Asabotsy IV Vavaka Maraina

FANAINGANA (I.) Salamo 24 (23)

Fiv: Todihontsika ny masoandro vao miposaka dia i Kristy

Ilay hiverina hitsara, hitsara ny velona sy ny maty, Aleloia!

(2 Tim 4,1) (Asolo ny Aleloia: rehetra)

1. An’ny Tompo avokoa ny tontolo sy ny hareny,

Ny tany sy ny mponina ao aminy rehetra.

2. Fa Izy no nanorina azy ambony ranomasina,

Sy nampitoetra azy ambonin’ny rano;

Fiv: Todihontsika ny masoandro vao miposaka dia i Kristy

Ilay hiverina hitsara, hitsara ny velona sy ny maty, Aleloia!

3. Ka zovy no hiakatra ny vohitry ny Tompo?

Ary iza no hijoro an-Toerana masina?

4. Izay madio tanana sy izay mazava fo,

Ary izay tsy manankina fanahy amin’ny sampy,

Fiv: Todihontsika ny masoandro vao miposaka dia i Kristy

Ilay hiverina hitsara, hitsara ny velona sy ny maty, Aleloia!

5. Izay tsy mianiana hamitaka ny hafa;

Hahazo tsodrano avy amin’ny Tompo izy,

6. Hahazo fahamarinana avy amin’Andriamanitra,

Dia Ilay Andriamanitra Mpamonjy azy.

Fiv: Todihontsika ny masoandro vao miposaka dia i Kristy

Ilay hiverina hitsara, hitsara ny velona sy ny maty, Aleloia!

7. Izany no vahoakan’izay mikaroka Azy,

Mikaroka ny Tavan’Andriamanitr’i Jakôba.

8. Ianareo varavarana, andrao ny tatao,

Miandra ianareo varavaram-pahagola!

Fiv: Todihontsika ny masoandro vao miposaka dia i Kristy

Ilay hiverina hitsara, hitsara ny velona sy ny maty, Aleloia!

9. Ny Mpanjakan’ny voninahitra hiditra eo!

Fa iza io Mpanjakan’ny voninahitra io?

10. Ny Tompo mahery tsy resy resena,

Ny Tompo tsy resy resena amin’ny ady!

Fiv: Todihontsika ny masoandro vao miposaka dia i Kristy

Ilay hiverina hitsara, hitsara ny velona sy ny maty, Aleloia!

11. Ianareo varavarana, andrao ny tatao

Miandra ianareo varavaram-pahagola!

12. Ny Mpanjakan’ny voninahitra hiditra eo!

Fa iza io Mpanjakan’ny voninahitra io?

Fiv: Todihontsika ny masoandro vao miposaka dia i Kristy

Ilay hiverina hitsara, hitsara ny velona sy ny maty, Aleloia!

13. Ny Tompo Andriamanitra: Tompon’ny tafika,

Eny, Izy no Mpanjakan’ny voninahitra!

14. Ny Mpahary Raintsika, sy i Kristy Mpanjaka,

Ny Fanahy mpanamasina, omeo voninahitra.

Fiv: Todihontsika ny masoandro vao miposaka dia i Kristy

Ilay hiverina hitsara, hitsara ny velona sy ny maty, Aleloia!

 

ANTSA (IIa.)

1. Isika niara-nisotro

Ny "aleoko maty" tamin’i Jesoa Tompo;

Sahy manao antso avo sy mitaky fahafahana,

Fahafahana sahaza ny zanak’Andriamanitra.

Sanatria:

Tsy fahafahana mivaona any anivon-danitra any,

Fa santarina eto an-tany

Hampiadana ny olona rehetra.

2. Isika niara-nisotro

Ny "aleoko maty" tamin’i Jesoa Tompo;

Sahy mijoro ho mpitondra ilay Fanantenana,

Fanantenana mendrika ny zanak’Andriamanitra.

Sanatria:

Tsy rongony mampatory mampanao "ampitso lava",

Fa vy miaina handresena

Fahafatesana amin’ny lafiny rehetra.

3. Isika niara-nisotro

Ny "aleoko maty" tamin’i Jesoa Tompo;

Sahy mitaky lalandava fanavaozana rafitra,

Izay rafitra mangeja ny zanak’Andriamanitra.

