ANTSA (I.)
1. Jesoa ô,
Ampy ahy ny fahazarako sy ny toetrako hatrizao:
Havozo sy sakamalaho ny tarigetrako sy ny Anao.
Raha mba fantatrao manko ny Tolotry ny Ray
Sy ny Zanak’Olona mitafa aminao,
Ho aina tsisy fetra no ho nirifanao,
Ho foana ny hetaheta mangeja ny fonao.
Fiv: Narodan’i Jesoa ny rindrim-panavahana
Sy fisainana lomorina najoron’olombelona,
Fa toetra vaovao sahaza ny olom-banona
No indro fa atolony mba hivelomanao.
2. Jesoa ô,
Ampy ahy ny fomban-dRazako nivelomako hatrizao:
Havozo sy sakamalaho ny Andriamanitray sy ny Anao.
Raha mba fantatrao manko ny Lahatry ny Ray
Sy ny Zanak’olona nomena hampiray,
Dia Hery sy Fanahy no ho nantsoinao,
Hampianatra ny vavaka nitsiry ao am-ponao.
Fiv: Narodan’i Jesoa ny rindrim-panavahana
Sy fisainana lomorina najoron’olombelona,
Fa toetra vaovao sahaza ny olom-banona
No indro fa atolony mba hivelomanao.
3. - Jesoa ô,
Fantatrao ny fomba fiainako sy ny amiko rehetra:
Tsimbotry zary adrisa ny fireneko sy ny Anao.
Raha mba fantatrao manko ny Sitraky ny Ray
Sy ny Zanak’Olona mahita ny fonao,
Mesia efa tonga no io akaikinao,
Nampidina ny Fiainana ho Famonjena anao.
Fiv: Narodan’i Jesoa ny rindrim-panavahana
Sy fisainana lomorina najoron’olombelona,
Fa toetra vaovao sahaza ny olom-banona
No indro fa atolony mba hivelomanao.
SALAMO (II.)140 (141)
Sas: Ho toy ny emboka eo imasonao anie ny fivavahako,
Moa ny tanako misandratra, ho fanati-takariva.
Andininy:
1. O ry Tompo, antsoiko Ianao, mba faingana ka tongava,
Raha asandratro ny feoko, mba henoy re izany antsoko.
2. Ho toy ny emboka eo imasonao anie ny fivavahako,
Moa ny tanako misandratra, ho fanati-takariva.
3. Koa mba ametraho mpiambina ny vavako, ô ry Tompo,
Ny varavaran’ireo molotro ambeno sy arovy.
4. Aza avelanao hirona hankamin’ny ratsy izany foko,
Ary aza avelanao hivarilavo amin’ny ota.
5. Eny, aoka tsy hiaraka amin’ny ratsy izany tenako,
Ary izay hafinaretany, enga anie mba tsy handramako.
6. Aoka hikapoka ahy, hananatra amin’ny fony ny olo-marina,
Fa izany, diloilo tsy holavina eo an-dohako.
7. Amin’izay ny fivavahako tsy atsahatro mihitsy,
Dia hiampanga sy hitory ny asa ratsin’izy ireo.
8. Dia ilay Vatolampy mafy no hitsara azy ireo,
Izay faly raha nandre ny fitarainako nanao hoe:
9. " Toy ny tany izay asaina ka mivava sy mitresaka,
Ny taolanay izay naely teo am bavan’ny Seoly".
10. Fa Ianao no andrandrain’ireto masoko, ô ry Tompo!
Akaikinao no fialofako: aza afoy izany aiko.
11. Ka arovy amin’ny fandrika amandrihany ahy ny tenako,
Ary amin’ny longoan’ny mpisaina teti-dratsy.
12. Koa ny saotra asandratray re mba raiso, ô ry Ray.
Tsy navelanao ho tanan’ny Seoly ny Zanakao,
13. Fa natsanganao ho Tompon’ny tontolo sy Mpandresy,
Ary ny Fanahy no anomezanao ny Fiainana ho anay.
Sas: Ho toy ny emboka eo imasonao anie ny fivavahako,
Moa ny tanako misandratra, ho fanati-takariva.
SALAMO (III.)142 (141)
Sas: Ny Evanjely toriko no iaretako fijaliana hatramin’ny fatorana aza,
toy ny olon-dratsy; ny Tenin’Andriamanitra anefa tsy hay afatotra,
eny tsy hay afatotra. (2 Tim 2.9)
1. Izany feoko mikiaka miantso mafy Azy Tompo;
Izany feoko miangavy mitalaho Azy Tompo.
Dia atosako anatrehany ny tarainako.
Ary asehoko anoloany ny fijaliako.
2. Raha ketraka ato anatiko ny fo amam-panahiko
Dia Ianao no mahalala izay lalana hombako:
Eny an-dalana eny manko, izay alehako,
Dia nasiany velam-pandrika izay miafina.
3. Mba jereo ny ankavanana. topazo maso anie:
Tsisy olona iray mba mahalala ahy akory!
Tsisy toerana mihitsy mba hialofako,
Ary tsisy mba miahy izany aiko!
