FANAINGANA (I.)Salamo 95 (94)
Fiv: Ndao isika hientan-kafaliana amin’ny Fanahy Masina,
hiaraka amin’i Kristy. (Lk10,21)
1.Avia mifalia ka hobio ny Tompo
Ilay vatolampy sy vonjintsika,
2.Andeha mankeo anoloany hisaotra
Hihira sy hiantsa ary hankalaza Azy,
3.Fa Izy Andriamanitra sady Tompo
Mpanjakan’ireo andriamani-kafa.
Fiv: Ndao isika hientan-kafaliana amin’ny
Fanahy Masina, hiaraka amin’i Kristy.
4.Ny atin’ny tany eo am-pelatanany
Ny tampon’ny vohitra Azy koa.
5.Nataony ka Azy ny ranomasina,
N’tanety Azy koa fa asan-tanany.
6.Avia miondreha ary miankohofa
Hitsaoka Ilay Tompo nanao antsika,
Fiv: Ndao isika hientan-kafaliana amin’ny
Fanahy Masina, hiaraka amin’i Kristy.
7.Fa Izy no tena Andriamanitsika,
Isika vahoaka sy ondry fiandriny.
8.Hihaino azy ve ianareo anio?
Fa izao no ambarany sy lazainy:
9.Aza dia mafy fo toy ny tany an’efitra,
Toy ny tany Masa sy tany Meriba.
Fiv: Ndao isika hientan-kafaliana amin’ny
Fanahy Masina, hiaraka amin’i Kristy.
10.Ny razanareo dia nitsapa ahy!
Kanefa nahita ny asa vitako.
11.‘ Ty taranaka ity efapolo taona
Dia nahatofoka ahy nahatezitra ahy.
12.Vahoaka mpaniasia tokoa ity
Tsy mety hahalala ny tena lalako;
Fiv: Ndao isika hientan-kafaliana amin’ny
Fanahy Masina, hiaraka amin’i Kristy.
13.Koa tezitra aho ka nianiana
F’ireto ts’hiadana miaraka amiko.
14.‘ Ndeha isika hisaotra ny Tompontsika,
Ny Ray be fitia ‘zay nifidy antsika.
15.Ny Zanany nentiny niantso antsika,
Fanahiny kosa nomeny antsika!
Fiv: Ndao isika hientan-kafaliana amin’ny
Fanahy Masina, hiaraka amin’i Kristy.
ANTSA (II.)
Ho Anao, ry Fanahy ô, Aleloia!
1.Ho menaka nahoso-bato va re
Ny Herinao, ry Fanahy,
Sa kosa natao haninteraka
Ilay fo nofo mbola osa anatinay?
Miasa mafy lalandava ny Herinao
Mankahery, mampahomby, raha mibebaka izahay.
Ianao, ry Hery nomena hampijoro,
Toavinay Ianao, Ianao ry Hery, Aleloia!
2.Afo lavitra tsy azo amindroana va re
Ny Fitiavanao, ry Fanahy,
Sa kosa natao hanafana
Ilay fo nofo mangatsiaka anatinay?
Miredareda lalandava ny Fitiavanao
Mandrehitra sy mampitia raha mibebaka izahay.
Ianao, ry Afo Fitiavana mandoro,
Raisinay Ianao, Ianao ry Afo, Aleloia!
3.Ho tehi-marefo mampandringa va re
Ny Fahendrenao, ry Fanahy,
Sa tehina azo ianteheran’
Ny fo nofo mora lavo anatinay?
Mitari-dalana lalandava ny Fahendrenao
Manoro izay hombana raha mibebaka izahay.
Ianao, ry Fahendrena tsy tontan’ny ela,
Derainay Ianao, ry Fahendrena, Aleloia!
Setriny:Ho Anao ry Hery, ry Afo Fitiavana ô!
Ho Anao ry Fahendrena ô, Aleloia!
Ho Anao Fanahy ô, Aleloia!
SALAMO (III.)101 (100)
Sas:Eny, Mpanjaka Aho, hoy ny navalin’i Kristy teo anatrehan’ i Pilaty.
Izay mivelona amin’ny fahamarinana dia mihaino ny Teniko. (Jo 18.37)
Andininy:
1.Ndeha hohiraiko ny indrafo mbamin’ny fitsaran’ny Tompo:
Ary Ianao, ry Tompo, no hoderaiko!
2.Amin’ny lalana falehan’ny lavorary no halehako;
Rahoviana Ianao no ho tonga eto amiko?