Sanatria:

Tsy ny fomba aman-dalana no toavina hotompoina,

Fa ny zo aman-kasina

Mampiombona ny olona rehetra.

4. Isika niara nisotro

Ny "aleoko maty" tamin’i Jesoa Tompo;

Sahy milatsaka ho iraka mpitondra hafaliana,

Hafaliana mendrika ny zanak’Andriamanitra.

Sanatria:

Tsy ho vahoaka manirery eo anivom-pirenena,

Fa ho Masoandro lohataona

Mampiravoravo ny olona rehetra.

5. Isika niara-nisotro

Ny "aleoko maty" tamin’i Jesoa Tompo.

Sahy manolotra ny aina hampijoro fitiavana,

Fitiavana sahaza ny zanak’Andriamanitra.

Sanatria:

Tsy fitiavana kanosa mora kivim-panenjehana,

Fa fitiavana matoky

Fahendrena homena ny olona rehetra.

 

na ANTSA hafa (IIb.):

1. Efitra ny fiainana nodiavin’ireo tongotro,

Efitra itsapana izay rokin’ny fitiavako.

Dian-tongotra efatra no indro miara-dalana

Manjohy avy ao aoriana mamaky tora-pasika.

Izaho sy ny Tompo no namakivaky ny efitra,

Tamin’ireo andro nibaliaka sy nilamina.

Dian-tongotray no manambara

Fa izahay nifampitantana:

Setriny: Manga ny lanitra

Izaho sy ny Tompo no namakivavy ny efitra

Manga ny lanitra

Izaho tia anao na ho tsiky na ho tomany

Manga ny lanitra

Satria ny fitiavako mandrakizay

Manga ny lanitra ...

2. Kanjo nony inona, romotra ny rivotra;

Fasika mandoro no nifafy tamin’ny tavako:

Jemby sady fanina aho, nitady hisarangotra:

Roa ny dian-tongotra sisa namakivaky efitra. |indroa

Tonga ve, ry Tompo, ny adim-piainako mafaitra,

Lasa Ianao nandao tsy azoko ianteherana?

Avelanao aho, hijaly samirery,

Misalasala hoe:

Sakaiza manody Ianao ...

Setriny: Manga ny lanitra

Izaho sy ny Tompo no namakivavy ny efitra

Manga ny lanitra

Izaho tia anao na ho tsiky na ho tomany

Manga ny lanitra

Satria ny fitiavako mandrakizay

Manga ny lanitra ...

3. Tsia, ry sakaiza, ahirato izao ny maso:

Fony ianao nijaly sy nandalo lalan-tsarotra,

Ndreo ny dian tongotro namindra samirery,

Fa ianao nobabeko nataoko an-tsangory. |indroa

Tantely amam-bahona ny fiainana eto an-tany,

Izaho Tomponao no nisotro ny mangidy:

Miaraka aminao tia anao

Na ho tsiky na ho tomany

Satria ny fitiavako mandrakizay.

Setriny: Manga ny lanitra

Izaho sy ny Tompo no namakivavy ny efitra

Manga ny lanitra

Izaho tia anao na ho tsiky na ho tomany

Manga ny lanitra

Satria ny fitiavako mandrakizay

Manga ny lanitra ...

 

SALAMO (III.)92 (91)

Sas: Ho voninahitra ho an’ny Raiko tokoa ianareo

raha mamoa be ny vokatry ny Fanahy,

ary ny vokatry ny Fanahy dia fitiavana,

fifaliana, fiadanam-po ... (Jo 15,8 sy Gal 5,22)

Andininy:

1. Tsara ny misaotra Anao, ry Tompo,

Miantsa ny Anaran’ny Avo Indrindra;

Ny hatsaram-ponao raha vao maraina,

Ny fahamarinana nony alina.

2. Dia am’tory folo sy valiha

Ravahan-kalokalo sy lokanga

Ka faly aho mahita ny asanao

Sy ravo noho ny vitan-tananao.

3. Akory fa lehibe ny vitanao

Mba lalina rah’ny fisainanao

Ny tsy ampy saina no tsy mahalala

Adala foana ireo tsy mahatsapa.

4. Mahomby sady faly ve ny ratsy

Dia rariny avokoa ve ‘zay ataony?

