ANTSA (I.)
Raha sendra havizanana – Rano, Rà, Fanahy (1 Jn 5,6-8)
1. Raha sendra havizanana
No tojo hafanana,
Mirepirepy fanina
Fa main’ny hetaheta,
Tsy lavitra kanefa
Jereo ny loharano, jereo,
Miboika tsisy fetra,
Mandonaka ny tany.
Ry Jesoa Tomponay ô, Ianao no Ranovelona,
“ Avia, hoy Ianao, avia ka misotroa”
Izay main’ny hetahetam-pahamarinana. (Jn 7,37)
2. Raha sendra hasasarana
No tojo fisedrana,
Manjepizepy fanina,
Ka toy ny ho afaka aina.
Tsy lavitra kanefa
Banjino fa miboika, banjino,
Tsy miato ‘zao ny Ràko
Hamerina ny aina.
Ry Jesoa Tomponay ô, Ianao no Rà mpamelona,
“ Avia, hoy Ianao, avia ka misotroa”
Ny Rako odifaty: onim-pahafahana ô. (Jn 6,56; Mt 26,27-28)
3. Raha sendra ny hamaizana
No tojo fahosana,
Mandraingiraingy marina
Gejain-d Rafahotana.
Velomy ny Finoana
Banjino fa tsy ritra, banjino,
Fanahy Ranovelona
Mamelona ny Ràko.
Ry Jesoa Tomponay ô, ny Fanahy mpanamasina
No indro atolotrao ho Fahamarinanay,
Fa Izy, hoy Ianao, „Fanahim-panafahana“ ô. (Ef 5,18)
SALAMO (II.)137 (136)
Sas: Any an-danitra any no tanànantsika
sy iandrasantsika Mpamonjy, dia i Kristy,
Ilay hanova ny vatantsika
hitovy endrika amin’ny Azy mamirapiratra. (Fil 3,20-21a)
Andininy:
1. Teo amoron’ny onin’i Babilôna,
Teo izahay nitorovoka tamin’ny tany,
Nitomany fa manina ilay Siôna.
Tamin’ny hazomalahelo teny ho eny
No nahantonay, ho’ aho, ny lokanganay.
2. Fa nangataka hira ireo mpandresy anay,
Ka nanery anay hifaly ireo mpampahory
Hoe: „Kaloy aminay ny hiran’i Siôna“.
Fa hataonay ahoana ary no fihira
Izany hiran’ny Tompo any an-tanin’olona?
3. O ry Jerosalema ô, sanatria,
Raha toa ka izaho no hanadino anao,
Dia ny tanako havanana aoka halemy.
Izany lelako hiraikitra an-danilaniko
Raha hoe ka izaho tsy hisaina anao.
4. Raha toa tsy ilay Jerosalema koa
No hatao fara tampon’ny fifaliako,
Dia ny tanako havanana aoka halemy.
Izany lelako hiraikitra an-danilaniko
Raha hoe ka izaho tsy hisaina anao.
5. Sanatria, tsy isika no hanadino
Ilay Vohitra masina vaovao,
Koa tsarovy ny Mpahary miandry antsika any,
Sy ny Zanaka Mpialoha lalana antsika,
Ny Fanahy Mpitantana, azo antoka!
Sas: Any an-danitra any no tanànantsika
sy iandrasantsika Mpamonjy, dia i Kristy,
Ilay hanova ny vatantsika
hitovy endrika amin’ny Azy mamirapiratra. (Fil 3,20-21a)
SALAMO (III.)138 (137)
Sas: Ny firenen-drehetra dia hizotra tarafin’ny hazavan’ilay Tanàna masina,
ary ny mpanjaka eran-tany hitondra ao ny voninahiny. (Apok 21,24)
Andininy:
1. Amin’ny foko manontolo
No isaorako Anao, ry Tompo ô,
Anoloan’ny Anjely aho no miantsa Anao,
Miankohoka manatrika ny Tempolinao masina.
2. Ny Anaranao isaorako
Noho ny fitiavana amam-pahamarinanao,
Fa satria ny Anaranao ary koa ny Teninao
D ia asandratrao ambony noho ny zavatra rehetra.
3. Ny andro iantsoako, Ianao mamaly
Ary mampitombo hery ny fanahiko;
Dia misaotra Anao daholo ny mpanjaka eto an-tany
Fa hahaheno ireo teny nolazain’ny Vavanao.
4. Dia ny Lalan’Izy Tompo
No hirain’izy ireo hatrany hatrany
Hoe: „Lehibe tokoa ny Voninahitry ny Tompo!“
Na ambony aza Izy, mahatsinjo ny madinika.
5. Avy lavitra ny Tompo
Mahatazana ny olo-mpiavonavona.