3.Izaho miaina amin’ny fo mahitsy ary koa lavorary
Ao an dapam-panjakana izay onenako.
4.Tsy misaina velively na manopy maso akory
Amin’izay fanaovana asa ratsy aho.
5.Hankahalaiko raha ny asan’ny mpihatsaravelatsihy,
Ary tsy hahakasika ahy na kely aza.
6.Koa ataoko lavitra ahy raha izay fo miolakolaka,
Ary tsy horaharahaiko ny olon-dratsy.
7.Ireo mpanaratsy namana any am-badika any kosa,
Hataoko tankina tsy hahaloa-peo.
8.Ny fijery mianjonanjona sy ny fo miavonavona,
Dia tsy azoko andeferana mihitsy.
9.Ireto masoko hijery ny olom-pino eto an-tany:
Izy ireo no hitoetra eto anilako.
10.Izay mahay mitondra tena amim-pahitsiana marina,
Izy indrindra no ho mpiara-miasa amiko.
11.Sanatria raha mba hanana toerana ao an-dapako
Raha izay olona efa zatra misoloky.
12.Ary ny olona mpandrobo zatra laingalainga foana,
Tsy hahajoro velively eo imasoko.
13.Isan’andro vao maraina dia haringako ho tankina
Ny olon-dratsy eto amin’ny fireneko.
14.Mba ho foana avokoa ny olo-meloka rehetra
Tsy ho ao amin’ny vohitry ny Tompo.
15.Koa isaorana Ianao, ô ry Ray tsy manavaka,
Sy i Jesoa Ilay nandray ireo madinika.
16.Ary isaorana Ianao, ry Fanahy Mpanolo-tsaina
Hanoherana ny tsindrihazolena!
Sas:Eny, Mpanjaka Aho, hoy ny navalin’i Kristy teo anatrehan’ i Pilaty.
Izay mivelona amin’ny fahamarinana dia mihaino ny Teniko.
TONONKIRA (IV.)Dan 3,26-41
Sas:Tsy ny asa andidian’ny lalàna no anamarinana ny olona,
fa ny finoana an’i Jesoa Kristy. (Gal 2,16)
Andininy:
1.Koa isaorana Ianao, ô ry Tomponay:
Andriamanitr’ireo razanay Ianao,
Ary mendrika dera ny Anaranao,
Ka omem-boninahitra ho doria!
2.Eny. marina Ianao amin’ny Asanao,
Dia ireo izay nataonao taminay.
He nanota izahay fa nandao Anao.
Toy ny an’ny tsy mpino ny asanay.
3.Hadisoana tokoa re no vitanay!
Nefa noho ny amin’ny Anaranao,
Aza ilaozana mandrakizay izahay,
Aza foanana koa re ny Fanekenao.
4.Aza alàna aminay ny Fitiavanao,
Noho i Abrahama sakaizanao,
Ary noho i Isaaka mpanomponao,
Mbamin’i Israely ilay maminao.
5.Fa nomenao fampanantenana ireo,
Dia ny hahamaro isa ireo taranany
Izay ho tahaka ny kintana eny an-danitra,
Sy ny fasika amoron’ny ranomasina.
6.Indro kely dia kely izahay, ry Tompo,
Raha mitaha amin’ireo firenena hafa,
Sy voaetry amin’ny tany rehetra koa,
Noho ireo fahotana nataonay.
7.Tsy mba mana-mpifehy izahay izao,
Na manam-pahefana na mpaminany,
Na mba sorona dorana na fanatitra,
Na mba emboka manitra kely akory.
8.Tsy mba misy toerana halehanay
Hitondrana ny voaloham-bokatray,
Ka hanaterana azy anatrehanao,
Hahazoanay sitraka avy aminao.
9.Nefa raiso ny fonay izay torotoro,
Ary koa ny fanahinay mietry tena,
Ho toa sorona ondry aman’ombalahy,
Sy ho toa zanak’ondry matavy arivo.
10.Izany sorona ataonay izany anie,
Amin’izao andronay ankehitriny izao,
Hahitanay fitia anatrehanao;
Izay mitoky aminao tsy mba azon-kenatra.
11.Koa dia amin’ny fonay tokoa izahay,
No manjohy sy manaraka Anao izao,
Ka matahotra Anao sy manaiky Anao,
Sady manina hahita ny Tavanao.
12.Koa ny Ray izay mangoraka ireo mivalo,
Sy ny Zanaka sorona ho solo heloka,
Ny Fanahy mahaova ny aty fo,
No ‘ndeha hoderaintsika, ô ry mpino.