Tsy ho ela dia ho ringana izy ireny

Ianao manko Tompo tena Avo.

5. ‘ Reo fahavalonao jereo fa toro!

Mihahaka avokoa ny olon-dratsy

F’jzaho nihanatanjaka aoka izany

Satria voahosotrao ka manan-kery.

6. Bandriniko tokoa ny fahavalo

Ary henoko avokoa ny teti-dratsy

Ny marina maniry toa antrendry

Dia tahaka ny sederan’i Libàna.

7. Maniry ao an-tranon’Izy Tompo

Dia ao an-kianjan’ny Andriamanitsika

Hamokatra na dia efa antitra aza

Misondrotra tokoa ny tsiron-kazo.

8. Izany dia mitory fa mahitsy

Ny Tompo Vatolampy tsy mikoro

Ny Rariny misoritra ho Lalàny

Ny Hitsiny tokana tandroiny.

9. Fa tsara ny misaotra Anao, ry Ray,

Ny Zanaka ‘zay Loharanon’aina,

Fa tsara koa ny miara-mankalaza

Mihoby anao Fanahy ‘zay mankahery.

Sas: Ho voninahitra ho an’ny Raiko tokoa ianareo

raha mamoa be ny vokatry ny Fanahy,

ary ny vokatry ny Fanahy dia fitiavana,

fifaliana, fiadanam-po ... .

 

TONONKIRA (IV.)Ez 36,24-28

Fiv: Ianareo ho vahoakako, Izaho ho Andriamanitrareo.

1. Fa halaiko avy any amin’ny firenen-kafa ianareo

Sy hangoniko avy any amin’ny tany rehetra,

Ka haveriko ho any amin’ny taninareo.

Fiv: Ianareo ho vahoakako, Izaho ho Andriamanitrareo.

2. Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio,

Ka ny fahalotoana aman-tsampinareo

Hofafako hiala hahadio anareo.

Fiv: Ianareo ho vahoakako, Izaho ho Andriamanitrareo.

3. Koa fo sy fanahy vaovao no homeko anareo,

Dia halàko amin’ny nofonareo ny fo vato,

Ary fo nofo kosa indray no homeko.

Fiv: Ianareo ho vahoakako, Izaho ho Andriamanitrareo.

4. Ny Fanahiko Masina hataoko ao anatinareo

Hanarahanareo ny Lalàna nomeko,

Ary koa hitandremanareo ny fitsipiko.

Fiv: Ianareo ho vahoakako, Izaho ho Andriamanitrareo.

5. Ary eo amin’ny tany nomeko ny razanareo

Ianareo no honina ka ho vahoakako,

Dia Izaho kosa indray ho Andriamanitrareo.

Fiv: Ianareo ho vahoakako, Izaho ho Andriamanitrareo.

 

SALAMO (V.)Sal 8

Sas: Nifidy antsika tao amin’i Kristy talohan’ny nahariana izao

tontolo izao Andriamanitra, mba ho masina isika, tsy hanan-tsiny

eo anatrehany, noho ny fitiavana, ho Fiderana ny voninahitry ny Ray. (Ef 1,4-5)

Andininy:

1. Ry Tompo Andriamanitra, endrey ny Anaranao

Lehibe sy fanta-daza eran-tany manontolo.

Ny fiandriananao mihoatra irony lanitra

Hobin’ny zaza bodo sy ireo izay vao minono.

Io no toy ny manda narafitrao hijoro.

Ka tankina sy gina ireo fahavalonao.

2. Raha hitako ny lanitra nataon’ny tananao.

Ny volana, ny kintana izay namboarinao,

Dia inona ny olona no mba tsaroanao,

Ny zanak’olombelona no mba tsimbininao?

Nataonao ambany kely noho Andriamanitra,

Ka enim-boninahitra izy fa nasondrotrao.

3. Ny asan-tananao foinao hozakainy

Ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany.

Irony andian’omby ary koa andian’ondry

Sy ny sisa hafa rehetra hatramin’ny bibidia.

Ny vorona eny andanitra sy trondron-dranomasina,

Ireo izay mizotra any ambany ranomasina.

4. Ry Tompo Andriamanitra, endrey ny Anaranao,

Lehibe sy fanta-daza eran-tany manontolo.

