 

VALINKIRA (VI.)

Fiv: O ry Jesoa Kristy Tompo ô, harahiko Ianao na aiza na aiza. (Lk 9,57)

1. Tianao ve ny ho mpianatro?

Tsy ny vola aman-karena no mba tanjona tratrariko. (Mk 10,21-22)

Fiv: O ry Jesoa Kristy Tompo ô, harahiko Ianao na aiza na aiza.

2. Tianao ve ny ho mpianatro?

Raiso ny Hazofijaliana dia izory izay nodiaviko. (Mk 8,34)

Fiv: O ry Jesoa Kristy Tompo ô, harahiko Ianao na aiza na aiza.

3. Tianao ve ny ho mpianatro?

Tiavo toy ny iray tampo ny olombelona notiaviko. (Mk 12,32-34; Mt 23,8)

Fiv: O ry Jesoa Kristy Tompo ô, harahiko Ianao na aiza na aiza.

4. Tianao ve ny ho mpianatro?

Tsy hotompoina fa hanompo, izay no tarigetram-piainako. (Mk 10,42-45)

Fiv: O ry Jesoa Kristy Tompo ô, harahiko Ianao na aiza na aiza.

5. Tianao ve ny ho mpianatro?

Amin’ny olo-maminao, Izaho no ataovy fara tampony. (Mt 10,37)

Fiv: O ry Jesoa Kristy Tompo ô, harahiko Ianao na aiza na aiza.

6. Tianao ve ny ho mpianatro?

Hoentiko any antranon-dRaiko ireo nizaka ny fiainako. (Jo 17,24)

Fiv: O ry Jesoa Kristy Tompo ô, harahiko Ianao na aiza na aiza.

7. Tianao ve ny ho mpianatro?

Tena hanim-pito loha no haroson’Ilay Dadako. (Iz 25,6; Apok 19.9)

Fiv: O ry Jesoa Kristy Tompo ô, harahiko Ianao na aiza na aiza.

 

TONONKIRAN’I MARIA (VII.)

Sas: Nitodihan’ny Tompo i Piera,

dia velom-panenenana nitomany fatratra. (Lk 22.61a-62)

Andininy:

1 Ny foko midera ny Tompontsika

Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra

Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy

‘ Lay mpanompovaviny tsinontsinona.

2 Fa indro manomboka ankehitriny

Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra" aho.

Nahavita be tamiko ilay Mahefa

Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany".

3 ‘ Lay mandrakizay ny indrafony

Am’ ny olon-drehetra matahotra Azy,

‘ Lay Tompo Mpandresy mahery sandry

Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.

4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,

Kanefa manadratra ireo ambany;

Manototra soa an’ireo noana

Fa mampody maina an’ireo mpanana.

5 Mpanarina an’Israely olony

Satria mahatsiaro ny indrafony

Nampanantenainy ny Razantsika

Ho an’i Abrahama sy izay taranany.

6 ‘ Lay Ray be fitiavana mba derao,

Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,

Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika

Ho mandrakizay alaovalo!

Sas: Nitodihan’ny Tompo i Piera,

dia velom-panenenana nitomany fatratra.

 

RANOMBAVAKA (VIII.)

Banjino Ilay Rain’ny Famindram-po, dia hihalalina ny fitokisantsika Azy.

Fiv 1: Avelao ny helokay. Ray ô, tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay.

na Fiv 2: Manafaha anay amin’ny ratsy Ray ô!

1. Famindram-po tsy misy fetra Ianao! koa aza avela hirona amin’ny fitsaratsarana

foana ny namana izahay.

Fiv 1: Avelao ny helokay. Ray ô, tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay.

na Fiv 2: Manafaha anay amin’ny ratsy Ray ô!

2. Hatsaram-po lavorary Ianao! ka manafaka anay amin’ireo fisainana lomorina

rehetra mety hanimba ny tenanay sy ny manodidina anay.

Fiv 1: Avelao ny helokay. Ray ô, tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay.

na Fiv 2: Manafaha anay amin’ny ratsy Ray ô!

3. Hasambarana fanaperana Ianao! koa aza avela hifikitra amin’ny haren’ny tany

ny fonay.

Fiv 1: Avelao ny helokay. Ray ô, tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay.

na Fiv 2: Manafaha anay amin’ny ratsy Ray ô!

4. Fitiavana tsy manam-piovana Ianao! koa manafaha anay amin’izay rehetra

mampisaraka mampanalavitra anay aminao.

Fiv 1: Avelao ny helokay. Ray ô, tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay.

na Fiv 2: Manafaha anay amin’ny ratsy Ray ô!

5. Fahamarinana tsy mety lefy Ianao! koa aza avela hiantehitra amin’izay

firehan-kevitra manodoka izahay.

Fiv 1: Avelao ny helokay. Ray ô, tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay.

na Fiv 2: Manafaha anay amin’ny ratsy Ray ô!

6. Fiainana mandrakizay Ianao! koa manafaha an’ireo Razanay nody mandry mbola tsy miombona anjara tanteraka amin’ny Fiainanao.

Fiv 1: Avelao ny helokay. Ray ô, tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay.

na Fiv 2: Manafaha anay amin’ny ratsy Ray ô!

7. Azo ampiana na soloana fangatahana hafa

Fiv 1: Avelao ny helokay. Ray ô, tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay.

na Fiv 2: Manafaha anay amin’ny ratsy Ray ô!

Rainay any an-danitra ...

Ry Ray lalim-pahendrena ô, ny Fandaharanao hamonjy an’izao tontolo izao,

tamin’ny nahafatesan’i Kristy Zanakao sy ny nitsanganany ho velona, dia

fanafintohinana ho an’ny sasany, hadalàna ho an’ny hafa. Ho anay voaantsonao

kosa, dia asan’ny herinao sy ny fahendrenao izany. Koa ny Fanahy Masina anie

hanampy anay hanara-dia an’i Kristy amin’izany lalana izany. Amin’ny alalan’Izy

Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Ilay velona sy manjaka miaraka aminao sy

ny Fanahy Masina, mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

TSODRANO (IX.) [ohatra]

Mpitsodrano:

Ilay nahary ny ranomasina noho ny sitrapony ihany,

Ilay nampitony ny rivo-doza tamin’ny Teniny tokana,

ary Ilay rivotra mitsoka malefaka anie

hampitody antsika any amin’ilay Seranana.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0076