Sas:Tsy ny asa andidian’ny lalàna no anamarinana ny olona,
fa ny finoana an’i Jesoa Kristy.
SALAMO (V.)144 (143),1-11 [10]
Sas:Aoka re ianao ho mpandresy
Handresy ny ratsy amin’ny tsara.(indroa)
Aoka re ianao ho mpandresy
Handresy ny haizina amin’ny hazavana.(indroa)
Aoka re ianao ho mpandresy
Handresy ny hala volo amin’ny fitiavana. (Rom 12,21) (indroa)
Andininy:
1.Hoderaina anie Ianao, ry Tompo ô!
Hoderaina anie Ianao, Ilay Vatolampiko!
Mpanazatra ireto tanako hiady;
Mpampianatra ny sandriko hiantafika.
2.Mpanomba sady mandako Izy manko,
Ilay Rovako ary koa Mpanafaka ahy.
Eny, Izy no Ampingako miaro ahy.
Omeny ahy ny fizakana ny vahoakako.
3.Inona àry ny olombelona, ry Tompo,
No mba tsarovanao izato izy,
Ary inona ny zanak’olombelona
No mba saininao ho zavatra tokoa?
4.Toy ny tsiodrivotra, eny, ny olombelona,
Ary aloka miserana ny androny.
Aondreho ny lanitrao, midîna, Tompo;
Dia kasiho ny tendrombohitra hirehitra.
5.Alefaso hifanaretsaka ny tselatra,
Atorahy ny tsipîka, hampatahotra.
Ny tananao ahinjiro avy any ambony,
Ary dia ho afaka tokoa izany tenako.
6.Dia avoty aho amin’ny rano be,
Amin’ny tanan’ireo hafa firenena:
Lainga foana no hambaran’izy ireny,
Ary tanana mpamitaka ny tanany.
7.Ianao no hoderaiko sy hobiko,
Hobiko amin’ny antsa vaovao;
Ary koa hitendreko valiha,
Dia valiha tory folo mikarantsana.
8.Eny, izany dia ho Anao Ilay mahatonga
Ireo mpanjaka eran-tany ho mpandresy,
Sy miaro an’i Davida ilay mpanompo
Tsy ho voan’izay sabatra mamono.
9.Dia avoty ka vonjeo aho, ry Tompo ô,
Amin’ny tanan’ireo hafa firenena:
Lainga foana no ambaran’izy ireny,
Ary tanana mpamitaka ny tanany.
10.Hoderaina Ianao, Ray, Ilay tsara fo
Tia mamaly ny haratsiana amin’ny tsara;
Sy i Jesoa Mpandresy ny ota amin’ny Fitiavana;
Ary Ianao Ilay Mpankahery ny mpikatroka.
Sas:Aoka re ianao ho mpandresy
Handresy ny ratsy amin’ny tsara.(indroa)
Aoka re ianao ho mpandresy
Handresy ny haizina amin’ny hazavana.(indroa)
Aoka re ianao ho mpandresy
Handresy ny hala volo amin’ny fitiavana. (Rom 12,21) (indroa)
TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.)Iz 55,1
Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa aty amin’ny rano, na dia ianareo tsy manam-bola aza; avia mividiana vary, ka mihinana; avia hividy tsy amim-bola, na takalo, hividy divay sy ronono.
VALINKIRA (VII.) Iz 55,1-3; Jo 7,37-39
Fiv:Aoka hanatòna ny Tompo, manatòna isika izay mangetaheta.
1.Ka hanovo rano amin-kafaliana.
Fiv:Aoka hanatòna ny Tompo, manatòna isika izay mangetaheta.
2.Andoharanom-pamonjena tsy mba ritra.
Fiv:Aoka hanatòna ny Tompo, manatòna isika izay mangetaheta.
3.Loharano hiboiboika avy ao anaty.
Fiv:Aoka hanatòna ny Tompo, manatòna isika izay mangetaheta.
4.Ka hanetsaka ny fiainana tontolo.
Fiv:Aoka hanatòna ny Tompo, manatòna isika izay mangetaheta.
5.Ka tsy hisy hampangetaheta intsony.
Fiv:Aoka hanatòna ny Tompo, manatòna isika izay mangetaheta.
6.Dia ho afaka hihatsara lalandava.
Fiv:Aoka hanatòna ny Tompo, manatòna isika izay mangetaheta.
7.Hoentanin’ny Fanahy nomeny antsika.
Fiv:Aoka hanatòna ny Tompo, manatòna isika izay mangetaheta.