4. Koa Ianao, ry Tompo ô, no iantefan’izany antsoko!
Ary hoy izany feoko: "Fialofako Ianao,
Hany anjarako eto an tany, tanin’ny velona;
Fialofako Ianao hany anjarako!"
5. Mampandria sofina amin’ny fitarainako Ianao,
Fa osa loatra aho, tena hatsatra izaitsizy.
Koa afaho eo antanan’ny ny mpanenjika,
Fa mahery noho izaho izy ireo.
6. Avoahy ny tranomaizina itazomana ahy ny tenako,
Mba hidera sy hankalaza ny Anaranao Ilay Masina,
Ndreo fa hanodidina ahy ny olo-marina,
Noho Ianao hameno ahy fahasoavana.
7. Ho Anao, ry Ray, mpiantra ireo idonam-pahoriana,
Ho Anao, ry 1lay nizaka fijalian’olombelona,
Ry Fanahy tsy hay afatotra, hany anjarako,
Raiso re ny fiderana, voninahitra!
Sas: Ny Evanjely toriko no iaretako fijaliana hatramin’ny fatorana aza,
toy ny olon-dratsy; ny Tenin’Andriamanitra anefa tsy hay afatotra,
eny tsy hay afatotra. (2 Tim 2.9)
TONONKIRA (IV.)1 Jo 5,4-8a
Fiv: Mino isika fa i Jesoa no tena Zanak’Andriamanitra.
1. Izay naterak’Andriamanitra rehetra no mpandresy
An’izao tontolo izao.
Fiv: Mino isika fa i Jesoa no tena Zanak’Andriamanitra.
2. Ny fandresena naharesy an’izao tontolo izao
Dia ilay finoantsika.
Fiv: Mino isika fa i Jesoa no tena Zanak’Andriamanitra.
3. Iza ary no mpandresy an’izao tontolo izao
Afa-tsy izay mino ihany?
Fiv: Mino isika fa i Jesoa no tena Zanak’Andriamanitra.
4. Izy manko no Ilay avy tamin’ny rano sy ny rà,
Dia i Jesoa Kristy.
Fiv: Mino isika fa i Jesoa no tena Zanak’Andriamanitra.
5. Fa tsy tamin’ny rano irery ihany akory anefa izany,
Fa ny rano sy ny rà;
Fiv: Mino isika fa i Jesoa no tena Zanak’Andriamanitra.
6. Ary koa vavolombelona milaza ny Fanahy
Fahamarinana Izy anie!
Fiv: Mino isika fa i Jesoa no tena Zanak’Andriamanitra.
7. Misy telo ary izy ireo, vavolombelona milaza,
Dia Fanahy, rano, rà.
Fiv: Mino isika fa i Jesoa no tena Zanak’Andriamanitra.
TENIN’ANDRIAMANITRA (V.)Asa 3.18-20
Notanterahan’Andriamanitra izay voalazany rahateo tamin’ny vavan’ny
mpaminany rehetra fa hijaly i Kristy. Koa mibebaha ary ianareo, miverena
amin’Andriamanitra, mba hovonoina ny helokareo, ka ho tonga ny andro
mahavelombelona avy amin’ny Tompo rahefa haniraka ilay voatendry ho
anareo izy, dia i Jesoa Kristy.
VALINKIRA (VI.)
Fiv 1: Fa i Jesoa no Tompo, Izy no Kristy, Aleloia! (Asa2.36)
na Fiv 2: Fa i Jesoa no Kristy, Izy no Tompo, Aleloia! (Asa2.36)
1. Aoka ho fantatry ny olon-drehetra:
Fiv 1: Fa i Jesoa no Tompo, Izy no Kristy, Aleloia!
2. Efa nambaran’ireo mpaminany,
Fiv 1: Fa i Jesoa no Tompo, Izy no Kristy, Aleloia!
3. Resy ny fasana maizin’ny tany.
Fiv 1: Fa i Jesoa no Tompo, Izy no Kristy, Aleloia!
4. Efa nasehon’ny Ray tamintsika.
Fiv 1: Fa i Jesoa no Tompo, Izy no Kristy, Aleloia!
5. Azy ny tany amandanitra izao.
Fiv 1: Fa i Jesoa no Tompo, Izy no Kristy, Aleloia!
6. Avotra isika mpanota rehetra.
Fiv 1: Fa i Jesoa no Tompo, Izy no Kristy, Aleloia!
7. Ndeha isika hino ny teny voalaza.
Fiv 1: Fa i Jesoa no Tompo, Izy no Kristy, Aleloia!
na Fiv 2: Fa i Jesoa no Kristy, Izy no Tompo, Aleloia!
TONONKIRAN’I MARIA (VII.)
Sas: Taorian’ny andro Pantekoty ny mpianatr’i Kristy,
nazoto nihaino ny fampianaran’ny Apostoly,
niray saina, nandray anjara tamin’ny fizarana ny Mofo,
nazoto nivavaka: izany no Fiainan’ny Fiangonan’ny Tompo. (Asa 2,42)
Andininy:
1 Ny foko midera ny Tompontsika
Ny saiko mifaly amin’Andriamanitra
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy
‘ Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
2 Fa indro manomboka ankehitriny
Hantsoin’ny taranaka: "Sambatra" aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa
Ilay hoe: "Ny Masina no Anarany".