Isaorana e Ianao, Ilay nanandratra anay,

Deraina koa ny Zanaka mpampihavana aminao,

Ary koa ny Fanahy nananganana anay

Mba ho afaka hibanjina ny voninahitrao.

Sas: Nifidy antsika tao amin’i Kristy talohan’ny nahariana izao

tontolo izao Andriamanitra, mba ho masina isika, tsy hanan-tsiny

eo anatrehany, noho ny fitiavana, ho Fiderana ny voninahitry ny Ray.

 

TENIN’ANDRIAMANITRA (VI.)1 Kor 15,20.23-24

Efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy, ary Izy no santatr’izay nodimandry,

hahaveloman’ny olon-drehetra ao aminy, fa manaraka ny laharany avy ny tsirairay:

i Kristy no santatra, dia izay an’i Kristy amin’ny andro hiaviany. Rahefa afaka

izany, ho tonga ny farany dia rahatrizay hatolony amin’Andriamanitra Ilay Ray

ny Fanjakana, rahefa levona avokoa ny fanapahana sy ny fahefana ary ny hery

rehetra.

 

VALINKIRA (VII.)

Fiv: Santatr’ireo izay nodimandry, e ny Tompo! (1 Kor 15,20)

1. Nanafaka antsika amin’ny loza ho avy e! E ny Tompo

Fa Izy no Tompon’ireo maty a!

Fiv: Santatr’ireo izay nodimandry, e ny Tompo!

2. Sy Tompon’ny velona eran-tany a!

E maty Izy fa velona indray ô!

Fiv: Santatr’ireo izay nodimandry, e ny Tompo!

3. Isika efa miandra ny famonjena a!

Ambara-piavin’ny Tompontsika!

Fiv: Santatr’ireo izay nodimandry, e ny Tompo!

4. Hitsangana ireo izay manaraka Azy a!

Ho velona tsy mba ho faty intsony a!

Fiv: Santatr’ireo izay nodimandry, e ny Tompo!

 

TONONKIRAN’I ZAKARIA (VIII.)

Sas: Mahita ny miafina ny Ray, hovaliany zato heny ireo mamafy soa mangina. (Mt 6,4)

na: Aza mitsara e! Aza mitsara ianareo dia tsy hotsaraina. Koa aza mitsara e! ... (Mt 7,1)

Andininy:

1 Deraina isaorana Izy Tompo

Ny Tompo Andriamanitr’Israely

Fa Izy efa tonga namangy antsika

Nanavotra antsika amy fahavalo.

2 Nanolotra antsika herim-pamonjena

Avy amin’ny fianakaviana iray

Dia ny an’i Davida mpanompo tiany

F’izany tokoa no efa nolazainy.

3 Fa Teniny nentin’ny Mpaminany

Dia ireo olomasiny fahagola:

Ny vonjiny hanala amy fahavalo

Hanafaka antsika amy mpankahala.

4 Noho izy nandala ny Razantsika,

Dia indro tsaroany ny Fanekeny

Fa teny nomeny an’i Abrahama

Ny hanafaka antsika amy fahavalo.

5 Am’zay ‘sika ho afa-manompo Azy

Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy

Fa entin’ ny fo tia sy mahatoky

Ho eo anatrehany lalandava.

6 Ianao ‘zao anaka, no antsoina:

Ho ‘lay "Mpaminanin’ny Avo indrindra",

Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao

Hamboatra ny lalana ‘zay hombany.

7 Ianao hanambara ny famonjena

Dia ny famelana ny hadisoana

Satria Andriamanitra fo miantra

Mandefa masoandro hamangiany antsika.

8 Fanilo hanazava reo mitakiky

Anatin’ny haizina mahafaty.

Fanilo hanazava ny diantsika

Am’lalam-piadanana lavorary.

9 Isaory ny Ray nanome antsika

Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena!

Hobio ny Fanahy niantsoana antsika

Ho sambatra hibanjina ny mazava.

Sas: Mahita ny miafina ny Ray, hovaliany zato heny ireo mamafy soa mangina.

na: Aza mitsara e! Aza mitsara ianareo dia tsy hotsaraina. Koa aza mitsara e! ...