8.Ilay Fanahy mampitodika amin’ny Ray.
Fiv:Aoka hanatòna ny Tompo, manatòna isika izay mangetaheta.
TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)
Sas:Raha ianareo izay ratsy aza mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo,
mainka fa ny Rainareo izay any an-danitra ve, no tsy hanome ny Fanahiny
an’izay mangataka Azy aminy! (Lk 11,13)
Andininy:
1Deraina isaorana Izy Tompo
Ny Tompo Andriamanitr’Israely
Fa Izy efa tonga namangy antsika
Nanavotra antsika amy fahavalo.
2Nanolotra antsika herim-pamonjena
Avy amin’ny fianakaviana iray
Dia ny an’i Davida mpanompo tiany
F’izany tokoa no efa nolazainy.
3Fa Teniny nentin’ny Mpaminany
Dia ireo olomasiny fahagola:
Ny vonjiny hanala amy fahavalo
Hanafaka antsika amy mpankahala.
4Noho izy nandala ny Razantsika,
Dia indro tsaroany ny Fanekeny
Fa teny nomeny an’i Abrahama
Ny hanafaka antsika amy fahavalo.
5Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy
Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy
Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky
Ho eo anatrehany lalandava.
6Ianao ‘zao anaka, no antsoina:
Ho ‘lay „Mpaminanin’ny Avo indrindra“,
Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao
Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.
7Ianao hanambara ny famonjena
Dia ny famelana ny hadisoana
Satria Andriamanitra fo miantra
Mandefa masoandro hamangiany antsika.
8Fanilo hanazava reo mitakiky
Anatin’ny haizina mahafaty.
Fanilo hanazava ny diantsika
Am’lalam-piadanana lavorary.
9Isaory ny Ray nanome antsika
Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!
Hobio ny Fanahy niantsoana antsika
Ho sambatra hibanjina ny mazava.
Sas:Raha ianareo izay ratsy aza mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo,
mainka fa ny Rainareo izay any an-danitra ve, no tsy hanome ny Fanahiny
an’izay mangataka Azy aminy!
RANOMBAVAKA (IX.)
Afaka manadio ny loto amin’ny lambantsika isika; fa iza kosa no afaka hanasa ny
lotom-pahotantsika, iza no afaka handio ny Fiangonana sy izao tontolo izao, moa ve tsy ny Fanahy Masin’Andriamanitra? Koa angataho ny Fanahy hanadio antsika.
Fiv:Diovy hatrany izahay, ry Fanahy Masina ô!
1.Ry Fanahy Masina ô, mila fanadiovana lalandava ny Fiangonana: sao mihevi-tena ho tonga lafatra sahady ireo rantsam-batany, nefa indraindray mitompo teny fantatra na mitady hanjakazaka; indraindray koa mifanao ankolafiny sy misara-bazana.
Fiv:Diovy hatrany izahay, ry Fanahy Masina ô!
2.Ry Fanahy Masina ô, mila fanavaozana ny fonay; satria matetika mbola rakotry ny fahotana sy mifikitra amin’ny faha-zaran-dratsy.
Fiv:Diovy hatrany izahay, ry Fanahy Masina ô!
3.Ry Fanahy Masina ô, mila fahazavana avy aminao izahay, indrindra izahay
ireny olona mitsambiki-mikimpy tsy te hijery ny marina ireny.
Fiv:Diovy hatrany izahay, ry Fanahy Masina ô!
4.Ry Fanahy Masina ô, mila fampibebahana avy aminao izahay eo amin’ny fiaraha-monina misy anay, satria mbola anjakan’ny fifanenjehana mbamin’ny fifankahalana.
Fiv:Diovy hatrany izahay, ry Fanahy Masina ô!
5.Azo ampiana na soloana fangatahana hafa
Fiv:Diovy hatrany izahay, ry Fanahy Masina ô!
Rainay any an-danitra ...
Andriamanitra Fanahy Masina ô, vavaka natao harahin’asa fanavaozana ny fiainana io nampianarin’i Jesoa anay zandriny io, koa ampio hatrany izahay hanaiky havaozinao.
Ianao ilay velona sy monina ary tianay hanjaka tanteraka ato anatinay.
TSODRANO (X.)
Mpitsodrano:
Ilay mbola tsy hitan’ny maso,
Ilay nanatanteraka ny famantarana,
ary Ilay mampahafantatra ny hevitry ny Tenin’i Jesoa anie
hanazava sy hitari-dalana antsika
anatin’ny haizin’izao fiainana izao.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!