3 ‘ Lay mandrakizay ny indrafony
Am’ ny olon-drehetra matahotra Azy,
‘ Lay Tompo Mpandresy mahery sandry
Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka,
Kanefa manadratra ireo ambany;
Manototra soa an’ireo noana
Fa mampody maina an’ireo mpanana.
5 Mpanarina an’Israely olony
Satria mahatsiaro ny indrafony
Nampanantenainy ny Razantsika
Ho an’i Abrahama sy izay taranany.
6 ‘ Lay Ray be fitiavana mba derao,
Hobio ‘lay Zanany tonga nofo,
Ar’ koa ‘lay Fanahy Mampiray antsika
Ho mandrakizay alaovalo!
Sas: Taorian’ny andro Pantekoty ny mpianatr’i Kristy,
nazoto nihaino ny fampianaran’ny Apostoly,
niray saina, nandray anjara tamin’ny fizarana ny Mofo,
nazoto nivavaka: izany no Fiainan’ny Fiangonan’ny Tompo.
RANOMBAVAKA (VIII.)
Tsy tokony hampatahotra antsika ny hiverenan’i Kristy, fa tokony handrandraintsika aza, satria "ny fitiavana mandroaka ny tahotra". Koa tiavo Izy ary iangavio hampitombo ny fitiavantsika satria "ny fitiavana no hitsarana antsika".
Fiv: Marana Tha! Tongava Ianao Jesoa Tompo!
1. Tongava eo amin’ireo tsy te hahalala Anao mba hanokatra ny fony, ka hahatsapany fa "Ianao no Fiandohana sy Fiafarana".
Fiv: Marana Tha! Tongava Ianao Jesoa Tompo!
2. Tongava eo amin’jreo firenena manabe ny vahoakany hionona amin’ny eto an-tany, ka ataovy fantany fa mbola hiverina indray Ianao hanavao ny tany.
Fiv: Marana Tha! Tongava Ianao Jesoa Tompo!
3. Tongava eo anivon’ireo ianjadiam-pahoriana mba hahalalany fa efa nosotroinao koa
ny mangidy ary hovanao ho Hafaliana sy fiainana.
Fiv: Marana Tha! Tongava Ianao Jesoa Tompo!
4. Tongava ka mamelà ny otanay mba tsy ho meloka eo anatrehanao izahay rahefa tonga ny fotoana hiverenanao indray.
Fiv: Marana Tha! Tongava Ianao Jesoa Tompo!
5. Tongava mankahery an’ireo miady aina ary atsangano ho velona ireo nody mandry mba hiaraka higoka ny fiainana mandrakizay aminao.
Fiv: Marana Tha! Tongava Ianao Jesoa Tompo!
6. Tongava amim-boninahitra hanatanteraka ny Fandaharan’ny Ray sy hahasafononoka ny hasambaranay.
Fiv: Marana Tha! Tongava Ianao Jesoa Tompo!
7. Azo ampiana na soloana fangatahana hafa
Fiv: Marana Tha! Tongava Ianao Jesoa Tompo!
Rainay any an-danitra ...
Jesoa Tompo ô; ny fiverenanao amim-boninahitra, hitam-poko; hitam-pirenena, no hamrana ny tantaram-piainanay olombelona. Tsy fantatray na ny andro na ny ora hitrangan’izany fihaonan-dehibe izany, ka ataovy vonon-kandray Anao isan’andro mihiratra izahay mba ho feno hafaliana fa tsy ho raiki-tahotra rahefa tonga Ianao, Ilay velona sy manjaka miaraka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina, amin’ny taona mandrakizay.
Amen.
TSODRANO (IX.)
Mpitsodrano:
Hiaro antsika
mandia tany tsy ho solafaka
ary miloloha lanitra tsy ho lena anie
ny Fitiavan’Andriamanitra Ray
sy ny Fahazavan’i Kristy
ary ny herin’ny Fanahy Masina.
Valiny:
Misaotra ê! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!
Azo atao amin’ny fanombohan’ny Vavaka Maraina na Hariva na Hatory),
Mpitarika: Ray ô, mitalaho izahay amin’ny Anaran’i Kristy
Vahoaka: Mba hanomezanao ny Fanahinao hitantana anay.
Mpitarika: Dia hifanaraka amin’ny teny ambaranay
Vahoaka: Ny fo amam-panahinay.
ANTSO am in ‘ny andro Fety (izy 3 miaraka na ny 1 amin’ireo)
Mpitarika: Ombao haneho ny marina,
miafitra ao anatinay
ny teny haloaky ny vavanay ,
Vahoaka: Ry Ray Mpamindra fo!
Mpitarika: Ombao hiraika hatrany
amin’ny fampianaranao
ny fonay manontolo,
Vahoaka: Ry Jesoa Tomponay!
Mpitarika: Ombao re hanahaka
ny fiainan’Izy Tompo
ny fiainanay rehetra
Vahoaka: Ry Fanahy Masina ô!