 

RANOMBAVAKA (IX.)

Ny toky omen’olombelona dia mazàna mahadiso fanantenana. Rariny sy hitsiny kosa ny hahafoizana ny zavatra rehetra noho ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny hahatongavany.

Fiv: Ho tonga anie ny Fanjakanao ety antany tahaka ny any andanitra.

1. Ray ô, ny Fanjakanao dia Fanjakan’ny Fiombonana: koa hangoninao indray anie ny vahoakanao voasesitany na nisara-bazana.

Fiv: Ho tonga anie ny Fanjakanao ety antany tahaka ny any andanitra.

2. Ray ô, ny Fanjakanao dia Fanjakan’ny Fahamasinana, koa havaozin’ny Fanahinao anie ny fonay sy ny tenanay manontolo.

Fiv: Ho tonga anie ny Fanjakanao ety antany tahaka ny any andanitra.

3. Ray ô, ny Fanjakanao dia Fanjakan’ny Fiadanana: koa homen’i Kristy an’izao

tontolo izao liana ady anie ny faniriana fihavanana sy firahalahiana.

Fiv: Ho tonga anie ny Fanjakanao ety antany tahaka ny any andanitra.

4. Ray ô, ny Fanjakanao dia Fanjakan’ny Rariny, koa hohalavirinay anie ny hanosihosy ny zo aman-kasin’ny olombelona.

Fiv: Ho tonga anie ny Fanjakanao ety antany tahaka ny any andanitra.

5. Ray ô, ny Fanjakanao dia Fanjakan’ny Fitiavana: koa hivelomanay isan-tokantrano anie ny didim-pitiavana nomen’ny Zanakao.

Fiv: Ho tonga anie ny Fanjakanao ety antany tahaka ny any andanitra.

6. Ray ô, hafaingano ny hiverenan’ny Zanakao indray eto an-tany mba hampijoro amimboninahitra ilay Fanjakanao mandrakizay.

Fiv: Ho tonga anie ny Fanjakanao ety antany tahaka ny any andanitra.

7. Azo ampiana na soloana fangatahana hafa

Fiv: Ho tonga anie ny Fanjakanao ety antany tahaka ny any andanitra.

Rainay any an-danitra ...

Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra ô, toa tsy mahefa na inona na inona

Ianao eo anatrehan’ny safidim-ponay olombelona. Ianao ihany anefa no tena mahalala izay hahasoa sy hahasambatra anay, ka ny fonay anie hiraika amin’ny Fanahinao Masina ao anatinay, ka hanjakany tanteraka sy hoentiny hampiroborobo ny Fanjakanao Andriamanitra eto aminay. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay Ilay velona sy manjaka miaraka aminao sy ny Fanahy Masina, mandrakizay mandrakizay.

Amen.

 

TSODRANO (X.)[ohatra]

Mpitsodrano:

Andriamanitra Ray izay tsy manolo-bato mafana,

ny Zanaka izay nampitombo mofo ho an’olona an’arivony,

ary ny Fanahy izay mizarazara fanomezan-tsamihafa

ny voaary manontolo anie

hanome antsika izay fahasoavana ilaintsika izao

sy mandritra ny andro rehetra hiainantsika.

Valiny:

Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!


Azo atao amin’ny fanombohan’ny Vavaka Maraina na Hariva na Hatory),

Mpitarika: Ray ô, mitalaho izahay amin’ny Anaran’i Kristy

Vahoaka: Mba hanomezanao ny Fanahinao hitantana anay.

Mpitarika: Dia hifanaraka amin’ny teny ambaranay

Vahoaka: Ny fo amam-panahinay.

 

ANTSO am in ‘ny andro Fety (izy 3 miaraka na ny 1 amin’ireo)

Mpitarika: Ombao haneho ny marina,

miafitra ao anatinay

ny teny haloaky ny vavanay ,

Vahoaka: Ry Ray Mpamindra fo!

Mpitarika: Ombao hiraika hatrany

amin’ny fampianaranao

ny fonay manontolo,

Vahoaka: Ry Jesoa Tomponay!

Mpitarika: Ombao re hanahaka

ny fiainan’Izy Tompo

ny fiainanay rehetra

Vahoaka: Ry Fanahy Masina ô!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0088