Raha mizotra afovoam-pahoriana lalina aho,
Dia Ianao indrindra, Tompo, no mamelombelona ahy.
6. Ny fahavaloko efa vinitra
Aninjiranao ny tananao, ry Tompo,
Ka ny tananao havanana no ahazoako fandresena.
Tokoa moa raha mba misy tsy ataon’ny Tompo ho ahy!
7. Ny fitiavanao, ry Tompo,
Dia maharitra doria mandrakizay.
Aza ilaozanao ny asa soa nataon’ny tananao.
Koa misaotra Anao izahay, ô ry Andriamanitra ô!
8. Avo indrindra Ianao, ry Ray
Ilay mitsinjo anay madinika sy kely,
Sy Ianao Jesoa Mpamonjy nietry tena ho toa anay,
Ary Ianao Fanahy Masina Fitiavana sy Hery.
Sas: Ny firenen-drehetra dia hizotra tarafin’ny hazavan’ilay
Tanàna masina, ary ny mpanjaka eran-tany hitondra ao ny voninahiny.
TONONKIRA (IV.)Apok 4,11; 5,9-10.12 na: 1 Joany 1,5-9
Andininy:
1. Izao no nohafaran’i Jesoa Kristy,
Ka ambara anareo fa izahay no nandre:
Andriamanitra dia Fahazavana,
Tsisy haizina akory ao aminy.
Fiv: Ny Ràn’i Jesoa Zanak’Andriamanitra no manadio antsika.
2. Raha toa, sanatria, ka milaza isika
Fa hoe miombona amin’ny Tompo Andriamanitra,
Nefa isika mandeha amin’ny maizina,
Dia mandainga, tsy manao ny marina.
Fiv: Ny Ràn’i Jesoa Zanak’Andriamanitra no manadio antsika.
3. Fa raha ny mazava no izorantsika
Toa Azy ao anaty Mazava hatrizay
Dia miombona isika samy isika,
Ary diovina amin’ny fahotan-drehetra.
Fiv: Ny Ràn’i Jesoa Zanak’Andriamanitra no manadio antsika.
4. Raha toa, sanatria, ka milaza isika
Fa hoe tsy mba manana fahotana mihitsy,
Dia izany no mamita-tena,
Ary tsy ao amintsika ny marina.
Fiv: Ny Ràn’i Jesoa Zanak’Andriamanitra no manadio antsika.
5. Fa raha miaiky heloka kosa isika,
Mahatoky sy marina Izy Tompo Andriamanitra,
Ka hamela ny fahotantsika
Sy handio ny hadisoantsika.
Fiv: Ny Ràn’i Jesoa Zanak’Andriamanitra no manadio antsika.
TENIN’ANDRIAMANITRA (V.)Jo 16,13-15
Talohan’ny hialan’i Jesoa amin’izao tontolo izao hankany aminny Ray, dia hoy Izy: Rahefa tonga ny Fanahy Fahamarinana, dia Izy no hampahalala anareo ny marina rehetra, satria tsy hiteny araka ny nahiny Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary izay tsy maintsy ho tonga no hambarany anareo. Hanome voninahitra Ahy Izy, satria handray ny avy amiko ary hampita izany aminareo. Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko; izany no nilazako fa izay horaisiny avy amiko no hambarany anareo.
VALINKIRA (VI.)
Fiv: Mba omeo anay ny Fanahy Mpanazava, ô ry Jesoa! (Jo 14,26)
1. ‘ Zay rehetra nolazain’ny Raiko ahy, no nambarako anareo. (Jo 15,15)
Fiv: Mba omeo anay ny Fanahy Mpanazava, ô ry Jesoa!
2. Ianareo dia votsa saina mpanadino; tadidio izay nolazaiko. (Lk 24,25 sy 24,6)
Fiv: Mba omeo anay ny Fanahy Mpanazava, ô ry Jesoa!
3. Mbola tsy ampy fahalalana ianareo, ka ho avy ny Fanahy. (Jo 12,16; 13,7; 14,26)
Fiv: Mba omeo anay ny Fanahy Mpanazava, ô ry Jesoa!
4. Lasana aho ka tsy ho hita eto intsony, Izy hitoetra am-ponareo. (Jo 16,13)
Fiv: Mba omeo anay ny Fanahy Mpanazava, ô ry Jesoa!
5. Zava-tsoa no fanomenareo ny zaza; ny an’ny Raiko, ny Fanahy ... (Lk 11,13)
Fiv: Mba omeo anay ny Fanahy Mpanazava, ô ry Jesoa!
6. Izy hanoro sy hampahatsiaro anareo izay voalazako rehetra.
Fiv: Mba omeo anay ny Fanahy Mpanazava, ô ry Jesoa!
7. Isan’andro dia hadikany hatrany Ireo Hafatra navelako. (Jo 14,26)
Fiv: Mba omeo anay ny Fanahy Mpanazava, ô ry Jesoa!
TONONKIRAN’I MARIA (VII.)
Sas 1: Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lalivay
naharo taminfny koba intelon’ny famarana,
ka nampitombo ny koba manontolo. (Mt 13,33) na:
Sas 2: Tampotampoka teo dia hita nizotra
Teny ambony ranomasina;
Tampotampoka teo dia hita nitety ny onja i Jesoa.
Vonona ny handray Azy ho any an-tsambokely ny mpianany,
kinanjo indro fa tonga sahady, |
tody soa sahady isika miaraka aminy. | indroa (Jo 6,19b-21)
Andininy:
1 Ny foko midera ny Tompontsika
Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy
‘ Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
2 Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin’ny taranaka: „Sambatra“ aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa
Ilay hoe: „Ny Masina no Anarany“.
3 ‘ Lay mandrakizay ny indrafony
Am’ny olon-drehetra matahotra Azy,
‘ Lay Tompo Mpandresy mahery sandry
Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,
Kanefa manadratra ireo ambany;
Manototra soa an’ireo noana
Fa mampody maina an’ireo mpanana.
5 Mpanarina an’Israely olony
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny Razantsika
Ho an’i Abrahama sy izay taranany.
6 ‘ Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,
Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika
Ho mandrakizay alaovalo!
Sas 1: Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lalivay
naharo taminfny koba intelon’ny famarana,
ka nampitombo ny koba manontolo. na:
Sas 2: Tampotampoka teo dia hita nizotra
Teny ambony ranomasina;
Tampotampoka teo dia hita nitety ny onja i Jesoa.
Vonona ny handray Azy ho any an-tsambokely ny mpianany,
kinanjo indro fa tonga sahady, |
tody soa sahady isika miaraka aminy. | indroa
RANOMBAVAKA (VIII.)
Raha olona iray tsara taiza mahalala fomba aza, tsy manadino ny
misaotra izay olona nahazoany zavatra kely, mainka ve isika tsy
tokony hisaotra ny Fanahy Masina noho ny hatsarany sy noho
izay omeny antsika!
Fiv: Misaotra indrindra, ry Fanahy Masina ô!
1. Ianao, Fitiavana mampifankatia ny Ray sy ny Zanaka.
Fiv: Misaotra indrindra, ry Fanahy Masina ô!
2. Ianao, nanentana an’ireo Mpaminany olon’Andriamanitra.
Fiv: Misaotra indrindra, ry Fanahy Masina ô!
3. Ianao , nanaloka an’i Maria Virjiny hotorontoronina an’i Jesoa.
Fiv: Misaotra indrindra, ry Fanahy Masina ô!
4. Ianao, nananganan’ny Ray an’i Jesoa ho velona mandrakizay.
Fiv: Misaotra indrindra, ry Fanahy Masina ô!
5. lanao, nampijoro ireo Apostoly ho vavolombelon’i Jesoa tafatsanganko velona.
Fiv: Misaotra indrindra, ry Fanahy Masina ô!
6. Ianao, Aina mamelona ny Fiangonana Vatan’i Jesoa.
Fiv: Misaotra indrindra, ry Fanahy Masina ô!
7. Ianao, nanaiky homena anay sy hamolavola anay ho masina.
Fiv: Misaotra indrindra, ry Fanahy Masina ô!
8. Ianao, hanangana ireo nody mandry ho velona indray.
Fiv: Misaotra indrindra, ry Fanahy Masina ô!
9. Azo ampiana na soloana fangatahana hafa
Fiv: Misaotra indrindra, ry Fanahy Masina ô!
Alohan’ny Rainay:
Mankasitraka sy mankatelina Anao izahay, ry Ray fa tombon-tsoa sesehena
no azonay avy amin’ny Fanahinao Fitiavana. Ny fiainanay andavanandro anie
ho voahaingonay fitiavana, fehin’ny hatsaram-panahy rehetra hitanay ao amin’i
Jesoa Zanakao, Ilay nampianatra anay hivavaka manao hoe:
Rainay any an-danitra ...
TSODRANO (IX.)[ohatra: Masina Maria]
Mpitsodrano:
Handrotsaka ny fahasoavany amintsika anie
Andriamanitra Ray nanolotra fanomezana tsy manam-paharoa an’i Maria,
ny Zanaka tia sy nanaiky azy ho Reniny,
ary ny Fanahy Masina nanamasina sy nanome azy ny voninahitra maha-Mpanjakavavin’ny lanitra.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!